vady mariazy

21. sipagasy ( 03/08/2005 07:31)
ekeko fa zavatra masina ny fifanekena tao @ alitara fa raha tsy zaka kosa ve de hiaritra ao kleee, azafady, tena miala tsiny aho fa aleo manangona entana dia mamindra ketsa klee,
22. chipie1 ( 03/08/2005 07:40)
mitovy hevitra aminy booboo kou za !
lasa fiatsarambelatsihy fa tsy fitiavana tsony anie zany ry piff e ?
23. moi ( 03/08/2005 07:56)
Dia tokony ho fantarina lalina izany izay hidirana sao voafitaka, satria dia tsy misy làlana hivoahana intsony rehefa tafiditra ao, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany. (Nefa indrisy fa betsaka no vao hiditra dia efa manomana ny làlan-kivoahana)

Ilay vadiana koa tsy voatery ho ilay anjara, fa isika no tsy mahandry fa maimaika. Ny tsy an'ny tena koa toa soa foana...
Fa ity an'i Piff ve zany tsy efa ao anatin'ny sokajy misy fijangajangana ihany, satria efa samy manao ny ataony any ho any, ka tsy aleo ve izay no entina hisarahana ? Dia ahoana koa anefa ny ankizy, sa tsy misy ?
24. piff ( 03/08/2005 08:16)
Ka efa ela lotra ange tsy nifanara-tsaina intsony eh,efa mifampijaly fotsiny, de lasa miafara @ fitsangatsangana le izy, enao ve mo de hiaritra ao fona, tsy maintsy mba mande mitady tambitamby any @ olona hafa, surtout @ zao fiainana efa manirikiry izao. Ra ny sitrapo ve mo tsy hoe hivady mandrakizay eh, fa refa tena tsy mety intsony inona ary no tokony atao eh!
Zah mieritreritra hoe mato tonga hatramin'ny fisarahana de zay no fantatr'Andriamanitra fa mety satria efa nivavaka fona mba tsy ho tonga @ zany nefa ary zao vo may mihamikorotana, sa ahona ny hevitrareo?
25. ari.malala ( 03/08/2005 08:29)
sao d mbola misy ihany ny azo atao, ohatra ny miresaka? tsy misy tsy vitan'ny fifanazavana anie ê! nefa moa ny anareo efa nodontoina ny saian we tsisy azo atao intsony ko... fa raha izaho manokana aloha no anontaniana dia masina sy tsy azo ravàna ny fanambadiana ê! indrindra moa nahazo tso-drano tany am-piangonana! Ilay we izay natambatr'Andriamanitra aoka tsy hosarahin'ny olona, ny olona tiany tenenina eto anie d ilay mpivady aloha voa;ohany indrindra ê! :) d nareo mivady alo zany no aoka hanao izay tsy hisarahanareo!
26. vaovao ( 03/08/2005 09:27)
mampalahelo le izy nefa andramo ihany aloha, mifanazavà tsara, d mifanontania hoe inn no tena tsy zakan'ny andaniny sy ny ankilany, sao anie ny 1 no tena vonona fa ny 1 tsy vonona e! sady sao koa ertreretn'1 ho tsy maninn akory ny zvt tsy tatin'ny 1! iza no mahita, d anjaranao eo le manitsy azy fa tsy hoe satria manao 'ty izy , d hanao 'ty koa za!!le ankizy koa jereo raha ohatra ka efa misy e! mampalahelo anie ny ankizy zany titre parents divorcés zany e!lasa ny ho aviny koa no simba ho azy!
27. routa ( 03/08/2005 09:48)
piff>tsy vahaolana ny fisarahana ,diniho daholo ny zavatra voalaza eto .Ndrindra jereo ny ankizy fa zao koa e! tsy sitrapon Andriamanitra zany ny fisarahana ,ary ny tokatrano tsy azonao mora zany fa tsy maintsy miatrika ady tsika vao tafita mandrapantitra .mila maharitra enao zay no tsapako ny ahy tsy maharitra fona zany ny tokatrano raha tsy miatrika olana zay enao ka raha kivy de eo enao , ny olana anie de zao e! enao mety hanambady fa zao tsy hitovy @ le taloha fa vao maika ho mafy noho ny teo aloha e!mahereza e!
28. princesse ( 03/08/2005 10:46)
ny pbm matetika tsy mba mifandefitra mintsy fa samy maneja-tady lé mpivady,tsisy manao effort mintsy fa wé refa lasa any iny dé aléo ho any fa zà kou mba andé!nefa efa nifankatia sy nifankalala tsara vo nivady,ra tsy wé angà vo nifanena 1mois d nivady!ra zay dé possible wé nisy zvt tsy fatatra ra tsy tao anatin'ny fanambadiana!amiko safidy ny fanambadiana dé atrehana na tany ampéngonana na tsy tany!
29. piff ( 03/08/2005 11:01)
misy ho eritreretina ny teninareo rehetra fa de misaotra betsaka eh!
30. lilbon ( 03/08/2005 11:21)
aoka aloha fa zay mbola tara kle !
raha azoko tsara zany de le mariage religieux,tsy maty e!nade misaraka aza ety an-tany!na divorcé(e)aza de vadi any am-piangonana ihany no ady eo !
ary le izy aloha amy katolika indrindra de fahotana
8O8O8O
de rah zany zany de aleo tsy mankany am-piangonana an!:twisted::twisted::twisted:
sao voafatotra kle!:-D:-D:-D

