sapin sy dadabe noely?

1. jentilisa ( 22/12/2005 06:10)
Izaho ry zareo mieritreritra hoe ireo zavatra roa ireo no tena manimba ny fetin'ny noely tsy ho fetim-pivavahana fa lasa fetin'izao tontolo izao ( raha izay moa no filaza azy).

Any amin'ny tany misy ranomandry dia mahafinaritra be ilay sapin ravahana, dia ilay zazakely tokony hankalazaina lasa dadabe fotsy volombava no andrasan'ny ankizy; dia miandry vatomamy sy kilalao amin'izay...Sa izay no sahaza ny ankizy?

moa tsy lasa miodina na mivily lalana noho ireo zavatra roa ireo ny fisainan'ny ankizy ka manadino ny tena anton'ny fankalazana?

Samy ho tratry ny tena izy e!
novalian'i zazakely ny 04/04/2006 06:24
2. bichette ( 22/12/2005 06:30)
ié marina fa anjaran'ny tsirairay amzay no manazava ny ankizy ny tena tokony ho fantany .

3. Mifenty ( 22/12/2005 09:13)
>>io ndray jentilisa lé.

fa tsy fety v ny noely e.... kou inn aza!


eritrereto oe 26 juin tsisy défilé. tsss
4. dadabe ( 22/12/2005 11:25)
marina anie io lazain'i jentilisa io e

t@ andron'ny Romanina fahizay dia fety fanompoantsapy ny 25 dec fa tsy fety kristianina izany
5. jentilisa ( 22/12/2005 14:39)
ny olana izany amiko dia tsy mety ho tafavadika ho fety kristiana madiodio intsony ny noely raha mbola misy koa ny dadabe noely sy sapin izay tsy misy akory eto Dago fa pin no atao!

Jereo ihany koa ny anarana hoe krismasy ho an'ny protestanta izay nirona kokoa tamin'ny anglisy izany! Lamesan'i Kristy no nanaovana azy aloha mba hanerena ny olona ho any ampiangonana amin'io andro faratampony tamin'ny fanompoantsampy io.

nöel indray moa noezahina mba ho avy amin'ny teny hoe now well... nefa ny athée kosa milaza azy hoe No ël (tsy misy andriamanitra na tsy andriamanitra)

fety tokoa ny noely fa ny endri-panehoana azy no toheriko: Nahoana ny fiangonana no "tsy maintsy" asiana sapin ravahana hatrany? (ny fg ara-tantara io)

Maninona raha ny fomba fitafy no atao hafakely araka ny mahafety azy fa tsy haka tahaka be fahatany izay nivoaka tany Eoropa fa tsy tany Azia izay nipoiran'ny Baiboly akory?

Ady hevitra ity an!

Jereo koa ny tahotry ny ankizy ankehitriny rehefa alaina sary miaraka amin'i dadabe noely, toa tahotra aza no misy kokoa fa tsy hafaliana, ny eto Antananarivo aloha no lazaiko eto!
6. annie ( 22/12/2005 15:26)
tiko be le adihevitra
tena marina ny ten'ni dadabe
raha dinihana araky ny 25 dec an! dia tsy io daty 25 io mihintsy no nahaterahan'i Jesosy
diniho anie e?
25 DEc neige be mihintsy io toerana nahateran'i Jesosy io, mazava ho azy zany fa tsy hisy kintana hitarika ny Magy mihintsy,dia hisy hilaza indray zao hoe ka nanao fahagagana Aa
sady ao @ Baiboly an tsy misy filazana mihintsy hoe tokony hankalazaina ny nahaterahan'i Jesosy
araky ny tenin'i dadabe hoe fetin'ny fanompoantsampy io 25Dec io,zahay aloha tsy manao Noely e!
diniho ihany koa fa lasa fitadiavam'bola ny Neoly, mivoaka daholo izao karazana kilalao rehetra zao,maninn raha avoaka hamidy foana ireny kilalao ireny isan'andro?
7. pissoa ( 22/12/2005 16:50)
Marina ny an'i jentilisa hoe manadino ny anton'ny fankalazana ny ankizy. Anjaran'ny lehibe no mampahatsiaro azy ny anton'izany fankalazana izany. Tokony hiainga amin'ny zavatra takatry ny sain'ny ankizy ny fanazavana azy. Mety tena tsy hevitra tsara ny pin sy ny pere noel, fa anjaran'ny lehibe no manazava sy mba mitarika ny ankizy e!

annie - misy soratra ve ao amin'ny baiboly hoe "manehoa hevitra ao amin'ny serasera..org"? izaho manokana aloha tsy mbola nahita izany tao e! Nefa nahoana ianao no maneho hevitra? Izao no tiako tenenina: tsy arahina isaky ny litera akory ny Baiboly fa dinihina ... ary misy koa ny tompon'andraikitra mandinika ny fankalazana sy ny fety atao hampifantoka ny olona bebe kokoa amin'Andriamanitra sy ny fivavahana.

