"Ahoana re ny hitranga @ 2099 e"

1. xxx ( 04/01/2006 09:34)
Resaka avy tamina forum momba ny informatika ity: http://www.wanadoo.mg/forums/read.php?11,590864

Mba tatahaky ny ahoana re ny zavatra hitranga @ 2099 e? Ny teknolojia ny fifandraisana?... mba mirevirevy eto ry zalahy an!
Ohatra hoe ny PC ve mety tsy hisy hampiasa intsony sa ahoana? ny format ny vazo efa MP15, ny support DVD efa 1900 Giga...
------------------------------

Manontany tena
- Ho ao aloha sa aorian'izany 2099 izany ny hiavian'Ilay toy ny mpangalatra ?
- Afaka 30 na 40 taona dia tsy tena ho amin'ny informatika intsony no hanahirana ny mpikaroka, fa mety hikisaka any amin'ny resaka fampiasana angovo indray, satria ho ritra ny solitany. Asa raha hatraiza no hivoaran'ny teknolojia amin'izany?

Zava-misy amin'izao:
- efa mihazohazo eo amin'ny 4 GHz izao ny hafaingana processeur farany ambony. Misy fetra ara-fizika io, asa raha tratra ilay fetra. Resaka optimisation indray no ivoarana amin'iny lafiny iny. Raha tsy hoe hisy teknolojia hafa mihitsy indray hipoitra, ohatra ilay resaka optique quantique iny
- ny resaka stockage no mbola vao nisy fivoarana indray: misy boaty amerikana milaza hivarotra dvd 300Go amin'ny faran'ny 2006 ity. Ho tongan-dry zalah hatrany @ 1,6To hono io aoriana.
- efa manomboka voafehy ny teknolojia tsy misy fil amin'ny karazana fifanakalozana numerique rehetra, fa amin'ny fitaterana angovo ihany no mampisy olana.
- manomboka mipetraka amina fitaovana elektronika ireo teknolojia-na famokarana angovo toy ny pile à combustible
- miparitaka eny am-pelatanan'ny olona rehetra ny vokatra mampiasa teknolojia avo lenta
- manomboka miala tao amin'ny fiainana réel ny olona ho amin'ny fiainana virtuel, miala tao anatin'ny solosaina ny olona mba ho amin'ny internet (mahatonga guerre-na OS lasa guerre-na navigateurs, applis live en ligne, sns)
- efa betsaka ny teknolojia azo ampiharina amin'izao amin'ny vahoaka, saingy ny vulgarisation-ny sy ny fametrahana ny infrastructure manerana an'izao tontolo izao no mbola olana. Efa manomboka amin'ny passeport biométrique aloha.

