"le pardon"

21. pitchou ( 26/05/2005 19:43)
ny famaizana sahaza tsy midika aloha hoe tsy mamela heloka e! fa misy kosa ny heloka azo avela ary misy ny tsy mety avela, na tsy lefitra mihitsy! izany angamba no nisian'ny atao hoe fahotana mahafaty?
22. marozevo ( 26/05/2005 23:44)
pitchou oh !! Na ilay fahotana mahafaty aza, ka ifonana amin'ny fo marina tokoa, dia avelan'Andriamanitra foana. Ny fahotana tsy avelan'Andriamanitra dia tokana ihany. Inona ary io, hoy ianao. Izay tsy angatahana fifonana aminy ihany no tsy avelany. Ny tsy mifona manko dia midika hoe tsy fihainoana ny Fanahy Masina.
23. bichette ( 27/05/2005 09:06)

marozevo > ekena
pitchou > ny famonoan-tena no heloka tsy azo avela satria efa maty ka !
raha ny famindrampon'Atra aloha no resahina dia vakio ny salamo 103 fa ao no ahitana ny momban'ny fon'Atra, ny toetrany
24. pitchou ( 27/05/2005 13:04)
marozevo> tena mino ve ianao hoe raha ny olona maminao indrindra no potehan\'ny olona na vonoin\'ny olona eo ambany masonao d hisaotra ilay nahavita izany ianao ka hamela tsotra izao? izaho aloha tsy hihatsaravelatsihy fa tsy tantiko izany ary tsy hamela izany aho e!
bichette> désolée aky fa izaho tsy karazan\'irony olona mifikitra @ izay soratra hita fa mihevitra ny hevitra tiany lazaina a! :D
indry izany tsy problema @ndry ve ze anaovan\'ny olona ny mpiara-belona amin-dry? izaho raha vao tsy rariny na amiko na @hafa dia tsy manaiky aho! ary tena mahatsiaro ny tenako ho diso aho raha mamela zavatra oran\'izany handalo fotsiny! satria aminko ny finoana tsy fanekena sy fiononana fotsiny!
25. routa ( 27/05/2005 16:50)
pitchou>tsy miditra @ resakareo aho fa manampy eny azo lazaina hoe miditra hiany fa izao itanao tena sarotra be ny mamela ndrindra itan ny masonao izany namono ny maminao ,zao anefa tsy hamela azy ahoana hianao mitondra mankaiza ny valifaty?.izay mafy hoy aho nefa jereo ange iry tenin ny sorom iry e! mitombina io .
Za zao vao t@ herinandro 2lasa zay niadivan olona nidirany tao an-trano, izy ndray no be vava tena tsy fiteny ny teniny nefa de zao lasa aho nangataka fifanazavana de laziny fa ny zanako no diso de nanao azafady , ary tsapako famisy fifaliana ao anatiko avy eo menatra koa izy ary atao @ fo fa mitondra fahasambarana be antsika io andramo ary mivavaha hialany izany valifaty zany ao aminao fa avelao ny TOMPO no hiasa ary avelao izy no hamaly e!fa voalaza fa: Ahy ny famaliana.
26. sorom ( 27/05/2005 17:15)
routa> miara-misaotra an'Andriamanitra aminao aho fa Azy ny fampianarana antsika hamela ny faran'izay heverintsika ho fahavalo...

Mahereza ry Sakaiza a!

