Fa maninona no "ora" no handrefesana ny fotoana?

1. Herimiafina ( 23/12/2005 00:08)
Lasa indray ho aho ny saiko ry zareo. Ny olana mipetraka amiko de resaka fikajiana fotoana. Maninona no "ora, minitra, segondra" no andefesana ny fotoana fa tsy zavatra hafa?8)

Marina fa miodina manodidina ny masoandro mandritry ny 365-366 andro ny tany, ary ny andro iray de fifandimbiasan'ny maizina sy mazava (raha jerena ny Kalendary Grégorien). Misy volana 12 ny taona iray, mbola heken'ny saiko ihany.

Fa eo amin'ilay fitenenana indray fa 24 ora ny andro iray ka ny ora iray dia 60 minitra ary ny minitra iray dia 60 segondra, eo no manome olana kely ahy.

Manahirana be ny mikirakira io resaka ora io any anaty formula matematika any satria indraindray manome valiny tahaka ny hoe 1,25ora ohatra na 2,333ora, sns. Hany ka sarotra ny hampifandray eo no hoe an'ireo isa ireo hoe 1,25ora anie ka 1ora sy fahefany na 1h15mn ny dikany e. tsssss:twisted:

Maninona isika tsy namorona fomba fandrefesan fotoana hafa, ohatra hoe UT ka 100UT no manome 1ora, amin'izay moramora kokoa ny kajy rehetra?:?:

novalian'i lapino ny 03/01/2006 11:49
2. hesham ( 23/12/2005 00:27)
ary raha ovainao ry herimiafina fa za zao vonona ny hanohana anao amin`io hevitra io :-D:-D:-D:-D
3. pitchou ( 23/12/2005 03:00)
maninona indray ary raha averina @ fikajian'ny malagasy fotoana taloha? @izay mbô miasa kokoa ny côcô e!ohatra: indray mahamasabary, indray miborosy nify sns @ halavan'ny fotoana, d @ maneno sahona, @ mivoaka zanak'omby, @ mitatao vovonana, @ masoandro milentika sns rehefa mamaritra fotoana?:-D:-D:-D:-D
4. Herimiafina ( 23/12/2005 03:13)
Ka eo indrindra isika izao, anisan'ny zavatra tokony hodinihina akaiky dia akaiky io resaka fotoana io raha hiresaka fampandrosona any eny ambanivohitra ohatra, satria tsy mitovy mihintsy ny "perception du temps" na ny fahafantarana ny resaka fotoana eo amin'ireo teknisiana sy ireo tambanivohitra.

Miresaha anie ianao ny atao hoe fampandrosona maharitra e! Angaha misy mahalala hoe ohatry ny ahoana moa izany atao hoe maharitra izany?

Io resaka segondra sy minitra ary 24 ora io mihintsy no mametraka olana amiko.
5. akamatiana ( 23/12/2005 03:19)
:roll:
6. fijo ( 23/12/2005 04:13)
efa voalazan'i kala pitchou ny tiako lazaina.tokony averina amin'ny fotoan gasy tokoa anie e.fa eto dia tsy voako loatra le maizim bava vilany an.hummmm,aleoko feno laoka ny vilany.
7. rurik ( 23/12/2005 06:39)
fijo an tsy fotoangasy kosa fa leran'ny gasy ka .
8. hery ( 23/12/2005 10:04)
Marina tokoa anie hoe tokony ho nozaraina ho 100 na 10 ny andro iray fa tsy nozaraina ho 24 e.

Amin'ny firenana hafa dia hafa ny fomba fanisany ny ora... satria manomboka amin'ny 1 rehefa mazava ny andro. (Izany hoe amin'ny 1 ny azy ny amin'ny 6 ora). Ny keniana sasany sy ny jiosy sasany toa mbola mampiasa an'io. Fa na izany aza dia mbola ora ihany, izany hoe 60 min ihany.

