"le pardon"

1. booboo ( 23/05/2005 12:58)
Azafady fa tsy @ teny gasy ilay lohateny. Saika hanontany ny hevitrareo zà : "tout pardonner est-il possible?" Ohatra oe ny viol, ny famonoana ny iraika @ fianakavianao (na izy iray manontolo mitsy), ny fiampagana diso ka nampa-"bousillé" ny fiainanao, ny fampiresafesana eo @ mpifankatia (indrindra raha efa nivady na efa niaraka efa an-taonany maro) etc. ?
Haiko hoe "tiava ny fahavalonao ...." fa sarotra tena sarotra zany @ maha olombelona sa mora ? sa vitan'ny hoe" minoa fotsiny ihany " ? Tena tsy mananihany zà a!
2. ari.malala ( 23/05/2005 13:19)
sarotra be aky zany r'i booboo â! tsy vita izany! Marina fa misy an'ilay teny hoe raha tsy mamela ny hadisoan'ny olona ianareo dia tsy havelan'ny Rainareo izay any an-danitra ny hadisoanareo, fa tena @ maha olombelona tsy possible!

3. mandrindra ( 23/05/2005 15:24)
Maso takalo maso, nify takalo nify ary aina takalo aina.
4. booboo ( 23/05/2005 16:10)
hummm
5. Veloo ( 23/05/2005 16:54)
sarotra amin-tsika @ voalohany ny mamela oul izay nanao ratsy antsika nefa a la longue mande ny andro hay ihany ny hafarany.. Jesosy mahaiza mamela heloka 7x70 isika..rehefa manana an'ny jesosy ao am-po dia mahay memela heloka... isika anefa dia olombelona be fahotana :twisted::twisted:
6. pitchou ( 23/05/2005 19:23)
izaho indray aloha ny fahitako azy dia mila famaizana sahaza izay hadisoana nataony ireny olona ireny e! satria raha tsy manao izany isika, raha mamela ireny heloka ireny @zao dia naman'ny mankasitraka izay nataony! (mitovy hevitra @i mandrindra aho)
7. marozevo ( 23/05/2005 22:25)
Ny ao am-po tsy misy mahalala. Ny fo no tena mamela fa tsy ny saina, ary tena sarotra. Mitovy hevitra amin'i pitchou aho eto, saingy hazavaiko kely fotsiny ny hevitro. Ny hoe mamela (ao am-po) tsy midika fa avela hanjakazaka ny ratsy. Tsy maintsy toherina hatramin'ny farany, araka izay tratra sy araka ny fomba azo atao. Ohatra : Nisy nangalatra, azonao avela any am-ponao any izy, saingy tsy maintsy ataonao kosa izay hampiharana ny lalana momba azy sy izay nataony. Heveriko fa izay no fahamarinana sy famelana.
Hevitro irery anefa io anh.
8. maditra ( 24/05/2005 05:11)
Marina doly aloha izany ary amiko koa, tsy possible, amin'ny maha olombelona izany hamela olona nanao zavatra tena ratsy ho anao izay. Angamba hoe aho, tsy ny hamela azy tanteraka, na ny hanadino ny ratsy vitany no tena tian'i Kristy tenenina eto, fa ny tsy hamalianao ratsy aminy fotsiny. Azonao atao (raha tena gravy) ny mitondra azy amin'ny manampahefana, fa tsy anjaranao ny mamono azy toy ny ataon'ny olona ankehitriny mahatratra mpangalatra ireny. Dia raha namono ny olona tianao izy, tsy tokony hovonoinao koa ny olona tiany. Izay "maso efay maso" izay mihitsy no tsy mety(hevitro). Mety tsy ho adinonao ao am-ponao hoy aho ny zavatra ratsy nataony, ary ataoko fa tsy fahotana izay, fa aza valiana fotsiny. Avelao izy sy ny lalana hifanazava.
9. dadabe ( 24/05/2005 06:07)
hhmm tiava ny fahavalonao:-w:-w henjana zany booboo a
10. yonikafopl ( 24/05/2005 07:12)
amin'ny maha olombelona io tena sarotra booboo an, fa ny ahy ny hitondrako azy de ilay hoe, aza mamaly ratsy ny ratsy... fa ny Rainareo any an-danitra no hanambatra vainafo eo andohany.
11. haingo23 ( 24/05/2005 12:00)
Izaho dia miobonkevitra @ yonikafopl. Ny famelana dia ny saina sy ny fo io. Avela fotsiny any ary tsy atao mankarary fo sy saina ary tsy anaovana lolompo izany.
12. booboo ( 24/05/2005 12:16)
haingo23> tena mino ve ianao fa mahavita tsy marary fo sy saina sy madio am-po ? dia tena tsy raharahinao mihitsy ve raha enao no hitrangan'izany ? ny hamaly faty mety ho vita ihany fa ny ambiny ve possible aminao ?
13. routa ( 24/05/2005 12:28)
Ny fampirafesana ataon ny vady ny fanendrikendrehana ny fankahalan ny olona > ireo zavatra efa nahazo ahy ary izaho tsy nanao na inona 2 indray aza no nifona .
