Fohano ny famadihana,efa nolaozan'ny toe-trandro.

61. Veloo ( 31/08/2005 17:42)
:twisted:
62. boalimena ( 01/09/2005 09:58)
izaho tsy mandà na miaro ilay teny malagasy ampiasain'ny rehetra ,fa mba manome ohatra ho an'ireo izay miteniteny foana momba ny teny malagasy,ny teny Frantsay aza tompoko dia teny PARISIANA!(ny eto Paris)satria aty Frantsa koa dia misy teny Paritra be dia be koa maninona ry zareo dakoma tsy miolana,toy izany koa io teny Angilisy lazainao hampiasana any danemark io!mampalahelo izany fomba fisainanao sy izay olona rehetra miombon-kevitra aminao ny momba ny teny malagasy voalaza io ,tadidio ra dakoma tsy fantatro aloha ianao io na kômôrianina!fa ny teny no isan'ny maha firenena ny tany mahaleontena iray!
63. boalimena ( 01/09/2005 10:02)
izaho tsy mandà na miaro ilay teny malagasy ampiasain'ny rehetra ,fa mba manome ohatra ho an'ireo izay miteniteny foana momba ny teny malagasy,ny teny Frantsay aza tompoko dia teny PARISIANA!(ny eto Paris)satria aty Frantsa koa dia misy teny Paritra be dia be koa maninona ry zareo dakoma tsy miolana,toy izany koa io teny Angilisy lazainao hampiasana any danemark io!mampalahelo izany fomba fisainanao sy izay olona rehetra miombon-kevitra aminao ny momba ny teny malagasy voalaza io ,tadidio ra dakoma tsy fantatro aloha ianao io na kômôrianina!fa ny teny no isan'ny maha firenena ny tany mahaleontena iray!
64. deghany ( 01/09/2005 12:18)
fa iza le ho avadika ato e!!
65. Veloo ( 01/09/2005 17:00)
boalimena a, clap clap clap eeeeee 9tsy mande ny sary)
66. ralaisa ( 02/09/2005 13:01)
Rehefa tena jerena @ fo madio dia tsapa fa misy fahamarinana ihany ny tenin'i Dakoma. Somary mi-provoquer fotiny ilay hoe olona tsy mitovy foko @ tena no manao ilay critique. Tsapako kosa anefa fa manana fitiavana antsika eto afovoantany izy.
67. Veloo ( 02/09/2005 16:09)
ralaisa ...oh yeah????:roll::roll::roll:
68. mandrindra ( 05/09/2005 16:05)
dakoma:

Izahay bara dia efa tsy mangery anaty rano intsony. Rahoviana ianareo Merina mba ho afaka @ famadihana?Mba tsapanareo ve ny havoretrana misy @ io ? Tsy mifanaraka @ normen'ny fahasalamana mihintsy.Tsy mifanaraka @ maha-kristianina,finoanoam-poana mampivarilavo no tompoinareo.Velona aza ilay olna tsy nahavita inon'inona,maty indray ve vao ho antenàn-javatra.

Tsy mifanaraka amin'ny mahakristiana ahoana ?
1. ny malagasy anie tsy kristiana tany ampianadohana fa ny fotsy hoditra no nampiditra an'io finoana io e
2 fa iza no milaza amin'ny dakoma fa ny famadihana dia fivavahana amin'ny razana. Izay omemboninahitra rehetra ve dia lazaina hoe ivavahana.

Fa amin'ny inn no hitsaranao fa tsy nahavita na inona na inona taminy fony fahavelony? fantatrao daholo angaha ny tantaran'ireo izay efa navadika rehetra? Izany ve tsy fitsarana ivelany tsy mitombona.

Dia mbola milaza ihany koa i dakoma fa fandaniambola fotsiny io. Fa i dakoma angaha tsy mbola nandany vola amin'ny zavatra tsy ilaina, ohatra mividy vatomamy na siligôma fotsiny, mandeha mijery rindrakira na mandihy sns sns. Ka noho izany vola tsy nangatahiny tany aminao ka aleo ataony amin'izay hanaovany azy na ho dorany aza satria izay no mety mahafinaritra azy.


