Tena very ny maha malagasy raha vao tonga aty an- dafy

61. mandrindra ( 07/07/2005 13:45)
Raha hitanreo hoe very ka tsy hita hoe nankaiza dia mametrana plainte any amin'ny polisy, dia manaova ihany koa afisy avis de recherche eran'ny tanana.

Fa izaho aloha ry haingo23 tsy mitovy hevitra aminao hoe ny fivavahana kristiana dia fandrosoana tsara noho ny fanompoana sampy sy ny fanekana ny razana. Samy finona ireo tsy misy azo tsapaintanana, tsy misy mipetraka amin'ny fototra mazava ireo.
62. sasa ( 07/07/2005 13:52)
very ka hita indray e
63. fasaly ( 07/07/2005 15:58)
de raha hita de ho tahirizina sy ho kajiana...
64. yonikafopl ( 07/07/2005 18:51)
ka tsy haiko mihintsy le maha gasy very nge eee

ohatra zao an, le famadihana, rehefa milevina aty andafy ve de we mbola nde havadika kou de le fonosina tsihy sy andihizana reny???

de le manao didimpoitra kounkou, de ho lanjalanjaina sy atao eo ambony loana sy inn kou mouu zany ve le bandikely ho tapahana??

za njay klou gasy ray gasy reny gasy mandrapahafaty.
65. sasa ( 08/07/2005 04:55)
yonikafopl, miankina am zava-misy io akia an, le maha-gasy anie tsy very mintsy e, fa raha vao miova kely fotsiny ny fombanjy d zay no mahatonga ny olona milaza fa very, nefa njy en personne tsy mahatsapa izany hoe very le mahagasy
66. fasaly ( 08/07/2005 07:00)
ka lay atao hoe miova anie fivoarana fa tsy manary ny maha gasy e! fa tsy mijanona ho primitifs eo foana akory e!
67. xxx ( 08/07/2005 07:49)
Ka ilay mitafy lamba sy malabary ve ny ataontsika hoe gasy sa ilay mankafy ravitoto sy kobandravina, sady manao fanorona fa tsy echecs ,sa miheno hira gasy poopy na ramilison fa tsy RNB na Rock, sa manao famadihana, tsy manambady hafa razana, kristianina sady manao raokandro rehefa manao fasana sy trano, sy ny sisa. ? sa inona marina e !

Misy miteny hoe rehefa mahay miteny gasy na mahatsapa tena hoe gasy dia izay ihany fa tsy hay aloha e !
68. mandrindra ( 08/07/2005 08:21)
io fehezanten'i xxx farany io no tena izy,
io fa hita ilay mahagasy very fa sambory dia tano amin'izay ary aza ariana intsony an!!
69. kally ( 08/07/2005 08:23)
Tsy ilay endrika ivelany intsony aloha no maha gasy amin'izao satria nisy ny nanaraka ny fivoarana fa na t@ faha-mpanjaka aza dia efa niakanjo daholo ny mpanjaka ankoatr'Anandrianampoinimerina (izay aloha no hitako t@ sary) nisy ny tsara izay noraisina fa ao ilay endrika anaty no tena maha gasy ny gasy na maha sinoa ny sinoa na maha frantsay ny frantsay ets.
Fa eo ilay fomba: ny famadihana mbola betsaka no manao an'io ary na any ivelany aza dia mody ny sasany rehefa hamadika,ny fomba fandevenana,na dia efa misy aza no mandoro razana, ny fomba fihetsika , ny fomba fifandraisana amin'olona (sariaka sy mahay mampiantrano matetika)ary indrindra ny fomba fiteny.Ny mahagaga dia ny gasy sy ny frantsay no tena isan'ny mpanary an'io fomba fiteny io.Raha any ivelany ianao,inona moa no hahaizanao maneho ny maha gasy anao ankoatry ny teninao?Ka rehefa "mirehaka" ho tsy mahay miteny gasy intsony dia anao ny anao.Ihomehezan'ny olona hoe hay ve ny teninareo mifangaro teny frantsay e?
70. dadabe ( 09/07/2005 03:54)
tssssssss ny gasy efa haiko fa aleo klou zah hitady ny maha sinoa ahy de aveo zah hitady ny maha libanaise ahy :wink:
71. zandrikely ( 09/07/2005 09:08)
ny gasy aloha hafa ihany e , na hoiza enao na ho aiza tsy ahita toa an'i gasy , ilay fitaizana gasy no tena hafa mihintsy , ireny olona manary na manadino fombandrazana ireny dia atao hoe manaraka ny toetrandro sy fivoarana nefa tsy mankaiza akory , mihevitra fa rehefa mety fivoarana dia tsara daholo , eny e misy ko anie ny fomban'ny gasy tsy mety , nefa tsy kely ko ny tsara azo tarafina indrindra @ zao fotona zao
72. mishou ( 09/07/2005 22:52)
fa zany kalongany eo ihany fa te hahita izany toerana mivarotra zavatra vita gasy izany ao paris aho raha mba misy afaka manoro ilay toerana sao dia mba misy mahasoa ahy ihany
za manko rehefa manao cadeau olona de manafatra avy any dago foana de tantara be manraka ny arabe foana ilay izy de manomboka leo aho de rehefa mahazo aho de misy gasy namana milaza hoe nefa eto paris misy braderie, misy mpivarotra, misy tsy haiko
mba atoroy raha mety e:-P
73. fijo ( 09/07/2005 23:23)
haingo23,ny fivavahana kristianina aloha dia anisan'ny nanimba ny mahagasy tokoa e.tsy fanatsarana io fa fanimbana aza.izao ny gasy sady tsy tena kristianina,no tsy tena manaraka ny finoan drazany intsony.
yonika le famadihana sy ny karazany.fa maninona no hatsahatra rehefa aty ivelany?ny jiosy izao na aty frantsa na aiza dia mitandro ary tsy menatra ny manaraka ny fombany hatrany.ary izay no hanajan'ny olona azy.
74. dadabe ( 10/07/2005 12:31)
:-w:-w
75. fijo ( 13/07/2005 21:37)
eo bedada avadiho kely ao ireo kely maso ireo an
76. sonwin ( 14/07/2005 21:08)
:lol:
77. Veloo ( 26/07/2005 17:54)
:-w:-w:-w:-w
78. fijo ( 01/08/2005 22:43)
kay,toa lasa saina
79. Veloo ( 08/08/2005 18:14)
fijo a loza lesy knou... tsy mety miova ry zalahy :-D:-D:-D
80. fijo ( 10/08/2005 22:12)
ndry ary aloha no mihova dia hiova koa ireo avy eo e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3898