vady mariazy

1. piff ( 02/08/2005 14:02)
Hono ho ah, refa vita mariazy tany ampiangonana ve de tsy mahazo misaraka intsony fa efa tena iny zany no anjara sa mety hoe diso safidy fotsiny t@ iny fa mety olona hafa no tena anjara?
novalian'i fijo ny 11/08/2005 21:51
2. xxx ( 02/08/2005 14:16)
hafa kely indray izany fanontanina izany rehefa iny dia iny ka maninona koa no tonga dia mieritreritra fisarahana sy eventualité hisaraka
3. piff ( 02/08/2005 14:18)
ka refa tsy mety intsony fa miady lava sy tsy mifara-tsaina intsony de tokony hiafina ao fona ve?
4. piff ( 02/08/2005 14:20)
ka refa tsy mety intsony fa miady lava sy tsy mifara-tsaina intsony de tokony hiafina ao fona ve?
5. piff ( 02/08/2005 14:22)
ka refa tsy mety intsony fa miady lava sy tsy mifara-tsaina intsony de tokony hiafina ao fona ve?
6. mamybe ( 02/08/2005 14:30)
Talohan'ny nanaovana mariazy ianao no tokony handinika. Angamba kosa tsy notonotononina foana ilay voady natao teo ambony alitara e! Chose promise - chose due! Sa awôna?
7. xxx ( 02/08/2005 14:33)
tsy azo hatao à piff fotsiny nge ny mariazy e ? firifiry no nisaraka nefa vita mariazy tany ampengonana ?
8. marengarenga ( 02/08/2005 14:42)
hafa izany fieritseretanareo izany ka. fa hono aho
raha toaka tsy nifantatrareo fa mpamono olona na koa hoe mpanedaka ny vadinareo talohany ilay voady de
hiaritra ve nareo satry vita voady teo amboniny alitara?
moa ve fahotana raha toaka misaraka @zany?
9. kally ( 02/08/2005 14:46)
Ka ny voadinao dia ny hijanona eo akaikiny na ratsy na tsara ,anjaranao ny manarina ny vadinao tsy ho mpamono olona sy tsy ho mpanendaka, sô tena leo ianao?
10. piff ( 02/08/2005 14:51)
ka tsy maintsy manatanteraka le voady natao hatramin'ny farany ary ve na de hoe efa fijalina fotsiny aza sisa no ao eh
Fa nga mo refa hoe iny no vady mariazynao de efa tsy maintsy hoe iny zany no anjaranao?
11. ari.malala ( 02/08/2005 14:57)
eny, matoa voatsodrany tany am-piangonana dia anjara avy @ Andsriamanitra izay ka tokony hoekena sy hohajaina! Anjaranao ny manitsy anazy @ alalan'ny firesahana, sy ny vavakaho an'ilay vadinao
12. booboo ( 02/08/2005 15:41)
Tsia. Na mariage civil na religieux amiko dia tsisy an'izany hoe tsy mahazo misaraka izany. Mety ho ianao no nieritreritra fa iny no tena izy dia niroso nanao voady teo anatrehan'Atra dia nekeny izay safidinao izay ary mitsodrano anao izy. Rehefa tsy mety intsony ny raha noho ny antony tsy azo ekena ( ohatra :violences conjuguales, viols, harcèlements....) ka misafidy ny hisaraka ianao dia nataon'A/tra nisy ny lalàna ho @ zany . Amiko A/tra manome lalana hafa foana hahasoa foana na inona na inona atao fa tsy borné hoe satria te hanao aminy eo dia mahatantesa sy miareta ao!
13. Veloo ( 02/08/2005 16:04)
odryyyyyyyy o ry piff a angaha tsy tiany ilay vadiny no hisarahany sahady??? Aiza ny fitiavana amin'izany e?:{:{:{:{
14. fasaly ( 02/08/2005 17:18)
tsy misy lalàna hoe tsy mahazo misaraka fa efa vita voady eny ambony alitara n'inona mitranga eo amin'ny tonkantrano, rehefa tena tsy mety intsony ny fanambadiana dia misaraka fainona no hifandrirandriràna eny. Ampidirina ny divorce, fa ny fantako dia ianao efa vita divorce tsy mahazo manao mariage ampiangonana intsony.
15. xxx ( 02/08/2005 18:20)
mbola afaka manao mariazy ampiangonana ka fa tsy katolika fotsiny ...
16. hery ( 02/08/2005 18:49)
Eo amin'ny katolika (io no mba haiko) ny mariazy dia tsy azo kosehina sy fafaina intsony (indissoluble). IZany hoe raha nivady mariazy any ampiangonana ianao dia tsy azo fafaina intsony mihitsy ary raha misaraka amin'io vadinao io ianao ka maka vady hafa dia tsy tafiditra ao amin'ny fiombonana (tsy mandray communion) intsony.

Ny fomba iray hany mahafoana ny mariazy katolika dia ny fanaporofoina hoe tsy nisy na tsy manan-kery ilay mariazy.

Inona avy no maha tsy manakery ilay mariazy?
- Tsy nalalaka tsara ianao teo am-panaovana azy (noteren'ny ray amandreny, voaterin'ny zava-misy... ohatra hoe karazana chantage etc...) io anefa dia mila porofo ara-dalàna (io no mampisy ny tribonalim-panambadiana amin'ny katolika)

- Tsy ara-dalàna ny nanaovana ny mariazy. Mba haha-ara-dalàna ny mariazy dia tsy maintsy misy ny
1. Mpanao mariazy
2. Vavolombelona amin'ny mariazy
3. Fifaneken'ny mpivady

Koa raha voaporofo fa tsy manankery ny mariazy dia azo lazaina hoe tsisy mariazy izany... ka tsy misy mariazy ho ravaina akory.

Ady mafy anefa vao mahavita manaporofo an'ireo ianao. Tsy maintsy tadiavina daholo ny vavolombelona sy ny porofo isankarazany e. Koa eritrereto tsara alohan'ny hidirana sns.

17. sipagasy ( 02/08/2005 18:56)
mmhhhh mr Hery kay moa misy an'izany mmhhh soa ihany izany hihihihi, tsy tohizako ny tohiny....
18. vaovao ( 03/08/2005 04:17)
rhf efa natao mariazy teny ampiangonana d efa masina le izy e! fa kosa d'zao, misy ny hoe "izay natambatr'Andriamanitra aoka tsy ho sarahin'olombelona", nefa koa hoe "izay manambady mpijangajanga d mpijangajanga koa", ary koa oe "tsy misy mahasaraka ny mpivady afatsy ny fijangajangana ihany" izany hoe tena heloka le fijangajangana sady ao @ didy 10 koa io, noho izany raha misy fiantraikany @ io ny antony hisarahanao @ vady mariazinao, tsy hitako zay olana!!
19. piff ( 03/08/2005 06:53)
Ny tena marina de efa samy manana ny olo-tiany avy any ivelany, tsy misy zany resaka hoe fanambadina zany intsony fa hoe mba mpivady fotsiny eo imason'ny olona eh satria tsy mbola misy divorce! ka mieritreritra ny hisaraka fa manontany tena ihany aloha hoe azo atao ve le izy eo anatrehan'Andriamanitra satria efa vita voady teo ambony Alitara
Mety hoe diso safidy angamba no nahatonga an'izany eh! maika lotra ny hanapak'evitra kanjo zao no niafarana eh!
20. cocorie ( 03/08/2005 07:30)
OK, d\'accord avec vaovao za, ny fijangajangana ihany ny antony azo hisarahana ka mahereza mivavaka mba handresena izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5708