Pazzapa: Nihintsana i Stan nefa izy aza no tsara hira

1. jentilisa ( 19/09/2005 10:35)
Lasa indray ny adi-hevitra mafotaka amin'ny radio. Gaga ny rehetra fa i Stan tsara hira indrindra indray no nihintsana. Nibribary izay tian'ny mpikarakara ampakarina...folo miniotra talohan'ny faran'ny fifidianana dia nolazaina ny mpijery fa anisan'ny mbola mila avotana mafy i Nampoina. Rehefa nivoaka ny valim-pifidianana dia fahateo izy...Na dia i Nampoina aza tena gaga!
Tsy marina izany no toy ny teny navoakan'i Stan tsy misy micro fa hita tamin'ny sary...tena miangatra ny mpikarakara nanao izay hahatafita an'i Nampoina...
novalian'i estine ny 05/10/2005 07:20
2. andmia ( 19/09/2005 10:44)
marina izany eeeeeeeee
3. naritsimba ( 19/09/2005 11:02)
inona mou no atao mahagaga fa zany ny gasy rehefa mba mikarakara zavatra e!
4. nirvana ( 19/09/2005 11:09)
Tena gaga mints alo Nampoina ra hitanareo ny pozin t@ TV an, na i Stan aza tena niteny rery mints
5. mamzelkely ( 19/09/2005 11:29)
za alo de nalaheo fa atao aôna fa zay no tian'ny mpikarakara...:°)
6. Tiary ( 19/09/2005 12:02)
Marina zany eee! Tena nihintsana tao anatin 'ny segondra ke ly fotsiny ê!
Tokony hisy solontenan'ny mpijery, na olon-tsotra mandray phone miaraka @mpikarakara, fa tsy zay tian-dry zareo alefa ao fotsiny. Amiko aloha de tsy rariny iny ê!
7. cocorie ( 19/09/2005 12:09)
Ary tsy arakareo anga ny vaovao fa Dadan'i Nampoina anie ka sponsoring be amin'io Pazzapa io e! Amboary ny saina fa tsy maintsy mba lasalasa ny zanany e!
8. RADOUXE ( 19/09/2005 12:11)
:wink:Itako mitsy iny bandy iny oe mahay mihira fa refa nomine nga mo tsy ny mpijery no mifidy ze tiny sa aona? jereo t@ le kambana Antsirabe reny fa ny tare fotsiny no nahalany azy fa tsisy feo io ko arakaraky ny olona mafantatre ze tena manana iany no lasa sa aona oy nareo. Dmanaona toko i Nampoina ao iny manko ny a no mba tena reveko :D
9. Kotity ( 19/09/2005 12:24)
Pa : Pananaraotra
Zza : zaza
Pa : Pah
10. tapitra ( 19/09/2005 12:44)
Hay ve ka tsy izahay tao antrano irery no nahita fa i Stan ka tena nivazo nilay e,amiko tsy tokony hisy akory ireny fampianarana sy pitsompitsony rehetra ireny raha toa ka hosimbaina toy ireny ny toentsain'ireo akizy mpifaninana ireo.Aoka izay tena manan-talenta sy mahay no asandratra fa tsy izay tiatian-dry zareo no atositosika;eny fa na fitadiavam-bola aza ny azy.
Farany ilay fivadiky ny résultat koa tena tsy dia logique mihintsy raha ny elanelam-potoana sy ny vokatra naseho talohan'ny fiafaranan'ny vote.
11. jentilisa ( 19/09/2005 13:26)
Aoka kosa holazaina fa ny dadan'i Nampoina dia saofera taxi, tsy haiko aloha izany na manana sponsoring na tsia fa ny olana dia ny mpikarakara no mifidifidy! nahavaraina ilay hoe fahatelo lasa fahafito moa ilay fahafito lasa fahatelo! izany hoe mety ho tsy halatra isa fa nandainga hoe izao ny olona tsara avotana...tokony nolazaina hatrany ny isanjato hahitan'ny olona ny fivoaran'ny isa fa tsy nafenina be tahaka ireny!
