Raha lavitry ny maso ve lavitry ny fo?

61. jennifer2 ( 22/01/2006 17:55)
met ho firy taona eo zany reniny zany?
62. Herimiafina ( 22/01/2006 18:06)
Tsy haiko fa mbola tsy hitako fa i dadanay sy mamanay no mahalala azy, mbola lavitry ny masoko sy ny foko be mahintsiny, hehehehehe:-D:-D
63. Vahinala ( 23/01/2006 08:08)
xxx > Tsara aloha raha voatahiry ihany ny fifandraisanareo, atao ahoana moa fa lalàna samy hafa zany no natao ho anareo, enao koa zao efa manambady hoy ianao dia mino aho fa feno ihany ny hasambaran'ny fonao, sa ahoana !

mandrindra > Raha tena tianao le olona tsy mahazaka anzany ny fisainanao, alaivo sary antsaina aza hoe izy koa naka CDD tany d ho zakanao ve izany ? Zay le hoe zay tsy tianao atao aminao aza atao amin'olona.
64. mandrindra ( 23/01/2006 09:18)
vahinala, ny fihinana goûter tsy manimba ny tena sakafo. vao maika mahatsara azy aza fa tsy manao ilay maty noana be ireny dia tonga dia mirangorango tsisy resaka fa mihinana maika, dia rehefa voky izay vao mahatsiaro ny manodidina azy. Amiko aloha tsy olana mihitsy raha hoe misaratoerana ela izany ka mba mijijy any amin'ny sisiny e.
65. xxx ( 23/01/2006 11:11)
Mitov ny blème tsika, za maita fa mitombon ny oe: lavitry ny maso lavitry ny fo,am lehilahy manokana, ny vhv ref ti de ten ti, ny lhl mora miov, mora manadin, amin'io ts mitsotr fa mianaàna otrin gana, mapesona fotsin
Mial tsin lou ra manis maf fzay no mariné, aleo ar atao oe ts 100%am lhl fa 98% e, d manararotr mitad lé 2 anatin 100 ny tenanay
Zao ré a, évitéo lé misara-toeran ra az atao, fza lou fay e
66. Angie ( 23/01/2006 11:19)
tena miankina @ olona tsirairay kosa io e tsy izay rehetra misara-toerana dia misaraka sy mangalampinana hoatran'ny mandrindra daholo :lol: misy ny olona matotra, manaja izany hoe fitiavana izany. Misy koa ireo lehilahy matotra na dia tsy 2% kosa za e. Ary misy ny vehivavy matotra fa tsy ho 98% koa aloha :D
Tandremo ry namana isany a sao manody an :evil:
67. Vahinala ( 24/01/2006 11:23)
mandrindra > Tsy mahavaly ny fanontaniako ny teninao, zakanao ve hoa raha fantatrao hoe izy koa niodina tany ambadika tany sady nahazo fafiny mintsy ?

xxx > Io tsy sitrapo ny hoe hisara-toerana fa rehefa izay no lalàmpiainana dia tsy maintsy lalovana, ary ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra, misy antony foana matoa hoe lasa aty ivelany ohatra ny 1 na mikasika ny asa na mikasika ny fianarana, ny resaka vacances angamba tsy asiako resaka satria tsy maharitra aman-taonany zany akory, ary tsy ny safosafo sy ny orokoroka akory no mahavelona fa tsy maintsy mibanjina ny hoavy koa. Ka tsy vahaolona mihitsy amiko ny miteny hoe rehefa lavitry ny maso d lavitry ny fo fa na eo akaikinao eo aza izy ka tsy mbola iny no anjaranao misaraka foana. Ny fitiavana ihany no mitondra an'io.
68. mandrindra ( 24/01/2006 14:58)
vahinala, ie zakako
angie, raha tsara nahandro sy tolorana antsitrapo kosa ve moa tsy mba hihinana aho :D
xxx, izaho lehilahy izao dia io efa milaza ny marina io dia iza indray no lazainao ho mihanahana sy tsy mitsotra eo ?
Izao no zavatra aoka tsy ho adinoanreo vehivavy, resaka intérprétation ihany no mampifanditra. Aminareo raha vao hoe manao firaisana ivelan'ny tokantrano dia tsy tia intsony sy mpamitaka. Fa amiko kosa ny mitifitra any ivelany fialamboly indray maka fotsiny iny fa tsy fitiavana no sady tsy fiarahana maharitra.
69. Vahinala ( 24/01/2006 21:27)
mandrindra > D zay ndray miankina amin'ny fisainan'ny tsirairay. Raha amiko aloha dia tsy resaka hoe tsy tia intsony sy mipatitaka e, fa resaka conscience morale manokana io, araka le nolazaiko anao hoe izay tsy tiana atao amin'ny tena aoka tsy atao amin'ny hafa d zay fotsiny no filozofiako. Za manokana tsy afeniko fa efa nampirafy aho nefa tsy resaka hoe fialamboly fa ny fiarahako amin'ilay olona mihitsy no efa misy tsy mety dia zay lasa nitia olonkafa aho nefa ts namitaka azy ela satria niteny taminy ny marina hoe aleo ajanona fa efa micoince ny connexion e !
70. Herimiafina ( 24/01/2006 21:31)
Tena mba miangavy ry reto mba ataovy avalabla ito théorie iray ito fa manjary lasa manantena be an'ilay sipa any lavitra be any izay anie zah e! hehehehe:-D:-D:-D:-D
71. jennifer2 ( 24/01/2006 23:23)
HM a! tsy mitombina velively io amiko na hiodina impiry eo ary tany!
72. mandrindra ( 25/01/2006 10:14)
vahinala, ny anao anie izany efa hoe tsy mandeha mihitsy ny eo ampelatanana e.
ny ahy ohatra izao mandeha mivoaka mandihy aho, dia any dia miakatra ny revy dia mitifitra dia samy miala dia tsisy tohiny. izany akory tsy midika hoe tsy tiako ny vadiko.
73. Vahinala ( 25/01/2006 11:10)
mandrindra > Zay ndray efa zavatra hafa nenao zany ko ! Nefa zany raha azoko tsara le vadinao ange tsy lavitra anao akory fa eo akaikinao eo ihany e !
74. jennifer2 ( 26/01/2006 04:01)
75. mandrindra ( 26/01/2006 08:53)
inona no mampivotirika ny mason'i jennifer2 ?
vahinala , ka izay ilay tiako ho marihina hoe ny manao kibo antsena indraindray akory tsy maharatsy ny tsara nahandro ao antrano mihitsy, vao maika mampilay azy aza izany.
76. Vahinala ( 26/01/2006 15:35)
mandrindra > Ka tsy mitovy ange zany e, ny fitiavana misy elanelantany no lazaina fa nenao ny vadinao ao akaikinao ao koa inn aza ! Nenao zany efa feeling hafa mintsy hoe mila miodina dia anao manokana iny fa za tsy mitsara mihitsy akory.
77. mandrindra ( 27/01/2006 08:43)
Tsy hoe mila mihodina ka tsy maintsy mitady fa rehfa mba sendra tonga ilay dia mba any izany e.
78. Vahinala ( 27/01/2006 12:01)
Zay ndray anga koa, rehefa sendra mahita zany d lasa kely aloha fa tsy mba manohitra ve !
79. mandrindra ( 27/01/2006 12:19)
fa maninona no ho toherina, zavatra tsisy maharatsy azy io.
80. jennifer2 ( 29/01/2006 20:18)
mandrindra1 enao ity tena tsss, tsy misy ilana azy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2163