Mety mivadika fitadiavam-bola ny noely ho an'ny sasany, ekeko izany. Fa marary koa ve ny fotsika raha mba misy volana iray na roa ao anatin'ny taona mba handraisan'ireny olona mahantra ireny vola. Sa ny karamantsika mitomboka isam-bolana ka tsisy hidirantsika izany?
8. lapino ( 22/12/2005 17:08)
bichette:
ié marina fa anjaran'ny tsirairay amzay no manazava ny ankizy ny tena tokony ho fantany .

Raha mbola izao no fomba iainana ny fankalazana ny noely, lazao ny ankizy izay holazainao, fa mpitari-bato vilam-bava ianao aminy!
9. lapino ( 22/12/2005 17:35)
Ilay resaka daty indray aloha, efa fantatro ihany fa tsy tena aniversera io. Fa tsy fantatsika àry ny tena datin'ilay aniversera ko, ... Na izany aza mahasadaikatra ihany ny hampiasana daty fetin-tsampin'ny jentilisa :wink: hatao fetin'Andriamanitra!

Ary vaovao amiko indray io "No ël" io kle! Tsy mampazoto hankalaza an'ilay fety izy izany. Ny efa henoko dia hoe avy amin'ny teny latina Natalis hono izy io, :?::?

Ny fomba fankalazana azy indray, dia ahitana fa "mpanara-pomba" be fotsiny ny malagasy, nihinana amam-bolony sa mba te-ho vazaha. Ny eoropeana no nitondra ny kristianisma, dia nadika be fahatany fotsiny ny zavatra nentiny niaraka tamin'izay.

Ny sapin izao ohatra, amin'ny tany eoropeana tsinona misy lanezy amin'ny fotoanan'ny krismasy, kanefa fety ilay izy dia haingoina ny trano. Amin'ny ririnina anefa dia ireo conifères ihany no hazo sisa misy raviny, ary ny sapin no mba misimisy endrika. Dia iny no alaina hanaingoana trano, ravadravahana eo. Ho an'ny malagasy anefa, feno karazam-boninkazo eran'ny tanàna, feno karazan-javamaniry. Dia maninona tokoa moa no tsy ireny no ampiasaina hanaingoana trano ampiarahi, sady manome lanja ny natiora misy amintsika no manome voninahitra an'Andriamanitra.

Ilay resaka dadabe noely indray, dia tsy hay hoe ahoana no niavian'iny? Sao àry dia mba avy amin'ilay no ël ihany? Ny azo antoka aloha dia tsy misy akory izany http://michbuze.club.fr/lavache/perenoel.htm
10. Veloo ( 22/12/2005 19:30)
oy i dadabe oe:
marina anie io lazain'i jentilisa io e

t@ andron'ny Romanina fahizay dia fety fanompoantsapy ny 25 dec fa tsy fety kristianina izany

=D=D=D
kay tsika roa efa natao ho iraka mihitsy kle :-D:-D:-D:-D
11. vale ( 22/12/2005 20:38)
jentilisa> io zavatra iray io koa dia zavatra iray tena nahavariana ahy? toa lasa tsy fantatry ny ankizy intsony hoe ny noely an, dia fankalazaina ny nahaterahan'i kristy! na tsy 25 déc aza izy no teraka izany e! fa de lasa fanararaotana hanaovana fety ho an'ny sasany mampalahelo mihintsy !!!
12. ravakamalala ( 22/12/2005 21:24)
Faux probleme no fahitako an io ry jentilisa.

Inona moa izany no tena olana? Tsy mahalala ny tena dikan nynoely ny ankizy ? hoe fahasoavana fa teraka ilay mpamonjy?

Tsotra fotsiny ny valiny : matoa izany tsy fantany dia satria tsy nahampafantarina azy!

Raha ny kristiana no tsy mankalaza nynoely araka ny tokony ho izy dia malahelo tokoa aho, fa raha olona efa tsy mivavaka ve dia noely ve no entinao andresena lahatra azy hino an Andriamanitra nefa ny dkany aza tsy fantany?

Amiko dia tsisy maharatsy ny sapin sy dadabe noely, mahafinaritra ny ankizy izany, andro iray io entintsika mifaly fa teraka ilay mpamonjy, endrika entina mifaly sy miravo io, koa maninn moa? Avy eo ampahafantarintsika ny ankizy ny tena antony.

Mifalia ry reto fa teraka ho antsika ny mpamonjy a!
arahabaina daholo e :-*

13. fijo ( 22/12/2005 21:36)
ka zazakely tsy havita inona iny ve handrasana,fa tsy aleo le mba mitondra kilalao e.
14. ravakamalala ( 22/12/2005 21:48)
lé zazakely iny indrindra ry fijo no tena fanomezana tsara indrindra a!
15. vale ( 22/12/2005 21:59)
ravaka> misy olon-dehibe mahalala fa tsy mampianatra ny zanany ny tena anton'ny fetin'ny noely!grrr!

