fanalan-jaza! saro-pady dia saro-pady...

21. Herimiafina ( 09/11/2005 15:59)
de zah kou mety ho anisany, kamo be mantsy zah le mbola hanao zaza de le hiandry sivy volana iny de aleoko tonga de reniny sy zanany no alaina, hehehe:-D:-D
22. Herimiafina ( 09/11/2005 16:00)
Saika adinoko: fa ny olana de le bainin'ilay zàzà kou lasa taizako ao antrano satria mety ho tonga ao foana kou, de zay le mety hanahirana.
23. xxx ( 09/11/2005 16:40)
marina ny tenin'i herimiafina, miankina amin'ny cas io. fa raha resaka hoe zaza tsy nirina fotsiny dia izao ny hevitro, aleo mitandrina tsy ho bevohoka foana ny vehivavy rehefa mbola te hanana zaza. Efa be dia be ny fomba azo atao amin'izany.

izay hanala zaza, raha toa moa ianao any aoriana any tsy hanana zanaka intsony ... dia ho hitanao ny neninao tamin'iny adalana iny!

ny zaza aloha efa sur fa novonoinao, fa ny risk hahafatesanao koa avy eo! mety ho kely rehefa hoe alalahana ny fanalana zaza, fa betsaka lavitra noho ny hoe ianao tsy nanala zaza!

ny vola laninao manginy fotsiny, raha tsy ohatra hoe ilay mandeha miazakazaka be na mitoto koba vao maraina ireny angaha. :-D

maninona raha miaro tena fotsiny ... mandeha jolie ny fiainana amin'izay!

herimiafina > :-w :-D :-D
24. Herimiafina ( 09/11/2005 16:49)
ötoty tezaiko daholo ny zanakareo, fa refa lasa aty njay de aza manantena ny hahita anazy tsony, hehehe:-D:-D
25. pitchou ( 09/11/2005 18:04)
b d b no mahatonga ny vohoka tsy nirina, ary matoa tonga @zany d sendra ny tsy fidiny! ko nahoana kosa moa le vhv ihany no asaina mibaby zavatra tsy nirina natao? aleo esoriny toy izay sady sorisory ho azy, manomboka hatrany ambohoka ka mandra-pahafatiny!
raha te-hiala @ zany d ny lhl no asiana fifehezana henjana b! efa betsaka ny fomba azo anaporofona ny paternite raha tsy diso aho:-w
26. Herimiafina ( 09/11/2005 18:55)
Salut pitchou, manao ahoana le zanatsika izay? hehehehe
27. cutie ( 09/11/2005 19:24)
pitchou [ Valio ] 09-11-2005 22:04:57
Lohateny : Re : fanalan-jaza! saro-pady dia saro-pady...
b d b no mahatonga ny vohoka tsy nirina, ary matoa tonga @zany d sendra ny tsy fidiny! ko nahoana kosa moa le vhv ihany no asaina mibaby zavatra tsy nirina natao? aleo esoriny toy izay sady sorisory ho azy, manomboka hatrany ambohoka ka mandra-pahafatiny!
raha te-hiala @ zany d ny lhl no asiana fifehezana henjana b! efa betsaka ny fomba azo anaporofona ny paternite raha tsy diso aho

Marina ny an-jy , mba aiza ny anjara toeran'ny lhl @ io . Ny vhv fona no mizaka zany .
28. watafon ( 09/11/2005 20:15)
ny manala zaza ange vita fôna e! fa ny vokany avy eo no tsy laitra ! marina hoe raha zaza tsy nirina alou tsy ho zarizary @ lafiny rehetra ! fa ny mba tiako tsindrina d hoe ny fanalan-jaza ange d famonoan'olona e! ny tokony atao amiko d ny fitandremana @ alalan'ireo fanabeazana aizana efa maro sady efa fantatry ny ankamaroan'ny olona e! na ny vhv na ny lhl voakasika amzany daholo !
ny fanalalahana azy indray angamba mbola tsy zakan'ny fiaraha-monina malagasy amzao aloha !
29. fijo ( 09/11/2005 21:03)
ô ry zareo an,marina fa ratsy ny manala zaza ,nefa rehefa be mpanao io,ny fanafodiny mba tsy hanimba ,dia ny manao izay hifehezana azy.
tsy atao malalaka hoe azo esorina foan, na firy volana na firy,fa ferana toa ny aty frantsa e.oh latsaky ny 3 volana dia mbola azo hesorina.
avelao ny sipa mba hisafdy ny hoaviny fa tsy hoe,sendra feeling tsara aho tatsy dia tsy misy fika fa tsimaintsy mitana izay vokany.tadidio,fa tamin'io fotoana io,feeling fotsiny no nanaovana azy.(revy no tao an tsaina,fa tsy hanao zaza,ka raha misy zaza dia avelao izy hisafidy izay hanaovany azy ao anatin'ny fotoana iray.
aza hadino,fa ny zaza tsy niriana koa anie ka ratsy e.
30. majakely ( 10/11/2005 06:40)
fijo ,tena d'accord amin'ny voalazanao zah!!!
31. xxx ( 10/11/2005 07:10)
marina ny tenin'i fijo, fa izao ny hevitro
inona no mahasamihafa ny manala zaza sy ny mandevimbelona zaza vao teraka? izaho manokana tsy mahita izay mahasamihafa azy ... dia ho ekena ve ny hoe reny mandevimbelona ny zanany mena vava - tsy ekeko! Sa koa io vitsy mpanao dia ho enjehina izay manao azy?

