Ny zava-mahadomelin'ny vahoaka

21. jentilisa ( 21/07/2005 15:45)
tsimiandravola:

1)Ny zavamisy:

.Maro koa ireo mieritreritra fa misy ny finofosana indray (reincarnation),ary maro indrindra indrindra ny miandrandra na mino ny fitsanganana (résurection).

Hono ho'aho, ny malagasy mamadika sy mamono ny razany io. Inona no dikany? Sao dia hoe mino ny fitsanganana ihany koa izy? sa moa tsy hoe aleo miverina amin'ny fivavahan-drazana moa ny resa-tsika? Tahatahaky ny mino ny fitsanganana anie ny malagasy raha izany e!

Sa izao ihany koa, nisy niteny,hono, izy hoe tafio fa mangatsiaka. Izany ve tsy manambara hoe "tsy maty izy"? Sa... ahoana ny hevitrao?

-Na mitady hevitra ny hanànana rafi-piaraha-monina ahafahana mifanohana,fa ny entan-jaraina hono mora zaka.

Tena izay indrindra ny an'ny kristiana sy ilàna ny fiangonana rahalahy.
22. jentilisa ( 21/07/2005 16:00)
tsimiandravola:

Na inona na inona fihetsika ataon'ny olombelona,na inona na inona fomba ampiasaina mba anafoanana,na anamaivanana ny hirifirin'ny zavamisy dia mandalo ihany ny fiatraikan'ireny fomba sy fihetsika ireny.Indro i "Ra-zavamisy" fa miverina ihany ary tsy sasatry ny mandranitra.Tsy nisy mihitsy ny afa-nanova ny zavamisy,fa ny fampiononan-tena,ny fampihodinan-doha tsy hiatrika azy no betsaka.Raha raisina ohatra akaiky ny fimamoana dia tsy nisy raim-pianakaviana nahavaha ny olan'ny tsy fahampiana tao an-tokantranony amin'ny fisotroan-toaka.Ny zavamisy dia ny fahantrana,ary io tsy niova,fa hadinon-drangahy fotsiny rehefa mamo izy.

Edrey! filôzôfa Eoropeana no namaritra izay fomba fiteninao izay rahalahy, fa tsy malagasy!
Io dia fomba fijery ny rano tapany anaty tavoahangy! feno tapany sa tsy ampy tapany? izay no fototr'io fihevitra io.



Toy izany koa ny FIVAVAHANA KRISTIANINA:
.Tsy nisy afa-nanova ny zava-misy dia i ra-fahafatesana izany.
.Ataon'ny maro hatry ny ela ka hatramin'izao fotsiny izay hanadinoina azy,na ny anaovana azy ho toy ny tsy misy,na koa ny filazàna fa efa resin’i Jesoa izy.

Ny olana amin'ny olona dia tsy ra-fahafatesana fa ny fatahorana an-drafahafatesana! rehefa matahotra azy dia tsy mahavita na inona na inona. Hoy ny ohabolana malagasy manao hoe " izay sahy maty mifono lambamena". Izay foto-kevitra malagasy izay no koloin'ny kristianisma mba tsy hihemotra amin'ny fanaovana izay ataohoe marina izy.

Ny foto-kevitry ny hoe aza mieritreritra hanova izao tontolo izao, fa manaova ny fanaon'izao tontolo izao izay somary naolakao io anie ka hoe rehefa manao risoriso ny olona dia manaova risoriso , rehefa mangalatra sy mamono olona ny olona dia mangalara sy mamonoa olona fa aza manaiky gisitra e!
23. jentilisa ( 21/07/2005 16:12)
tsimiandravola:

.Ny vaha olana maro mpandray(satria koa asiana dokam-barotra be) dia ny fandraisana ny "zava-maha-domelina" antsoina hoe "finoana",izay tsy mahari-traika fa tsy maintsy asiana letra (injection) isan'andro,na isan-kalahady.

Hiverina amin'ilay fanontaniana nataon'izay iray izay aho.
Vainga ve ilay atao hoe finoana? Sa tsiranoka? Atsindrona ve sa fohina sa sotroina sa atelina a honanina? Hazavao satria efa nolazainao hoe hampiova ny fiasan'ny taova no antony.