69. pitchou ( 06/09/2005 08:40)
tsy hitako izay maha-nilaozan'ny toetr'andro ny famadihana! ary atsy ho atsy izay nahatahiry ny razam-beny sy ny tantarany no hanana tombony be indrindra!
nen'ny sasany aza taolam-biby tsy niaviany tsy nahavita na inona ny t@ akory voatahiriny ko! ny an'ny sasany vakambakana kely ireny atao tsara fono ery sao very! ny an'ny hafa ireo fototra niaviany sy nipoirany mihitsy no ataony tsara tahiry kou maninn! izay aza angamba no misy heviny sy dikany indrindra
70. ravatorano ( 06/09/2005 10:18)
amiko aloha dia mamadika ny tenako .Ny ray amandreniko na ny lahy na ny vavy manao izany.ny zanako ataoko izay hiampitan izany fisainana izany hiantefa any aminy satria fomba nataon ny razanay io.Tsy ilaiko loatra ny milaza na fombanay izay fa efa izay no izy.
Manarak'izay dia mivavaka izahay mino ary tena mpino tsy ilaina koa ny milaza na kristianina manaraka fivavahana inona izahay.
Ireo voalazako teo ireo anefa dia afaka miaraka tsara aminay satria aminay tsy mùanompo sampy izahay raha mamadika na manafy lamba ireo loharano nahitanay izao rehetra izao ary tsy manadino azy ireo ambavaka ihany koa satria mino ny fitsanganan ny maty amin ny andro farany.
Koa mahereza samia mino amin ny finoany ary aza mijery ny olona ho diso fa hajao izy.
Izay tsy mahay manaja ny hafa tsy manaja ny tenany.
Misaotra e
71. ralaisa ( 06/09/2005 13:24)
Marina avokoa ny voalazanreo.Ny argument n'i Dakoma koa nefa dia tsapako fa tsy tena azo tsipahina ankitsirano fotsiny izao. Ny tenako dia Merina,nefa izahay dia tsy mamadika. Raha ny fahalalako anay mianakavy anefa dia manaja sy mahatsiaro ireo razam-benay fahiny izahay. Izany hoe @ fomba hafa ankoatrin'ny famadihana no anehoanay an'io.Toy ny fanajana ny fetin'ny maty,fitehirizana ireo sary sy souvenir ao an-trano,lova tsy mifindra sns...
-Eo @ lafiny ara-pahasalamana izay takian'i Dakoma.
Mety hisy norme mba azo arahina tokoa ve izy io?
-Lafiny finoanoam-poana izay notononin'i Dakoma.Betsaka tokoa aloha ny olona hitanay no tena mino fa mitahy ny razana. Oh: 1- Iny tsihy izay nitaomana ny razana iny hono tsy ariana fa hoentina mody hilafian'ireo izay tsy miteraka.
2-Ilay lambamena lò iny hono ahositra @ nify na izay marary @ vatana fa mahasitrana.
72. Veloo ( 06/09/2005 20:18)
:roll::roll:
73. pitchou ( 07/09/2005 17:40)
:lol: fa asa alou ze tena manana akony @ fahasalamana na le mamadika ny razana iny na le manao tolon'omby eny an-tsaha e! satria mety hisy mort subite otran'ny @ baolina kitra le tolon'omby
74. Herimiafina ( 07/09/2005 18:34)
Marina izany ry Pitchou, samy manana ny mahtsara azy sy ny maharatsy azy avokoa ny fomba amampanao rehetra, isan'izany ny famadihana na ny tolon'omby.

Ity ny fandravonana: "l'abus d'une pratique n'est pas un bon argument pour la rejetter" Rev Thomas Robert Malthus (1798).
75. fijo ( 07/09/2005 20:24)
ry dakoma anie ry zalahy toa ny zaza vao nianatra na tanavo vao niakatra e.izay kely mba hita no heveriny fa tena fahalalana avo indrindra.
ireny koa le malemy saina ka vao handalovan'ny vahiny dia ekena patro fa ny anareo no tena tsara ,fa ny anay ratsy aby.
76. palince ( 08/09/2005 09:31)
izay no maha dakoma an'iahalay, rehefa tsy fantatra leroa aza manakiana, fa izany no atao hoe taboo, mampiavaka ny fomba malagasy, fa tsy miseho ho vazaha eo ialahy; maninona raha alevina ny olona any antsimo fa tsy ahantona de klazao koa hoe izany no...
77. Veloo ( 08/09/2005 18:06)
Palince a tsy ao tsony lery lery a aza tezitra be eo an :-D:-D:-D:-D:-D
78. Herimiafina ( 09/09/2005 03:36)
Mampihomehy koa izany Dakoma karateka izany le. Mba karazana karate comoriana angamaba izany fa ileiry toa tsy misy fair play mihintsy ko.:-D:-D:-D:-D
79. pitchou ( 09/09/2005 18:33)

hoy dakoma hoe:

Tsy contre ny famadihana aho fa ny tsy reviko fotsiny amin'io dia ny mahantra no tena manao azy. Manangombola dia avy eo atobaka amina fety iray hividianana toaka, omby kisoa sns, dia avy eo lasa mangataka any amin'ny havana fa tsy alehany ara-bola.

Ary tsy misy fantatrao ve ny fomban'ny gasy hafa alou e? satria raha fandaniana no resahanao dia misy fomba gasy sahala @zao any atsimotsimo tsy lavitra anareo any:
rehefa maty rangah d terena ramatoa vadiny hijanona ao anatin'ny trano ametrahana azy mandritra ny fotoana maro, miaritra ze rehetra ao (toa hoe tsy mahazo mitapin'orona koa?), mandra-pahavitan'ny fasana handevenana azy. D vonoina daholo ny ombiny rehetra fa tsy amelana na inona na inona ramatoa hamelomana ireo kamboty avelany, ary ny iray tanana no mifaly @ zany, fa ramatoa sy iretsy kamboty aiza hoy enao sisa no mifatratra????? ka asa ze mba ara-pahasalamana sy mitsinjo ny maha-olona ny fomba malagasy!!!! saingy mety tsy fantatrao izany ka tsy afaka niteny na inona momba izany enao! na fantatrao saingy tsy isan'ireo tianao tsikeraina!!!!
fa ho anay gasy aloha, isan'ny mamparevaka ny fomba gasy avokoa izany fahasamihafana rehetra izany, ka na ny vahiny indraindrainao aza ny fombany d mihazakazaka aty mba handinika sy hijery ny fototra nihavian'ireo fomba ireo!

herimiafina> ary taiza ho aiza klou no nisy resaka karateka e! zà tsy nahita
80. Herimiafina ( 09/09/2005 21:38)
pitchou:

herimiafina> ary taiza ho aiza klou no nisy resaka karateka e! zà tsy nahita


Ka milalao viavy sy milalao karate hono no mba tena tian'i Dakoma ko.

Pichou a, za no niteny an'io fa tsy Dakoma. Kanefa nampiako hoe '' L'abus d'une pratique n'est pas un bon argument contre son usage''. Izany hoe azo atao amin'ny fomba madio sy tsy mandany vola ny famadihana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1766