Ny fitahian'ny Razana

21. routa ( 28/10/2005 15:13)
ny sasany aza tsy hita ny nanjavonany ko :(
fa zao e ny razana tsy mitahy e!
22. hps ( 30/10/2005 19:16)
slt daholo an!ny fanontaniana mipetraka eto dia ity iza no efa mba henika izany fitahin'ny razana izany?tsy vao maika aza ve toa ny efa eo ampela-tanana indray no mila afoy indraindray @ hoe:"mangatsiaka hono ry lerony ao ka mila rakofana" sy ny hoe "aoka samy anao contisation ny fianakaviana fa efa nilaza i Dadabe hoe avadika indray sy fonosana indray"zvt negative be zany amiko na de tsy hamantatra ny mety ho toetra ananan'ireo efa maty aza,ary raha nisy ny hoe fitahin-ndry lerony dia tsy mba nahatra angamba isika malagasy izay fatra-pandala ny fomban-drazana:°)^:^
23. xxx ( 31/10/2005 07:50)
tsimiandravola ny trodranon'ny dadabe sy nenibe raha mbola velona dia ekena jereo zao i Isaka nitsodrano an'i Jakoba fa ny razana kosa mitahy
24. jentilisa ( 31/10/2005 08:02)
Ny zavatra koa rehefa misy ny fifaneriterena be loatra hoe tsy maintsy mandoa vola sahala amin'izao na sahala amin'izao dia fanerena sy fitiavan-kenan'ny sasany fotsiny. Ao anatiny misy tahaka ny hoe anjaran-dRanona indray izao no tokony hamadika ao amin'ny tanAna iray eo amin'ny mpifanolo-bodirindrina...dia manjary miteraka karazana valifaty indray ilay hoe atero ka alao!
25. yonikafopl ( 01/11/2005 18:15)
ny razana mitahy????

Ny maty moa izany razana izany????

AMiko izay rehetra maty rehetra dia tsy manakery intsony amin'ny velona, tsy misy azony atao intsony hitahiana, fa raha nitahy ny maty, dadanay izay tia anay, niasa andro aman'alina hamelomana anay, no nitahy voalohany, ka nanome ny fanambinany , dia tsy nandao azy sy ny fasany zahay fa nanorina trano eo akaikiny eo de niandry ny fitahiany, fa tamin'ny fahavelony tsinn zahay tam mbola kely, izy no niasa sy nilofo fa zahay mihinana sy misotro izay azony.

Izay rehetra maty, na gasy na vazaha na zapone, dia tsy afaka mitahy ny velona afa tsy Jesosy Kristy izay maty fa nitsangana nandresy ny fahafatesana.

Ka amiko, izay rehetra "maty" na iza izy na iza, dia tsy afaka mitahy, tsy hinoako, tsy hantsoiko akory hangataka fifonana na hivavaka ho ahy.:wink:
26. tsimiandravola ( 01/11/2005 22:28)
Ka ny fanitarana sy ny anie no tena betsaka eto amin'ity fiainana ity ê:tsara ny adin'ny vehivavy feminista amin'ny lafiny maro fa misy foana ny exagération;tsara koa ny adin'ny sindikalista amin'ny endriny maro fa misy koa ny exagération;toy izany koa ny amin'ny resaka famadihana:misy foana koa ny exagération dia manjary ny kely sy ny majinika no miantoka.Noho izany dia mila reforme io finoana amin'ny fitahian'ny razana io,toy izany koa ny fihetsika ara-toe-karena manodidina ny famadihana.Ataoko fa izany no fihetsika tsara indrindra toy izay hitarika ny olona tsy hino ny "fitahian'ny razana" tsotra izao.Izany hoe ilay dikan'ilay hoe fitahian'ny razana no tokony ho voafariparitra voalohany.Amiko,raha misy zavatra tokony tsy inoana voalohany indrindra dia ny olona tsy nisy ara-tantara (ara-pisiana) toa an'i Jesoa Kristy,fa tsy ny razana izay velona taloha ary nisy taloha.
27. yonikafopl ( 02/11/2005 12:14)
tsy nisy ara tantara ahoana mou??? fa nga tsy tantara ilay ao am baiboly?? ary izay voasoratra ao , na ny tanana dia misy ankehitriny daholo???/
28. eprom ( 02/11/2005 12:41)
tsimiandravola:

Amiko,raha misy zavatra tokony tsy inoana voalohany indrindra dia ny olona tsy nisy ara-tantara (ara-pisiana) toa an'i Jesoa Kristy.


