taiza aby ny tany efa notsidihinao ?

1. booboo ( 10/01/2006 16:02)
Namaky reny carnets de voyages tany @ sites hafa zaho fa tsy nety nahita raha na iraika aza @ teny gasy. Nefa mino aho fa betsaka ny gasy no tia mizaha tany sy mandeha vacances ankoatra ny any ambanivohiny.

Zarazarao hoe taiza aby ny efa notsidihinao, inona ny raha notsidihinao tany, ny nahaliana anao, ny fombafomba any sns.



novalian'i Veloo ny 13/01/2006 19:17
2. fasaly ( 10/01/2006 17:48)
izaho alou raha mande mi voyage de tsy manao fitsidihina fa tena vancance mintsy e! ka aiza no anontanian'i booboo any madà ve????
3. booboo ( 10/01/2006 18:31)
n'aiza n'aiza mety aby kah ! na ny any Mada aza tsy ary efa hitako aby :)
4. Vahinala ( 10/01/2006 18:34)
booboo > Ny ato Mada: Tanà no ipetrahana, notsidihana : Toamasina, Foul pointe, Soanierana Ivongo, Antsirabe, Fianarantsoa, Ihosy, Ste Marie, Morondava.
Frantsa : Bretagne, Paris, Normandie

Zay !
5. ravakamalala ( 10/01/2006 19:02)
Ambohimanarina, ankadifotsy, antanimena, andavamamba, tetezan ny bekiraro,...andray , tsy ary ho voatanisa akia izy zany kou...
6. booboo ( 10/01/2006 19:03)
vao maika bien bien raha asiana commentaires kely isaka ilay toerana notsidihana fa tsy tanisaina fotsiny :°)

Ohatra hoe manakory zany Soanierana Ivongo izany na izany Normandie na izany Morondava izany :)

7. booboo ( 10/01/2006 19:09)
ravakamalala > tsy ny toerana fandalovana matetika fa ny toerana nanaovana vacances na notsidihina ( t@ enao nanao touriste refa congé e ! )
8. Herimiafina ( 10/01/2006 19:09)
Sava sy Diana: revy beks, trondro hatono eny amorondranomasina, zaventure amin'iny RN6 iny mihinana pistolet eo Befotaka.

Grand Sud (Tuléar-Fort-Dauphin) fihinanako henana bengy sy habobo, fividianana tapis Mohair (Ampanihy) zaventure be le mitady làlana fa tsy misy làlana mantsy de very lava any amin'ny tany tsy fantatra, de vaky pneu entre Bekitro sy Antranoroa hehehehehe:-D:-D:-D:-D