.Rehefa mihamaivana,na hadino ny zavamisy,dia tsy misakana ny fisiany velively akory izany.Efa ela mihitsy ny sain’olombelona no namolavola an’io zava-maha-domelina io,ka nohezahany fatratra ny hahatomombana azy sy hananany endrika manintona ny fo sy ny saina,eny fa na dia namoizana ain’olona maro,sy namoizana fotoana aza izany.

Averiko tsara fa hoe fomba fijery io! sao dia adinonao eo manko! Ohatra araka ny fantatra dia hoe tsy ho ela dia ho lany ny solika manerantany. Inona no aterak'izany vaovao izany? >Mihorohoro ny olona hoe dia inona izany no hampandeha ny fiarako raha izany na hoe dia inona no asolo azy? Misy ny kivy manoloana ny vaovao mazava loatra fa misy kosa ny mikaroka ny vaha-olana. Izay fikaroham-bahaolana izay no voliaina apetraky ny kristianisma rahalahy!
24. jentilisa ( 21/07/2005 16:17)
Ary mazotoa mivavaka an! aza adino mihitsy io ra-Tsimiandravola a!
25. ainaheri ( 21/07/2005 16:20)
:@ aoka alo hitazana fotsiny!!
26. jentilisa ( 21/07/2005 16:26)
Ny namoaka io teny hoe zava-mahadomelin'ny vahoaka io dia Karl Marx fa tsy malagasy. Nametraka teoria izy saingy resy tanteraka izany ankehitriny! indrisy...ny antony? satria tsy tao ilay atao hoe finoana izay zavatra atahoran-dra-Tsimiandravola fatratra! KOa ny fanontaniako dia hoe zava-mahadomelina tokoa ve ny finoana sa...sao dia vary tokony hohanina isan'andro?
Sa sao dia zava-mahadomelina ihany koa ary izany vary izany? Ny sakafo koa anie manome hery ny taova e! rehefa marary izy vao mila izany zava-maha-domelina izany.
Na dia atahoran-dra-Tsimiandravola fatratra izany hoe finoana izany nefa tsy hisisika hanoratra eto izy raha tsy mino fa hahatarika ny olona hitovy fisainana aminy. Sa tsy misy izay finoana izay ao aminao? raha tsy misy dia inona no hanoratana eto? Valio! valio! valio!
27. sonwin ( 21/07/2005 16:50)
jentilisa no hitako mahery hatreto ary manana hevitra mitombina tsara...:@
28. RockyMaivia ( 21/07/2005 17:31)
Dear friends,
Do not believe everyone who claims to speak by the Spirit. You must test them to see if the spirit they have comes from God. For there are many false prophets in the world. This is the way to find out if they have the Spirit of God: If a prophet acknowledges that Jesus Christ became a human being, that person has the Spirit of God. If a prophet does not acknowledge Jesus, that person is not from God. Such a person has the spirit of the Antichrist. You have heard that he is going to come into the world, and he is already here.
But you belong to God, my dear children. You have already won your fight with these false prophets, because the Spirit who lives in you is greater than the spirit who lives in the world. These people belong to this world, so they speak from the world's viewpoint, and the world listens to them. But we belong to God; that is why those who know God listen to us. If they do not belong to God, they do not listen to us. That is how we know if someone has the Spirit of truth or the spirit of deception.
1 John 4:1-6 (NLT)

"And now beware! Be sure that you feed and shepherd God's flock -- his church, purchased with his blood -- over whom the Holy Spirit has appointed you as elders. I know full well that false teachers, like vicious wolves, will come in among you after I leave, not sparing the flock. Even some of you will distort the truth in order to draw a following. Watch out! Remember the three years I was with you -- my constant watch and care over you night and day, and my many tears for you.
Acts 20:28-31 (NLT)
29. sonwin ( 21/07/2005 18:14)
ok Bruder, Alles Klar:lol:
30. Merinaforever ( 21/07/2005 18:35)
Aza taitra ialahy fa mbola ho avy eo koa ny :

antandroyforver, antanosyforever, betsileoforever, betsimisarakaforever, sakalavaforever, sy ny forever isany.

