mampiova ny fitiavana v ny fisaraha-toerana?

1. tsikyr ( 28/07/2005 07:38)
io fanontaniana io mba tiako hisy hamaly azafady.
novalian'i mangidy ny 13/09/2005 18:46
2. xxx ( 28/07/2005 07:51)
raha misara-toerana ny mpifankatia dia tsy eo intsony ny fifampikarakarana. Mandeha irery amin'izay misy azy avy ary dia lasa fahazarana izany ka dia tsy mifankahamanina intsony. samy maka ho azy koa amin'ny lafin'ny rehetra dia miova ny fitiavana. Hoy ny fitenenana hoe : "lavitry ny maso, lavitry ny fo"
3. booboo ( 28/07/2005 08:06)
tsy mampiova raha asiana tanjona mandritra ny fisarahan-toerana, vao maika aza mampa-mafy azy raha izay. Fa raha hisara-toerana ela lôtra koa klou ......
4. sipagasy ( 28/07/2005 08:11)
mmhhh hono wa akia ry booboo firy andro ilay hoe misara-toerana ela?????

Tsy mbola adala ny razam-bentsika niteny hoe lavitry ny maso lavitry ny fo e!!!, misy dikany io fa tsy noforonina tsy akory. Ary ny tapany ihany koa anie no mitobaka e!!!!, hazavaiko izany hoe ilay mody mifanoratra kely @ mailaka de ilay manao hoe tiako enao e!!:! sns mmmhhh aza mba misno ihany fa trondro ny laoka e!!!!! ny saka efa miandry ao.....

Am-bava homana am-po mieritra hoy koa ny Ntaolo izay (izay tsy mbola hita ny fahadisondreo izay...)
5. pika ( 28/07/2005 09:24)
miombonkevitra @ booboo
arakaraky ny fotoana sy ny antony hisarahantoerana
6. sipagasy ( 28/07/2005 09:39)
hehehe, ny ho avy no milaza amintsika e!!!
7. rjej2004 ( 28/07/2005 10:05)
Ho ahy aloha raha vao misy mihitsy ny fisarahantoerana de efa manahirana be zay satria na de eo aza le tanjona @maha olombelona misy banga tsy maitsy fenoina ao oh fotsiny tambitamby isanandro sady ny ela maharay roa e!!!!!:evil:
8. booboo ( 28/07/2005 10:09)
sipagasy > mety aman-taona, mety aman-bolana arakarakao ihany. Na tsy fantatra aza ny ampitso, miankina @ safidy atao androany ny ho avy.
9. ainaheri ( 28/07/2005 10:18)
pika,booboo>> Asa na efa tojo na aona fa tsy possible
ny fitiavana raha vao misara-toerana na eo aza ny tanjon'izy 2.
Tsarovy fa olona 2 samy hafa ireo ka noho izany dia samy hafa fijery,samy manana ny fisainana na eo aza ny hoe tanjaky ny saina dia ny eritreritrao ihany no mamosavy anao,indrindra moa refa miantso ianao
d maty ny tel,d mahita avaly izy refa avy eo!
(sy ny sisa)2 eo dia manomboka @ zay ny doute,
manampy trotraka koa ny tsatso ataon'ireo manodidina
hoe iny ve lesy de noheverin'ialahy tsy anao sipa any iny sy ny maro hafa isankarazany,@ zay manomboka mangatsiaka ilay fitiavana hany ka na ny lalitra mandalo eo @ aminareo 2 aza dia mampifamaly anareo!!
Efa nahita cas n'olona maro aho fa ny fisarahana no
niafarany,afatsy ny mahita solut° haingana angamba
dia ny miaramitoetra ary zay ko ny vahaolana mahomby indrindra raha ny amiko....
10. marissa ( 28/07/2005 10:22)
Amiko aloha ry reto,de tena mitombona io,tsy misara toerana ary nareo manao ny ataony ry zalahy ,sady amiko matoa nifanaiky ny hiaraka dia ho mandrakizay e!Kanefa ihany koa moa raha sendra ny tsifidiny de @ zay kosa arakarak'izy 2 zay nifanaiky e!raha azo atao anefa de aleo evitena e!
11. booboo ( 28/07/2005 10:24)
ainahery >raha tsapako sy ny lesona notsoahiko t@ izany fotoana izany r'ise no zaraiko satria hitako fa nahasoa ahy sy ny fiarahanay hatr@ zao.
12. mandrindra ( 28/07/2005 10:25)
marissa, tsy ry zalahy ihany no mano ny ataony fa ry zavavy koa. Ny fitiavana tsy voatery ho aranofo ihany fa ratsaina koa e. Ka noho izany izay hifanarahan'ny mpifankatia ihany io.
13. ajnah ( 28/07/2005 10:40)
amiko ry zareo dia miankina @ fahatokisanao ny tenanao sy ny olona miaraka aminao ihany io. Efa niharan'io fisarahan-toerana io aho, fa ny tsapako dia azo lazaina hoe nampitombo ny fitiavanay ilay izy. Marina fa nandritra ny fotoana tsy nihaonana dia nisy tokoa ny doute fa ianao ihany no manamboatra ny sainao, ka eritrereto daholo ny moment tsara indrindra niseho teo @ fiarahanareo fa ho afaka ny doute rehetra. Andramo fa nety tamiko :-tsy voatery ho mety aminao koa anefa. :-*
14. cocorie ( 28/07/2005 12:27)
Quelle question?:D
15. Lov ( 28/07/2005 20:38)
Toa mahakivy koa zany resaka zany ! Mety ho marina fa tsy ny rehetra !
16. xxx ( 28/07/2005 20:51)

