Judaisme

21. bichette ( 01/08/2005 13:04)
raha chretien praticant ka ! ahoana hono ? cyclone zany no miandry ireo mpifankatia ?
22. zozefa ( 01/08/2005 17:32)
raha praticant hoy ianao!!:roll:
tsy izaho no hamaly azy fa aleo ny Tenin'Andriamanitra

IIKorintiana 6:14 Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan'ny mazava sy ny maizina?

ny cyclone akory tsy hoe rahapitso de rahapitso fa tsy maintsy hoavy izy ary eo ilay chretien praticant hamoaka ny heviny tohanany @ Baiboly, ary ilay Judaiste hamoaka ny torah,
mino aho fa tsy niteniteny foana akory ny apostoly Paoly raha nilaza io zavatra voalazany eo ambony io
23. zozefa ( 01/08/2005 17:39)
tiako ampiana kely fotsiny hoe raha chretien tsy praticant (zany hoe anarana fotsiny ny hoe chretien fa tsy mahalala akory izay inoany) de azoko lazaina fa ohatran'ny couple rehetra hitanao manodidina anao, aleo ianao ihany no hitsra raha mandeha tsara sy maharitra ireny!
24. mandrindra ( 02/08/2005 15:41)
Ny tian'i zozefa ho lazaina ve dia ireo mpivady izay tsy mino an'i jesosy sy mivavaka aminy dia tsy mandeha tsara ny tokatranony ?
25. zozefa ( 02/08/2005 17:48)
za akory tsy milaza hoe tsy mandeha, satria miankina @ izay tinao lazaina @ ilay teny hoe "mandeha" (tsy haiko hoe manambola, sa manana objectif iraisana sa mahatsiaro sambatra ao antokatranony,...), fa ny tiako ho tenenina kosa de hoe raha hoe tena kristiana marina ny iray nefa ny iray tsy kristiana , de ho hafahafa ihany, (soavaly sy omby miaraka zioga mitarika sarety:( )
26. LazaRandri ( 02/08/2005 23:57)
Marina tanteraka ny voalazanao ry Zozefa.
2Petera2:21:
Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny làlan'ny fahamarinana toy izay hiala amin'ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy.

27. routa ( 03/08/2005 10:08)
zozefa>zao kosa anefa matetika ny mpivady tsy mitovy finoana ary ny fahaizako azy raha mieritreritra aho de fandahran ANDRIAMANITRA daholo ireny mety .Raha samy tena kristiana no mivady de ahoana ny tsy kristiana misy dikany daholo io .De rehefa mahatsapa ho tena kristiana hianao de mitolona @ vavaka ho an ny le tsy tena mbola kristiana.
Ny miandry aloha de tena ho syclone tokoa e! satria tsy mitovy ny fanahy n izy roa fa raha tena kristiana enao tsy misy olana aminao zany fa maivana .
28. zozefa ( 04/08/2005 08:03)
za indray anefa mieritreritra fa ny didohan'ny kristiana no mahatonga ny fisian'ny kristiana sy tsy kristiana mivady, Andriamanitra tsy nandahatra ny fiainantsika hanao ota (zavatra tsy mifanaraka amin'ny sitrapony, ary ota ny fanambadian'ny kristiana amin'ny tsy kristiana) fa isika no mafy hatoka tsy mety mihaino ny teniny, hafa raha hoe samy mbola tsy kristiana no mivady de nony tafiditra tao de lasa kristiana ny iray araka ny voalaza ao amin'ny 1 korintiana7:12-13
efa betsaka no nanandrana ny hoe "aleo hivady ihany izahay, fa refa ao za hivavaka MAFY ho azy mba hitodiany amin'Andriamanitra" fa saingy indrisy maro no nanenina tamin'izany raha tsy hilaza aho hoe nanenina daholo izay nanao an'izany :cry:
fantatr'Andriamanitra tsara ny miandry ny olona manao izany ka izany no anakanany antsika tsy hanao izany, nefa moa Izy tsy mba manery fa milaza ny sitrapony fotsiny Izy fa isika no tompontsafidy!
ho an'ireo latsaka tamin'izany de tsarovy fa ny FAMINDRAPON'ANDRIAMNITRA dia lehibe
araka ny voasoratra ao amin'ny
Salamo 103:8-11
8 Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po.

9 Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.

10 Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika.

