Mihamahazo vahana ny fisainana X aty @ tandrefana

1. rhevinilsen ( 10/05/2005 23:53)
Miroborobo fatratra izao ny industrian\'ny fanaovana \"horonantsary mahavoafady\", ny eto madagasikara toa efa manomboka hono...Ireo misy statistika kely azontsika hoeritreretina

- 2 ka hatramin\'ny 8 tapitrisa no manao famandrihana manodidina ny $40 ka hatramin\'ny $100 no lanin\'izy ireo isan\'olona manditra ny iray taona
- $800 million no totalin\'ny vola lany tany USA ho amin\'izany ta@ taona 2002
- 20 million eo no isan\'ny olondehibe mijery X isambolana
- Ny 200,000 amin\'ireo dia efa andevozin\'io mihits ka tsy latsaky ny 11 h ora isankerinandro no laniny mijery an\'io
- Pornographie no anisan\'ny fidirambola zay tena ahazahoana indrindra erantany $52 million ny tombony azon\'ny mpanao izany tamin\'ny 1996 ka niakatra ho $2 milliard ny 1999
io dia mihoatra noho ny benefice raisin\'ireo mpitatitra ara-piaramadina erantany (compagnie aerienne) (manodidina ny $800 million)

Inty ny vokatry ny fandihadiana nataon\'ny NCSP tamin\'ny olona 5,750 momba ny pornographie

Mahatsapa ve enao fa adalana X? ie: 78% tsia: 12%

Ny vadiko no heveriko fa tratran\'zany: 9%

Iza no efa noresahanao voalohany momba izany fangejan\'ny X zany?
vady: 15%
mpitondra fiangonana: 7%
mpitsabo: 3%
havana: 2%
tsy mbola niresaka tamin\'ny hafa: 57%

Impiry isan\'andro enao no mijery X?
isanandro: 51%
isankerinandro: 36%
isambolana: 9%
isantaona na latsaka: 3%

Firy taona enao no nanomboka voasintonio X io?
latsaky ny 5taona: 1%
5 - 10: 9%
11 - 15: 45%
16 - 20: 25%
21 - 30: 11%
31 - 40: 3%
41 - 50: 1%
mihoatra ny 50: 1%

ny fitiavanao sex ve de tsy mihoatran\'ny pornographie sy ny masturbation fotsiny?
Ie: 85%
tsia: 14%


Mivavaka ve ianao?
ie: 72%
tsia: 27%


Raha toy izay ny aty ivelany manahoana ny ho avin\'ny madagasikara, fa hoatrin\'ny efa mihagoragora ny soatoavina malagasy ary mihamahazo vahana ny fomba fisainana gaboraraka sy tsy matahotra an\'Andriamanitra avy any amin\'ny tandrefana.

novalian'i cutie ny 27/05/2005 21:24
2. rhevinilsen ( 10/05/2005 23:58)
Zavatra tsikaritro tato ho ato ankoatry ny faneken'ny vahoaka ny homo sy ny mahita ireo sary mamoafady rehetra eny andalambe sy ny TV dia pub lehibe iray vao hitako indray de hoe: misokatra etsy an'anona ny Supermarché des X (porno)? O lehiretsy e d'efa vola antapitrisany maro ane zany mahasokatra supermarché zany e! hatokana ho an'ny X fotsiny !!!!
zany hoe raha azoko tsara izany dia efa tafiditra ho anisan'ny "bien de consommation" normal sy eken'ny fiarahamonina tsara ny X, porno, firaisana sns... zany moa retsy ny fisainan'ny tandrefana, de firy taona io de ho tonga any Dago, isika izay tia makatahaka ny fotsy vazaha io...anjarantsika mieritreritra
3. rhevinilsen ( 11/05/2005 00:07)
Ary toa tsy misy mamaly rey olona ooo??
nga de mirevy X daholo ny gasy???
oadray marina
4. rhevinilsen ( 11/05/2005 00:28)
:lol: :lol: 8O
hitako mo zany no nalaza be le resaka horonantsarin'i Tantely teo hohoho :P :(
5. hery ( 11/05/2005 06:46)
Zavatra tsy azo sarahina amin'ny fivoaran'ny kolontsaina sy ny haren'ny firenena iray io. Raha mbola mahantra ny gasy dia tsy hisy 51% ho afaka hijery film X satria ny telé aza tsy ananany. Tsy azo atao safobemantsina fotsiny izany satria tsy hanohintohina ny "soatoavina malagasy" mihitsy raha izay olombitsy manomboka maka ny fiainana tandrefana.

