Ny zava-mahadomelin'ny vahoaka

1. tsimiandravola ( 21/07/2005 10:34)
Zava-maha-domelin'ny vahoaka

-FAMARITANA SY OHATRA:

Ny zava-maha-domelina dia vainga ampidirina amin'ny tena ,ka mampiova ny fiasan'ny taova mankany amin'ny fanairana na mankany amin'ny fampandriana.Ohatra(kaféinna,nikotinna...kokainna,alkola...sns).Ampiasaina izy ireny indraindray amin'ny fanafody(ohatra ny kokainna anamboarana fampatoriana,fanamaivanana ny fahatsapana taintaina sns...).Misy kosa nefa izy ireny ampiasain'ny olona mba hanalàny fanidy(ohatra ny toaka dia ialàny amin'ny fahasarotan-kenatra),matetika koa dia ampiasain'ny olona izany mba handosirana(fuite):izany hoe mba hanadinoina ny zavamisy izay "mavesatra" tokoa indrisy,indrindra hoa an'ny mponina any amin'ny firenena mahantra sy maizina.

Ny olana nefa dia rehefa misava ny traikan'ny zava-maha-domelina eo amin'ny tena,dia indro fa mitamberina indray ny vesatry ny zavamisy.Tsy misy fomba hafa azo atao mba hanadinoina izany indray afa-tsy ny famerenana indray ny fandraisana azy.

Dia manomboka eo ny "boribory vetaveta",ka lasa filàna ilay izy,fa tsy nisy mihitsy zavamisy voaovany.

-NY MPANDRAY ANJARA SY NY LOKANADY(enjeu):

1)Ny zavamisy:

-Ny tena olan'ny olombelona voalohany dia i ra-fahafatesana:
.Maro ny efa nivary lavo,maro ny nanao izay anararaotana ny hihinana sy hifaly satria "rahampitso mbola ho vovoka ihany".
.Maro ireo mbola manontany tena foana hatramin'izao milaza hoe mbola hisy ve fiainan-ko avy,
.Maro koa ireo mieritreritra fa misy ny finofosana indray (reincarnation),ary maro indrindra indrindra ny miandrandra na mino ny fitsanganana (résurection).

-Ny olan'ny olombelona faharoa dia ny hamafisan'ny fiainana fotsiny izao.Mavesatra ny zavamisy:ny andraikitra sy ny adidy,ny tsy fahamarinana arampiaraha-monina sns sns..

2)Ireo vaha olana:vitsivitsy ihany:
-Na mangalatra,na mihezaka ihany ka raha ambininy amin'ny atao dia mifaly,ka mihamora ny fizakana ny zavamisy.
-Na mitady hevitra ny hanànana rafi-piaraha-monina ahafahana mifanohana,fa ny entan-jaraina hono mora zaka.
-Na mamoy fo ka mivary lavo amin'ny fampiasana zava-maha-domelina mba hanadinoina ny zavamisy satria tsy ho voaova ihany.

Ka eo amin'io farany io dia miverina indray ilay boribory vetaveta.

-FEHINY:
Na inona na inona fihetsika ataon'ny olombelona,na inona na inona fomba ampiasaina mba anafoanana,na anamaivanana ny hirifirin'ny zavamisy dia mandalo ihany ny fiatraikan'ireny fomba sy fihetsika ireny.Indro i "Ra-zavamisy" fa miverina ihany ary tsy sasatry ny mandranitra.Tsy nisy mihitsy ny afa-nanova ny zavamisy,fa ny fampiononan-tena,ny fampihodinan-doha tsy hiatrika azy no betsaka.Raha raisina ohatra akaiky ny fimamoana dia tsy nisy raim-pianakaviana nahavaha ny olan'ny tsy fahampiana tao an-tokantranony amin'ny fisotroan-toaka.Ny zavamisy dia ny fahantrana,ary io tsy niova,fa hadinon-drangahy fotsiny rehefa mamo izy.

