"magnésium"

1. vale ( 17/09/2005 18:01)
Fomba iray ialàna @ fividianana ny rano misy "magnésium".Lomana rano ao anaty vera na izay tiana ny akondro iray mandritra ny alina dia rehefa maraina sotroina ilay rano, "riche "@ magnésium hono iny rano iny!(atao matetika izany!)
novalian'i pitchou ny 26/09/2005 23:27
2. maditra ( 17/09/2005 20:08)
dia inona alou no ilana ny magnesium e? Manao inona amin'ny vatana ilay izy?
3. Veloo ( 18/09/2005 02:41)
an?
4. vale ( 18/09/2005 07:32)
Ho an'i maditra!
Toa hoe ny 70% n'ny vehivevy (indrindra indrindra)hono dia tsy ampy "magnésium"! Ny ilaina azy hono dia mahatsara ny "rythme cardiaque" ohatra!Sady tsy mampan-drera-dava koa hono! matetika manko ny vatana no reradreraka nefa na d tsy manao zavatra mafy akory ilay ianao!
5. Jemes ( 18/09/2005 08:20)
slt,Miaraka am hodiny ve klo le akondro sa efa miala ny hodiny ee?
6. jajaf401 ( 18/09/2005 15:52)
Jemes:

slt,Miaraka am hodiny ve klo le akondro sa efa miala ny hodiny ee?


Hodiny hoanina aloha fa misy calcium indray iny eh!
hoatry ny hodi-java-drehetra!:-D:-D:-D
7. vale ( 18/09/2005 16:55)
Jemes à, h@ oviana ko no fihinana ny hodintr'akondro?
8. vahiny2004 ( 18/09/2005 17:11)
Raha ny fahalalako azy dia miasa @ muscles ny magnésium, ka anisan'ny muscles lazaina izany ny fo.
9. pika ( 19/09/2005 04:29)
misaotra vale @ lay torohevitra tena ilain'ny oulmarary fo zany
10. Herimiafina ( 19/09/2005 05:07)
Ny magnesium Mg+++ dia cathion toy ny Calcium Ca++, ny Fer++, ny Sodium++ izay miditra ao anatin'ny composition chimique ny vatan'olombelona, ny rà, ny hozatra, ny enzyme ny protéine rehetra.

Ilain'ny vatana toy ny calcium izy io ary ny tena marina dia toa synérgique (na mifanampy) amin'ny calcium izy io, raha minana magnesium zany ianao dia toy ny mihinana calcium ihany satria mitazona kokoa ny calcium ny vatanao avy eo.

Aza adino koa anefa fa mila fixateur daholo ireo dia ny Vitamine D izany. Io indray dia tsotra, na ianao mamely dibera be na miatanin'andro tsara fotsiny dia efa masaka e.

11. vale ( 19/09/2005 08:13)
De raha olona manana olana @ "fitohanana"koa(constipé) ,de misotro rano misy magnésium dé mandeha.
12. mandrindra ( 19/09/2005 10:04)
fa maninona raha tonga dia ohanina fotsiny ny akondro, sa tsy mahazo magnésium raha toa ka tsy alona rano ?
13. booboo ( 19/09/2005 10:16)
eny ôa ?
14. deghany ( 19/09/2005 11:08)
vale:

Ho an'i maditra!
Toa hoe ny 70% n'ny vehivevy (indrindra indrindra)hono dia tsy ampy "magnésium"! Ny ilaina azy hono dia mahatsara ny "rythme cardiaque" ohatra!Sady tsy mampan-drera-dava koa hono! matetika manko ny vatana no reradreraka nefa na d tsy manao zavatra mafy akory ilay ianao!

kou raha le akondro fotsiny zany no hanina kay maninn?!

15. chipie1 ( 19/09/2005 12:13)
ka tsy potika ve ilay akondro lomana anaty rano ndray alina zany ? kay !!an3 ka non merci :-D
16. poussytinati ( 19/09/2005 12:18)
marina zany! fa maninn raha tsy lomana tsony lé akondro fa tonga de ho hanina? tsy ho ratsy be ve ny tsoron'izany ranon'akondro zany!
17. Herimiafina ( 19/09/2005 15:01)
Fa maninona marina moa no tsy hohanina direkta ny akondro?

Valiny: satria ny magnesium dia emprisonné na miafina any anaty structure (firafetan'ny vatan'ny akondro) dia mila liberer-na aloha.

Raha lomana rano izy dia maromaro ny libéré ao anatin'ilay rano (solubilisation) fa tsy miraikitra amin'ny nofon'ilay akondro.

Raha aohanina amin'izao anefa ny akondro dia mety mandalo fotsiny ny transit intestinal ary tsy betsaka ny ho voatazon'ny vatana ao amin'ny tsinay kely, fa lasa caca daholo.

Conclusion: bebe kokoa ny rendement de magnesium disponible ho an'ny vatana raha somary lomana izy, noho ny hoe hohanina amin'izao.
18. Veloo ( 19/09/2005 17:25)
ka atao ao ko ve aloha ilay odiny sa tsia e?
oy i vale oe:
De raha olona manana olana @ "fitohanana"koa(constipé) ,de misotro rano misy magnésium dé mandeha.

ie ny prune ko retsy de tena tsara ko a....na voakanzo maina, na frais ny jus mety doly. ny maina no tena tsara.
19. watafon ( 19/09/2005 18:33)
rehefa voankazo d tsara sady tsy mampitohana afatsy ny goavy ihany ! fa ity no tsara fantatra kely : ny goavy no voankazo ahitàna Vitamine C betsaka indrindra @ voankazo rehetra e!
20. Veloo ( 19/09/2005 19:46)
afaka milaza ko aho oe rehefa misotro rano fona ko anie dia tsy mampitohana koa e... io anie ry watafon tsy milaza oe misy ratsy na misy tsara ny voankazo ee bien sur tsara tokoa moa ny voakanzo rehetra eeeeeee:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1318