PARADISA

1. daran ( 19/10/2005 09:04)
Aiza marina moa ny paradisa ry zareo a: any an-danitra sa eto an-tany?
novalian'i jentilisa ny 29/10/2005 13:18
2. jentilisa ( 19/10/2005 10:38)
Sao dia any amin'ny "afobe"?
3. daran ( 19/10/2005 11:10)
any zany ny paradisan'ny jentilisa!!!:twisted:
4. ari.malala ( 19/10/2005 11:26)
hafa kely ny an'i jentilisa!!!:roll::roll::roll::roll:

ny paradisa raha hoahy d tsy miandry any andanitra fa eto an-tany ihany:) raha mifankatia ony d efa paradisa sahady ety an-tany ko
5. mandrindra ( 19/10/2005 13:00)
marina izany ry ari.malala, fa tsy ampy ny mifankatia fotsiny fa tsy maintsy mba mirevy sy maka fy koa.
6. johns ( 19/10/2005 14:16)
Ny paradisa dia tany edena. Fa tsy misy intsony. Raha ho an'ny Kristiana dia ny Fanjakan'ny lanitra no andrasana
7. dadabe ( 19/10/2005 15:16)
Mpandefa : daran [ Valio ] 19-10-2005 11:04:23
Lohateny : PARADISA
Aiza marina moa ny paradisa ry zareo a: any an-danitra sa eto an-tany?

raha ny soratra masina no jerena dia
1-t@voalohany tao edena izay nisy an'adama sy eva
genesisy toko I sy II
2-any @fiafaran'izao tontolo izao de ilay jerosalema vaovao satria tsy misy intsony ny tomany ,alahelo,....vakio apokalypsy toko faha 22
noho izany eto antany dia fandalovana ihany ka tsy misy paradisa velively raha ny soratra masina no lazaina
8. routa ( 19/10/2005 15:27)
any andanitra io an!le jerosalema vaovao zany zay no fahalalako azy an!
9. sonwin ( 19/10/2005 20:03)
Tsy ny habakabaka mangoratsaky ny hazavana raha vao maraina no lanitra,
Tsy ny habakabaka feno kintana an'alinkisa raha takariva ny lanitra,
Eo akaikintsika, ao anatintsika, ivelomantsika,
Fa tsy any lavitra any akory ny lanitra.
Dieny mbola heno manako mora, tsy mety mangina ao aminao ny fitiavana,
Dieny mbola afaka maka tahaka ilay Andriamanitra zay fitiavana ianao,
Mifankatiava, mifanasoava, mifamelĂ ,
Ny fanjakan'ny fitiavana no lanitra...
Dia izay ilay paradisa amiko...
10. sariaka ( 19/10/2005 21:43)
marina ny an'i sowin kanefa koa taratr'ilay paradisa vaovao any an-danitra ilay fifankatiavana sy fiainana ny fitiavana eto an-tany. Manomboka eto an-tany ny paradisa raha isika olombelona mifankatia. Noho izany manomboka eto an-tany anjakan'ny fitiavana ny paradisa ka mitohy any an-koatra e.
11. marozevo ( 20/10/2005 00:02)
Sonwin > "Araraoty e.. araraoty: Atomboy dieny izao re ny lanitra". Hira efa tena taloha be tokoa io, saingy tsy lany hamamiana tokoa. Misaotra anao nampahatsiaro azy io.
12. routa ( 20/10/2005 04:03)
mamaky fotsiny ty fa tsy mba mandre ny feony
13. jentilisa ( 20/10/2005 07:56)
Mety hoe vazivazy ny nilazako azy fa tsy nisy teny hoe paradisa loatra ao amin'ny baiboly. Raha ny atao hoe fanjakan'ny lanitra dia voasoratra ao izay. Nefa raha fanjakan'ny lanitra no lazaina tsy mitovy loatra amin'ny paradisa ny heviny. Ny fanjakan'ny lanitra tena notantarain'i Jesoa dia ny eto an-tany no lazainy.
Raha milaza toerana hafa rehefa maty indray ny baiboly dia sheol izay na hoe fiainan-tsy hita. Ny fiainan-tsy hita dia tsy mamaritra io hoe afobe na paradisa fa milaza kosa ny hoe fitoeran'ny maty.
Raha miverina indray ilay hoe fanjakan'ny lanitra indray aho dia Jesoa mihitsy no niteny hoe ao aminareo (ao anaty) ny fanjakan'ny lanitra. Raha tsy mivoaka ny baiboly mihitsy aho izay.
Tsarovy ihany koa fa hafa mihitsy indray ny ihevitry ny Silamo ny paradisa: any ny azo no mahazo vehivavy tsara tarehy hovadiana...nea i Jesoa indray niteny hoe any tsy misy mampaka-bady sy mivoaka ampakarina intsony. Dia fakafakao ary ny zava-misy.
Teny teolojika ny paradisa fa tsy biblika loatra. Ny teny tokana tadidiko nilazan'i Jesoa azy dia hoe Anio no hihaonanao amiko any Paradisa, tamin'ilay jiolahy niara-nohomboana taminy no nilazany io teny io. NY filazam-pinoana anefa no niteny tamintsika hoe nidina tany amin'ny fiainan-tsy hita i Jesoa. Tany no nakany ny olona hakarina any an-danitra kosa indray avy eo (fa tsy paradisa). Raha eto izany no jerena dia ny sheol no paradisa fa tsy ny lanitra izany hoe ny misy an'i Jesoa...io paradisa io dia toera-niandrasana an'i Jesoa fa tsy toeram-pahasambarana. Azontsika ve?
14. daran ( 20/10/2005 12:19)
jentilisa> misy hvt iombonana isika raha ny momba ny fiainantsihita sy ny afobe! marina io hvtrao io fa bol vitsy no tsy mahazo satria na Jesosy tokou ary tany!
fa zao e: nasain'i Jesoa hivavaka isika hoe: ho tonga né ny fjknao, hatao anie ny sitraponao ety AN TANY tahaka ny any andanitra. KOa inona ary no dikan'io raha tsy hisy paradisa eto an-tany any aoriana any? Any @ Matio 5:5 koa i Jesoa niresaka fa ny malemy fanahy no handova ny tany ka inona ndray zany e?
15. sonwin ( 20/10/2005 13:14)
sambatra izay mifankatia, fa ety an-tany sahady, misantatra ny lanitra
16. dadabe ( 20/10/2005 15:56)
...omeko anareo ....ny fi.....
tohizo less frera a
17. Veloo ( 20/10/2005 18:55)
sonwin a ie zany mihitsy lesy a. Nefa ny tena mampalahelo fa vitsy no manao an'izany zao:( (ilay mifankatia be an)
18. jentilisa ( 21/10/2005 07:05)
Tsarovy fa fehezanteny iray ny hoe atao anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Ataon'ny ety an-tany tahaka ny ataon'ny any an-danitra anie ny sitrapon'ny Ray. Isika olombelona indray no nanavaka ny hoe atao anie ny sitraponao anankiray ary toy ny hoe hafa mihitsy ny hoe ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
Izany hoe raha fehezina ilay andinim-bavaka io dia hoe hanaraka ny sitrapon'ny Ray anie ny olombelona ety an-tany.
19. routa ( 21/10/2005 15:03)
ka inona ary ny sitrapon'Andriamanitra ?
20. Veloo ( 21/10/2005 15:14)
routa a,
Ny fanarahana ny didy folo izay nomeny atsika aky ao @ eksodosy 20 io :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1072