ekeko marina mihitsy fa feeling no nahatonga ilay zaza tsy nirina, fa izaho mihevitra hoe patience no tokony hananantsika - na lahy na vavy. ekeko fa ho esoin'ny mpiara-belona, mety tsy hahavita fianarana raha mbola mianatra ... fa izany olana 2 taona izany dia voavaha. raha manana patience ny olona dia ho tiny io zanaka tsy niriny io rehefa hitany ny fitombony. ny saina sy ny fitiavan-tenana no mahatonga ny zaza iray ho "zaza tsy nirina" fa tsy inona akory! rehefa sahy miteny ny ianao hoe sombiniaiko ity, na zaza accident aza io, dia io ho hoheverinao ho harenanao sarobidy indrindra!
32. jentilisa ( 10/11/2005 09:43)
Sarotra be anie ny miteny fifehezana raha vao miditra izay teny hoe feeling izay e!

Ilay fanalalahana rahateo tsy maintsy misy lalana mametra azy soa aman-tsara fa tsy baranahiny tokoa!

Amiko manko rehefa misy ny fanalalahana tsy maintsy misy ihany koa ny fampahafantarana. Indrindra fa sao dia O- ravehivavy nefa mety ho rhesus+ ilay zaza vita. Dia raha miala io zaza io dia tsy hanan-janaka intsony rafotsy!

Ny resaka rahateo tsy hoe any ampiangonana fotsiny fa manerana ny firenena ary Madagasikara tsy krisitana na silamo 100%.

Izany hoe ny tiako lazaina eto dia fiaraha-minona fa tsy fivavahana!
33. ravakamalala ( 10/11/2005 14:06)
Sarotra be ny hanala an ilay resaka tsy ao anatin ny fiangonana. fa raisintsika aza hoe tsy ampidirina ny fivavahana dia ho alalahana hoy ianao ny fanalana zaza, tsy ho rarana intsony ary tsy atao hetsika mamoa fady (eo amin ny fiaraha-monina). Izay no tianao tenenina? Dia ho lasa baranahina io rahavako, lalan kitakisoa ny an raolombelona.
jerreo fotsiny anie ny vokadratsin ny fanalalahana nataon ny pays bas tam ny resaka fifohana zavatra mahadomelina e! Be ny marary, miha lasa adala ny olona, zao aza moa efa manao téléréalité ny fifohana izao karazana rongony rehetra izao izy dia avy eo rehefa mamao izy dia asaina manao firaisana ara nofo (en direct an) dia jerena hoe iza no tena matanjaka sy mahay indrindra!
ho aiza ntsika ty e!
34. Veloo ( 10/11/2005 16:44)
o ry reto a pour eveiter an'ireny fa angaha tena lafo be ny condum? andefasko betsaka izay mitady marina moa, toa izay manmono oona otran'izany? :(:?:cry:
35. diamondra27 ( 10/11/2005 17:07)
mankanesa any @ association miaro ny sida fa normalement gratuit io.

36. Herimiafina ( 10/11/2005 17:47)
Maninona moa raha tsy manao mintsy e, ny mpifoka sigara enjehina fa dependant nefa tsika menakavy miady varotra hanao firaisana ara-nofo etsy sy eroa, tssssss, lainga kambony e, hehehehe:-D:-D:-D:-D
37. Veloo ( 10/11/2005 18:44)
i hery io za te hanao ko dia ahona? tsy maintsy mitandrina mila condum fotsiny
38. Herimiafina ( 10/11/2005 19:05)
Tsy resin'ny filana ara-nofo zany zah hoa, jereo ty probleme aterany, kou inona kou no itonatonanako any, nenah refa manambady vao amanao an'izany zah, na, hehehehe:-D:-D
39. jentilisa ( 11/11/2005 11:13)
Pays Bas aloha dia tena malalaka dia malalaka aoka izany.
Manaraka izany dia efa betsaka ny zavatra tokony hiova no nosakanan'ny fiangonana, ka izany no tsy itiavako ny hitenenan'ny fiangonana amin'io sehatra io eo anivon'ny firenena. Raha amin'ny olona ao ampiangonana dia tena ekeko tsara, ary anisan'ny mitaiza ny olona (tanora) tsy hivaona mihitsy aho. Fa amin'ny mahalaika ny firenena no nanolorako izay hevitra izay. Hevitra tena mifanohitra amin'ny maoralin'ny fiangonana.

Tahaka ny euthanasie ihany koa!
40. mamzelkely ( 11/11/2005 12:14)
ka iza ary ny tinareo atao miafina le fanalana zaza de bebe koko ny risk sa légalisé-na le izy de au moins misy soin azon'ny le vhv fa io na pour ny fiangonana na contre ny fiangonana de misy fôna io zvt ary ts azo hanoharanao c'est un fait donc impossible ny ts hisian'io tsony fa aleo au tant que possible de atao am ara-dalàna le izy e...

fa kosa avant tt l faut que les 2 parties mitandrina fôna..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2901