ary ny zavatra voamariko raha vao avy mifona aho de feno fifaliana be ny ao anatiko .Tsara ny manetry tena ,fa itanareo raha tena tsy nanao ratsy ianao mamaly Andriamanitra marina io tenin i yonikafopl sy haingo23 io tsy ela ny valiny .Ny viol sy ny famonoana ny havana tsy nahazo ahy zany ary iriko tsy ahazo ahy koa anefa fa sarotra izany .Ny ahy le hoe anareo hangina fa zaho no hiady hoanareo zay fona no ao andohako ,
14. bichette ( 24/05/2005 13:42)
ie, aza mamaly ratsy fa tsy ahazaoana tombotsoa ary tsy mahasambatra akory ny mamaly, mety hoe afa-po fotsiny eo ny eo kanefa tsy misy fahasambarana mihitsy avy eo fa mitovy ihany.
ilay hoe pardon aloha dia tokony mi pardonner marina e fa izao kosa : ohatra hoe mpisipa ohatra ka nampirafy ilay bandy (ohatra wa an )dia namela ilay sipa, rehefa hoe namela izy dia tsy TSY VOATERY hoe miaraka aminy foana fa tsy tezitra aminy intsony fa ZONY ny tsy miaraka aminy intsony, tsy midika izany hoe tsy namelya ilay sipa.
Ohatr hafa hoe misy mpanampy nangalatra ao amin'ny trano iray dia tratra dia nangataka pardon, dia navelan'ny tompontrano ny helony (tsy nitoriany tany amin'ny tiribonaly satria nivoady tsy hanao intsony), dia tsy nitory ilay tompontrano fa nasainy nangorona ny entany ilay mpanampy satria tsy tiany tazoniny intsony.
Ny tiako lazaina dia hoe, tsy rehefa he namela akory dia tsy maintsy mitovy toy ny teo aloha ny fifandraisana, ary tsy midika izany hoe tsy namela ilay tompontrano fa MAILO SY MITANDRINA fotsiny dia noroahiny tsy hiasa ao aminy intsony ilay mpanampy satria SAO TAFAmerina ka mailo ny tompontrano.
15. dadabe ( 24/05/2005 17:20)
zayyy marina zany :)
16. marozevo ( 24/05/2005 23:19)
Ohatra anankiray velona ihany koa, manampy izay lazain'i Bichette. Andriamatoa Agca Aly, ilay nitifitra an'i Papa Jean Paul II tamin'ny 13 mai 1981. Notsaraina izy, ary nogadraina, na dia efa niteny aza ny Papa fa mamela azy. Ho porofon'ny famelany dia namangy azy teny Rebbibia ny Papa. Nandritra azy nigadra dia tonga namangy ny Papa ny fianakaviany, nangatam-pamelana ho azy, fa izy Agca tsy mbola niloa-bava nangatam-pamelana akory.
Isaorana Andriamanitra fa efa nivoaka ny fonja izy, na dia voaheloka mandram-pahafaty aza, noho ny fahendreny tao am-ponja (bonne conduite). Antenaina fa niova izy.
17. yonikafopl ( 25/05/2005 08:09)
:roll: hay ve
18. sorom ( 26/05/2005 12:28)
Tsy haintsika olombelona ny famelana raha tsy efa avy any ambony ny ohatra! Ny tiako ambara dia tsotra: raha ny toetsika amin'ny maha-olombelona, dia tsy hamela mihitsy isika (sinful nature); saingy Andriamanitra miasa amin'ny fomba rehetra ao anatin'ny tsirairay, eny fa na dia amin'ny "tsy mino" Azy aza ka mahatonga ny Fanahy Masina mandresy lahatra antsika hamela...
Raha tianao ny hamela dia angataho ny Fanahy Masina ary maneke hotarihiny amin'ny famelana; dia ho gaga ianao fa ny olona tsy tiany havela heloka indrindra no ho voavelanao heloka...
Tsy izay ve le hoe "Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao dia hiadana" ? Tsy misy fiadanana raha tsy misy famelan-keloka... Miadana ve aho raha mbola mahatsapa fa misy olona tsy namela ahy?...

Mahafinaritra sady mahasoa le dinika e...:arrow::idea:
19. sonwin ( 26/05/2005 12:43)
booboo:

Azafady fa tsy @ teny gasy ilay lohateny. Saika hanontany ny hevitrareo zà : "tout pardonner est-il possible?"


Sambatra ny mamindra fo fa hamindrana fo.
Aoka ho mpamindra fo ianareo, tahaka ilay Rainareo izay any an-danitra
Tiavo ny fahavalonareo, mivavaha ho azy
Ahy ny famaliana hoy i Iaveh (Jehovah)

Izay fahaizana mamindra fo (tout pardonner)izay no tokony hampiavaka ny kristianina amin'ny tsy kristianina
20. dadabe ( 26/05/2005 16:21)
frera >amen !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.566