Oviana tokoa no nanomboka io fizarana ny andro iray ho 24 ora io?
9. fanilo ( 23/12/2005 11:24)
heimiafina: fa atao ahoana indray aza! asiana fanisàna ratsantanana zany :lol:
10. fijo ( 23/12/2005 19:57)
ka rehefa manisa ratsantanana aza atao amposy an.sao mitombo iray ny rantsana.
11. hesham ( 25/12/2005 11:10)
Zavatra efa impossible le izy .
12. xxx ( 25/12/2005 18:34)
Toy ny zavatra rehetra ihany, mety hanamora ny kajikajy ho an'ny sasany ny fanovana, fa mety manimba zavatra ho an'ny hafa.

Ny famaritana ny "1 segondra" ohatra dia tsy "1min/60" loatra. Misy resaka radiation electromagnetique io. Izany hoe tranga fizika no ampiasaina hamaritana ny "1 segondra". Dia toy izany koa ny hoe "1 andro", na ny hoe "1 taona" ...

Azo atao tokoa ny fanovana, fa ny fanontaniana mipetraka dia hoe Inona ny famaritana na fandrefesana ampiasaina? Mazava ho azy fa tsy mety raha toy ny hoe "1 ora = 1 andro/100", satria tsy fantatra hoe ahoana izany "1 andro/100" izany.

Efa lalana maro no nodiavina vao tonga amin'izao fotoana izao. Iaraha-mahalala, nanomboka tamin'ny fandinihana ny kintana amam-bolana - dia iny no nahalalana hoe "1 taona" izay. Dia nisy indray koa ny fandinihana ny aloka - dia iny no nahalalana hoe "1 andro" izay, dia iny koa nizarana ny andro hoe maraina sy hariva. Io resaka aloka io koa no nahafantarana fa tsy mitovy ny halavan'ny andro ao anatin'ny taona. Dia mbola io ihany koa no nizaran'ny olona ny andro (nozarainy 24 na 12 na 10 arakaraka ny mpandinika tamin'izany) ... Dia efa nisy nitrandraka koa ny rano. Izany hoe ny firaraky ny rano (debit) no nandrefesana ny fandehan'ny fotoana.

Fa raha ovaina io dia mety hoe tsy Quartz intsony indray ny soratra amin'ny famantaran'andro fa mety hoe "Herimiafina" :°) (izaho mananihany fa sao tezitra!)
13. Herimiafina ( 25/12/2005 23:39)
Amin`ny 13 decembre ny execution an`i williams Stanley na i Tookie , araka ny hevitrareo mety ahazo clemency ve lery . Azavao ny hevitrao
14. Herimiafina ( 26/12/2005 07:30)
Amin`ny 13 decembre ny execution an`i williams Stanley na i Tookie , araka ny hevitrareo mety ahazo clemency ve lery . Azavao ny hevitrao
15. jennifer2 ( 26/12/2005 22:13)
Aza avadika tampoka ny resaka ry herimiafina a!
16. Herimiafina ( 26/12/2005 22:57)
Amin`ny 13 decembre ny execution an`i williams Stanley na i Tookie , araka ny hevitrareo mety ahazo clemency ve lery . Azavao ny hevitrao
17. Herimiafina ( 27/12/2005 04:24)
Amin`ny 13 decembre ny execution an`i williams Stanley na i Tookie , araka ny hevitrareo mety ahazo clemency ve lery . Azavao ny hevitrao
18. pissoa ( 27/12/2005 05:27)
Herimiafina:
Amin`ny 13 decembre ny execution an`i williams Stanley na i Tookie , araka ny hevitrareo mety ahazo clemency ve lery . Azavao ny hevitrao

:-w:-w =))
19. Herimiafina ( 27/12/2005 06:15)
Saika hamoaka ny théorie an'i Einstein zah teto de tsy nety knou, hehehehe:-D:-D:-D:-D
20. pissoa ( 27/12/2005 06:20)
=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1533