Mba porofoy kely hoe tsy nisy Jesosy Kristy? Tena mba miaiky anao aho raha vitanao izany.


29. jentilisa ( 02/11/2005 12:59)
Ary ianareo roa farany ireto angaha tsy nahita ny efa nosoratany taloha?
30. sonwin ( 02/11/2005 15:23)
tafaverin-dratsimiandra any amin'ny tiany atongavana indray ny resaka kle :-D taitra dolo ny mbola tsy nahita izay nosoratany tany aloha:-D
31. yonikafopl ( 02/11/2005 17:05)
jentilisa sonwin za tsy mba nanana fotoanan namakiana fa nandalo naka izay voaraiko hihihihihii fa njaso fa hamaky klou ary:wink:
32. cutie ( 03/11/2005 05:16)
tsimiandravola [ Valio ] 02-11-2005 02:28:25
Lohateny : Re : Ny fitahian'ny Razana
Ka ny fanitarana sy ny anie no tena betsaka eto amin'ity fiainana ity ê:tsara ny adin'ny vehivavy feminista amin'ny lafiny maro fa misy foana ny exagération;tsara koa ny adin'ny sindikalista amin'ny endriny maro fa misy koa ny exagération;toy izany koa ny amin'ny resaka famadihana:misy foana koa ny exagération dia manjary ny kely sy ny majinika no miantoka.Noho izany dia mila reforme io finoana amin'ny fitahian'ny razana io,toy izany koa ny fihetsika ara-toe-karena manodidina ny famadihana.Ataoko fa izany no fihetsika tsara indrindra toy izay hitarika ny olona tsy hino ny "fitahian'ny razana" tsotra izao.Izany hoe ilay dikan'ilay hoe fitahian'ny razana no tokony ho voafariparitra voalohany.

ekena , ary in tokoa ny dikan'ny we "fitahian'ny razana?"
refa maty moa ny olona de mankaiza ny fanahiny??
Raha amiko aloha de le fanahy io no mitahy e , satria tsy hita maso. Mitovy @ Andriamanitra iany. Izy aza tsy hita maso koa nefa mitahy. Sady izy koa fanahy raha ny fahaizako azy .:)
Samy mitahy na ny Razana na Andriamanitra amiko .8)
33. eprom ( 03/11/2005 05:32)
sonwin:

tafaverin-dratsimiandra any amin'ny tiany atongavana indray ny resaka kle :-D taitra dolo ny mbola tsy nahita izay nosoratany tany aloha:-D


Be ihany mantsy izay fandresen-dahatra ny amin'ny tsy fisian'i Jesosy izay fa hatramin'izao tsy mbola nisy naharesy lahatra ahy.

34. jentilisa ( 03/11/2005 06:37)
Atao ahoana ary ny manaporofo zavatra tsy misy? :°)
35. sonwin ( 03/11/2005 09:50)
eprom> tsy misy naharesy lahatra ahy koa ka:), ny Misy ve no hoforcena ho tsy misy..mananofy atoandro izy e:)