Tongava soa ê!:D
31. tsimiandravola ( 21/07/2005 18:52)
Mahalala ny tantaran'i Paoly Apostoly ve ingahy sa tsy nisy koa izany Paoly izany?
Tratran'ny zava-mahadomelina ve rangahy io? sa ahoana ny hevitrao momba ny nataony?
Hitako eto fa i Paoly no toa ohatry ny mahatonga anao ho tena sûr be amin'ny finoanao sa ahoana?
Ny fahatsapako azy dia ianao no tena tsy mahafantatra an'i Paoly (Saûl).Araka ny nianarako (sa tsy tianareo indray ny loharanoko????)Ny Dikan'ny Saul dia "miatsapika"=boîteux,sady efa nilaza koa izy fa misy kilema (écharde dans la chair).Olona misy kilema nefa dia tsy voatana any amin'ny fianakavian'ny mpisorona,dia rangitra lery,dia lasa nitsaoka nitady opportunité hafa=namadika palitao.Diniho daholo ny fihetsiny sy ny "fanambarana" azony fa vokatry ny takaitrany,manana aretina "epilepsie"???nianjera tambony soavaly.Jambena ary tsy nahita naharitra.

Ny texte indray dia tsy azy fa texte "matrice" izay nanaovana adaptation toy ny mahazatra ny Mpisandoka Kristianina.Noho izany dia tsy fiable efa hatry ny ela.

Ka aza mandany andro manohana ny hevitrao amin'ny texte efa nitambitambinana sy naholankolana ê.
32. tsimiandravola ( 21/07/2005 19:03)
Manontany anao ary aho hoe Tsy mpivavaka ve ny olona maro ao amin'ny firenena manana fidiram-bola ambony indrindra eto an-tany?
Miala tsiny aloha fa amiko na Soisa ianao na Frantsay,rehefa vongan-dity ianao dia vongan-dity,na manam-pidira-bola be na be diploma be aza.

Sa ny sainao koa no efa voazanaka loatra angaha ka raha vao vazaha na be vola dia "Amen" sy "mersi misé"?????
Ny momba ny fahantran'ny vahoaka mahantra kosa dia "circonstance favorisante" satria sady tsy ampy ny instruction no tsy ampy ny hanina etc,manginy fotsiny ny "coup de pub" be ataon'ny Kristianisma,tsisy choix mihitsy ê...
33. rainisalama ( 21/07/2005 19:11)
Inona izany ilay vainga ampidirina any amin'ny kristiana mba hampiova ny fiasan'ny taova ao anatiny?

Itony kosa fanontaniana mandany jiro ê!
Mba tokony fantarinareo kosa ra-jentilisa ny hoe allegorie mba ho interessante ny adihevitra fa raha ho lany andro hanazava aminao kosa izany hoe allegorie izany dia toa mba tsy milay ê.Aza gaga loatra raha ny ampahany no ho valian'ny olona!!
34. tsimiandravola ( 21/07/2005 22:37)
Na mitady hevitra ny hanànana rafi-piaraha-monina ahafahana mifanohana,fa ny entan-jaraina hono mora zaka.

Tena izay indrindra ny an'ny kristiana sy ilàna ny fiangonana rahalahy.
Eto amin'ity ohatra ity no irika mazava iray ,manampy ny mpamaky hahazo ny hosoka fanaon'ny Kristianina tany am-boalohany raha nangalatahaka sy nisandoka ny fivavahana paienne ry zareo.
Misy hevitra iray na fampianarana iray eritreretin'izy ireny ho mety amin'ny Kristianisma,dia alainy ho azy toy io vao nataon'i Jentilisa io.Marina fa tsy vaovao io,fa tsy ny Kristianina kosa no tompony.
35. tsimiandravola ( 21/07/2005 22:53)
Misy ny kivy manoloana ny vaovao mazava loatra fa misy kosa ny mikaroka ny vaha-olana. Izay fikaroham-bahaolana izay no voliaina apetraky ny kristianisma rahalahy!
Ity koa mbola misy mitovy amin'ilay teo manamporofo ny fihetsiky ny Kristianina.
Ny tena position Kristianina dia ny fanimbana,ny famelana ho faty izay ho faty(fimailo voarara ohatra),fandrobàna,famitahana sns.Azo vinaniana mora foana ny antony,dia satria ny Jesoa inoany dia ,mpahary,mpanasitrana....Inona no ivakian'ny Kristianisma loha amin'izay petrolen'ialahy any...ny azy rehefa tonga ny farandro dia i Kristy no hamelombolo ny zava-drehetra...

