hirotsaka hofidiana izany i Rolland Ratsiraka!

21. antatsimo ( 23/01/2006 09:08)
ny tiako holazaina fotsiny dé toa miverina @ fijaliana taloha ny gasy!
nahavita làlana i ra8, marina izay!
nahafaka trosa izy, marina koa izay!
ny trosa afaka io anefa, efa asan'ny taloha!
dia aoka hamarinina fa mora jambaina ny gasy! tsy vitan'ny hoe mamilatra ny làlana dia mivoatra i madagasikara! aiza ny momba ny sandam-bolan'ny gasy! dia ahoana ny momba ny fampigadrana ireo manan-kaja rehetra tsy miomba an'i TIM? ahoana koa ny tsy fanàjana ny manam-pahefana vahiny izay voa hitsakitsaka!
tsy i ra8 irery no mahavita an'izany! i Ratsiraka koa nanao ny azy! anjarantsika vahoaka ny manao izay mahatongasaina ny havantsika sy hanova toe-tsaina @ fomba fitondràna! anjarantsika ny mifidy ny fivoarana fa tsy hitsatoka amin'ity fanabadoana ny vahoaka malagasy foana!
dia aoka mba hajanona ny resaka momba adi-foko! rehefa tsy hain-tsika ny miaraka @ maha malagasy antsika dia aoka hipoaka ny adim-poko fa izay angamba ny mba hampatonga-saina antsika!!!!
22. eprom ( 23/01/2006 12:14)
Solitikabe:

Tsara jerena angamba ny tantaran'ny zava-bitany:
- Manao ahoana ny lalana ao an-tampon-tananan'i Toamasina, niha tsara ve?
Raha ny teo anelanelan'ny 1999 sy 2006 aloha no jerena de nisy ihany ny lalana vita. Raha ny marina aloha de tsy capacitén'ny mairie intsony ny fanamboarana ireo lalana ireo fa tsy maintsy fanampiana ihany.
Solitikabe:

- Manao ahoana ny fandaminany ny tanana? Mba efa milamina ve ny tsena?
Tsy azo ambara hoe milamina nefa tsy de mikorontana koa. Ny loto angamba no tena hitako hoe olan'ny toamasina. ( ankoatry ny lalana )
Solitikabe:

- Mahay mitantana ve izy? Dia anaovana tombana ny fandehan'ny Dacagon, sy ny Société Tanora Hydrocarbure (STH)
Asa moa na azy ireo fa ny fantatro hoe azy de ny Toamasina Service ( mpaka fakon'ny mpanana). Toa misy interet be loatra ao anatin'izy io. (Tsy maharaka ny mpaka fakon'ny voirie de mahazo kil ny toamasina service)
Solitikabe:

Ny fahafahana milatsaka ho fidiana moa afaka manao daholo rehefa feno 45 taona ary manana saosy sy mpanohana.
Fanitsiana : 40 taona no voalazan'ny lalampanorenana. Asa na firy taona tokoa nedala io izao.


23. xxx ( 23/01/2006 13:44)
Hoy ny anatsimo hoe nahavita Ratsiraka, hoy aho hoe tsy nahavita Ratsiraka, raha nahavita izy efa mba tahakan'i Singapour isika izao ohatra.
Aza adino fa nanapotika koa izy avy eo ary saika hanao adim-poko nefa moa izany dia resy ihany izy nohon'ny avy eo.
Adinonao sady koa ve ireny barrage ireny sy ny tetezana napoaka?
24. vetsoko ( 23/01/2006 14:22)
bilan generale:
RATSIRAKA:nanodina ny raharaham-pirenena fotsiny fa tsy nampandroso fa tsy nampahantra be koa anefa,tandremo
RAVALO:mahay mi-impressionner @ hitan'ny maso,saingy mampahantra
Experience sy methode politique roa samihafa ireo
CANDIDAT HAFA: tsara ny hisiany mba ahitan'ny vahoaka malagasy endrim-pandrosoana hafa sy methode hafa
25. khery ( 23/01/2006 19:17)
amin'ny fo tsy miangatra kosa alou de aleo R.Ratsiraka toy izay R8 .
26. xxx ( 23/01/2006 19:47)
tsy aleo Ra8 kle
27. Stone ( 23/01/2006 21:31)
Aleo adinoina any izany Deba na Ratsiraka (na roland io na sophie) izany, fa izy aza efa resy koa, .
28. Veloo ( 24/01/2006 01:31)
aleo mihitsy ra8 ihany kle:lol:
29. antatsimo ( 24/01/2006 14:15)
xxx:

Hoy ny anatsimo hoe nahavita Ratsiraka, hoy aho hoe tsy nahavita Ratsiraka, raha nahavita izy efa mba tahakan'i Singapour isika izao ohatra.
Aza adino fa nanapotika koa izy avy eo ary saika hanao adim-poko nefa moa izany dia resy ihany izy nohon'ny avy eo.
Adinonao sady koa ve ireny barrage ireny sy ny tetezana napoaka?

marina ny lazainao ry xxx! kanefa kosa, aoka hamarinina fa ny crise, tsy olona iray ihany no mahavita azy! misy andaniny roa vao misy ny tsy fahaizana miara monina! izaho tsy hoe miaro an'i ratsiraka akory! ny tanjoko fotsiny dia ampahatsiahy fa i ra8 dia mitondra an'i madagasikara @ lalàna 'dictature' hoatra an'i ratsiraka ihany koa anjarantsika no tsy ho mora jambaina!

30. lapino ( 24/01/2006 15:02)
antatsimo:
kanefa kosa, aoka hamarinina fa ny crise, tsy olona iray ihany no mahavita azy! misy andaniny roa vao misy ny tsy fahaizana miara monina!

Raha mifanakaiky izao isika sy antatsimo, dia tonga ianao dia ompaiko, ravako ny zaridainanao, vonoiko ny alika mpiandry ny tanànanao, torahako ho vaky ny varavarankelinao. Hanaiky ve i antatsimo? Dia raha misy krizy am'zany, dia tsy izaho irery no tompon'andraikitra?!