Ny hazo noely sy dadabe noely tsisy maharatsy azy, fa ny tsy tiko ny ahy ny mijery ireo olona (mbola le olon-dehibe ihany) mifety @ noely fa minia tsy miraharaha ny mpamonjy teraka akory!

rehefa tsy mino izy tokony tsy hanao fety @ noely izany amiko!
16. fijo ( 23/12/2005 04:45)
an an ,fety io ko nahoana izahay no ferana tsy hifety le.samy manao ny tiany ka;nareo mitsongolika mivavaka,izahay manandratra vera misotro,dia samy faly.
17. jentilisa ( 23/12/2005 08:23)
ravakamalala> tena olana tokoa io amiko satria mivadika tanteraka ilay fety!
fa na ampahafantarina ny ankizy sahala amin'inona aza ny anton'ny fety ny hitan'ny maso no manintona ny ankizy.
Tokony ho endrika aseho amin'ny alalan'ny magy (vahiny ao amin'ny toerana) manolotra fanomezana ilay ivelan'ny trano (4'mis) no asandratra kokoa fa tsy ny fahamaikana hanolotra kilalao ho an'ny ankizy!

Eo koa ireo mpiandry ondry ( lasa asa ivelan'ny fiaraha-monina na tafasaraka amin'ny mpiara-monina mahazatra) mamangy ireo tsy manan-kialofana no ilofosan'ny kristiana kosa...

izany hoe amiko dia ny famangiana ny fonja, hopitaly , toerana misy ireo tsy manankohanina no tena banjinina...tahaka izay natao tamin'ny tsunami e! vondron'olona miara-mamangy...

Hay ilay tena tokony ho fototry ny asan'ny fiangonana mihitsy!!!

Moa tsy misy manao tahaka izany any an-kafa any saingy ny an-dry zareo moa fiamangiana no nanaovany azy, mihira eo ivelan'ny trano...
hevitra ny ahy an!
18. fasaly ( 23/12/2005 11:03)
ny noely dia fetin'ny kritistiana aloha voalohany indrindra...
manaraka izany de fetim-pianakaviana ihany kou satria io no fotoana hiaonan'ny mpinakavy kely! dia ny fiaraha-misakafo be sy ny fanomezana kdo
fa ny sapin anie dia tradiosionaly avy any ivelany ihany e! ka otran'ny hoe endrika hanehoana ho fankalazàna ny noelay ary indrindra lasa tena vao maika manao io daholo ny firenena rehetra e!
avy any Strasbourg no niandohan'ny fananganana sapin voalohany tamin'ny taona 1600 tany, ary avy teo nivoaka avy any Germany ny fannaingoina azy! tamin'ny voalohany aloha hono dia paoma dorée no natao dekorasio ny sapin.
ka anjaran'ny ray manadreny tsirairay ny manazàva azy ho an'ny ankizy , ny fanavahana ny fetin'ny ny noely sy ny endrika fanehoana fanlazàna ny noely.
fa amiko samy manao izay tiany io , fa tsy misy hidiran'ny hoe fetin'izao tontolo izao sy fety kristiana izany,.
19. jentilisa ( 23/12/2005 13:23)
samy manao izay tiany tokoa!
ny tena hafatra indray araka ny fahafantarako azy dia hoe vangio ihany ireny fantatrao fa tsy misy na adinodinon'ny maro ireny! zany an!
20. bichette ( 24/12/2005 12:49)
nenà aloha rehefa mifoha aho ny marainan'ny 25 dia hoy zah hoe "bonne anniversaire Jésus, comme cadeau, tout ce que je peux te donner c'est mon coeur reconnaissant et un grand remerciement, j'essaiera d'etre plus sage"

marina fa tsy fantatra ny tena daty fa nenà manokana aloha dia tsy rarahako na io na tsia fa ny important dia hoe anniversairen'ilay mpamonjy ahy. io ohatran'ny hoe misy olona tsy hay mihitsy ny daty naterahany fa "vers ...." no ao anaty karapanondro, ka satria tiana ilay olona dia hoe "andao ametrahana daty mba hi feter-na ny anniversaire-ny mba hanehoana azy hoe tiana izy sns" nenà raisiko ho ohatran'izany koa ny krismasy.

ny amin'ny ankizy indray, azavaiko azy hoe anniversairen'i Jesosy anio fa ilay papa noel tsy mi existe fa noforonin'ny olona fotsiny ilay izy mba ho sira kely ny krismasy, ny hoe fa maninona no mifanome cadeau indray dia hoe "occasion pour rompre la monotonie du quotidien, ny olona samy revy be daholo amin'ny fiainana isan'andro ka mba andro hanehoana ireo olona tiana ny fitiavana azy".inona moa no maharatsy an'izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8258