PARADISA

41. Herimiafina ( 22/10/2005 05:58)
Ny famonjena anao, ilay Finoana.
42. dadabe ( 22/10/2005 09:23)
mahafinaritra ery ny mijery ny dialoginareo mianadahy
43. jentilisa ( 24/10/2005 11:05)
Mbola tsy ampy be dia be zany hoe manaja ny didy folo izany! ny didim-pitiavana no lohalaharana fa tsy ny didy fandrarana
44. routa ( 25/10/2005 05:27)
ka io aza be mpandika sy mpanova kou !
45. jentilisa ( 25/10/2005 05:42)
Ny ao amin'ny testaemnta vaovao aza efa misy voalaza fa lalàna tsy ho voaharaka mihitsy io! mitady izay impossible e!
46. routa ( 25/10/2005 06:11)
mba ameo kely ny toko hoe?
47. dadabe ( 25/10/2005 11:11)
:-D aiza hono ny toko sy andininy ra -jentilisa a?
48. jentilisa ( 25/10/2005 13:05)
De lazao koa fa tsy mbola nijery vehivavy hila azy mihitsy ry dadabe! izaho aloha tsy mandainga e! nefa dia mijangajanga sahady ianao amin'izay fotoana izay. Sa diso aho? raha tsy hoe pelaka indray angaha! sady na dia nisy aza ny nahavita izany dia mbola nolazain'i Jesoa indray hoe diso zavatra iray loha ianao...izay tsy tanteraky ranamana fa niala tamin'alahelo izy.
tsy maintsy efa namaky ny hoe samy efa nanota avokoa izy rehetra koa ianareo e! izany hoe tsy nisy nahatandrina izany didy folo izany...
Tsy hoe rehefa mahatandrina ny didy folo aho izany dia ho tafa avy hatrany...ary misy aza ny tsy nahatandrina ny didy folo saingy tafa satria i Jesoa mihitsy no niteny izany tamin'ilay niara-nohomboana taminy...
Izany no midika fa tsy ny fitandremana na ny fitandremana ny didy folo no mahatafa na tsia. Izao fotsiny no nambaran'i Jesoa tamin'ny mpianany ho famantarana fa mpianatry Jesoa izy ireo dia hoe RAHA MIFANKATIA...rehefa manana ilay fitiavana ianao no tena zava-dehibe, sa voateny ao amin'ny didy folo moa izany?
49. routa ( 25/10/2005 14:53)
:roll::?:8)
50. dadabe ( 26/10/2005 06:00)
jentilisa > marina ny nolazainao ,nefa tsy ampy
mifankatia+mitandrina ny didy+mitana ny finoana an'JESOSY= azo antoka ny lanitra vaovao(jerosalema=paradisa ho avy)
51. jentilisa ( 26/10/2005 07:48)
Ka ilay didin'i Jesoa fantatro dia hoe mifankatiava, io no famantarana...tsy tahaka ny natao tamin'ny zanak'Israely hoe ny famantarana teo amin'io firenena io sy teo amin'YHWH dia ny fitandremana ny Shabbat. Ny didy lehibe hafa indray izay niresahany tamina maphay lalàna iray hafa dia anankiroa:
1° tiava an'YHWH Andriamanitra amin'ny fo, saina, fanahy tsy misy anombinana tsy misy hambahamba
2° Tiava ny namanao tahaka ny tenanao
Koa raha misy ny fahatelo sy fahefatra sy izay tohiny dia hoe
3° mivavaha ho an'izay manenjika anareo
4° raha misy manery anao handeha hiaraka aminy maily iray dia mandehana miaraka aminy maily roa
5° raha misy maka ny akanjonao dia omeo azy koa ny fitafianao (na ny patalohanao na ny ziponao!)
6° misaora fa aza manozona
7° rehefa mivavaka dia aza misehoseho ho mpivavaka mila sitraka aman'olona fa aleo miafina ao an-trano.
8° Aza mitsara mba tsy hotsaraina
9° Vavaka fohy no atao fa tsy manao lavabe tahaka ny hoe ny halavan'ny vavaka no hihainoana azy.
10° Mamela ny heloky ny namanao tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokao...