:lol::lol:
27. routa ( 27/05/2005 17:37)
de misaotra betsaka ianareo koa mahereza e!:D
28. pitchou ( 27/05/2005 20:19)
asa aloha e! nareo ve izany koa raha manao hadisoana dia ny hafa no hoe hibaby an'izany @ toieranareo satria nareo no mibaby ny hadisoany? marina aho rtaha hahita fahafinaretana @izany hoe zaho hono ohatra no nangalatra d le hafa no ndeha hotanana na hibaboka! rehefa izaho no nanao azy dia izaho no mizaka azy rehefa ny hafa dia izy! izay angamba ny ahy no ataoko hoe rariny sy hitsiny! ary amiko ny finoana dia mahafaoka koa ny atao hoe rariny! fa izaho tena tsy mihevitra mihitsy hoe valifaty izany manafay izany!
hevero ange ny zanakao nanao zavatra tena tsy tokony natao: hionona ve ianao hivavaka hoe ianao no aoka ho diso sa hibedy na hikapoka azy ho setrin'izay? karazana valifaty @ ditra nataony ihany koa izay, ary nefa mety tsy ho heloka be noho ny ataon'ny hafa! dia rariny ve raha ny zanaka valiana faty @ ditra nataony fa ny hafa avela handalo @zao? dia otran'izay no fahitako azy! tsy misy hafa mihitsy!
29. dadabe ( 28/05/2005 17:30)
hmm marina ara-nofo zany
30. routa ( 29/05/2005 10:50)
pichou>itanao tsy azonao angamba ny tiko ho lazaina
ilay olona no niady t@ zanako de zaho nadeha tany aminy de nifanazava avy eo de nifona aho nolazaiko mihitsy hoe raha izany zany no fandraisanao azy de manao azafa aminareo ny @ zanako aho.Lazaiko anao fa raha tsy diso tsika nefa isika ndray no ùmifona fifalina izay no itako ao anatiko . Lazaiko anao tsara fa menatra izy , ary raha ny zanako no nanao diso ampianariko miaiky ny fahadisoany koa izy ary za ko aloha tsy de nieritreritra hoe hanao zavvadoza ohatra hoe: mamono olona ny zanako e! tsy iriko izany fa ny ahy ny fiainako miankina @ Andriamanitra daholo na ny fitaizana zaza aza tsy efako irery io raha tsy miaraka @ JESOSY tsy mora ny mitaiza manko e! ary na ny zanako aza mahita hoe maman ve no hifona ho ahy de tsy manao izy raha tiny aho sady atoroko azy hoe itanao io zao na tsy nanao ratsy mba tsy hisian ny olana de manao azafady maika raha manao ratsy nareo ahoana i maman zay.Ny tianao lazaina faharoa moa tsy mazava amiko loatra fa zao ny ahy no zava-dehibe ny fitiavana fandeferana fanetretena sy ny sisa itanao na efa misy kely ananako aza ireo ngatahako foana hitoetra sy hitombo ao anatiko.Aza tezitra ianao fa fanazavana ny ahy sao mahatezitra anao manko
31. dadabe ( 29/05/2005 14:41)
hhmmm
32. methode ( 30/05/2005 01:03)
Ny zavatra tokony ho ao an-tsaina dia ny fitiavana no lehibe indrindra ary io no nampianarin'i Jesoa! hoan'ny Kristianina dia Jesoa no modely! Izay nataon'i Jesoa no ianarana!!! Raha eo ny fitiavana dia vita daholo hatramin'ny sarotra indrindra aza!!!
Ny fitiavana aloha no mialoha ny famelana!!! Ny famelanao olona iray hanao ny asa ratsiny dia tsy fitiavana fa vao maika fanapotehana azy. Ny tokony haseho dia hoe na dia ny famaizana ataonao aza dia fanehoam-pitiavana!! Hoy isika Malagasy hoe ny zazatiana tsy itsitsiana rotsakazo!!!
Tadidinareo koa angamba ny nanjo ilay vehivavy tratra nijangajanga!!! Jesoa tsy nilaza mihitsy hoe aza misy mikasika n'io! Mendrika ny saziny izy fa izay tsy meloka no afaka manasazy azy! Hoan'i Jesoa dia efa ampy hanova azy ny nanjo ilay ramatoa ka tsy mila ampiharina intsony ny sazy!!! Ny fiovana no tadiavina! Io ilay fitiavana ny olona. Ohatra io! Sarotra ny mampihatra azy nefa raha mbola tsy tonga amin'izay isika dia tsy mbola tena Kristianina fa mbola anarany fotsiny!!!
33. JobeTDM ( 30/05/2005 01:14)
Mahafinaritra be ny fanazavan'i Methode.
Methode :-*
34. dadabe ( 30/05/2005 03:59)
ary ity jobetdm ity tia mandamoro be a:^):^)
35. sorom ( 30/05/2005 05:17)
Methode> Mankalaza e!
36. routa ( 30/05/2005 11:35)
zay ndrindra ry Methode misaotra anao fa mazava ny lesona:D
37. bichette ( 30/05/2005 15:40)
pitchou > dia sahy miteny ve indry aky fa tena afa-po rehefa namaly faty ? :-*
methode > misaotra ny amin'ny fanazavana :°):-*:-*
38. bichette ( 30/05/2005 15:45)
hoy i pitchou hoe :

