sapin sy dadabe noely?

21. routa ( 24/12/2005 17:16)
:?: zany an! tena gaga ndray aho ry jentilisa nefa tsara ny lesona nomenao:roll:
22. dadabe ( 26/12/2005 23:55)
Ho fanampin'ny fanazavana izay efa nomen'i jentilisa dia indro misy tahirinkevitra omeko anareo .
Ny volana 12 izay hiainantsika @ zao fotoana izao dia tsy volana ara-baiboly fa volana noforonin'olombelona , (Papa gregoire)ary nampitondraina ny anarany "kalendrie gregorien", fa ireto avy ny volana ara-baiboly

1- volana Nisana na abiba .izay hita teo anelanelan'ny volana mars sy ny volana avril @ zao fotoana , ny andinitsoratra masina ahitana azy dia : Stera 3:7 ;Eksodosy 13:4 ;
2-Ziva (Yyyar ) (avril-mai) I-Mpanj 6:37
3-Sivana (Mai-juin) estera 8 :9
4-Tamoza (uin juillet)
5-Ab (juillet aout )
6-Elola (aout septembre) nehemia 6 :15
7-Tishri (sept -oktobre) I-Mpanj 8 :2
8-Marsesivana (oktobre-novembre) I-Mpanj 6 :38
9-Kislevo na kisleo (nov-dec)nehemia 1:1
10-Tebeta (dec-janv) estera 2:16
11-Sebata (Janv-fevr) zakaria 1:7
12-Adara (fevr-mars) estera 3 :7

ary ny 25 dec dia andro fahaterahan'ny masoandro t@ volana Tebeta , izany hoe rehefa tsy hita nandritra ny andro maro ny masoandro dia manomboka miposaka eny @ lanitra avaratra izy @ io andro 25 dec io ary dia nifaly tokoa ny ponina t@ izany andro izany , sy nanao fanatitra ho an'ny andriaminitra masoandro ,
io ilay nantsoina taloha hoe "SOLSTISY", Ary ny andro nentiona nankalaza dia nantsoina hoe andron'ny masoandro ( sun day ) izay tsy ao anaty baiboly, fa noforonina t@ andron'i Emperora Justinien 476 AP-JC satria io amperora io no nanome fahefana ny evekan'i Roma ho filohan'ny eglizy erantany (Papa), ary ny Papa no nametraka ny 25 dec izay fety fanompoantsampy fahiny , na fanomezambominahitra an'andriamanitra masoandro ,ho didy tsy maintsy tandremana ao @ eglizy,ny antony araka ny tahirinkevitra dia ny mba hisintonana ireo olona izay manompo sampy ,hiditra any ampiangonana , .

dia aza gaga isika raha toa ka mbola hita taratra eny @ olona sasantsasany io toetra io , izany hoe nanaiky fotsinby ilay didinny Eglizy fa tsy tsy nahafantatra izay tena antony nahatonga ilay 25 dec.

mboloa hotohizako ...:D
23. dadabe ( 27/12/2005 05:42)
hummm ary mbola variana nanao fety daholo izany ny ekipa tato 8)
24. jentilisa ( 27/12/2005 09:41)
Ny amin'ny hoe noely sy ny didin'ny papa indray dia sehatra hafa mihitsy! Fomba pratika tany amin'ny fiangonana sasany tany Eoropa io no noraisin'ny Papa avy eo satria hitany fa voatsindry ankolaka ilay fanompoan-tsampy amin'izay.
Misy izany ny zavatra pratika fa tsy biblika tahaka ity noely ity!
25. Mifenty ( 27/12/2005 10:28)
>>bedada a, fetin'ny mpanompo sampy fa tsy fety fanompoan-tsampy (fête paienne). De marina lé kozin lah io k.

Efa bobaka le voalazan-dradada eh, fa amiko izy io de fety FE-TY, mitovy lanja am 26 juin, sy ny otraotran zany.