-FAMPITAHANA:
Toy izany koa ny FIVAVAHANA KRISTIANINA:
.Tsy nisy afa-nanova ny zavamisy dia i ra-fahafatesana izany.
.Ataon'ny maro hatry ny ela ka hatramin'izao fotsiny izay hanadinoina azy,na ny anaovana azy ho toy ny tsy misy,na koa ny filazàna fa efa resin’i Jesoa izy.
.Ny vaha olana maro mpandray(satria koa asiana dokam-barotra be) dia ny fandraisana ny "zava-maha-domelina" antsoina hoe "finoana",izay tsy mahari-traika fa tsy maintsy asiana letra (injection) isan'andro,na isan-kalahady.
.Rehefa mihamaivana,na hadino ny zavamisy,dia tsy misakana ny fisiany velively akory izany.Efa ela mihitsy ny sain’olombelona no namolavola an’io zava-maha-domelina io,ka nohezahany fatratra ny hahatomombana azy sy hananany endrika manintona ny fo sy ny saina,eny fa na dia namoizana ain’olona maro,sy namoizana fotoana aza izany.

-VOKANY :
Ny singaniko fotsiny amin’ireo vokany marobe,dia ny fampiononan-tsaina sy fanahy ka ampiankinana ny olana sy adidy maro amin’Andriamanitra(pater noster).Lasa andriamanitra no ianteheran’ny valalabemandry fa tsy mioitra,tsy mitolona fa mivavaka.Lasa natao ankilabao ny « fivavahana » nahazatra ireo razan’ny tena dia ny « firaisam-pianakaviana »,ny firenena.Lasa ny fitokatokanana (individualisme) araky ny fanjanahan-tany no nanjaka satria efa ampy ny tsirairay Andriamanitra.Sns sns.
novalian'i marozevo ny 17/08/2005 20:30
2. tsimiandravola ( 21/07/2005 10:48)
Miala tsiny fa lavabe,na izany aza dia mbola safosafony ihany.Azonao atao mihitsy ny tsy dakoro!:D
3. johns ( 21/07/2005 11:06)
Diso be izany,
Ny zava maha domelina dia ho an'ny nofo sy ny saina.
Ny fivavahana kosa indray dia resaka ara-panahy.
Ny zavamisy indray dia tsy ny fahafatesana mihitsy no olan'ny Kristiana ka hitadiavana fika hoe zao na izao ny Kristiana irery no mahita tombony amin'ny fahafatesana, araka ny Soratra Masina hoe "NY FAHAFATESANA NO AZAHOAKO TOMBONY"
Ny antony maha-mpivavaka indray dia tsy mitady vaha olana amin'ny fahafatesana velively, fa mba ho eo anilan'ilay TOMPON'NY HERY SY NY FAHEFANA MANERANA IZAO REHETRA IZAO
Dia andramo ary ka izahao fa tsara anie Jehovah eh
4. tsimiandravola ( 21/07/2005 11:37)
Ny zava-maha-domelin'ny vahoaka izay mitafy nofo ary misy saina,dia ny toaka,ny rongony isan-karazany ary indrindra indrindra ny fivavahana.
Ary itony filaza itony (NY FAHAFATESANA NO AZAHOAKO TOMBONY)dia mitarika ny olona ho any amin'ny "suicide collectif" izay efa nisy.

mpivavaka indray dia tsy mitady vaha olana amin'ny fahafatesana velively
Ny olona hoatranareo anie ra-Johns dia ohatry ny manao ny hafa ho vendrana ê!Inona indray no itediavan'ny mpivavaka vaha olana amin'ny fahafatesana rehefa voavahany amin'ny alalan'i Jesoa io fahafatesana io???

Raha tsorina dia ny tsy mpino no manana olana amin'ny fahafatesana ka lasa mpivavaka satria ny finoana no eritreretiny ho fiadiana amin'io zavamisy tsy azo idovirana io.Rehefa tonga mpino izy dia adinony ilay zava-misy,toy ny mpimamo izay manadino fa tsisy hatokona anie any an-trano,ary mandry fotsy ny ankizy.Azon-dRajohns ve aloha izany ê???
5. velonantoandro ( 21/07/2005 11:49)
Manahoana ê
Tratra indray aloha ianao johns tamin'iny ô!!=))
Fa ahoana kosa aloha no natao lavabe lé izy klé?
Misy lé nataon'i
Mandrindra koa lavabe,saika tsy voavaky mihitsy.Ny atahorako indray dia ny an'i Mandrindra lasa mampiady ny samy Kristianina,ny anao Ra-tsimindrambola farafaharatsiny mba ao anaty salaka iray daholo ny mpino rehetra,fa ny an'i Mandrindra toa Kristianina lery nefa manisy texte contre secte Kristianina,tsy izany ve lé hoe "guèrre des clochers"??..Tandremo e!!!
6. booboo ( 21/07/2005 11:54)
Ilay post iraika ao ambadika io dé jereo tsara fa LE Figaro no namoaka azy. Ary hita taratra ao ny @ maha pro. ilay journaliste... sy ny fomba fahitan'ny occidental ny raha ohatra ireny.
7. ainaheri ( 21/07/2005 11:58)
[Tsimiandravola aa!! fa inona aloha ny olana anao @
lay mpino e,no anaovana resabe isaky ny mande ity
refa tsy mino ianao de:-@ fa tsy ny olona no taritina @ zay boky tsy hita fototra anao any;
ary samy manana ny finoany ny tsi11,ary ataoko adala ny olona manaiky ho azon'ireny mpitory @ sisiny ohatr'itony;ary ataovy antsaina tsara fa ny trano afindra tsy mitovy zoro! b]Bold text[/b]
8. Mifenty ( 21/07/2005 12:24)


