Ny mpiasa asaina manasa slip nefa ianao matanjaka be mety ve

1. xxx ( 22/09/2005 05:49)
Raha eo amin'ny toeranareo mety ve ry zareo ny mampan,asa slip ny mpanasa lambanao , satria izaho dia mahita ary tena kivy be aho satria izy mianakavy dia ilay mpiasa avokoa no manasa ny slipny tena hita hoe manambany e! eny fa na dia fitadiavana vola aza no hiasany dia tena tsy mety ny manao izany ilay ramatoa sy ny zanany moa izany rehefa tonga ny fodim-bolana dia ny slip feno rà no sasan'ilay mpiasa tena tsy haiko e! fa mba saika hangataka soso-kevitra aho hoe mety ve ny manao izany fa tena tsy tatin'ny heritreritro intsony fa aleko lazaina satria izaho mba gasy misy rà mikoriana ihany , gasy no manao io toetra manambany mpiasa io an! tena tsy mety e! na lahy ianao na vavy fa mba sasao reto ny slip fa aza asaina sasan'ny mpiasa an!
novalian'i bozimanga ny 19/10/2005 13:19
2. zandrikely ( 22/09/2005 05:53)
ilay toetsaina sy fomba io e , tena tsy mety aloha ra ny tena izy , fa mattetika ny olona mampanasa zavatra toy izany ny mpanampy dia tsy maharitra ela ny harenany , manankarena hono manko ny olona manao izany , mampalahelo , ary aza atao mpiasa zany fa mapanampy e
3. Fanja1 ( 22/09/2005 06:23)
raha zaho manokana aloha de anisan'ny lamba personel reny ka tokony samy manasa ny azy e!
4. bichette ( 22/09/2005 08:02)
tsdy mety tokoa aloha e ! satria personnel sy intime be ireny, secretn'ny fiainana sy ny secret ny tokatrano ve dia hitan'ny olonkafa ? dia hitan'ny mpanampy zany hoe hum ! tonga volana indray madama hi hi hi !!!!! ka zao koa anie e ! misy manaiky ny mpanampy misy kosa tsy manaiky ary tena miteny mihitsy hoe tsy manasa silipy za tompoko. Fa tsy mety aloha e ! indrindra fa raha maloto ilay zavatra tena tsy azo atao
5. hery ( 22/09/2005 08:51)
Raha marary na antitra dia azo ekena. Fa raha olona matanjaka be kosa angamba tsy mety tokoa. Fa raha tena manan-karena anie izy dia azo atao koa ny manary slipy e. Isaky ny avy anaovana ka maloto dia tonga dia alefa any amin'ny fako...
6. Fanja1 ( 22/09/2005 09:20)
:lol:
7. pika ( 22/09/2005 09:41)
saropady ireo amiko ka tsy sahiko ho kasikasihan'olona
sady efa misy ......koa anie izao ampiasaina rehefa tonga ny ...... izany ve dia milaza fa manankarena :-D:-D
8. fasaly ( 22/09/2005 12:15)
amiko koa aloha tsy mety e!
zavatra intime anie iny e! ny ahy aloha tsy omeko olona izany mintsy fa aleo miandry ahy eo foana ny fanasàna an'izy ireny, karazana fanambaniana ihany izany ka!
9. vahiny2004 ( 22/09/2005 12:43)
Tsy fanajàna ny hafa tsotra izao ny fahitako azy
10. falygerd ( 22/09/2005 14:09)
raha amiko koa alou tena tsy mety mihintsy zany eh raha tsy afaka manasa ramatoa tokony ny vadiny faraaharatsiny ni ampanasainy azy fa toetra feno fanambaniana zany.
11. Herimiafina ( 22/09/2005 14:12)
xxx:

Raha eo amin'ny toeranareo mety ve ry zareo ny mampan,asa slip ny mpanasa lambanao , satria izaho dia mahita ary tena kivy be aho satria izy mianakavy dia ilay mpiasa avokoa no manasa ny slipny tena hita hoe manambany e! eny fa na dia fitadiavana vola aza no hiasany dia tena tsy mety ny manao izany ilay ramatoa sy ny zanany moa izany rehefa tonga ny fodim-bolana dia ny slip feno rà no sasan'ilay mpiasa tena tsy haiko e! fa mba saika hangataka soso-kevitra aho hoe mety ve ny manao izany fa tena tsy tatin'ny heritreritro intsony fa aleko lazaina satria izaho mba gasy misy rà mikoriana ihany , gasy no manao io toetra manambany mpiasa io an! tena tsy mety e! na lahy ianao na vavy fa mba sasao reto ny slip fa aza asaina sasan'ny mpiasa an!



Za mandé any amin'ny ''lavezy kôminôtera'' isankerin'andro kou. Atsofoka le vola madinika de sasan'ilay izy daholo na slip na tsy slip.

Fa na dé zany aza, ny mpiasa akory tsy andevo ka hanasa slipo maloto, tsy asany izany. Dé ataovy tsara fa lasa mandrora ao anatin'ny sakafonao izy avy eo.
12. vale ( 22/09/2005 15:07)
Toe-tsaina ambany mahamenatra ny an-dry zareo!
13. Veloo ( 22/09/2005 16:26)
ie raha any dago aloha tsy mety zany e. Nefa aty aminay dia ny piasa doly no manao ny rehetra arakin'ny lazain'i Hery etsy tonga dia atsofoka doly ao anatin'ny masinina ny rehetra. Dia avy eo avalina doly na kloty na somiso etc...Samy hafa ny kiltira e:wink:
14. Herimiafina ( 22/09/2005 17:36)
Fa le masinina alou tena tsss na de zany aza e, tsy maintsy sarahana ny en ckoulera sy ny tsy en koulera ka ndjepandé zay de niofo le kilôtiko menamena zay de lasa mavokely le somizoko fotsy. Tssss, Izay no mampiavaka anlé izy amin'ny asatanan'olombelona e.:roll::roll:
15. fasaly ( 22/09/2005 18:00)
velo:
ny ahy ny kloty tsy ahodiko machine zany fa sasàko tanana fa manjary mora simba de zà iany ny manasa tanana azy sady zà rahateo tsy manana mpiasa fa de zà dooly ny manao ny raharahako ato antrano.
16. Herimiafina ( 22/09/2005 18:46)
Henjy be i fasaly zany an. Za aky kamolahy be mahintsiny de mapiasa masinina no mba tena mety amiko. Efa niheritereritra ny hividy kilaoty zetabla 365 aza za injay anjo zay.:-D:-D:-D
17. Veloo ( 22/09/2005 19:34)
fasaly a mety ny anjy ka tsara zany ....ny masinina aty anie aky tsy mitovy ny any @ frantsa ny any manadio be mihitsy fa ny aty tsy manimba izay lamba ampidirin-njy ao tsy misy simba, ny mampisaraka ny kolera fotsiny no ady eo...
Hery tsara ho anjy zany zao zao nahazo semize mavokely :-D:-D:-D
18. Herimiafina ( 22/09/2005 19:36)
Mifanaraka amin'ilay vavivavy toetsa kely ato anatiko ihany zany de tsy maninona kah.:-D:-D:-D:-D
19. Veloo ( 22/09/2005 19:37)
:roll:roll::roll:
20. Herimiafina ( 22/09/2005 19:44)
Io njay Veloo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7313