11 Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra ambonin'ny tany No haben'ny famindram-pony amin'izay matahotra Azy.

soa ihany e!:D:D
29. routa ( 04/08/2005 10:14)
zozefa> tsy haiko aloha fa otrany tsy ekeko le izy satria raha ny fahaizako azy t@ andron 'ny zanak 'Israely io eny atraminy olona mivavaka aza fa izao toa tsy izany asa aloha e!
30. zozefa ( 04/08/2005 13:26)
marina fa raha t@ testameta taloha de tsy mahazo manambady afatsy jiosy ihany ny jiosy, tandindona ihany anefa ny testameta taloha,
tiako anefa ny manamarika eto fa ny taratasy nosoratan'i Paoly apostoly de tsy ho an'ny jiosy akory fa ho an'ny kristiana
de anjaratsika rehetra no mandanjalanja e!:roll:
31. routa ( 07/08/2005 09:57)
aiza ao @ testamenta taloha ary ry zozefa no misy ny toko mba azafady hoe:D
32. zozefa ( 07/08/2005 12:59)
ireto aloha misy kelikely ho an'i routa zany,
EKSODOSY 34:16
DEOTERONOMIA7: 1-4
fa nisy ny nandika an'io fandrarana nataon'Andriamanitra io:(, de nanome ohatra ny Baiboly:roll:
1 MPANJAKA11:1-8
ary dia tanteraka taminy izay efa nolazain'Andriamanitra fa mety hitranga raha mandika an'izany izy:{
33. routa ( 08/08/2005 04:16)
zozefa> de hono hoaho raha tao @ tsy fahalalana de ahoana ?
34. majesty ( 08/08/2005 05:36)
bichette:ny azoko lazaina anao de tsotra ihany ,jesosy de jiosy ary anisan'ny nanaraka ny fivavahana jiosy fa ny indro kely fotsiny dia izao tsy nety nino ny mpitondra fivavahana fa i jesoa no ilay mesia ka anisan'ny nitenenan'i jesosy azy ireo mafy mintsy ny @ izany tsy finoany izany.Fa ankehitriny ry zareo vao manomboka mino fa tena i jesosy marina no mesia.Dia izay koa no mahatonga ahy hametraka fanontaniana hoe "MANINONA JESOSY JIOSY DIA ISIKA LASA ROMANA(katôlika),PROTESTANT ..."
35. bichette ( 08/08/2005 06:56)
ny jiosy tokoa tsy mino fa i Jesosy no Mesia, ny olana mipetraka ary mety cyclone araky ny voalaza etsy ambony dia hoe tsy hiara hivavaka mihintsy izany ireo mpivady satria ny iray hanonona ny anaran'i Jesosy ary hivavaka amin'ny anaran'i Jesosy ny iray tsy mino moa ka mety ho tezitra ce qui fait que hisy sujet fadina atao firesaka dia ny resaka fivavahana izany
36. LazaRandri ( 08/08/2005 07:51)
Tsy mba fantatry Bichette angaha ny marina misy ao Israely, sy ny tanjon'ny Tavaratra?
http://www.jesustheextremist.org/middleeast/GushKatif_gasy_1.wmv misy sarimihetsika misy dika teny Gasy

Notapahina fohifohy io fa lava loatra. http://www.israelblessgod.com/gushkatif.wmv ny tena izy amin'ny teny Hibrio sy Anglisy.
37. bichette ( 08/08/2005 13:07)
lazaRandri > tsy voavaky ilay zv
38. LazaRandri ( 08/08/2005 23:07)
telecharger-na aloha ka. miandry kely indray aloha fa mety misy version vaovao. vao prochainement fotsiny iny.:)
39. bichette ( 10/08/2005 08:44)
http://www.marie-madeleine.com/PdeDieu.html

lasa ny saiko
40. LazaRandri ( 10/08/2005 11:44)
Ireny koa ve dia atao mahalasa saina ry Bichette a! Tokony ho velom-piderana aza i Bichette satria efa nampandre antsika mialoha ny Tompo mba tsy hitebitebentsika. Ireny ilay voambara fa "hametaveta ny anaran'Andriamanitra (Dieu) sns...."

Raha tian'i Bichette ho fantatra hoe olona tahaka ny ahoana no nanao an'io dia izao:

Catherine PIERDAT (PIERDA3-BMN-PE)
107 Bis rue de Paris
60600 CLERMONT
FRANCE
phone : +330344780350
email: catherinepiedrat@free.fr

Hafatra kely: mivavahaho azy :)


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4344