Raha lazainao fa dictature ny an-dRatsiraka, dictature koa ny an-dRavalo, dia dictature tsy mitovy ireo!!!
31. xxx ( 24/01/2006 21:12)
@ politika , indrindra raha mpitondra ianao dia tsy azo atao ny manome concession ny opposition, indrindra fa raha destructive ohatran'ny aty afrika sy Mcar ilay opposition.
raha vao manaiky transition eo Ra8 dia vita, soa ihany fa efa fantany io satria izy. mila etat fort fa tsy etat sadasada.
marihina fa ireo pays emergeants (Malaisie, Thailand, Vietnam, Taiwan,Bengladesh, Tunisie etc) @ izao fotoana izao dia saika quasi-dictature daholo. Tsy mampandroso fa mampivarina ny democratie raha toa ka mbola tsy hay, mcar dia tsy mitovy @ Suede na Canada akory! ireny firenena ireny dia efa mahay tsara ny atao hoe democratie.
32. fijo ( 24/01/2006 21:32)
ny hoe hilatsaka i ngahy ratsiraka,safidiny io,ka raha mahafeno ,ny takian'ny lalana izy dia avelao hilatsaka.
saingy:
-aza hadino,fa misy olana amin'ny fitsarana izy izao.ka tsy hay izay hitranga.
marina ary tohanako io voalaznan'i XXX io amboy io.tiako tokoa ny demokrasia satria hiainako izany aty,saingy raha tany tsy mbola mahafehy azy,dia ilaina ny "jadona voafetra"
azavaiko.
tsy mety ny fandraisan'ny olona ny atao hoe demokrasia any afrika.afangarony amin'ny anarsia ilay izy.hadinony,fa ny demokrasia anie ka misy fehiny e.fa tsy hoe izay no fanjakam bahoaka,dia samy manao izay tiany.za depute de rôl aho izany.tsia.
mihevitra ny sasany,fa demokrsasia izany,dia tokony ahazo toerana daholo,na nianatra enao na tsia.diso be io.
mba hifehezana ny fivoarana any amintsika dia mila hery kely aloha hiarovana izay efa vita.raha tsy izay mantsy,dia ny hanimba izay vita ihany no mahamay ny mpanohatra.hamarino ny tantara nisy hatrizay.
33. Solitikabe ( 25/01/2006 04:03)
Ny ahy fotsiny ny hitako hoe mandreraka dia rehefa misy mitady hilatsaka dia io fanindrahindrana fitsarana io foana no hamendrofendroana ny olona. Nahoana hatrizay raha naloto izy no tsy natao izay nitsarana sy notiriana azy. Fa efa hilatsaka izy vao fongarina daholo ity fako nafenina rehetra ity.
Avelao izy hilatsaka fotsiny fa tsy jamba ny olona ka tsy hahay anavaka nyy vary amin'ny tsiparifary eh.
Raha hitsara ihany dia averina ny taratasy FLAMCO, raharaha Ikalamavony, sy ny sisa be dia be tsy voatanisa, fa tsy dia manao mizana tsindrin'ilay toa ireny. Toa manao adin'ny kanosa mantsy ka tsy hita ilay hoe na amboko na ambon'olona. Ary manao ilay hoe matoritory fa anaterako sira, fa raha mitraka dia any an-dakira.
Ilay mpanohitra koa tsy misy ilana azy mihintsy, fa toa mitabataba ohatran'ny sahona fotsiny. Ny tokonana tsy afaka nefa ny rindrina no hanihina. Dia mireoreo eny ambony vilia ohatran'ny sahona, ka ny toerana fihinana ihany no angere?a. Tsy mba hita hoe iny eny nanao asa soa sy maharitra tetsy na teroa. Fa dia ilay fanaovana avo vava fotsiny sy ny famendrofendroana amin'ny adim-piainana sy ny haratsin'itsy na iroa fotsiny no tabatabaina. Ny lalana vita lazaina fa tsy fihinana, nefa ny Savony Nosy aza mbola lafo noho ny savony afarana tsy mitabataba ny olona hoe hidio ny savonnerie tropicale. Ny volamena any Daraina mangina fotsiny ao, tsy mihetsika ry Zafy hoe ndao mba arindra ny fitrandrahana an'io any an-tanin'ny tena io mba ho fampandrosoana fa variana manangotsonia sy mitaky tetezamita fotsiny. Nefa raha izay vola lany izay efa nahazo bull hitrongisana. Tsy haiko moa rey olona fa tsy an'ny tena ny lelo dia hoe ahisino angaha ka?
34. jentilisa ( 25/01/2006 07:08)
Aoka kosa homarihina fa ny andro talohan'ny filazan'i Roland Ratsiraka ny firotsahany. La fazette izay fantatrareo tsara ny fironany no nanao lohateny lehibe hoe Arahi-maso ny fitantanan'ny Mairien'ny Toamasina famisy tsy mazava. Ahiana hosamborina aza izy amin'izany. Kanjo ny an'ny Ben-ny tanàna no nataony tonga aloha hampisandrahaka ny fanjakana hoe satria ve nilaza ny hirotska izy dia samborina sy itadiavana disie maloto.
Izay ilay hafetsifetsena amin'ny politika!
35. eprom ( 25/01/2006 12:02)
Mety koa hoe efa nahare tsiliantsofina ny fitondrana fa hirotsaka Roland de notsikafoniny amin'izay izay dosie maloto. Raha ny marina aloha anefa de ny toe-javatra toy io no nahatonga an'i Roland nahazo vato be t@ fifidianana ben'ny tanana. Mety izay koa ny andrasany amin'ity.
36. Veloo ( 25/01/2006 17:13)
37. fijo ( 25/01/2006 21:19)
eprom;non,efa nisy dossier nandeha momba azy,ary efa natao ny fanadihadiana,izay naharitra herintaona teo,ka izao vao manomboka voahangona ny porofo,ka mety natahotra an'io izy,dia nilatsaka hanafangaroana ny fijerin'ny olona.
38. eprom ( 26/01/2006 06:53)
fijo> ka le dosie momba azy anie efa elabe no nisy eh. Efa talohan'ny fifidianana ben'ny tanana. De nesorina t@ toerany lery fa hoe tsy mazava ny fitantanana. De pds no napetraka teo. Tonga ny fifidianana, tsy hita izay marina, lany ihany indray lery. De izao indray fongarina. Tsy hay eh...
39. mandrindra ( 26/01/2006 07:54)
raha resaka hoe avoay ny dosie taloha dia samy manana ny maimbony daholo ireo na i levalo aza. aleo hilatsaka eo i lery dia hita eo izay zakany e.
40. Veloo ( 26/01/2006 17:03)
to be politika doly nareo zany kle :-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0082