lava loatra razoky a
9. tsimiandravola ( 21/07/2005 12:33)
Mba manandrana maka ny mpino hiverina any amin'ny tany nialàny aho ka inona no olana???Moa ve tsy tany ihany no nangalàn'ny mpitory ny filazan-tsara azy ireo?
Ny amin'ny boky tsy hita fototra indray dia mazava tsara ny fototra fa ianareo angaha no minia tsy mijery!sa ahoana?
Inona tokoa aloha ilay boky e?Ny fantatro dia misy 60 mahery ny "evangiles",alalana avy aiza ary "inspiration divine" avy aiza no mamaritra ny "evangiles" hatao "canon"???
Izaho dia mitarika ny olona mety ho voatarika tsy hino "angano".Moa ve aho tsy mitovy ihany ireo izay mitolona mba hampiely ny "filazan-tsara"?Sa izaho tsy manan-jo fa izy ireny manana???
Marihiko kely ihany koa fa Kristianisma no enjehiko fa tsy ny Kristianinna.Misy mantsy mahatsiaro tena ho voadona mafy nefa tsy misy manenjika azy eo!!Sa ianareo mahatsiaro ho voadona Kristianisma noa iantsoana anareo?:lol:
Izao e:raha manakiana aho dia satria manam-pitiavana.;-)
10. rainisalama ( 21/07/2005 12:45)
Hitako fa mafàna izany resaka izany dia hoy aho hoe maninona no tsy mba hirotsaka i Rainisalama!??:}
Toa mivoaka sahady nefa ilay adihevitra ?Toa resaka "drogue" nefa no votoatiny,dia lasa fifanenjehana indray!:(
11. xxx ( 21/07/2005 12:47)
lava loatra razoky a
Ento amin'ny finoana ê,mazava ho azy io na tsy mamaky aza ianao:wink:=))
12. johns ( 21/07/2005 12:54)
Fa i tsimiandravola ve tsy mahay teny gasy eh, sa te hanao valy boraingina. EFA HOE NY FIVAVAHANA HO AHO TSY NOFO SY SAINA FA FANAHYizany hoe tsy terena ise hanaiky anio fa aminay dia io.
Ny olona manao suicide collectif indray dia olona ohatra anareo SAINA foana fa tsy manana ny FANAHY nefa BAIBOLY no vakiana, mampalahelo.
Dia taiza koa aho no niteny hoe nitady vahaolana momba ny fahafatesana fa ianareo no mila izany dia asisika foana le izy. Zahay tsy mila vahaolan'ny fahafatesana izany. Ary raha zah ndray aloha dia tsy hoe efa nitady ho faty de lasa nivavaka eh,
Ary ny mpimamo koa anie tena mahatsiaro hoe tissy kaly any an-trano dia maka tombony amin'ny tsaky sy ny karazany eh dia alina efa matory ny rehetra vao mody sao de mahazo lagy.
Ka tena tsy mitovy izany
13. Merinaforever ( 21/07/2005 13:00)
Ny fahitako azy dia toa tsy dia hoe misy ny valy boraingina fa ny fitafan'ny samy marenina no misy sa ahoana hoy ianareo?Salt daholo aloha fa efa ela indray aho tsy nandray anjara,hitako fa tena miredareda tokoa ny dinikareo tato hoa ato.Izaho indray aloha dia mino fa misy Andriamanitra,fa tokony hifanaraka ny mpino azy fa manao faux témongnage mihitsy ny mpino,ka tsy mahagaga raha misy ny mahateny hoe "opium du peuple",ary nahoana koa Andriamanitra no tsy ni-intervenir perso amin'io adilahy io aloha ê?
14. tsimiandravola ( 21/07/2005 13:13)
Dia taiza koa aho no niteny hoe nitady vahaolana momba ny fahafatesana fa ianareo no mila izany dia asisika foana le izy
Eny e tsy nisy niteny mihitsy anie teo hoe mitady vaha olana amin'ny fahafatesana ianareo ê!Inona indray hoy aho no itediavanareo vahaolana ny amin'izany kouh!Efa tsy olana intsony izany amin'ny Kristianna(hoy ny Kristianina)satria i Jesoa efa nandresy ny fahafatesana (hoy ny Kristianina).Dia amiko izany azon'ny fahadomelinana antsoina hoe finoana ny Kristianina dia efa tsy mitady intsony na manao ohatran'ny tsy misy ny "zavamisy".
Inona ny riska?=manao ny zavamisy tsy hisy ka mitambikina sisa.Izay idonany any idonany
15. sonwin ( 21/07/2005 13:49)
16. rainisalama ( 21/07/2005 14:59)
Interdit de fumer sonwin!=))