De refa fety de samy misy ny fitaovana ampiasaina enti-mankalaza azy, oatra oe, ra 26 juin de ny arendrina sy ny sainam-pirenena no anamarihana azy, ra didim-poitra de fary , akondro , voatavo arivolahy sns no ampiasaina, ra anniversaire de gatô . de refa noely zany de dadabenoely, sapin sns no ampiasaina.

Soloy coco nen'i jentilisa ra tsy mahafaly anao lé sapin. de avereno ho maitso sy fotsy kou ny akanjon'i dadabenoely ra zay ny tinao (saingy hoy ny ankizy ahita an'zany oe, dadabenoely vita sinoa ngamba io maitso io, dadabenoely contre fait e)

Refa mbola matanjaka i coca cola de ho mena sy fotsy hatrany ny akanjon'i dadabenoely fa tsy hiverina maitso sy fotsy tahaka ny fahiny akory. Jereo ny fifanarahana tam taona 30.


Ny fahazoako ilay ady resaka eto indray dia izao, samy manaiky isika fa teraka Jesoa, fa ny daty no tsy ifanarahana.

Ny hevitro, refa te hankalaza ny fahaterahan'i Jesoa (nativité) jj/mm/aaaa enao de ataovy kou.
Refa 25 déc fotsiny d ataovy ny fety satria tsy misy dikany amiko le oe "zay tsy manao noely eh, zay zao s zao e..."

REfa tsy te hanao fety enao de aza manao . Cékézém nao iany io.



i papa gregoire zany no somary fositra am ty raharaha ity e, noho ilay calendrier araka ny voalazan'i bedada.
26. routa ( 27/12/2005 15:49)
mazava ry dadabe fa de soa ho fianatra fa ny tranonay aza mbola misy sapin sy haingony hihhihihhihi:D
27. vale ( 27/12/2005 20:55)
bichette:

nenà aloha rehefa mifoha aho ny marainan'ny 25 dia hoy zah hoe "bonne anniversaire Jésus, comme cadeau, tout ce que je peux te donner c'est mon coeur reconnaissant et un grand remerciement, j'essaiera d'etre plus sage"

marina fa tsy fantatra ny tena daty fa nenà manokana aloha dia tsy rarahako na io na tsia fa ny important dia hoe anniversairen'ilay mpamonjy ahy. io ohatran'ny hoe misy olona tsy hay mihitsy ny daty naterahany fa "vers ...." no ao anaty karapanondro, ka satria tiana ilay olona dia hoe "andao ametrahana daty mba hi feter-na ny anniversaire-ny mba hanehoana azy hoe tiana izy sns" nenà raisiko ho ohatran'izany koa ny krismasy.

ny amin'ny ankizy indray, azavaiko azy hoe anniversairen'i Jesosy anio fa ilay papa noel tsy mi existe fa noforonin'ny olona fotsiny ilay izy mba ho sira kely ny krismasy, ny hoe fa maninona no mifanome cadeau indray dia hoe "occasion pour rompre la monotonie du quotidien, ny olona samy revy be daholo amin'ny fiainana isan'andro ka mba andro hanehoana ireo olona tiana ny fitiavana azy".inona moa no maharatsy an'izany.



bichette>:wink:voalazanjy daholo aky ary tena nazava tsara an! nahoana tokoa moa no tsy ampianarina ny ankizy? ny fety koa tsy misy maharatsy azy !(l):-*
28. dadabe ( 28/12/2005 00:55)
:-wny fety anie tsara e, fa ilay zava-miafina fonosin'ilay fety no mila fantarina.