bichette> désolée aky fa izaho tsy karazan'irony olona mifikitra @ izay soratra hita fa mihevitra ny hevitra tiany lazaina a!
indry izany tsy problema @ndry ve ze anaovan'ny olona ny mpiara-belona amin-dry? izaho raha vao tsy rariny na amiko na @hafa dia tsy manaiky aho! ary tena mahatsiaro ny tenako ho diso aho raha mamela zavatra oran'izany handalo fotsiny! satria aminko ny finoana tsy fanekena sy fiononana fotsiny!

inn no tiandry lazaina amin'ilay hoe "izay soratra hita fa mihevitra ny hevitra tiany lazaina a! "
39. pitchou ( 30/05/2005 19:03)
bichette> misaotra an-dry alou t@ le fanontaniana e!
betsaka ny olona tia manonona andalan-tsoratra ao anaty baiboly, matetika tsy mifandray @ le contexte nanoratana azy akory dia raisiny @ ze mahafinaritra azy! fa amiko tsy misy na andalana iray aza azo tsiponina asongadina satria tsy mipetraka ny hevitr\'iny andalana iny raha tsy eo avokoa ny boky iray manontolo ipetrahany! fa manjary otran\'ny hoe tsipotipotehina an-tapitrisany maro ny baiboly dia samy maka sy mandika izay tiany tsoahana tao @ zay dikany mahafinaritra azy! nefa: iza no sahy miteny eto fa izy no manana ny tena marina @ fanazavana izay andalana notsoahany avy tao? raha mahamarika indry tsy mbola nitanisa aho na dia andalana iray (na tapany aza e!) avy tao @ baiboly aho, satria aho mihevitra fa feno tsy azo vakina na zarazaraina ny tantara ao anaty baiboly !
hihihi!aza kivy indry fa tsy hitory an\'izany @ mpiserasera eto aho akory ka :D

routa> tsy ny tianao lazaina no tsy azoko fa le hevitrao mihitsy no tsy mety @ fisainako ka! amiko ny marina dia marina foana, tsy hoe manaiky ny zavatra diso hoe marina dia nahavita exploit ireharehana, io attitude io dia toheriko (masiaka ve izany filazako azy izany?)! fa ny tena zava-dehibe (sy tena sarotra matetika @ olona) amiko dia ny fitazonana ny marina ary tsy mandefitra eo anatrehan\'ny diso raha manana ny marina ! raha tsy izany aho efa imbe dia be no nivadibadika finoana, ary mora ho taritin\'ny devoly any @lalana tsy izy satria ny devoly mila ny olona handà marina fa hanaiky sy hanaraka ny diso !!! :D izay no mahatonga ahy hilaza hoe raha izaho tsyhahita fifaliana @ izany fanekena zavatra diso izany na dia mba hisian\'ny filaminana aza! izay koa angamba le taratry ny fitaizana!
40. yonikafopl ( 30/05/2005 20:58)
=D methode

pitchou samy manana ny fony aky ny olona tsirairay a, njy io ngamba rehefa tezitra tena tsy azo akekezina mihintsy o :-$ hihihihihih

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0981