lasa adala

1. diamondra27 ( 19/01/2006 16:01)
mba efa nisy olona fantanareo lasa adala @ sipa na kof ve araka ny fomba fiteny io an!
novalian'i Vahinala ny 28/01/2006 19:55
2. nani ( 19/01/2006 17:27)
Za efa nanana namana vehivavy , de lasa adala izy , satria tsy miteraka izy de nosarahin ilay vadiny !! de nanomboka tsy nahava-tena aloha izy , de ny niafarany tena lasa adala tanteraka mintsy . Nampalaelo be mintsy !!
3. Vahinala ( 19/01/2006 18:05)
nani > Mampalahelo kosa aky zany, za aloha ts mbola nahita hoe tena lasa adala zany e.
4. diamondra27 ( 19/01/2006 19:04)
eny e! ao ny tena hoe lasa adala proprement dit fa ao koa le hoe: lasa adala: tsy mavita n'inon n'inon fa any foana ny saina. De mba tantarao e!tsy akanonona anarana io an!
5. fijo ( 19/01/2006 21:29)
tany madirovalo aza tena namono tena mihintsy le sipa
6. diamondra27 ( 19/01/2006 23:07)
ie misy koa aloha io e
7. Herimiafina ( 20/01/2006 03:20)
Tamzah mbola tanora klou de tena tara rava sy lasa adala tamin'izay sipa antsoina hoe "Diamondra" izay mahintsiny e! Aiza ary izy izay, hehehehehe:-D:-D:-D:-D
8. ari.malala ( 20/01/2006 04:05)
za zao lasa adala @zay vadimalalako zay mintsy ko :)
9. jennifer2 ( 20/01/2006 05:42)
herimiafina1 hahaha! fa angaha ianao efa antitra zao?
Sa zao ianao no tara sy lasa adala @ diamondra?o^o
10. jentilisa ( 20/01/2006 05:53)
tena misy mihitsy no tratran'ny tahaka izany! tiany hiaraka izahay fa izaho nanao tsy dia taitra loatra! hitako nanana prôblema izy no nikasako hamahana izany manjo azy izany kanjo noheveriny ho zavatra hafa ity nataoko! nitady toera-mangina hihaonanay foana izy...diamitady fika foana izy e! nisy fotoa aza nofenoiny ny anarako ny tanàna sady asiany hoe je t'aime, any an-tanànany io an! variana be aho hoe fa inona koa ity soratra mameno tanàna ity! efa tezitra taminy mihitsy ny anadahiny hoe tsy mety ny ataonao! nifindra trano ry zareo avy eo ka tsy hitako ny nisy azy! sendra hitako tampoka teny analakely ary fa tena variana aho...olona tsy nahavaha tena no hitako ary sarotra atonina...izy rahateo toa tsy mahita na iza na iza izany fa ny lalany fotsiny no nozoriny...raha olon-kafa angamba no mahita dia ireny atao hoe azon'ody ireny ilay olona nefa tsy nisy na inona na inona nataoko azy afa-tsy ny nivavaka ho azy!

Tsapako manko fa na dia tsy niteny aza izy fa nanala zaza izy no tena olana taminy...nanenenany ny fiainany?
11. pika ( 20/01/2006 06:51)
adala rehefa tena tia e indraindray tsy mahatsapa akory hoe mety ve izany ataoko izany sa tsia
fa rehefa tsy tia @ zay izao vao miteny hoe tena adala mihitsy aho tamin'ireny a, tena vendrana
12. pika ( 20/01/2006 06:55)
ny tena lasa adala rehefa nidona t@ poteau aloha dia misy e indrindra ny vhv
variana mitady izay fomba entina hamaliana faty foana ka adino mbamin'ny fikarakarana vatana dia lasa misy voa mbakan'ny saina
adino ilay hoe mitotoa koba hatavy e
sy ny hoe fitia no fanafodin'ny fitia
13. lapino ( 20/01/2006 07:10)
pika:
variana mitady izay fomba entina hamaliana faty foana

Efa adala nialoha kosa izy raha izany no antony e!
14. jentilisa ( 20/01/2006 07:25)
tafala aminn'y fitiavana izany mamaly faty izany!
15. Vahinala ( 20/01/2006 08:11)
Betsaka aloha ny tsy mahatanty an'izany e, ny sipako talohan'ilay amzao fotoana ndray no efa nanao an'izany taminzay vao nisaraka, za tsy hoe akory ni largué azy fa niady lava foana zay dia hozy za hoe handao hisaraka, d ny anabaviny no nanoratra taty amiko indray mandeha sady tezitezitra be hoe olona tsy vanina hono za fa fantatro hono fa tia ana le olona d ampijaliako, dia hoe zao hono izy lasa marary lava sns, ny asany tsy miditra amin'ny lohany dia hozy za taminy hoe tsy mampijaly azy aho hoa fa rehefa tsy mety tsony kosa ve dia mbola ho terena ihany ka tsy lasa hifankahala ny afarany. D zao tsy haiko intsony izay tohiny tany aloha fa za tsy mahatsiaro hoe nampijaly azy zany mihitsy fa le fiarahanay mihitsy no efa tsy tafa tsony e.
16. mandrindra ( 20/01/2006 08:15)
na sipa io na kof
dia mody hoe bof, bof
fa raha vao tojo an'i malala
dia lasa adaladala

tsy teny iray voalaza
miboredika ny vava
ny maso manganohano
teny izy ve sa angano
17. pissoa ( 20/01/2006 08:26)
Izaho tsy mahafantatra olona tena lasa adala, fa ny namono tena no mahafantatra aho.

mandrindra ity tena adala mihitsy :wink: :-D

herimiafina1 hahaha! fa angaha ianao efa antitra zao?

Hihihi - hay ve efa misy herimiafina1 eh :-D

18. dadavy ( 20/01/2006 10:03)
anandramo hoe dia ho hita eo
19. diamondra27 ( 20/01/2006 12:21)
ny efa fantako aloha de tonga @ fitenenana hoe: tsy maharay lamba e!
20. Angolaina ( 20/01/2006 12:28)
ka le fitiavana ange mahalasa adala e ! fa ny endrika isehoan'ilay hadalana no samy hafa :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3253