31. fasaly ( 03/08/2005 14:04)
message
sipagasy:

ekeko fa zavatra masina ny fifanekena tao @ alitara fa raha tsy zaka kosa ve de hiaritra ao kleee, azafady, tena miala tsiny aho fa aleo manangona entana dia mamindra ketsa klee,




izaho koa dakaoro amy toi ry sipagasy a!
efa trèfle be ve de mbola tsy hisaraka fa hoe efa vita voady teny ambony alitara de miaritra eo foana,
raha mamono mahafaty zany le iray de hiaritra eo foana, lasa aho kou!

libon; marina mintsy zany, aleo tsy mipangapinga eny ambony alitara raha izany ny fandehany....
32. aurora ( 03/08/2005 14:10)
piff:

ka refa tsy mety intsony fa miady lava sy tsy mifara-tsaina intsony de tokony hiafina ao fona ve?


tena marina mihintsy fa rehefa miady sy mampirafy ve ra lehilahy de hiafina eo foana ,ra zaako aloha de lasa aho e! (l)
33. aurora ( 03/08/2005 14:14)
eny e! mba eritreritra izany ny ahy e! fa ny tena marina de mba diniho ihany koa nge fa tena marina ilay ohatrin i ntaolo hoe tano ny azo fa sarotra ny mila e!sa ahoan hoy ianareo ?(l)
ra lehilahy aloha mety tsy ho sarotra ho andry zareo no mila e! fa ny vehivavy no tena voa mafy.:*
34. piff ( 03/08/2005 14:15)
de reny olona reheetra vita mariazy teny ambony alitara reny zany de avy eo misaraka de ahona daholo, sa tsy mety daholo ny naton'ireny?
35. Veloo ( 03/08/2005 16:43)
aza manambady intsony eeeeeee...
Piff a raha divorce nohon'ny fijanganjangana retsy dia mbola afaka manambady a...temps moderne izao mivady dia misaraka, mivady dia misaraka mora2 be ery... efa ratsy no andro..:wink:
36. fasaly ( 03/08/2005 16:55)
piff!
ireny olona ireny dia tsy miditra ny fanjakan'i lanintra zany.
veloo :
efa betska mintsy ny tsy manambady tsony zao ka! fa sady olana be rehefa te hisaraka no mandany vola koa ny fanaovana mariazy.
misy moa ny olona efa samy nisaraka indray no miara-mipetraka dia vao maika loza, famille composée be mintsy.
37. sipagasy ( 03/08/2005 17:24)
mmhhh fa inona ny olana @ ilay famille recomposée??? tsy hitako.

Mametraka fanontaniana indray ary aho hoe maninona raha tsy manambady eny @ alitara rehefa ny te hisaraka no atao an-doha voalohany fa manao concubinage fotsiny e!?
38. fijo ( 03/08/2005 21:19)
piff an,amiko,ny atao hoe fanambadian dia hiadanana,ka na mariazy sivily io,na tany ampiangonana,rehefa tsy oa intsony izay maha fanambadiana azy"samy efamano sipa ambadika"dia tsara kokoa raha misaraka.izay hevitry ny fiangonana any azy iny,ny fiainanao jerena.
39. ari.malala ( 04/08/2005 06:45)
izao aloha no zavatra tsy azoko ê! fa rehefa hivady v dia ny hisaraka no atao tonga aloha ao an-tsaina? marina fa @ fiainana tsy maintsy misy ny adiady madinidinka, fa reny adiady reny matetika no tokony ho ciment manamafy ny fifankatiavana raha ny hevitro ahy manokana, noho izany dia tokony ny hifankatia no hatao be ao an-tsaina fa tayny hisaraka. Fa maninona fony vao nifankahita ohatrany tsy ho faty fa nony tena hiroso lalindalina d ny hisaraka no atao b ao an-tsina? tsy azoko...
40. routa ( 04/08/2005 10:01)
na vady soratra sivily io na any ampiangonana de efa vady tsy tokony hisarahana tsony
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0494