Kanefa moa rehefa voavaky bantsilana ry zareo dia izy indray no miseho ho lohalaharana amin'ny tontolo iainana sy ny economie d'energie toa an'i Jentilisa io.
36. tsimiandravola ( 21/07/2005 23:20)
jentilisa:

Nametraka teoria izy saingy resy tanteraka izany ankehitriny! indrisy...ny antony? satria tsy tao ilay atao hoe finoana izay zavatra atahoran-dra-Tsimiandravola fatratra! KOa ny fanontaniako dia hoe zava-mahadomelina tokoa ve ny finoana sa...sao dia vary tokony hohanina isan'andro?
...Na dia atahoran-dra-Tsimiandravola fatratra izany hoe finoana izany nefa tsy hisisika hanoratra eto izy raha tsy mino fa hahatarika ny olona hitovy fisainana aminy. Sa tsy misy izay finoana izay ao aminao? raha tsy misy dia inona no hanoratana eto? Valio! valio! valio!
Ho valiako mihitsy moa izany!!!!!
Fanamarihana kely ho an'i Sonwin:eto ny protégé-nao dia hita fa "partir en c..." hoy ny vazaha.

Ny finoana re ry Jentilisa ilaina â:voatery indray aho manazava antsimpirihin-javatra amin'ny olona tsy dia ampy fahitàna :D

Ny finoanao sy ny an'ny Kristianna anie no asiko eto fa tsy ny ahy e!!Oadray lé!!!
Io no tena sekta mahery vaika indrindra ka izay no amelezako azy aloha:lol:

Ary raha tsiahiviko eto ny antony maha-zava-domelina ny finoana Kristianina dia satria tsy afa-mijoro eo imason'ny tantara akory na ny fisian'i Jesoa izay ivon'ny finoanareo aza.Voatery ianareo miankina amin'ny finoana sy ny teny faminanian'ny testamenta taloha,izay tsy mitombina ihany koa.

Izany hoe stratégie angaha ny an'i Jentilisa mba hampisavoritahana ny lanin-kofehy.Izaho aloha dia miala tsiny fa ny androan-tokon'androko eto dia manao ezaka be mihitsy anakarana ny tian'i Jentilisa ho lazaina.Dia ho lazain'i Jentilisa indray ve aho fa naze????

Ny tena efficace amin'i Jentilisa dia mandeha mivavaka amim-pinoana mba tsy hisy hamaky itony resantsika itony,tsy izay???




37. jentilisa ( 22/07/2005 08:00)
tsimiandravola:

.Ny vaha olana maro mpandray(satria koa asiana dokam-barotra be) dia ny fandraisana ny "zava-maha-domelina" antsoina hoe "finoana",izay tsy mahari-traika fa tsy maintsy asiana letra (injection) isan'andro,na isan-kalahady.

Hazavao amiko io teny io raha lazainao fa ilaina ny finoana. Misy ve ny finoana ilaina fa misy ny finoana zava-mahadomelina? inona no manavaka azy roa ireo. Izaho mbola tsy nanao tsinontsinona anao mihitsy fa noraisiko ho zava-dehibe ny firesahana aminao fa na tianao na tsy tianao mino aho fa rehefa hiresaka maharitraritra eto isika dia ho loha-laharana amin'ilay enjehinao ho mpisandoka ianao.

