tena misy ve ny matotoa,angatra,lolo,biby olona

1. kafmalbar ( 30/09/2005 18:18)
Efa mba nisy nahita angatra,sy matotoa ve oloha isika gasy eh ,matetika mantsy isika gasy mahita volana alohan'ny biby foana.Ka raha nahita ianao dia mba lazalazao eto hoe ohatran'izao sy izao no fihetsiny
2. maditra ( 30/09/2005 21:35)
Zah tsy mbola. lol
3. Herimiafina ( 30/09/2005 22:10)
Za zao matoatoa de ahoana, te-hahita anah nga nareo? heheheheheh:-D:-D:-D:-D
4. mirabel ( 01/10/2005 13:05)
:-D:-D:-D
5. xxx ( 01/10/2005 14:50)
aza mikimeme foana ary aza mitady loza rehefa mbola tsy nahita!
6. Herimiafina ( 01/10/2005 15:12)
Za kambony mbola tsy nahita fa maheno olona be dia be fotsiny efa nahita e. Fa matoa le izy zany lasa resabe dia mety misy tokotrany, fa ny fitrangany no tsy de haiko. hehehehehhe
7. xxx ( 01/10/2005 15:23)
ny matoatoa angeh ary efa voalaza ao anaty baiboly fa misy e, raha ho an'ny mpino kristianina izany. saingy ny mpilalao fanahy ratsy sy mpiresaka @ maty ireny no tena mahay azy. ary mipetraha tsara rehefa mbola tsy nifanehitra taminy fa aza miantso loza sao de tsy ho zakan'ny saina tokoa ...
8. Jemes ( 03/10/2005 16:06)
za efa nahita lolovokatra sy vazimba ,tantaraiko sa tsy tantaraiko?
Tena mampiorohoro e, aleo tsy tantaraina fa za miseho mafy be ty ary saika teraka ambakany ny pipiako=))=))=))=))=))=))
9. Veloo ( 03/10/2005 21:25)
za mbola tsy nahita ary tsy te ahita mihitsy...
10. Herimiafina ( 04/10/2005 00:06)
Za zany te-hahita matoatoa tampoka teo njay, nareo reto tena tssss, manome hevidratsy an'i herimiafina mihintsy, tssss, za zany te-hataotsa be mahintsiny. hehehehe:-D:-D:-D:-D
11. ari.malala ( 04/10/2005 06:52)
tsy mbola nahita, tsy te hahita ary tsy mino.
12. xxx ( 04/10/2005 08:06)
Betsaka mihitsy ny paranormal miseho any Mada. Ny mponina ao Tanà ihany angeh no tsy de mahalala ny fisehon-javatra tahaka izany fa efa atao hoe moderne.Na ny eto europe aza de mino aho fa betsaka izany fa takon'io mody atao hoe fandrosoana io. Ny mampitsangana ny maty ary mandroaka razana (ilay faty) handevina ny tenany ihany aza vitan'ny gasy. Zavatra tena misy ary efa nisy io ary tena marina.
13. Herimiafina ( 04/10/2005 13:35)
Izao fotsiny e. Matoa ny olona miteny sy mitantara dia misy antony ao. Saingy iny antony iny no tsy dia fantatra loatra, fa indraindray koa azo expliquer-na scientifiquement, fa misy koa ireo metaphysique be.

Ohatra fotsiny: ny tetezan'Ambohimandroso. Misy champ magnetique be satria region volcanique ka mihandrona teo ireo vatobe misy champs magnetique.
Mampisy coup de volant na manova tampoka ny fihodin'ny maotera io champ io, maika moa fa nanaovana tetezana koa teo no mbola lalana mahintsy be. Dia normale raha misy accident foana.Fa tsy voatery ho lolo.
14. Veloo ( 04/10/2005 13:46)
zany an :{:{
15. Herimiafina ( 04/10/2005 13:52)
Afaka manolotra hypotezy favifavy kokoa ianao raha tinao kah. hehehe:}
16. Veloo ( 04/10/2005 17:31)
:roll::roll::roll:
17. sonwin ( 04/10/2005 19:47)
mazotoa mitoratoraka dia mahavoa voamason'angatra rehefa ela ny ela,dia hahita angatra poa-maso avy eo:cool:
18. Herimiafina ( 04/10/2005 20:17)
Ie misy koa hono io angatra poa-maso io, any amin'iny faritry Maevantanana iny no mety hahitana azy, miampita tetezana tampoka izay. hehehehe
19. fijo ( 04/10/2005 21:52)
za tsy mino nefa mety misy io ka
20. pika ( 05/10/2005 05:13)
ny matoatoa aloha dia misy, araka iry voalazan'i xxx ieny ambony iry.
marina fa misy indraindray ny fahitana vokatry ny imaginat°betsaka sy vokatry ny tahotra diso tafahoatra ka mahatonga ny saina hamorina sy ny ara tsiansa
nefa dia misy koa ny tena izy tsy hay hoe ahoana
raha efa niaina tany @ireny kilasy mandry ireny nareo dia mety tena mino ny fisiany ihany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4119