Pronostika
- ny solosaina mety ho avo zato heny ny tanjany
- ny multimedia ho lasa haute définition daholo,
- Ho rakotra reseau matanjaka izao tontolo izao, misy na tsy misy fil, ho toy ny fahazoana onjam-peon'ny radio ny fidirana amin'io reseau io.
- Tsy ho ilaina akory ny tanjaky ny solosaina, fa ny logiciels hampiasainao dia anatina serveur any ho any no mihodina.
- Mety ho toy ny vidin'anana ny vidina solosaina amin'izany, mety ho feno solosaina eran'ny tanàna ka ho ohatra ny fandehanana bus na ny publiphone ny fampiasana azy; Ilaina fotsiny ianao manana identifiant hidiranao amin'izay serveur misy ny logiciels ilainao sy izay misy ny données-nao, ary afaka accéder-nao ireny na aiza misy anao na aiza.
- Ho informatisé ny tany an-dalam-pandrosoana rehetra,
- Mety tsy ho ilaina intsony koa ny clés USB, cd, dvd sns..., tsy mila taterina ny données fa efa ho ampy ny tanjaky ny réseau hijerenao an'ilay film 50Go any amin'ny espace de stockage-nao any ho any, izay tsy fantatrao akory hoe aiza géographiquement no misy azy.
- tsy mila mandeha miantsena intsony, fa na any am-piasana aza ianao na any an-kabone dia afaka hiantsena foana amin'ny alalan'ny solosaina.
- hisy système-na identification numérique (biométrique) unique international, ka asiana puce kely ny tananao mitondra ny marika mba hahafahanao mi-logguer n'aiza n'aiza.
- Io identification unique io no ahafahana mampiasa kaonty amin'ny banky, ahafahana mividy sy mivarotra. Tsy hisy intsony koa ny vola liquide, fa dia tarehimarika no anaovana kaonty, ary tsy ho afa-miala amin'ny banky ny olona.
- Hasiana marika koa ny tampin-kandrinao, ka raha vao hiditra bus dia tonga dia tratran'ny détecteur iny, ary ho alainy any amin'ny bankinao avy hatrany ny frais. Torak'izany amin'ny zavatra rehetra, tsy misy n'inn inn ataonao, fa mandalo fotsiny ianao tonga dia milamina ny rehetra rehetra. Tsy hisy fisavan'ny polisy intsony koa, fa raha manao excès de vitesse ianao ohatra ka tratra, tonga dia voaloanao avy hatrany ny PV-nao, ary raha misy tsy ara-dalàna aminao dia tsy ho afa-miala.
- Ho voafehin'ny firenena iray tokana ny firenena rehetra, asa raha ho voatazon'ny amerikana ny controle-n'ny internet, na ho lasan'ny eoropeana na ho lasan'ny sovietika, na ho lasan'ny sinoa na asa ... Fa dia mety ho olona iray izany no filohan'izao tontolo izao!
novalian'i lapino ny 09/01/2006 11:21
2. Fiffi ( 04/01/2006 10:40)
Lava be lotra ka mahakamo mamaky azy. Sady ilaza an'io ve dia hiafenanana ao @ io xxx io ??
3. Vahinala ( 04/01/2006 11:24)
Hafohezo kely alou fa tonga dkamo be vao mamaky azy ko ! Ary resaka otrizany marina ve d hanaovana xxx e ! :?::?::?:
4. jentilisa ( 04/01/2006 12:22)
mazotoa mamaky boky ry fiffi a! io fotsiny dia efa mandreraka?
5. fasaly ( 04/01/2006 13:06)
de ho betsaka ny inalfabeta amzany raha tsa maharaka ny teknolojia,
intsika amzay efa maty angamba.....de ho lasa gàgà ny sasany fa tsy maharaka intsony ny rythme
6. Veloo ( 04/01/2006 13:52)
lava lotra ka kamo za hamaky hihihihih:°)
7. cheboman ( 04/01/2006 14:40)
tsy azoko lay olona tsy te hamaky nefa mamaly ato ihany
8. xxx ( 04/01/2006 15:04)
Tohiny
-----------------------------

Tsy apokalypsa fa extrapolation fotsiny io! ;) Extrapolation-n'ny teknolojia sy ny fampiharana azy, ny politika sy ny ekonomika eran-tany.

Hay, mbola misy kely. Ny olona dia tsy hifidy OS intsony vao afaka hiasa, raha logiciel en ligne izany daholo no hampiasaina! Ka izay malaza ho stable no hosafidian'ny maro amin'izany, sy izay maimaimpoana, izany hoe ireo BSD indrindra²:
: freebsd, : openbsd, netbsd , darwin , ... sns ...

Hitanareo koa ireny PDA ireny, mety ho lasa ohatra an'ireny ny porte-feuille, fa sady solosaina matanjaka iny, no agenda, no telefônina, no fanalahidy, no ... sns ... Tsy hisy n'inon'inona intsony ny paosy afa-tsy ireny sy ny mosoara.