......Mbola hitohy....hehehehe:-D
9. kally ( 10/01/2006 19:45)
Maromaro ihany hoy ilay tsy mahay manisa ny tany sy ny tanàna efa nijanonako andro vitsivitsy : ny tena nahasorena sy tsy tiako aloha ny tany Paris (miala tsiny aminareo izay mipetraka any).
Dia misy tanàna kely izay hoe Mahalavolona : any tsy misy dikany izany vola izany satria tsy misy mpivarotra, rehefa noana ianao @ 3 na @ 4 dia mandeha mihady vomanga na mitango katsaka fa ny vola any am-paosy tsy misy ilàna azy, rehefa mandro mandeha eny ambany rian-drano any an-tsaha, dia rehefa mivahiny na mitsidika olona ianao ao amin'io tanàna io na dia ataoko hoe fahefak'adiny avy eo aza ny tranonao( ankoatr'ireo tena mpifanolo-bodirindrina) dia andrahoin'ny olona vary amin-dronono na vary sy atody ianao...dia mbola be koa ny efa hita fa tsy ho ary ho voatantara eto.
10. fasaly ( 10/01/2006 20:04)
raha madà de: toizao avy no efa notsidihina ny nahafinairtra sy ny tsy nahafinairtra
tamatave: nahafinaritra be satria en famille tam fahazzàna de tsy hadino fa ny tsininy de manorandava ka tsy mahatamàna
fianarantsoa: tsa voako mintsy fa otran'ny tanàna maty zany wa e!
majunga: manja be kou fa mafàna lotsa ny oul any tsotra mahafinaritra
nosybe helville: tena mbola natiora be ka mahateo ho tia be ny oul mahafinaritra ny plage ny paysage ny sakafo, ny tsininy betsaka ny mahantra na izany aza de mampalahelo be....
11. fasaly ( 10/01/2006 20:09)
raha andafy njay de toa izao
Paris mahafinaritra maro zavatra jerena indrindra ho ahy tia manao magazay fa ny tsy itiavako aza dia azakazaka be ka ny havizanana lava no ao antsaiko raha vao Paris
espagne: mahafinaritra, mora sakafo, touristik be
mahatamàna be sady tsara andro be
Londre: mahafinairtra kou fa somary ratsyandro zay de mandaginina be!
vichy: tanàna mahafinairitra kely kou morimorina be
,y tsininy somary lafo fiainana ihany fa ny vin kalou mora e!
12. Vahinala ( 10/01/2006 20:38)
booboo > Soanierana Ivongo, tanàna kely, tsy d misy zavatra be hoe manintona any fa misy ranomasina kosa aloha d misy requin koa (efa nahita mintsy za), rehefa fotoanany letchis no tena tsara fa mianika eny ambony hazo eny mihitsy ianao mihinana azy ra mahafantatra ilay tompony an satria zay tany be olompatatra ny dadanay sy mamanay !
Morondava ndray efa elaela ihany za no tany tam mbola nanao colonie de vacances fa tamin'izany ohatra ny tanàna mangina be zany sady maloto koa no tena tsikaritro.
Fianarantsoa; mangina be tsy hay hoe ahoana fa tena tsy misy atao mintsy any.
Ny tsara indrindra tamin'ireo nalehako tany Dago dia Ste Marie, mahafinaritra ny tanàna, ny ranomasina calme be sady marivo, ny sakafo koa tena fy indrindra fa ny langouste au coco, ny indro kely dia izao, mafana be ny andro tam zay tany nefa efa nitety tanàna nandritra ny 1 heure vao nahita mpivarotra gilasy.
Foulpointe koa tena mahafinaritra be tokoa.
13. Vahinala ( 10/01/2006 20:42)
Ny aty frantsa ndray :
Paris > Tsy mahatamana ahy fa mandalo indray andro d mety amiko, enjikenjika lava ny fiainana ao, toa sahala ny miazakazaka daholo ny olona eny andaàlana sady ny fiainana ao koa tena lafobe mihoatra ny aty am province.
Normandie ndray milamina kokoa, ny climat no somary olana kely ho antsika avy any am tany mafana satria somary mangatsiatsiaka lava,na été aza d misy fotoana tsy tena mafana be akory.
Bretagne ndray no tena milamina, ambanivohitra zay no nalehako tany, jono no tena fivelomandry zareo ao ary any koa no tena misy ny mpanao itony crêpe itony.
Vita tompoko.
14. Herimiafina ( 11/01/2006 02:24)
Toa otran'ny misy mahamanja azy jiaby ry zareo ny tanàna rehetra ze aleha an. Marina e! Mila mahay mijery fotsiny dia mahita fihany ho azy.
15. ari.malala ( 11/01/2006 06:15)
T@ 2003 vao nandingana voalohany an'izany Miarinarivo ny tongotro, fa ny zavatra tsikaritro d tanàna milamina b Miarinarivo. Indray andro ihany no nandalo tao ka ts d manana cmmentaires betsaka fa ny nahafinaritra ahy indray d ny tany Ampefy, tao @ chutte de la Lilly, mahafinaritra ny mijery ilay fidoboky ny riandrano avy ery ambony ery, d zay