12. ari.malala ( 19/09/2005 13:51)
efa hatrany @ voalohany mintsy io no efa nisy zavatra tsy logique! ary na i Nampoina aza anie betsaka ny mitsikera azy hoe tsisy feo ê! fa zany hoe izy hono tsara tarehy d izy no natao lany, sa v hatao 2lahy 2vavy ndray ty resaka ity ê!
13. Samoana ( 19/09/2005 14:03)
naritsimba/ Mahavita azy ny "gasy" rehefa tena hanao fa aza atao izany kosa e ! Jereo fotsiny ohatra ny "hanitra nentin-drazana":D. Ala-tahaka ny fandaharana avy aty ivelany aty io pazzapa io ( Star académie, nouvelle star, ets...). Resa-bola no tena fonosin'izy ireny fa kopak'am-bava fotsiny ny hoe fanohanana ny talenta miafina. Efa fantatry ny mpiandraikitra dieny mialoha ny tiany handresy fa ny mpijery sy ny mpi-phone fitaovana entiny hampitomboana harena fotsiny !!
14. Aroniaina ( 19/09/2005 14:57)
Za aloha tsy dia tia an'ity Pazzapa ity loatra e!aiza ve ka hatramin'ny voalohany izany hoe tamin'ny nisy an'i ry Khasia dia efa nanomboka ny fangalarana vote fa natao izay hiankaran'izy roa vavy ilay avy any Antsirabe , nony taty aoriana tsy nisy azy roa intsony ka natao izay hahalany an'i Nampoina na dia hita aza fa tsy mety ny zavatra ataony
15. avylavitra ( 19/09/2005 15:48)
Mahaiza mionona fa ny tenanay aza mba gaga sy zendana ary nalahelo an'ilay bandy nahay nihira iny eh§ Teo an-tsehatra aza izy mbola nasaina nanao Salomon improvisé nefa dia tafavoakany soa aman-tsara. Milay iny eh!
16. Veloo ( 19/09/2005 19:58)
ka rehefa otran'izany ny fanaovan'ndry zareo ny selection maninn raha mba poussena ilay Stan mivoka aty ivelany hihira e?
17. naritsimba ( 20/09/2005 06:01)
samoana> misaotra an'ise aloha manohana e,
fa ny zavatra tahaka ny pazzapa dia efa nazava hatramin'ny niforonany fa natao ho an'ny manambola izy io satria ny zanaky ny manana ihany no tsy maintsy atao izay hahatafita azy, ny pazzapa 2 no hitako fa tsy afa nanoatra ny mpikarakara fa raha ni tian-drizareo dia i Tosy no nolaniana fa saingy indrisy fa i sitraka no tian'ny mpijery.

Asa raha mbola hisy ny pazzapa manaraka na ahoana?
18. palince ( 20/09/2005 06:56)
za kou mba gaga fa iNampoina uindray hono no tafakatra tena lalao tsy madio intsony io pazzapa io. izany tokoa no atao hoe mijery .... na mody atao hoe 1/2lahy ary 1/2 vavy amin'ny finale. Tsy manja ntsonyeeeeee sady mankaleo be :evil::evil:
19. pika ( 20/09/2005 07:13)
zay tiany ihany io e rehefa hita fa tsy milay dia aza mandray anjara intsony
aza atao mankarary fo fa ny hevitry veloo no tanteraho, tsy misy azo atao azy io
rehefa tsy te hijery fa leo dia betsaka ny Télé hafa azo jerena
20. ari.malala ( 20/09/2005 07:32)
ny pazzapa d hisy fôna mintsy fa fidiram-bola matanjaka hoan'ny RTA anie io ê! :) fa ilay fiangarana sy fanimbana ny toe-tsain'ny ankizy mntsy no tsy lasa! aza mba ahoana eky ny fianaran'ireo ankizy tokony mbola hianatra satria efa fidiran' ny mpianatra izao manko!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5746