Ny telefôna aza mety ho tsy finday intsony, fa efa integré amin'ny vatana: ilay puce eo an-tampon-kandrina ihany no sady misy ecouteurs (par conduction osseuse no hihainoana azy), ilay eo amin'ny tanana no micro.
...
9. Fiffi ( 04/01/2006 15:16)
jentilisa: an3 , tsy hoa tsy fahazotoana mamaky boky fa raha vao mahita ny dinika ka miafina @ xxx @ izay koa lava be ilay izy de kamo be mamaky azy.
cheboman: tsy azonao ny inona marina moa ? ka lava loatra ange ilay izy e! zaho aloha tonga de mamaly hoe lava loatra ka mahakamo be mamaky azy e! indrindra koa tsy misy antony hiafenana @ xxx sa tsy izany akia ry Vahinala ?:-D:-D:-D:-D:-D
10. xxx ( 04/01/2006 15:16)
Tsy isika no hiaina an'izany, fa ny zanaka (?!), zafikely sy zafiafy ary zafindohalitsika! Ny zaza teraka amin'izao no ho "arrière-grands parents" amin'izany fotoana izany. Ny zaza ho teraka afaka 50 taona no ho population active.

Tsy hisy inalfabeta koa amin'izany, satria tsy ilaina mahay n'inon'inona akory afa-tsy mamaky teny sy manisa. Na ny fanalahidy aza foana, vao manatona ny varavarana ianao, dia tonga dia fantany amin'ilay zavatra eny an-tampon-kandrina misy identifiant unique universel, dia mivoha ho azy ny varavarana.

Ny zaza amin'izao anefa efa voataiza sy miaina ao anatin'ilay tontolon'ny teknolojia, isika no badraodra mitaha aminy. Ny zaza ho avy mbola haharaka kokoa, na ny amin'ny tany an-dalam-pandrosoana aza.

Sss, ampy angamba izay, fa efa kamo mamaky daholo ny olona. Aleo miandry ny hevitry ny sasany indray!

Mihodinkodina ity tanintsika ity, misosa mankaiza angaha ny olombelona?
11. xxx ( 04/01/2006 15:24)
Fiffi: aza ilay anarana no jerena fa ilay resaka. Dia mba ilay hevitra moa valiana e! kony an?! :*
12. cheboman ( 04/01/2006 15:35)
fiffi: ka hoe mahakamo mamaky azy nefa mandany andro mamaly eto ihany, tsindrina fotsiny lay bokotra kely ery ambony ery "précédente" na mamaky dinika hafa dia izay :D
13. Vahinala ( 04/01/2006 15:35)
Fiffi fa hita aky ko ! Tena mahavariana loatra ka,ts azoko mintsy e, sady tena reraka masoko vo mijery azy klé !:lol:

xxx tena tsy afaka mitady moyen hamohezana izy io ve enao fa tena lava loatra na d te hamaly aza e, sady tena tsy azo koa le izy e ! Ary aza miafina ao ambadiky ny xxx ao moa fa masahia miseho masoandro e ! =))=))
14. Vahinala ( 04/01/2006 15:36)
cheboman:

tsy azoko lay olona tsy te hamaky nefa mamaly ato ihany



Ary fa maninona ianao no tsy mamaly ary kay fa mi critique ny ataonay fotsiny e ! Fintino io ra azonao fa mamaly soamantsara daholo zay !=))=))=))
15. Veloo ( 04/01/2006 16:00)
maha:^):^):^):^) ilay izy kle :-D:-D:-D
16. lapino ( 04/01/2006 16:08)
Vahinala, Fiffi
17. hery ( 04/01/2006 16:30)
fiffi> vahinala> veloo> sns...
tsy misy lalàna eto hoe tsy afaka mametraka lahatsoratra lavalava... indrindra raha tsy resaka lalina toa itony. Tsy nisy hidiran'ny tsikitsiky sy hanihany angamba ilay izy dia iny ianareo no kamo. Tsy fanalana azy sy hanihany fotsiny anie ny eto amin'ity forum ity fa fianarana zavatra koa e. Rehefa lava loatra ka tsy voavaky dia mangina fotsiny aloha fa tsy mitsatsaingoka manimba an'le thread :-) Raha isika 6.000 ato ve no samy hiteny hoe lava loatra dia ho hita intsony ilay tena hafatra?

