Ny fitahian'ny Razana

1. tsimiandravola ( 26/10/2005 19:41)
Inona no tokony ho azo na inoana ny amin'ny fitahian'ny Razana izay ninoan'ny Ntaolontsika.Resaka filozofia izany,ary tsy misy ifanerena ny hino azy.
novalian'i lapino ny 12/11/2005 15:53
2. maditra ( 26/10/2005 23:13)
Zah aloha tsy an'isan'ireo izay manaraka ny finoana traditionnelle, fa manan-kavaly fotsiny zah raha io no fanontaniana.
Otra'ny olona rehetra mivavaka, amin'Atra fotsiny io, izany hoe "finoana" ary dia finoana izay ihany no izy. Raha misy manontany ahy ny zavatra azoko amin'ny maha-Kristianina ahy izao ohatra, dia mety tsy aharesy olona lahatra ny valiny omeko, fa saingy inoako ilay izy. Dia otraotran'izay ihany.
3. xxx ( 27/10/2005 07:48)
ka eh izany izy aza efa atao hoe razana ko! ny olona rehefa maty dia maty e, raha nanana pouvoir hafa ireo razana ireo de mety nanao izay mety na ny tsy mety t@ tsirairay. Saingy tandremo fa ny gasy mahay mandroaka razana (mampitsangana ny razana) any @ faritra Marolambo ohatra (Toamasina); ny dikan'izany de misy hery hafahafa matanjaka ao ambadika ao mandemy ny saina hino hoe mahery tokoa ny razana...
4. xxx ( 27/10/2005 07:57)
raha te ahita ny herin'ny razana izany enao de mandehana any ambanivohitry ny betsimisaraka any fa de ahita tokoa na ny hery ao ambadiky ny razana! ireo angamba no mpilalao faty gaigy indrindra ao Mada ao. Ny razana ho halevina aza mbola hifampitolomana ny fampidirana azy ao am-pasana. De ho gaga ianao raha mahita rafotsy be efa mila tsy ahajoro intsony @ tongony nefa lasa matanjaka be mifampisintona na misangy ilay faty alohan'ny handevenana azy ao ampasana. Ny toerana @ io feno volotsangana maranitra ireny ka na ny vatan-dehilahy matanjaka be ireny aza de maratra mafy mihitsy vao tafala eo @ toerana tokony handevenana. Misy hery hafahafa matanjaka ao ambadika ao fa tsy normal...
5. sonwin ( 27/10/2005 08:34)
rehefa razana tsy hitahy mifohaza hiady vomanga e
6. xxx ( 27/10/2005 08:44)
sonwin:

rehefa razana tsy hitahy mifohaza hiady vomanga e



ingahy izany mino ny fitahian'ny razana?
7. tsimiandravola ( 27/10/2005 09:18)
Ny ahy indray,ny fahitàko azy dia tsy mitahy ny razana.Io dia \"enveloppe\" fotsiny nentin\'ny \"biologie\".\"inerte\" io noho izany satria niverina ho \"minéral\" fotsiny.Nefa na izany aza,dia mijanona ho \"symbole\" ny razana,ary manana ny hasiny satria \"souvenir\" n\'ny aina sy ny \"conscience\" nampiasa azy teo aloha.

Ka raha antsoina hoe \"fanahy\" ny aina sy ny conscience dia toy izao no hevitro:\"tsy nisy\" ny fahafatesana satria mbola nitohy izany fanahy izany,ary irina mbola hitohy hatrany.Ireo Ntaolontsika noho izany dia mbola miaina ao anatin\'ny nofontsika,ary io dia tsy nisy fahatapahany hatramin\'izay (sauf cas de stérilité,et encore...)Ny fitahian\'ny razana noho izany dia ny fifampitahiantsika izay velona.Raha mandinika ianareo dia miopana amin\'io théorie-ko io daholo ny fiainantsika gasy.Ny fitahian\'ny razana noho izany dia misy dikany hafakely.Vokany direkta=ilay hira hoe mifankatiava ihany.

Dinohontsika ihany koa fa ireo tso-drano sy firariantsoa nataon\'ny Ntaolontsika fahavelony dia mirakitra ny tahin-drazana,izany hoe ny fitahiana dia amin\'ny andro mahavelona ihany no \"explicitée\".

Ka raha mahatadidy ny tso-dranon\'i dadan\'i dadabenao ianao dia tadidio fa izay no tahy.
Filozofia io ary amiko dia tsy misy izay maharatsy azy.Ny fisehony ho toy ny fivavahana amin\'ny razana fotsiny no mety manafintohina ny fanahy lasa kristianna,fa ny votoatiny dia tena tsara ary \"réaliste\" sy \"honette\".Raha d\'accord ianao dia voizo ny fandalàna ny razana.
8. sonwin ( 27/10/2005 09:27)
xxx:

sonwin:

rehefa razana tsy hitahy mifohaza hiady vomanga e



ingahy izany mino ny fitahian'ny razana?



Mistery zany zanako:°)
9. xxx ( 27/10/2005 09:30)
inona ary no tena tianao ho atao @ ilay hoe fandalàna ny razana e? tsy mazava amiko mihitsy
10. tsimiandravola ( 27/10/2005 09:34)
Hoy i Paoly:"je ne vis plus moi,mais le Christ vit en moi".Io dia azo adika fa i Paoly,izany hoe ny kristianisma dia resaka possession.Azo lazaina fa i Paoly izany dia possédé,par le "christ" (qui,pour moi,n'existait pas).
Fa ny eritreritro kosa dia hafa=tsy resaka possession,fa resaka continuité de la conscience.Izany hoe,ny nofoko velona dia support fotsiny ho an'io fanahy voalazako io,fanahy izay nolovaiko tamin'ireo efa lasanko-vovoka,ary mbola hampandovaiko ny taranako.
11. tsimiandravola ( 27/10/2005 09:37)
xxx:

inona ary no tena tianao ho atao @ ilay hoe fandalàna ny razana e? tsy mazava amiko mihitsy
Tiako ho valiana be mihitsy ity saingy tiako ho fantatra ny solon'anaran'ny mpanontany.


12. xxx ( 27/10/2005 09:50)
azafady fa aleo mijanona ho tsy mitonona ihany, raha tsy afaka ny hanazava moa ianao de tsy maninona akory

tsimiandravola:

xxx:

inona ary no tena tianao ho atao @ ilay hoe fandalàna ny razana e? tsy mazava amiko mihitsy
Tiako ho valiana be mihitsy ity saingy tiako ho fantatra ny solon'anaran'ny mpanontany.






13. dadabe ( 27/10/2005 10:08)
aza manao xxx kalou nareo e:( manjary sahala @ maivana le valiteny
14. xxx ( 27/10/2005 12:53)
Fa aiza daholo ny hevitra lasa hatramin'izay no nalehany ry tompon'andraikitra?
15. xxx ( 27/10/2005 14:11)
ahona tsara moa zany ny kozy eto?
sw
16. xxx ( 28/10/2005 06:34)
17. jentilisa ( 28/10/2005 08:32)
23 amin'ny hevitra 49 ve no xxx daholo? mahavariana! fa inona no mampatahotra no tsy sahy miseho? sa mbola matahotra ny mpitondra fivavahana kristiana?
18. routa ( 28/10/2005 09:37)
za ko mbo gaga
19. dadabe ( 28/10/2005 11:41)
ary in-4 miverina le hafatra napetrako :-@:-@:-@
20. jentilisa ( 28/10/2005 14:43)
nisy probl io dadabe a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.6683