ohatra zah ve hitarika anao ho eny ambohimanga Rova dia ataoko hoe andao isika hankalaza ny Noely eny dia hiara-mifaly ,nefa ny tena antodia any dia hamonjy alahamady be ,de ahoana ???
“de mbola hilaza ve ianao hoe aleo zah ho any ihany de hanatrika eo fa ny foko sy ny saiko dia hankalaza Krismasy hatrany,fa izay hiteny ahy de aleo hiteny ahy, de ce k zem ihany io fa aza mifampiteniteny ?? ”hummm mampisaina lahy izany :-w
29. marozevo ( 28/12/2005 01:18)
Tsara ity ady hevitra ity.
Marina tokoa fa mitady hiova hevitra be ihany ny Noely, na ny marimarina kokoa tsy ny noely no miova ny heviny fa ny fandraisan'ny olona azy. Ankoatry ny Dadabe Noely sy ny Sapin, dia anisan'ny risque (Azafady fa tsy hitako ny teny Gasy handikana io) amin'izao fotoana izao ny hoe tafiditra loatra anatin'ny fankalazana ny Noely ny resaka fitadiavam-bola. Ny Papa mihitsy no niteny io tamin'ny Alahady alohan'ny Noely 2005 teo. Tsy ny sentosento anefa na ny fitsikerana an-dRanona na Ranona no tena vahaolana, fa ny ezaka TSY MAINTSY ATAON'NY TSIRAIRAY hahazo marina ny tena hevitry ny NOely. Mandram-piandry izany dia arosoko ny ahy ny hevitro :
NOELY : " Tonga olombelona ny Zanak'Andriamanitra,
mba ho zanak'Andriamanitra isika olombelona". Ary mba ahoana ny hevitrao?
30. ari.malala ( 28/12/2005 10:51)
marozevo:

NOELY : " Tonga olombelona ny Zanak'Andriamanitra,
mba ho zanak'Andriamanitra isika olombelona". Ary mba ahoana ny hevitrao?


marina tsy misy adihevitra io ry marozevo!!!
31. Mifenty ( 28/12/2005 14:41)


aza kitikitian lah kely ry bedada ny alahamady ah.

Tsy misy idiran'ny noely am resaka alahamady mitsy eto.

ra te hampifanandrina azy lah d mba ny taom-baovao resahina eh.


ary aleo mifanaraka tsara oe krismasy sa noely no resahina fa ra le fanazavana etsy ambony dia samihafa ireo.
krismasy misy resaka kristy
noel ony ozy ry zalah oe tsy misy andriamanitra (no el)
32. dadabe ( 28/12/2005 15:02)
zah anie lety nanao ekzampla fa tsy hoe naninona e,fa jereon'ilahy anie e, tena mitovy anie izao ny fankalazan'ny olona sasany ny alahamady be (= fisotroana sy fisakafoanana) sy ny noely e(fisotroana sy fisakafoanana)

efa nilaza aho izay hoe ny olona sasany sao de misy miakatrafo eo indray a, dorako eo nareo :-D
33. hokanchec ( 29/12/2005 08:36)
Ny tena marina de mariana ny tenin'ny dadabe sy jentilisa amiko, za mivavaka arahiko sy fakafaiko dolo ireny fivvahana misy fa izao ataovy ao antsaina fa tokana ihany ny marina de ilay lalana tery le tsy misy mpahita sy maha remark azy dei ilay marina,
ekeko faa tsy 25 ny krsismasy:evil: ( ary tsy voalaza tokoa hoe ankalazao , fa fa afaka atao kou nefa ) fa ny tena Voalaza ao @ "Bible " de ny fahafatesana kristy, "izao no ataovy ho fahatsiarovana ahy isaky ny misotro sy mihinaan nareo, izany hoe le fandraisana izany hoe tokony "ilay fahafatesan'i kristy no tokony hatao fety " de mihinana sy misotro anlay divay mpadraisana sy mofo tsy misy masirasira,
zay ry zareo , fa zao kou , aza mihavitra koa hoe izay harahin'ny olona no marina satrai voalaza fa vitsy no ho voavonjy, ary aza mba manao fiteny hoe tsy rarahinay zany na marina na tsy marian na 25 na tsy 25 fa ref mahatsiaro fotsiny def izay; dray:idea:
ref diso de aza arahina mba tsy handehanaano any @ fahaverezana.
misaotra o!
34. Mifenty ( 29/12/2005 09:28)


za klou refa misotro, sy mihinana de mahatsiaro azy foana e.