Sa tsy didy moa ireo?
mbola misy tohiny ary fa sao lava loatra!
52. dadabe ( 26/10/2005 13:11)
eny e,manaiky aho fa saingy izao ireo lazainao ireo dia ananan'ny vahoka musulman sy boudhista ,dia ahoana indray aza ny fipetrak'izay ?
53. routa ( 26/10/2005 13:48)
1>tiava an'i Jehovah Andriamanitrao @fonao rehetra sy ny sainao rehetra ,raha tia Ahy hianareo hoy Jesosy de hitandrina ny didiko.
aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalana sy ny mpaminany ,tsy tonga Aho handrava fa hanatanteraka .
De ahoana io ?
54. eprom ( 27/10/2005 07:29)
dadabe:

:-D aiza hono ny toko sy andininy ra -jentilisa a?


Mba vakio hoe ny Galatiana 3:11a
55. jentilisa ( 27/10/2005 07:52)
Misaotra an'i eprom namaly e!
56. dadabe ( 27/10/2005 10:39)
humm mazava fa zao e,efa nanome andinintsoratra masina ihany ianareo dia aleo mba andinintsoratra masina ihany koa no hamaliko azy e

mba vakio hoe ny Romanina 6: 15 azafady dia aveo ny matio 5: 17-20 ary farany ny Apokalypsy 14:12
saotra Tompoko o(l):D
57. eprom ( 27/10/2005 14:05)
dadabe:

humm mazava fa zao e,efa nanome andinintsoratra masina ihany ianareo dia aleo mba andinintsoratra masina ihany koa no hamaliko azy e

mba vakio hoe ny Romanina 6: 15 azafady dia aveo ny matio 5: 17-20 ary farany ny Apokalypsy 14:12
saotra Tompoko o(l):D



Le izy anie tsy hoe natao hifamaliana eh. Ary raha ny marina, mifameno ireo fa tsy mifanohitra akory. Fanantanterahana ny lalàna hoy aho ny fitiavana. Tsy izay moa le Matio 5:17? ( Andriamanitra Fitiavana tonga hanantanteraka ny lalàna ). De vakio tsara ne le Romanina 6 eh. Hanota va isika hoy izy satria tsy ambanin'ny lalàna? Sanatria no valiny. Mariho tsara fa ambetintenin'ny Paoly ny hoe tsy ambanin'ny lalàna. De mahatanteraka ny didy ve nefa isika raha eo ambanin'ny fahasoavana? Valiny : Eny.Jereo eo ambany eo ihany Rom 6: 22.

Momba ny Apok 14 :22. Inona tokoa moa ny didin'Andriamanitra lehibe indrindra? Marka 14:28-31

Minoa ahy ianao fa ilay mpanora-dalana dia nihevitra fa any amin'ny Eksodosy faha 20 no misy ny didy lehibe indrindra. Ary mbola maro amintsika no mihevitra toy izany.

58. sonwin ( 27/10/2005 14:10)
59. jentilisa ( 28/10/2005 06:11)
nisy very izany hafatra izany!
nisy ilay galatiana3,11 indrindra indrindra dia nanontany i dadabe ny amin'ny Romana 6,15; Matio 5,17-20 ary Apo14,12 izay efa voasoratra ery ambony ihany.
Dia manontany tena aho aloha hoe mitovy ve sa samihafa ny lalàna sy ny didy?
60. routa ( 28/10/2005 16:10)
raha ny apoka 14:12 no jereko hevitra manokana ity dia tsy maintsy mitandrina ny didy aho sy ny finoana an\' i Jesosy tsy azo sarahana reo raha nandinika aho fa avy nandinika azy aho .
jereo koa anie jaona 14:15de jaona 14:21
de ity koa jaona 14:6avy eo nojereko ilay matio 5:17-20 de tena tsy nanova ny didy IZY.
raha ny hevitro ny @ lalàna sy ny didy tsy misy samy hafa raha lalinina tsara sady mazava ny teniny io hoe matio5:17-20io .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1798