Tena very ny maha malagasy raha vao tonga aty an- dafy

1. bako ( 23/06/2005 17:36)
marary b ny foko fa tena miova ny toetsain-tsika raha vao mipetraka aty fa very daholo ny fanabeazana azo tany.
novalian'i fijo ny 10/08/2005 22:12
2. zandrikely ( 23/06/2005 18:37)
tsy dia marina zany fa miankina amin'ilay olona io , ary tena miankina t@ fanabeazana tany antanana izany , hafa ihany anie ny fanabeazana gasy e
3. sorom ( 23/06/2005 18:48)
Tsy ny toerana kosa angamba no manova olona fa ny tontolo manodidina rehetra e! Noho izany tsy ny "andafy" no omen-tsiny fa mandray anjara lehibe ao anatin'ny fanefena olona iray ny tontolo manodidina azy.

Ny fanabeazana olona iray dia ifandrombonan-javatra maro samihafa; noho izany dia ny safidiny dia antoka lehibe eo amin'ny fiovana. Raha misafidy ny hitana ny momba azy izy fa tsy hivelatra amin'ny manodidina dia tratra farany eo. Raha misafidy ny hivelatra amin'ny manodidina izy ka tsy hifehy ny efa azy hatramin'izay dia tsinontsinona fa tavela eo anelanelan'ny kolontsaina roa!

Izay ange ilay hoe "Andrianiko ny Teniko, fa ny an'ny hafa koa feheziko" e. Raha miresaka hoe Teny dia voafaoka safobemantsina ao anatin'izany ny kolontsaina iray manontolo...

:-w
4. rurik ( 23/06/2005 20:15)
bako fa ahoana no mahatonga anao miteny izany???
5. fijo ( 23/06/2005 20:16)
marina io voalazan'i zandrikely io.arakaraky ny olona io.misy dia tsy menatra ny mijoro sy maneho ny maha gasy azy.misy dia na ny teny gasy aza lazainy fa tsy tadidiny intsony.(aza very saina ihany wa)
6. sasa ( 24/06/2005 05:54)
zay aloha aty d tsy mahay ny any e fa na aty aza anie efaka miova ny toe-tsaina fa tsy voatery ny olona lasa any an-dafy ihany e, sady miankina amin'ny tsirairay sy ny fitaizana azony io kou
7. yonikafopl ( 24/06/2005 06:00)
gasy gasy ka manja eeee, za njay na aiza na aiza de gasy ihany gasy hatrany.:)
8. sipagasy ( 24/06/2005 06:14)
wadray fa ahoana koa izany??? izany y ataoko hoe Bold textoul tsy manana hazon-damosinaBold text marina e!!!
9. radriana ( 24/06/2005 07:29)
Ianareo ve tsy maha-remarque hoe ny gasy vao tonga aty andafy mody bonaika sy manao vendrambedrana fa fatsora be par rapport ny gasy efa nipetraka ela taty amizao fotoana izao
10. majakely ( 24/06/2005 08:08)
Fa ahoana kosa moa no hitazomana marina ny fanao tany madagasikara ,eny fa na dia tsy tiana ho very aza ! Ohatra fotsiny izao an:ny olona aty dia samy any an-tranony ary na ny mpifanolo-bodirindrina aza zara raha mifampiarahaba de izay!! Indraindray fotsiny mba mifankahita rehefa mifanasa hiaraka hisotro zavatra iny ohatra !! Ny ao ankilanao tsy taitra akory na tsy mahita anao aza !Nefa any Dago mba mifankahita foana ! Indraindray koa teren'ny zava-misy no mahatonga an'ilay toetra hiova fa tsy fanahiniana tsy akory !! Sa ahoana hoy ianareo?!
11. terra ( 24/06/2005 09:54)
8O
Tsy maninona zany fa safidiny raha very ny fombany fa izy ihany no tsarain'ny malagasy ndray andro????
12. Riffeur ( 24/06/2005 09:56)
sorom> marina ny anareo. milay rehefa ouvert sy comprehensif @ revy manodidina azy na tsy tiana aza fa mba curieux. fa raha borné revy gasy foana dia ao marina ny raisina. naturen'ny tsirairay angamba io fa tsy haiko fa @ culturen'zay pays misy anao misy zavatra milay fa tsy ny gasy foana akory ny varatra na bombe. amiko diso be le fiteny hoe gasy ka manja. ny reveko dia "anaranao" ka manja, LOLLLLLLLLLLLLLLL
13. dadabe ( 24/06/2005 10:28)
ho anay eto dago de manja ny revy !! zay gasy ka manja e:D
14. STONG ( 24/06/2005 10:36)
marina ny anareo,miankina @ tsirairay io.
Dia samy ho tratry ny 26 jona daholo ny namana ato @ serasera (fetin'ny vrai GASY io an!)=D=D=D=D
15. routa ( 24/06/2005 10:49)
misy hiany ny fahamarinan io hevitra io ka lasa miavona ary misy tsy tiany mihitsy ny ho fantatra hoe gasy izy, de malahelo be aho fa mba samy gasy hiany e!,fa misy kosa tena na le fitafy aza tsy very ry reto a!
16. chipie1 ( 24/06/2005 11:12)
bako > : zany koa ve dia hatao makarary fo ?:-@=))
17. zakilinina ( 24/06/2005 12:12)
Mankarary fo ihany ry chipie1 !
Tranga 3 no fisehony :
1 - avona amin'ny mpiray tanindrazana
2 - fitenenana gasy vary amin'anana. Izany hoe rehefa miteny gasy dia asiana teny vahiny matetika. Raha miteny vahiny indray dia tsy mahavita loatra manisy teny gasy matetitetika.
3 - rehefa tsy miteny afa tsy teny vahiny dia ahitana matetika diso sy "tic verbal".
18. routa ( 24/06/2005 12:22)
ZAKILININA>marina ireo fa io hitanao io hevitr i chipie1io mety io
19. kally ( 24/06/2005 12:31)
Fiainana fohy ity,aza dia marary fo @ hadalàn'ny olona ianareo fa izay no hitany fa maha avoavo azy.Ny ahy izao izay hahamety ny fiainako no ataoko, fa raha sendra miresaka amiko kosa aloha no miseho ho tsy mahay teny gasy dia ampianariko e!:lol:
20. majakely ( 24/06/2005 16:24)
Kally+hendry!=D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9681