Haoro sozé iny loll

xxx> Ny ahy indray ny zavatra jereko sy eritreretiko mba ahafahako maminavina ny teknolojia amin'izany 2099 izany dia ny mahita an'i Emiha alefa aty Andafy. I Emiha dia mpiandry omby mipetraka any Itampolo (alavitra be fotsiny :-)) tsy mbola nahita tomobil afatsy tomobil anakiray dia ny land rover-n'i mompera. Tsy mbola nahita vazaha afatsy i mompera izay heveriny ho voan'aretina no maha fotsy azy. Tsy mbola nahita goudron. Tsy mbola nahita radio. Tsy mbola nahita famataranandro... dia eritrereto hoe entina aty andafy izy. Dia angamba toa izay mitranga amin'i Emiha amin'io fotoana io no hitranga amintsika raha manao tsambikina tampoka any amin'ny 2099. Soa ihany fa tsy tsambikina tampoka ilay izy fa fiainana mizotra tsikelikely.

Avelao ho avy izay ho avy e.
18. Fiffi ( 04/01/2006 17:22)
lapino: fa voan'inona aloha ny sainay azafady e??? fa anga moa nisy hoe tsy fanajana ny safidin'ny olona ? nisy ny dinika hoe matoa miseho @ xxx ny olona iray dia misy antony lehibe no anaovany an'io satria hoe mba tsy te hisy ahafantatra fa mba resaka " personnelle " ilay izy dia tsy ho fantatrin'ny sasany hoe iza io miafina @ xxx io , nefa ity dinika ity tsy hitako izay hiafenanana @ ilay xxx . Tsoriko aloha fa ny famaliana @ fiafenana @ xxx raha toa ka dinika ho an'ny be sy ny maro ilay izy dia tsy dia mazoto loatra aho hamaly azy e! fa tsy midika velively akory izany hoe tsy fanajana ilay xxx akory.
hery: marina aloha ny anao e! tsy mbola nahita ary tsy nilaza koa aho hoe misy lalana milaza fa tsy azo hatao ny mandefa dinika lava eto ary marina koa fa tsy hanihany sy manala azy fotsiny no hatongavako eto saingy amiko aloha dia ilay xxx no tsy voako sady lava be ilay izy amiko io aloha an! dia miheritraritra aho hoe misy "liberté" koa @ famaliana
xxx: :-*:-*:-*:-*
Moa raha diso aho dia miala-tsiny e!
19. Vahinala ( 04/01/2006 18:13)
lapino : ny saiko aloha salama tsara e
Fiffi, Veloo, on est les méchants !
Fa zao e,hanampiako ny tenin'i Fiffi dia tsotra fotsiny, tsy resaka tsy fanajana akory ilay izy fa raha toa ka sujet azo velarina toy izany hoe mikasika ny ho avy izany no resahana eto dia voalohany indrindra dia mba hangatahina re ilay olona manolotra ilay sujet mba tsy hiafina,lasa ohatra ny hoe miresaka amin'olona tsy fantatra nefa le zavatra tsy hoe mahamenatra akory na ahoana toa hoe tsy mahatoky tena ve le olona miresaka ? Lasa misy barrière be manasaraka nefa hidinika no atao eto. Ary tsy nanery izahay fa nanontany tsotra any xxx za hoe tsy afaka miteny anarana ve ianao ? Ilaina ny manao ilay xxx kanefa kosa hinoako fa mba amina zavatra tena important be ka ilana intimité no lazaina vao ampiasaina izy, mino kosa aho fa afaka maneho ny heviny ny rehetra mikasika izay.

Raha misy marina ny teniko tazony ary raha misy diso kosa dia hialako tsiny betsaka ary manao azafady amin'ny rehetra fa hiezaka ny tsy hamerina intsony tompoko o !
20. Vahinala ( 04/01/2006 18:19)
xxx mialatsiny aloha fa tsy nahavaky hatraminy farany e,ny sombintsombina azo noraisina no entiko hamaliana anao,dia tsotra fotsiny hoe samy tsy misy mahalala ny ho avy isika fa dia aleo handeha ny tantara ho jerena e, betsaka ny fanirian'ny olombelona na ireo mpanao siansa milaza fa mahavita lavitra noho ny vitan'Andriamanitra aza nefa ny tsy fantany dia ny sainy aza mbola izy ao ambony no nanao azy, ka dia faniriany ny an'ny olombelona an'Andriamnitra ny fandaharana ka dia aoka ny hoavy no hitsara e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1931