Fa zao...raha razana tsy hitahy hoa mifohaza hiady vomanga :wink:..Mistery zany zanako:P
36. tsimiandravola ( 09/11/2005 23:20)
Be ihany mantsy izay fandresen-dahatra ny amin\'ny tsy fisian\'i Jesosy izay fa hatramin\'izao tsy mbola nisy naharesy lahatra ahy.
Miala tsiny fa tsy izaho no namily ny resaka fa nisy namily ny vaovao.
Marihiko fotsiny,fa ny ankamaroan\'ny olona mandray anjara eto dia entanin\'ny \"finoana\".Ka na inona na inona \"fandresen-dahatra\" ataoko na ataon\'ny hafa dia miantefa amin\'ny \"vavahadirindrina\" ihany.Na inona nefa,na inona hamafisan\'ny finoana ananan\'ny tsirairay,dia tsy ho afaka hanova ny \"zava-misy\" izany.Ka ny ahy dia ny zava-misy no azoko asetry,dia ny fanamporofoana ny tsy nisian\'i Jesoa Kristy ara-tantara=Jesoa kristy araka ny famaritan\'ny baiboly azy.Io dia tsy misy resaka ara-pinoana,fa resaka \"matematika\".Tsy ny finoana mihitsy no antsoina rehefa manao 2+2=4.Raha tsy manaiky moa ianao fa 2+2=4,inona no azoko atao?

Raha tianao no mino fa 6x5=environ 12,dia anjaranao fotsiny no miziriziry ara-pinoana ka manazava fa sendra lasa \"x\" ilay \"+\" tokony ho izy,ary ny 12 tsy lavitra ny 11 satria maty i Jodasy,ary nony maty iJodasy dia lasa 30 indray ny 6+5.Ka araka ny finoana dia mikodia indray mandeha fotsiny ny \"+\" dia lasa \"x\".Ireo marika roa ireo rahateo miraika amin\'ny lakroa masina.Sns sns.Tsy misy tsy vitan\'ny finoana ê.Na Ambohijanahary aza voafindran\'ny finoana mankeny Ampitatafika.

Raha tsotsorina fotsiny ny fanamporofoana ny fisian\'i Jesoa kristy,dia ny Mpino no tokony hanamporofo fa nisy ara-tantara izy.Ary satria tonga nofo izy,\"niara-nonina tamintsika\" araky ny filazan\'ny baiboly,noho izany dia tokony ho hitan\'ny mpanao tantara rehetra,na ny mpino na ny tsy mpino.Ary raha araka ny lazany izay voatsipika mafy mihitsy ao amin\'ny baiboly dia tokony ho lavalava sy mba tena mafonja tsara mihitsy ny voalazan\'ny \"chroniqueurs\" mpiara-belona taminy.Inona nefa no tsapa?Teny kely nasongontsongon\'ny mpisandoka any amin\'ny asa soratry ny chroniqueur.
Ankoatr\'izany dia hita trasy ao amin\'ny filazan-tsara ny hosoka maro ary fanahiniana.
Izay aloha ilay kôzy fa jereo eto e[url http://www.luigicascioli.it/home_fra.php[/url]
37. jefra ( 10/11/2005 22:12)
Marina fa tsy misy porofo mivaingana ahazoana milaza fa nisy i Jesosy, fa tsy misy porofo mivaingana ahazoana milaza ihany koa hoe tsy nisy izy.

Ny aza hadino dia tsy mitovy @ misy @ izao fotoana iainantsika izao ny nisy tany @ 2000 taona mahery raha ny firaiketana tantara sy zava-misy no resahina.
Be dia be ny ady nifandimby sy ny tahirin-tsoratra may, ka ny tahiry/soratra sisa tavela/hita no tsy misy porofo dia izay.

Ka tsy hoe rehefa tsy nahitana porofo dia tsy nisy.

PS: Tandremo fa 6x5 = 12 dans une base 28. :lol:
38. sonwin ( 11/11/2005 09:36)
Ka io koa tsy mila porofo zany fa resaka finoana ka, refa mino dia mino dia refa tsy mino dia tsy mino
39. jentilisa ( 12/11/2005 14:47)
fa ny fitahian'ny razana aloha maiakina be dia be amin'ny fahavitan'i Manjakamiadana e. Sa ahoana? :lol:
40. lapino ( 12/11/2005 15:16)
jefra:

PS: Tandremo fa 6x5 = 12 dans une base 28. :lol:

:idea: Milay indray iny! :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5485