tongotra vakivaky

1. xxx ( 01/09/2005 21:08)
hoy ny ntaolo tongobakivaky: sady mahasosotra no mahamenatra. Araka ny noalaza io de mba mangataka hevitra aminareo zay mahalala we inona ny vahaolana @ tongotra vakivaky. Vao tsy ela no nipoitra ilay izy , nanomboka t@ été teo iny
novalian'i fijo ny 30/09/2005 20:22
2. diamondra27 ( 01/09/2005 21:09)
osory crème
3. xxx ( 01/09/2005 21:09)
toy inona ohatra
4. Veloo ( 01/09/2005 21:19)
xxx a ity misy resety tena tsara mihitsy ary tena mahafaka azy. Zavatra nahazo anay taminm-bolakely io. Glycerine sy vosarimakirana retsy a afangaroy dia rehefa avy manasa tongotra njy dia asio anio na maraina na hariva atao foana. Mila mahavatra tsara an. de bonne chance ooooooo:-*
5. hery ( 01/09/2005 22:27)
xxx> raha ny voditongotra no vakivaky dia somary ela ihany vao afaka kanefa mety afaka tsara. Rehefa manao kiraro foana ianao dia mety ho afaka ho azy io. Vokatry ny fanaovana kapa koa mantsy no mahavakivaky tongotra. Any ambanivohitra koa dia kikisana tsikelikely amin'ny vato ny voditongotra rehefa misasa.
6. zefalah ( 02/09/2005 01:58)
asio tany manga..
de aza atao @ toerana mangasiaka ny tongotrao.
7. bichette ( 02/09/2005 06:39)
XXX hosory creme foana , glycerine dieny zao , rehefa matory iny dia hosory tsara, tandremo koa fa misy karazana kiraro mi acceleré an'io
8. chipie1 ( 02/09/2005 08:45)
veloo > glycerine sy voasarimakirana zany ve tsy hampangirana tongotra be hihihi
9. watafon ( 02/09/2005 09:23)
manao kiraro fôna d afaka io e! d araho le nolazain'i veloo eo ambony fa tena mahomby : GLYCERINE no ahosotra azy isaky ny avy mandro e!
10. pika ( 02/09/2005 09:25)
tsy mahazaka fanala izany dia manaova kiraro feno foana rehefa ririnina, dia osory anireo voalaza etsy ambony fadio koa ny mikosoka tongotra @ vato fa ireny no tena manimba azy
11. watafon ( 02/09/2005 09:29)
manao kiraro fôna d afaka io e! d araho le nolazain'i veloo eo ambony fa tena mahomby : GLYCERINE no ahosotra azy isaky ny avy mandro e!
12. rurik ( 02/09/2005 11:28)
dia izao koa mba hatao fa mety tsara rehefa manana fotoana malalaka ianao dia lomy rano aloha ny tongotra dia avy eo kikiso @ vato ny voditongotra dia rehefa vita dia io lazain'i veloo eo ambony io osorana aminy dia manaova kiraro ferme matetika fa ny kapa mahavakivaky tongotra indrindra fa ny kiranil satria mafy ny ny vodiny .
13. rurik ( 02/09/2005 11:30)
chipie 1 tsy hatao betsaka aky ny voasarimakirana fa hatao kelikely fotsiny an
14. bichette ( 02/09/2005 12:43)
ny tomate manalefaka ny hoditra, ny cor ami tongotra ireny dia hosorana tsindraindray : effficace, za efa antitra ity tsy mba vakivaky zany ny tongotro fa tena aderadera tsara ny voditongotra. Marina hany io ou !
15. Veloo ( 02/09/2005 15:59)
oy chipie oe:
veloo > glycerine sy voasarimakirana zany ve tsy hampangirana tongotra be hihihi

an3 tsy mangirifiry retsy a ilay glicerine tena manampy. Fa tene EFFICACE io ry reto . Je parle en connaissance de cause an...:wink:
16. chipie1 ( 02/09/2005 16:30)
nenà aloha de creme iany defa mety e !
17. xxx ( 02/09/2005 21:29)
dia misaotra anareo rehetra namaly,

ny olana ange dia tsy hatsiaka no tsy tanty fa ty hafanana be e! dia za koa efa nanao crème nivea fa tsy mety, dia manao kiraro foana na ato antrano aza sa misy kiraro fermé ahoana no anaovana? chausson no kiraro antrano,

dia hanandrana ilay ciron sy glycerine za e!

18. pitchou ( 04/09/2005 17:23)
bichette> d ahoana aky ny fanpioasa le tomate? ny ahy indray manko tsy hoe vakivaky le voditongotra fa otran'ny misy kitro zany! ary ny fahafantarako azy d le ni-zesta nampiasa itony rape fikikisana tongotra itony d lasa naroroka be le izy
19. fijo ( 04/09/2005 18:27)
bibi an,tsika efa antitra itony ve tsy ahita fika na vakivaky aza e
20. bichette ( 05/09/2005 06:33)
pitchou > za tsy mba kikisako amin'ireny zavatra ireny ny tongotro, iny tomate iny tonga dia hosorana amin'ny tongotra ka ! tsy mila preparation. rehefa manao sakafo iny njy dia mampiasa tomate dia maka kely dia iny no ahosotrosotra fotsiny. Ca marche !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7646