>>aoka kely oa ry bedada le resaka alahamady a. Sujet afa mitsy io fa tsisy idiran'ny sapin sy dadabenoely eto.

Aveo kou mantsy ho tafiditra atram didipôtra kou.
35. dadabe ( 29/12/2005 15:10)
:(:(:(:( bedesin'lah ve less zah nefa exampla no nataoko :(:(


fa zao e marina ny tenin'i hockachec
36. fasaly ( 29/12/2005 20:52)
dadabe + noely = dadabenoely
37. marozevo ( 29/12/2005 23:40)
25 decembre ve ? Tsy azo porofoina io, nefa tsy diso koa. Ity misy ohatra iray : Any Madagasikara tsy dia sarotiny loatra ny olona amin'ny daty ahaterahana, ka misy ny hoe né(e) vers ...., dia ilay taona fotsiny no eo. I mamanay tratran'io. Dia ahoana rehefa mba te hanao anniversaireny izahay ? Nisy fotoana àry tao aminay (1976)nifanarahana fa atao amin'ny 27 mai ny anniversaire'i mamanay. Dia natao, dia natao, dia farany raikitra, ary ny ankizy kelinay ankehitriny dia tena mihevitra fa io daty io no nahaterahan'i bebeny. Diso ve izahay raha mba nanokana andro iray ao anatin'ny taona hankalazana ny anniversairen'i mamanay. Tsy vitanay tsinona ny hanao anniversaire isan'andro koa ...
Diso ve ny Kristianina raha nandraikitra andro iray 25 decembre ho anniversairen'ilay Filohany ?
38. hokanchec ( 30/12/2005 06:04)
zao ry zalay, enao miteny hoe diso ve ny kristianina ra mankalaza daty ho fahatsiarovana ilay filohany , za miteny hoe diso tokoa satria izao no antony, Ra Tsy teraka t@ le andro io tokoa ny tompo dia diso eo anatrehany satria tompo hafa izany no nekenao, zaomanko raha tena zanak'Andriamanitra manko enao dka mino.. de tokony ho fantatrao dolo ny momba azy ( fahamarinana rehatra tsy misy kilema)
na hoe zanakiza , teraka taiza , maty taiza fa tsy mamorona fotsiny , izay voalaza n'i baiboly no tokony atao , ohatra raha miteny izy hoe , " izao no ataovy ho fahatsiarovana ahy , de le isaky mihinana sy misotro zany le fandraisana de mahatsiaro azy " zay no itako ao anaty bible ary hitanoolona koa, tokony izay amiko no ankalazaina fa sty mamorona ze tiana ny olona any " nefa le daty , fety fannompoantsampy , tsy haiko aloha ry zareo , fa izao fotsiny ' tokana ny marian de ilay laalna mahitsy sady tery , vitsy ny mahita azy " ka mba mivavaha ihany de mandiniha soratra masina sao lasa any @ ze ataony olona nefa mankany @ fahaverezena
misaotra

HO homba anareo anie ny tompo, ilay maty mba hanavotra antsika , ilay Andriamanit'isaka ,jakoba,Abrahama, ilay nanavotra ny Israely teo ranomasina mena,ilay maty tamin'ny atsasakiny herinandro maty tao ankibon'ny tany toa an'y JOnah 3 andro sy alina, fa tsy le jesosy be da be tonga mba hamitaka izao tontolo izao mba ho @andro farany hidina hiaraka aminy any AFOBE, .
39. hery ( 30/12/2005 09:48)
hokanchec> ao amin'ny baiboly daholo izany ilay hoe zanakiza, teraka taiza, maty taiza sns? Dia tena sur izany ianao fa izay hitanao ao anaty baiboly dia nitranga 100% tsisy tomika?
40. dadabe ( 30/12/2005 10:12)
Misy andraikitry ny Kristianina ihany koa ny mahatonga ny olona sasany tsy mamonjy ny fiaraha-mivavaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2151