samy manana ny reviny io ka tsy hita izay ifanomezan-tsiny fa zé mety aminao atao eh. raha razam-be sy zanahary n mety aminao dia ataovy ary raha i Alahy no mety aminao d ataovy iany koa.
17. fijo ( 28/07/2005 21:37)
o ry zareo an.raha hianatra aty ny iray hanao DR ka mahavita ilay 12 taona vao hody,"da ho dininao ro?"aoka moa fa aza be resaka e.haniry lomitra ao io fa ataovy ary
18. mampatsiahy ( 28/07/2005 22:23)
Tsy mampiova ny fitiavana ny fisarahana toerana raha toa ka misy ihany ny fifandraisana amin'ny alalan'ny lettre na koa amin'ny telephone,ka ao ianao no milaza izay ao am-ponao. Fa tsara ihany ny mpifankatia mifanakaiky mba mifameno ny zava-drehetra.Nefa kosa raha tonga ny tokoa dia tsy afa-manoatra ny tsirairay.
19. isambilokely ( 28/07/2005 22:48)
Mety aby zay atao fa nenay klo de norme tsara na dia misaraka toerana aza sady izy aza tena lavitra be mihintsy nefa tonga aty foana zaho koa tonga any foana fa motivation no ady eo; rehefa tsy misy motivation dia atao akory fa mangina zay tratra dia mandon-tratra ny mbola velona.

Mbilo Iraika
:lol: Youpiiiiiiiii
20. boolatine ( 29/07/2005 02:56)
ho ahy manokana aloha dia tena mampiova mihitsy e!
raha ohatra ka fisarahan-toerana hoe herinandro na iray volana,mety mamy be ny "retrouvaille"apres,ms sinon,efa afohy raha toa ka aman-taonany!Surtout raha hoe ralehilahy no mijanona eto an-tanindrazana!le mandeha anie vetiveti aminao dia tapitra ny un an satria mahita zava-baovao fa le mijanona manita-kevitra be sady be koa ny fakam-panahy!
Na mifampatoky be aza miova rehefa mifankahita avy eo,raha ho tody @ zany akory aza!
Hevitro manokana aloha izay e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3063