inona no mety mahasambatra aminao ??

1. pika ( 10/10/2005 05:19)
ao ny milaza fa ny vola, ny fitiavana, ny fianankaviana, ny harembe,ny fahasalamana,ny fitetezan-tany ..... mety any aminao fa tsy voalaza
koa inona aminireo re no mety mahasambatra bebekokoa aminao :?:satria nahoana :?:
2. Herimiafina ( 10/10/2005 05:22)
Ny amiko dia ao daholo ireo rehetra tenenin'i pika ireo, tsy ferana na be na kely.

Fa rehefa tsy mahare ilay sentiment de mal à l'aise izay, le sahirantsaian amin'ireo aho dia efa azoko atao hoe sambatra. indrisy nefa fa mitafo lanitra ka tsy maintsy lena ary mandia tany ka tsy maintsy potraka ihany injainjay.
3. pika ( 10/10/2005 05:28)
koa iza no tena laharampahamehana ka tsy sambatra raha tsy ao?
na ohatra hoe asaina misafidy iray dia ahoana
toy ny hoe vola sa aina ??? :-D
4. Herimiafina ( 10/10/2005 05:31)
Tsy aleo ve izy roa ry pika. :-D:-D:-D:-D
5. fasaly ( 10/10/2005 06:27)
ny fitiavanana amiko ny tena mahasambatra ahy, satria otran'ny tena manidina aho rehefa mitia.
6. estine ( 10/10/2005 06:43)
tsy misy laviko ny volazanareo roa ,fa amiko ny tena mahasambatra dia ny fahazanao mipetraka @izay efa misy anao :fahaizana miana @'zay ananana,fahaiza mitia ny anin'ny tena 'zany we mankasitraka 'zay anao,ny fahaiza miaina sy mivelatra @zay ananana no fototry ny fahasambarana satria tsy matsiaro tery tsony refa mahay mitoetra sy mivelatra @'zay ananana,na vola na fitiavana,.....:idea:
7. estine ( 10/10/2005 07:19)
tsy misy laviko ny volazanareo roa ,fa amiko ny tena mahasambatra dia ny fahazanao mipetraka @izay efa misy anao :fahaizana miana @'zay ananana,fahaiza mitia ny anin'ny tena 'zany we mankasitraka 'zay anao,ny fahaiza miaina sy mivelatra @zay ananana no fototry ny fahasambarana satria tsy matsiaro tery tsony refa mahay mitoetra sy mivelatra @'zay ananana,na vola na fitiavana,.....:idea:
8. pika ( 10/10/2005 07:54)

ny tena mahasambatra dia ny fahazanao mipetraka @izay efa misy anao :fahaizana miana @'zay ananana

marina izany =D
9. mandrindra ( 10/10/2005 08:43)
tsy misy ny fahasambarana tanteraka. Ny mitondra hafaliana dia ny fiainana ao anatin'ny fahalalahana. Ny fahalalahana no miteraka fitiavana, ny fahalalahana ihany no mitondra vahaolana amin'izay rehetra sedraina.
10. pika ( 10/10/2005 09:53)
ary izay mivoaka iray babany avokoa :lol:
11. sonwin ( 10/10/2005 10:01)
Mana-becks maha-sambatsambatra:cool:, dia avy eo makany an-tanin'ny sambatra, owaouuu
12. ravakamalala ( 10/10/2005 12:04)
Aiza ilay tanin ny sambatra fa za koa mba te ho any!!

Marina tokoa ry estine fa izay no mahasambatra fa raha mba afaka misafidy izany , dia mba inona ny anao e? ohatran ny an Fasaly zao hono fitiavana, mitovy za sy izy.

Rehefa milamina sy mirindra io lafiny iray io dia ohatran ny mandeha ho azy ny mabiny, ohatran ny mitomba ny motivation-nao am fiainana (lafiny rehetra)
13. Herimiafina ( 10/10/2005 13:09)
Ilaina daholo ireo zavatra notanisainareo sy i pika ireo ary mety mahasambatra daholo ireo rehefa afaka manampy anao amin'ny fivoaranao.

Tadidio anefa fa ny fahasambarana dia éphémère, tsy maharitra. Raha maharitra mantsy ny fahasambarana dia lasa olana, ary mety ho be ny olona hamono tena satria tsy misy maminy aminy intsony ny fiainana aety ambonin,ny tany satria efa hitany daholo izao rehetra rehetra izao, dia tsy misy antony intsony hoy izy hiainana.
14. xxx ( 10/10/2005 14:57)
...ny manome koa mahasambatra!
15. Herimiafina ( 10/10/2005 15:02)
Mba meo kely any aza e. hehehehe:-D
16. vale ( 10/10/2005 16:04)
raha izaho manokana no hanome ny valin-teniko dia ny "fahasalamana"!!!no mahasambatra voalohany!rehefa tsy salama ianao angaha afaka ieritreritra inona eo intsony? fahafatesana aza angamba no eritreretina?
17. diamondra27 ( 10/10/2005 17:59)
amiko ny fahasambarana de miankina @ tsi1-1.
enao ihany no mahasambatra ny tenanao na tsia. Raha ohatra ka omen'olona fanomezana enao kanefa tsy tianao le izy de malahelo enao ary tsy matsiaro sambatra . Raha zatra mifaly @ zavatra kely manoloana anao enao de hahatsiro fahasambarana, ohatra: mifaly @ ze mahazo anao androany na inona zany na inona . Ataovy ao antsaina fa mbola misy (cas)pire noho ny mahazo anaoany ankafa ka tokony hahatsiaro sambatra enao. Jereo ohatra reny mahazo ny olona pakistannais sy ny americains etc tato ho ato, par rapport @ reny ve mahatsiaro sambatra enao sa tsia?.... ary par rapport @ olona SDF mahatsiaro sambatra ve enao?
Fa ny olona tena mahatsiaro sambatra aloha de izay mandray an'i Jesosy ao ampony e! sy manaiky fa izy no Hitantana ny fiainanao.Raha mbola tsy nanao io enao de tsy ho tsapanao ny tiako tenennina fa miala tsiny
18. estine ( 11/10/2005 07:01)
Marina tokoa ry estine fa izay no mahasambatra fa raha mba afaka misafidy izany , dia mba inona ny anao e? ohatran ny an Fasaly zao hono fitiavana, mitovy za sy izy.raha jerena ny volazako ry ravakamalala dia tsy afaka misafidy aloha enao fa izay atolotry ny fiainana na izy atolotry DIEU eo anoloanao no iainanao,avy eo mivelatra @iny enao ary mikatsa fona izay hifandanjalanjan'izay rehetra ananao,fa raha tsy izany dia tsy atsiaro sambatra enao ra toa hoe fitiavana fotsiny ,na fahasalamana fotsiny ra salama enao ne tsy manana olon-tiana/vola /becks dia tsy asiaro sambatra
19. Herimiafina ( 12/10/2005 02:18)
Eeeeeeh, sambatra reto nareo o!:roll::roll::roll::roll:

Inn kay no mba haninareo tamin'ny mbola kely?
20. majesty ( 12/10/2005 08:29)
za zany le refa milamin-tsaina sy tsy manana ahiahy iny tonga de mahatsiaro sinambatra be mintsy :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.192