Tsarovy fa teninao tany amin'ny voalohany indrindra ireo noraisiko ireo

38. jentilisa ( 22/07/2005 08:03)
RockyMaivia:

Dear friends,
Do not believe everyone who claims to speak by the Spirit. You must test them to see if the spirit they have comes from God. For there are many false prophets in the world. This is the way to find out if they have the Spirit of God: If a prophet acknowledges that Jesus Christ became a human being, that person has the Spirit of God. If a prophet does not acknowledge Jesus, that person is not from God. Such a person has the spirit of the Antichrist. You have heard that he is going to come into the world, and he is already here.
But you belong to God, my dear children. You have already won your fight with these false prophets, because the Spirit who lives in you is greater than the spirit who lives in the world. These people belong to this world, so they speak from the world's viewpoint, and the world listens to them. But we belong to God; that is why those who know God listen to us. If they do not belong to God, they do not listen to us. That is how we know if someone has the Spirit of truth or the spirit of deception.
1 John 4:1-6 (NLT)

"And now beware! Be sure that you feed and shepherd God's flock -- his church, purchased with his blood -- over whom the Holy Spirit has appointed you as elders. I know full well that false teachers, like vicious wolves, will come in among you after I leave, not sparing the flock. Even some of you will distort the truth in order to draw a following. Watch out! Remember the three years I was with you -- my constant watch and care over you night and day, and my many tears for you.
Acts 20:28-31 (NLT)


Ataovy @ teny malagasy aza fady fa efa misy ny baiboly amin'ny teny malagasy
39. jentilisa ( 22/07/2005 08:16)
tsimiandravola:

Hitako eto fa i Paoly no toa ohatry ny mahatonga anao ho tena sûr be amin'ny finoanao sa ahoana?
Ny fahatsapako azy dia ianao no tena tsy mahafantatra an'i Paoly (Saûl).Araka ny nianarako (sa tsy tianareo indray ny loharanoko????)Ny Dikan'ny Saul dia "miatsapika"=boîteux,sady efa nilaza koa izy fa misy kilema (écharde dans la chair).Olona misy kilema nefa dia tsy voatana any amin'ny fianakavian'ny mpisorona,dia rangitra lery,dia lasa nitsaoka nitady opportunité hafa=namadika palitao.Diniho daholo ny fihetsiny sy ny "fanambarana" azony fa vokatry ny takaitrany,manana aretina "epilepsie"???nianjera tambony soavaly.Jambena ary tsy nahita naharitra.

Nasiana tsilo ny tenany mba tsy ahafahany mirehareha fa izy no tena mahavita azy. Keliray no dikan'ny anarany. Izy dia taranaky ny Benjamina noho izany tsy afaka ny hiditra ao amin'ny fisoronana izay natokana ho an'ny taranaky Levy irery ihany. Noho izany nisy nanodin-doha ianao raha ny momba izay fampianarana izay. Tsarovy ihany koa fa na dia tsy Levy aza izy dia nomena fahefana matoa afaka nanenjika ny kristiana izay nitsoaka tany ivelan'i Jodea. Izay fanomezana fahefana azy izany dia tombotsoa manokana azy irery. MIdika izany fa tena nafana fo tamin'ny finoana nisy azy izy tamin'izany.

Nanoratra momba an'i Paoly aho hanamabara mialoha sahady fa ho toy an'i Saoly na Paoly koa ianao rehefa mitozo dia mitozo amin'izao lalanao izao. amen.

40. jentilisa ( 22/07/2005 08:25)
tsimiandravola:

Miala tsiny aloha fa amiko na Soisa ianao na Frantsay,rehefa vongan-dity ianao dia vongan-dity,na manam-pidira-bola be na be diploma be aza.

Olombelona ireo rahalahy fa tsy vongan-dity araka ny filazanao. Sao dia nifoka zava-mahadomelina kosa ary ianao sanatrian'izany ka olona no lasa zavatra hafa? Tsy miresaka frantsay aho aloha! Fa inona koa ary no nampidiran'ireo vola be izany, sa tsy noho izy nino ny voalazan'ny "fisandohana kristiana"? Moa io ve tsy manamporofo fa tena mampioitra be ny olona mihitsy izany "fisandohana" izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1843