Aza matahotra i rhevinilsen fa mbola ho ela vao ho tonga any Amparafaravola ny DVD isan-tokatrano.
6. sasa ( 11/05/2005 07:20)
hery marina izany ny anao
7. kally ( 11/05/2005 07:21)
Ny mampalahelo dia ny fiheverana fa olona tery saina sy tsy mahay mandefitra ny olona tsy manaiky ny firoboroboan'ny X.Lasa ara-dalàna daholo na ny "échangisme;libertinage,homosexualité.."miala tsiny fa kolotsaina vahiny ka tsy voadikako @ teny gasy.
Ny mety ho akony eto amintsika??Miray trano @ fianakaviany matetika ny malagasy misy anadahy eo,misy ray;misy anabavy izay mbola hajaina tokoa @ tokatrano maro ka inoako fa mbola ambony lanja ny hena-maso an'ireo olom-pady ireo,ny mampametra-panontaniana dia ireo efitra fijerena vidéo izay mandefa x tsy haiko 1000fmg sa ohatrinona dia tafiditra na ny ankizy kely tsy ampy taona aza.
8. ari.malala ( 11/05/2005 08:56)
io resaka io kosa nefa hoy aho no mahatonga ny fanolanan-jaza tsy ampy taona aty amintsika, ary matetika ireo heverina ho ray ama-dreny no mahavita manolana ny zanany, efa nitranga ary mpitranga matetika ny ray manolana nyzanany naterany na ny zana-badiny, noho ny firoboroboan'ny horonan-tsary mamoafady sy ny tsy fahampian'nyfialam-boly (?) angamba, nefa dia ho ambany noho ny biby ve sanatria satria ny biby aza anie tsy miray @ zanany ê! asa lahy!!!
9. rhevinilsen ( 11/05/2005 12:06)
hery
Raha mbola mahantra ny gasy dia tsy hisy 51% ho afaka hijery film X satria ny telé aza tsy ananany

enga anie
enga anie mo zany sa sanatria hahahaha
ka ny gasy ve hahantra foana sa mba hiha hanankarena? de tsy maintsy hanaraka an\'io avy hatrany zany satraia tsy mis afatsy film tandrefana no hitany ao ka ahoana ary??
10. sonwin ( 11/05/2005 12:15)
Fa izao koa ange e...ny olona rehetra toa samy manao daholo, ny any anaty ravi-kazo aza tonga dia eny ambany hazo eny fa refa aseho masoandro ve zany ilay atao de lasa mahamenatra?..aseho Cd izany hoe io ilay ataonao e...dia ratsy zany zany?sa...?
11. rhevinilsen ( 11/05/2005 12:20)
Ny mety ho akony eto amintsika??Miray trano @ fianakaviany matetika ny malagasy misy anadahy eo,misy ray;misy anabavy izay mbola hajaina tokoa @ tokatrano maro ka inoako fa mbola ambony lanja ny hena-maso an'ireo olom-pady ireo,ny mampametra-panontaniana dia ireo efitra fijerena vidéo izay mandefa x tsy haiko 1000fmg sa ohatrinona dia tafiditra na ny ankizy kely tsy ampy taona aza.

Tena marina izany fa ny mbola ananantsika rohy mpianakaviana sy ny fahamatoran'ny fifandraisana ao amin'ny fianakaviana no arofanina amin'ny ratsy. Nefa nohon'ny fivoaran'ny fiainana, miharatsy sy mihasarotra , raha tsy hiteny aho ny andrenivohitra, dia mihatsy mifandray ny olona...fahasahiranana e...repotra be @ asa e ...sns excuses bdb, ao ko le fitiavantena hoe leo ny fianakaviana mipetraka ao antrano sns. hehe ka ho lasa zany io arofanina io atsy ho atsy...firy moa izao ny tokatrano tsy mitsipozipozy sy na tsy misy ray na tsisy reny...reny zany defa tsy antenaina?
Mafinaritra le optimisme nareo, fa mba diniho kely fa betsaka ihany ny tokatrano tsy mitombina intsony ...
12. rhevinilsen ( 11/05/2005 12:25)
le ankiz tsy ampy taona mijery x lo de tsy mety e, tonga de simba ny sainy , potika ny mahaizy zay.
Ny probleme voalohan'ny X sy ny pronographie ne de ny "addiction" (fanandevozina), tsy hahafehy tena intsony ireo zaza ireo, devié ny sainy de tsy hahavita fianarana sy mandinika intsony ...sns
ny fanjakana anie nametra an'reny taloha e
fa zao???
13. rhevinilsen ( 11/05/2005 12:31)
arimalala

zay mihits no loza
lasa mitapitapy le olona rehefa tena io no mameno sy manandevo azy
hany ka manao ny tsy fanao, sady en faite efa nanao ny tsy fanao iz manao an'io de miha manao ny tsy fanao ihany zany...de mitombo ihany le hadalana...de manolanjaza sns teo ... de biby e.
14. rhevinilsen ( 11/05/2005 12:33)
sonwin :
Fa izao koa ange e...ny olona rehetra toa samy manao daholo, ny any anaty ravi-kazo aza tonga dia eny ambany hazo eny fa refa aseho masoandro ve zany ilay atao de lasa mahamenatra?..aseho Cd izany hoe io ilay ataonao e...dia ratsy zany zany?sa...?