Ahoana indray kosa aloha ilay "saint suaire",hita fa fôpla hono ilay izy,any Italia any koa hono misy ny "prépuce"n'i Jesoa any amin-dry Masera "les Ursulines",ary ny potik'hazo fijalian'i Kristy koa hono marobe ny miparitaka ary raha atambatra ny lanjan'izy rehetra dia mihoatra ny lanjan'ny tokony ho izy.

Izany kosa aloha mba minimum tokony ho voavalin'ny mpino e!
Somary mivoaka ny sizé ve aho?Angamba tsy mivoaka satria zava-mahadomelina=intox.
Amin'izao andro moderna izao aza leiretsy misy ny intox,ko maika izany fa tamin'ny andron'ny Jesoa!!!
17. jentilisa ( 21/07/2005 15:19)
Ary Tsimiandravola anie te-hanao resaka lavabe nefa rehefa anaovanao lavabe dia hoe ataoko diagonale e sy ny sisa e! ataovy fohifohy ny resaka dia ho hita ny tohiny e!
18. jentilisa ( 21/07/2005 15:22)
Mahalala ny tantaran'i Paoly Apostoly ve ingahy sa tsy nisy koa izany Paoly izany?
Tratran'ny zava-mahadomelina ve rangahy io? sa ahoana ny hevitrao momba ny nataony?
19. jentilisa ( 21/07/2005 15:35)
tsimiandravola:


Ny zava-maha-domelina dia vainga ampidirina amin'ny tena ,ka mampiova ny fiasan'ny taova mankany amin'ny fanairana na mankany amin'ny fampandriana.

Inona izany ilay vainga ampidirina any amin'ny kristiana mba hampiova ny fiasan'ny taova ao anatiny?



ampiasain'ny olona izany mba handosirana(fuite):izany hoe mba hanadinoina ny zavamisy izay "mavesatra" tokoa indrisy,indrindra ho an'ny mponina any amin'ny firenena mahantra sy maizina.

Manontany anao ary aho hoe Tsy mpivavaka ve ny olona maro ao amin'ny firenena manana fidiram-bola ambony indrindra eto an-tany? Aza hitako sao dia kristiana? sa Soisa moa tena tsy kristiana velively? :-D


Ny olana nefa dia rehefa misava ny traikan'ny zava-maha-domelina eo amin'ny tena,dia indro fa mitamberina indray ny vesatry ny zavamisy.Tsy misy fomba hafa azo atao mba hanadinoina izany indray afa-tsy ny famerenana indray ny fandraisana azy.

Ny an'ny kristiana rehefa afaka hafiriana eo amin'ny ankapobeny dia mahatsapa indray izy fa tena sahirana?

Izao no izy e
1) Raha izy no mbola be taraina dia tsy mino izy izay na tsy ampy finoana. Amin'Andriamanitra angaha izy no mitaraina dia hoe ie astria io ihany no azo iankinana.
2) Ary raha ny olona no manankarena no kristiana dia inona ny vesatry ny zava-misy aminy rahalahy?
Sa tsy maintsy mahantra vao kristiana?
20. Mifenty ( 21/07/2005 15:38)
o lt ry merinaforever ah

Aza taitra ialahy fa mbola ho avy eo koa ny :

antandroyforver, antanosyforever, betsileoforever, betsimisarakaforever, sakalavaforever, sy ny forever isany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1341