Fa raha ny toerana fanaovana vacances d Moramanga no tiko indrindra satria presk tany foana koa moa no nandaniana ny vacances t@ fahazaza :) ny tena tiko d le mamonjy godrogodro vao mafana maraina eo @ coca :) efa niova b ao Moramanga, lasa maresaka b izy ao zao, t@ juillet t@ herintaona no tany indray tsinona :)
16. Herimiafina ( 11/01/2006 06:21)
Ie, de tany amin'iny Bongolava iny indray de favy be le manao zaventure mitsangatsangana amin'iny Rivière Manambolo iny, de tany Moramanga indray ilay manaraka an'iny RN44 iny koa somary favy de mijanona kely mikaly ao Andaingo klé, hehehehe:-D:-D
17. hery ( 11/01/2006 06:52)
Ny ahy indray ny tena nahaliana ahy dia teo anelanelan'i Kenya sy Tanzania. Misy eo amin'ny 50 metatra eo misy tany tsisy tompony. Eo amin'ny frontière. Sady tsy an'i Kenya no tsy an'i Tanzania. Dia rehefa tafiditra eo ianao dia tena tany tsisy fanjakana :-) afaka mividy sy mivarotra rongony :lol: fa izany hoe andrasan'ny polisy ianao rehefa miditra @ firenena iray. Dia misy olona mijanona sy manorim-ponenana eo tokoa anie e.
18. dadabe ( 11/01/2006 07:46)
humm efa nadeha aby ny olona

ny ahy indray ve ?? hehehe

dago::morondava mahafinaritra fa tsy araka ny nolazain'i vahinala,toliary (misy mosakiky),ifaty(plage),saint augustin,fianaratsoa fandriana ( tanana milay), antsirabe (tena super milay :wink:)tamatave (feno coco), foulpointe, fenerive ,brickaville,mahanoro, vatomandry :( zay ihany koe

ivelany::la reuinion saint denis ihany feno sipa milay, maurice(pamplemouss garden)ao koa ny hotel LE PRESKILBEACH fivantanan'ny mpanamory fiaramanidina sy ny tourista miala 28 km ny aeroport ao port Louis, somary mianatsimo, ahitana plage faran'izay raitra indrindra.
Inde(ahmedabad,bombay,mahabaleschvar,Goa )ahitana sipa milay daholo e)
Chine (Shanghai,beijing,Xi'an, Cheng du )ahitana ireo boudha lehibe indrindra erantany satria mirefy 80 m ny hahavony, ahitana barrage lehibe indrindra erantany =500m de haut et 2000m de largeur, ahitana olona mihinana bibilava :wink:
ahitana sipa milay
tongava aty booboo a, fa mbola maro ny zavatra ho hitanao satria ahitana olona miteny sinoa ihany koa aty :-D
19. watafon ( 11/01/2006 08:43)
dago: morondava toerana iasana, tsy tiako loatra aloha e, ny ville no tiako tenenina fa maloto ny plage e !; belo/mer(tanànan'ny mapanamboatra botry); belo/tsiribihina(tanàna kely ambony toerana);Bekopaka (misy ny tsingy de bemaraha tena nahavariana sady nahaliana tokoa ary mba conseiller-ko an-tsika gasy e!);Mahajanga; Toamasina;Ambila;Mahambo;Fianarantsoa;Miandrivazo;
Ambositra; ....
ivelanyparis(mahafinaritra raha andalovana);montpellier(tiako satria hita oe miaina ilay tanàna),marseiile(tsy d azoazoko loatra);Perpignan(tanàna kely misy ny circuit ana Karting malaza),Toulouse(sympa b daholo ny gasy ao);Bordeaux(!!),carcassone, nimes,Girone( espagne)

20. dadabe ( 11/01/2006 08:49)
ary efa tany morondava daholo kay isika izany letie , watafon ihany koa angaha avy ao bira ?? :-w
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2454