Judaisme

1. bichette ( 27/07/2005 06:46)
Inona avy no fantatrareo momba an'izy io ?
novalian'i bichette ny 29/08/2005 15:54
2. bichette ( 27/07/2005 07:31)
moa mino an'i jesosy Kristy ve izy ireny sa aona ,
3. nani ( 27/07/2005 09:58)
salut
araka ni fahafantarako azy aloha de izao e , izy alha mino fa misy jesosy ,fa izani hoe tsy de jesosy no tena anisan malaza ao amini ry zareo fa ni profety ka , fa i jesosi ko anisanilay izy . Izy io manko tsy de mifankaiza aminilay relidion musulmane , satria ni musulmane ni zanaki i abraham taminilay vadini iray no tena lohani ry zareo fa ni judaisme ni zanaki abraham taminilay vadini faharoa .
Fa tsy ni olon drehetra fotsini no afaka miditra aminio religion io ,toa misy resaka ttsy zay mihintsy .Efa mba nisy nianarani keli manko no momba io
4. Merlo ( 27/07/2005 10:15)
Salut! daholo
Raha ny fahalalako ny Judaisme indray aloha dia izao io dia finoana Jiosy izany hoe ireo Israelianina no manaraka io fivavahana io ny Baiboly Testamenta taloha no ampiasainy amin'izany ny antony dia
5. Merlo ( 27/07/2005 10:18)
Salut! daholo
Raha ny fahalalako ny Judaisme indray aloha dia izao io dia finoana Jiosy izany hoe ireo Israelianina no manaraka io fivavahana io ny Baiboly Testamenta taloha no ampiasainy amin'izany ny antony dia tsy nino mihitsy tamin'ny fahatongavan'iJesoa Kristy tany amin'ny taniny fa io no Mesia Zanak'Andriamanitra
Amin'ireo izany dia mbola miandry foana ny fiavian'ny Tompo ry zareo.
6. scorpion ( 27/07/2005 10:38)
dia sady manaraka sy manaja hatrany ny fomban-drazana jiosy.Jesosy aza moa nanaraka fomban-drazana koa, izy rahateo judaiste.
7. fijo ( 28/07/2005 04:41)
bibi kely an,
ny judaisme dia mino tokoa ny fisian'i jesosy,satria olona nomelohiny io,matoa nomelohina dia olona ninoana.
saingy izy dia tsy mino fa io jesosy io no "mesia".ny kristianina mantsy dia mino fa io jesosy io no mesia,fa ry zareo hatramin'izao dia mbola miandry foana io mesia io.
hafaka miditra ao daholo izay te hiditra,raha tioa ka mahatanteraka ny fombafombany,izay tena maro tokoa.(marihiko,fa eto marseile dia misy gasy iray manaraka io fotopinoana io)
ary tandremo bibi an,tsy mihinana kisoa ry zareo,ka raha hoao ndry dia ataovy veloma ny ravitoto sy henakioa.ny voanjobory sy hena kisoa,ary ny anana sy hena kisoa;
8. bichette ( 28/07/2005 06:24)
fijo > :-D
misaotra anareo namana am fanazavana. aminareo ve ! mety maharitra ve raha couple chrétien sy jiosy no mivady ? mety ve? possible ve ?
9. stephan ( 28/07/2005 06:39)
Tena tsy maharitra! :-D izany hoe misy mivavaka sabotsy izany d misy mivavaka alahady. Raha mahay mifandamina moa hanonina! dia miomana fa tsy maintsy hody any Israel koa!
10. booboo ( 28/07/2005 08:11)
ié mifandamina sy mifanaraka tsara ny @ raha tsy itovizana fotsiny (fitaizana ara-panahy omena ny ankizy, fombafomba an-davan'andro,...) dé mandeha sy mateza io kah.
11. bichette ( 28/07/2005 08:47)
fa raha ny lehilahy no jiosy any aorina any ve mety ho tereny ho jiosy ny vadiny sy ny zanany raha misy fanambadiana , fantatrareo ve raha tsy maintsy mivadika jiosy ilay ramatoa
12. booboo ( 28/07/2005 10:19)
Raha tsy diso zà dia avy @ reny ny fifindran'ny finoana jiosy. Tsy voatery hivadika koa ilay ramatoa (ny ao @ fianakaviako klou tsy nivadika e).
13. Mifenty ( 28/07/2005 10:24)


avy eo ny ankizy lasa mozilimà satria tsy te hiandany amin'ny atsy na ny aroa kou.
14. bichette ( 28/07/2005 15:18)
ka satria hono ny reny no mitaiz ny zanaka dia izay finoan'ny reny no hitaizana ny ankizy zany ve ry booboo
15. booboo ( 28/07/2005 15:44)
dé tsy haiko ny antony ry Bichette.
16. fijo ( 28/07/2005 19:24)
biby,raha ny fahitako azy aloha izao dia misy jiosy efa mitady hiditra lalina be ao.tsy ratsy izay,fa fantaro tsara aloha.
-fa ny jiosy dia misy roa,
misy ireo tena manaraka ny fombany,
ary misy ireo tsy mivakiloha.

raha sendra ny tsy mivakiloha ndry,dia tsy olana satria tsy misy fanerena ao.fa dia toa ny olona rehetra.
fa raha toa kosa ndry ka sendra ny tena jiosy le mandala be ny finoany ireny,dia tadidio ireto.
-ny jiosy dia mifindra avy amin'ny reniny.
-noho izany dia tsimaintsy jiosy ny reniny.(miova finoana)
-ny jiosy dia toa ny silamo(tsimaintsy virja ny vavy raha hiditra tokan trano)
-ary aminy dia manaraka ny lahy ny vavy,ka raha te hody izy,dia tsimaintsy"mody"manaraka azy any ndry.
-le resaka sakafo moa dia efa nolazaiko tery ambony tery.
17. bichette ( 29/07/2005 06:16)
fijo > hay ve zany izy io e ! mba manoontany re ry fijo fa tsy hoe misy te hiditra lalina :wink:
18. scorpion ( 29/07/2005 07:02)
sambatra ny lehilahy jiosy le
19. bichette ( 29/07/2005 09:37)
scorpion > fa aona
20. zozefa ( 01/08/2005 12:48)
hoy ianao
mety maharitra ve raha couple chrétien sy jiosy no mivady ? mety ve? possible ve ?

raha ny hevitro indray de miankina amin'ny hoe inona no fandraisanao izany hoe kristiana izany? mino aho fa tsy hoe titre entinao fotsiny izy io fa nisy fandresendahatra tao matoa ianao nilaza fa kristiana,
raha kristiana mantsy dia mino tokoa fa Jesoa avy any Nazareta no Kristy, ary ny finoany dia miankina Aminy, indrisy anefa fa ny judaisme tsy manaiky an'izay, ka raha izany no heverina de mety tsy hipetraka angamba ny fanontaniana satria ny fototry ny finoanao no laviny,
possible ve? nahoana no tsy possible refa terenao hoe io zany no izy
mety ve? atsimo sy avaratra ny zava-misy
maharitra ve cyclone lava no ho miandry ao,fa mety maharitra fa tsy hisy filaminana sy fiadanana
heritrereto tsara fotsiny e! indrindra ny maha kristiana anao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2099