de raha samy manao daholo zany de hanao ko ialah? hehe
tsy le iz ane no mahamenatra e, samy manao daholo ny mpivadi rehetra eto ambonin'ny tany. Fa le izy commercialisé sy exploitena ary ny fiantraikany eo am'iny fiarahamonina eee? ahoana?
15. ari.malala ( 11/05/2005 12:44)
sonwin sy ny fanisiany sira!!! ianao ty an! tsy oe refa atao cd hoe io ny nataonao de lasa ratsy le izy, fa lasa "vulgarisé" ka na ny mpifady aza lasa miara mahita, ny retsi-pandre inona no tsy ho tohina? ary ny loza dia ny zaza izay atao hoe voatavo tsimifandraka tsy mbola tokony hahalala ilay zavadoza lasa nahalala ka nanao fampiharana na nanaovana fampiharana dia simba ny hoaviny manontolo! io resaka X sy pornographie io miampy ny fiboridanana etsy sy eroa no tena mahatonga ny viol sy ny herisetra aranofo isan-karazany fa tsy ny inona akory!

16. Riffeur ( 11/05/2005 13:16)
Normal be, business be io, mody tsy re tsaika fa mampiditra vola henjana. Jerevo exemple ny Net, tsisy afa-tsy X na miditra site tsotra aza dia mahazo pop-up X. Tany Dago aza efa saika nisy Sex-shop nisokatra t@ andron'i ratsiraka fa noho ny faha-henjanan'ny fiangonana,etc @ pouvoir dia norarana le izy. Mampalahelo , nefa reo olona mandrara sasany reo manao partouze any @ villa private-ny any. :-)Zay le hoe imason'olona mandio tena , nefa anaty samy vicelard daholo, lol
17. rhevinilsen ( 11/05/2005 13:28)
sonwin :
Fa izao koa ange e...ny olona rehetra toa samy manao daholo, ny any anaty ravi-kazo aza tonga dia eny ambany hazo eny fa refa aseho masoandro ve zany ilay atao de lasa mahamenatra?..aseho Cd izany hoe io ilay ataonao e...dia ratsy zany zany?sa...?

de raha samy manao daholo zany de hanao ko ialah? hehe
tsy le iz ane no mahamenatra e, samy manao daholo ny mpivadi rehetra eto ambonin\'ny tany. Fa le izy commercialisé sy exploitena ary ny fiantraikany eo am\'iny fiarahamonina eee? ahoana?
18. rhevinilsen ( 11/05/2005 13:38)
Mampalahelo , nefa reo olona mandrara sasany reo manao partouze any @ villa private-ny any. Zay le hoe imason'olona mandio tena , nefa anaty samy vicelard daholo, lol

za nefa mankasitraka ihany le fandrarana na manao any ambadika any aza izy. Ny antony andrarany anie tsy hoe mba tsy hanaovany izy mpandrara, fa mba hiarovana ny ankizy sy ny sarambabem-bahoaka; hanabeazana azy amin'ny soatoavina malagasy sy ny hasin'ny fianakaviana, ankohonana ary ny fifandraisan'ny lahy sy ny vavy.
Amiko tsy resaka fandiovantena lay izy fa tena zay ny andraikiny e, manao ny tsy fanao moa izy anjarany any zay. Rehefa hitambahoaka koa de mila fepetra koa ny momba azy.
19. rhevinilsen ( 11/05/2005 13:42)
Firy taona enao no nanomboka voasintonio X io?
latsaky ny 5taona: 1%
5 - 10: 9%
11 - 15: 45%
16 - 20: 25%
21 - 30: 11%
31 - 40: 3%
41 - 50: 1%
mihoatra ny 50: 1%

Ny manaitra ahy amin'io fanadihadiana io de ny hoe 1/10 ny noadihadiana dia nanomboka nirevy X rah ambola latsaky ny 5 taona izy!!!! zany ve tsy efa tany tsy izy intsony!!!
Ny aty dago ny mahafinaritra na dadabe efa 75 taona mbola menatra mahita sarimbehivavy miboridana tapany
20. sonwin ( 11/05/2005 13:59)
Ny fahitak ilay izy aloha hitak hoe nahita hevitra hitadiavam-bola ny olona voalohany namoaka ny resaka X...tena nanao marketing mihitsy izy satria hitany sy tsapany ilay besoin.
Arovana ahona aza ny sarabamembahoaka? zareo aza manao daholo koa?
Soatoavina malagasy? fa ny ntaolo nga tsy nanao? dia inona ireny hoe alin-dratsy ireny?manao amin'izay tiany hanaovana X ofisialy mihitsy e!
Ka hoy aho hoe, ratsy zany refa atao mahita ny fanaony ny olona? maha-menatra mijery azy?fa tsy maha-menatra manao azy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.279