ary raha tsy "miseho milay"?

61. ravakamalala ( 09/12/2005 22:37)
Mifanohitra satria raha manetry tena dia tsy mampiseho talenta, zany hoe tsy "miseho milay".


ka za aloha aleoko mampiseho talenta, fa ny olana dia za tsy manana.:wink: (ankoatran ny hoe avy any Ambohimanarina)
62. lapino ( 09/12/2005 22:55)
Tsy mifanohitra ireo ka! Ny fanandratan-tenan'ny olona no mampifanohitra azy. Ny "Mpaminany tsy masina an-taniny" ohatra izao fa nahoana?

Raha atahoranao tsy ho tafa le manetry tena, dia asehoy foana ny talentanao, fa Andriamanitra no asandrato!

>> ankoatran ny hoe avy any Ambohimanarina
Talenta moa izy io! Ao fa ho avy any hizaha ny misy tery aminao any :wink:
63. Herimiafina ( 09/12/2005 23:00)
"L'important n'est pas le geste en soi, mais l'esprit qui l'anime" HM. (l)
64. ravakamalala ( 10/12/2005 13:53)
lapino a! tena niezaka aho fa tsy mazava amiko ny hevitrao e! mitenena gasy stp!:D tsy mazava ny tian ny mpanoratra ambara.
65. Herimiafina ( 10/12/2005 14:55)
Tsy afaka ary tsy ampy hitsarana olona iray hoe "miseho milay" ny fihetsika sy ny teny avoakany.

Fa ny "intention" nahatonga an'iny fihetsika iny no mahatsara na maharatsy azy.

Ary ny mitsaratsara dia efa fantatsika fa zavatra ratsy.
66. ravakamalala ( 10/12/2005 15:21)
nefa sarotra be io resaka intention io. satria indraindray tsara ny intention fa ny fihetsika ratsy ary ny vokany ratsy. na koa ratsy ny intention fa ny fihetsika tsara ary ny vokany tsara! dia inona no azo lazaina fa tsara amin ireo?



67. Herimiafina ( 10/12/2005 15:26)
Izay no mahatonga azy hoe tsy ampy kah, ny fihetsika no hita maso dia iny no hitsarantsika ilay olona.

Raha psy ianao de fantatrao ny intention.
68. lapino ( 10/12/2005 15:31)
Ilay hoe "Mpaminany tsy masina an-taniny" ohatra raha jerena ny nahatonga an'io. Satria any an-taniny izy ataon'ny olona hoe: "olona samy mitovy aminay ihany elà ko mba miseho mahalala an'izany eo!"

Izay no itenenako hoe ny fanandratan-tenan'ny olona tsirairay, samy mandevy t** an-tsalaka daholo, no mahatonga ny "miseho milay" ho ratsy. Tsy voatery ho ilay "miseho milay" no maninona, fa isika tsirairay izay mijery no samy mihevi-tena ho zavatra daholo. Hany ka tsy mahazaka "isehoana milay".

Za koa miombon-kevitra amin'i Herimiafina hoe rehefa tsara ny intention dia tsara ny fihetsika. Na dia ohatra ny hoe ratsy aza.
69. ravakamalala ( 10/12/2005 16:05)
hay ve e!!! mazava !

ny mampimé anà am olona dia lé lazaina fa "MANINDRY"? io dia voambolan ny gasy aty andafy mihitsy!! tsy remarkénareo ve?
70. Herimiafina ( 10/12/2005 16:07)
Tsy voambolan'ny gasy irery io kah , nyu Jiosy koa manana teny mitovy amin'io nilazany fa manindry i Jesoa tamin'ny fotoan'androny. hehehehe:-D:-D:-D:-D
71. ravakamalala ( 10/12/2005 16:09)
aôna?
72. Herimiafina ( 10/12/2005 16:21)
Ny tiako lazaina dia ny teny tahaka an'io dia mi-existe n'aiza n'aiza eto ambonin'ny tany ary toetra relatif tsy azo généraliser-na hoe toetran'ny gasy rehetra.

Tsy mitovy ny olona rehetra ary tsy azo hanaovana lalàna iray mitovy ny olona 17 millions.

Ny Jiosy izao niteny tamin'i Jesoa hoe: Fa iza moa Ianao no manindry sy miseho milay ho Zanak'Andriamanitra?
73. vale ( 10/12/2005 22:01)
Herimiafina:

Otsan,ny te hiseho milay sy tsy miseho milay njay zah zany hahitako ho iza no mety amiko klé, hehehehehehehe:-D:-D:-D:-D



:-D:-D:-D
74. vale ( 10/12/2005 22:07)
fijo:

ka isika nasaina nihetry foana hatr'izay,dia izao no vokany.fa aleo mba mihezaka maneho ny maha izy antsika indray e.
i hery izao ohatra milaza hoe :"mpitantana sita"dia miseho milay ve izy????nefa hita fa izay tokoa no hataony ary vitany tsara.


fijo> tsy any ilay fipetrany kah! izy tsy "niseho nilay" fa tena marina ! fa ny fahazaoko ilay oe "miseho milay" dia oe: "miseho" ho toy izao sns nefa tsy tena izay!!!dia ratsy be izay!
fa ilaina ny mizara izay "mahasoa "@ mpiara-belona raha anananao izany!
izay ny mba fahazoako azy e!(l)
75. vale ( 10/12/2005 22:09)
Herimiafina:

Le mandainga fotsiny hoa no tena tsy mety e, manjary mampandiso fananetanana olona, manantena be nefa kay pôkaty klé, hehehehe:-D:-D:-D:-D



:-*:-*:-*(l)
76. vale ( 11/12/2005 14:37)
ravakamalala:

hay ve e!!! mazava !

ny mampimé anà am olona dia lé lazaina fa "MANINDRY"? io dia voambolan ny gasy aty andafy mihitsy!! tsy remarkénareo ve?



ravaka> avelao hieritreritra an'izany any izay hieritreritra aky fa mahatsapa voatsindry angamba izy matoa miteny an'izany à!(complexé!)na koa mialona?
77. ravakamalala ( 11/12/2005 19:31)
mety tena voatsindry koa izy ka! za koa mantsy mavesabesatra zay, 85kg eo!:-D
78. jennifer2 ( 13/12/2005 02:02)
Fa firy kilao le gasy sasany any aminareo akia?
Fa hono hoy aho,le olona miseho milay ireny angamba maivana o?
79. fijo ( 13/12/2005 21:16)
ka izay anie ry vale efa nekeko tery ambony e.
80. vale ( 14/12/2005 14:40)
fijo:

ka izay anie ry vale efa nekeko tery ambony e.



fijo>eny marina kay!:wink::wink::wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1893