azo ametrahana fitokisana ve ny Masera na Mompera, pasitera

1. bonia ( 06/05/2005 01:10)
toerana iray eto gasikara no hahitana masera mirava avy @ BAR, arymisy amin'ireo mpitarika fivavahana no saha mamoaka vava tsy zaka ...efa voa ve ianao ?
novalian'i marozevo ny 22/05/2005 21:43
2. maditra ( 06/05/2005 03:07)
Inona doly ary ry lanitro ity fanenjehana mpitarika fivavahana ity (ny mompera sy ny masera ihany). Olombelona tahaka an'i bonia ireo, indraindray ireo solafaka. Fa ny masera mirava @ BAR izany indray aloha, zah mbola tsy nahita e, ary mbola tsy naheno koa raha tsy avy t@ i bonia.
3. dadabe ( 06/05/2005 03:34)
maditra>mety voa tany ho any lesy izy de aleony mitaraina eto a :wink:
4. maditra ( 06/05/2005 04:21)
Fa efa mahagaga ahy ihany manko ity resaka mompera sy masera tsy misy farany ity. Olona manana ny halemeny ihany ireny indraindray. Ary raha tena manafintohina azy ny zavatra ataonao dia mety tsy ho tatiny. Mazava sy lojika be anie izany e!
5. booboo ( 06/05/2005 05:56)
zà klou tsy tonga dé mametraka fahatokisana be fahatany intsony zao fa dinihako tsara klou ny @ ilay mpitondra fivavahana ôtra ireny. Ndraindray zà tena tsy te-hiditra am-pg mahita ny fihetsiky zareo na ny fomba fiteny tena hitanao zao hoe tsy mety, na tsy ho izany ara no idirana am-pg (manafintohina ihany ndraindray manko). Henoina izay hafatra zarainy (tori-teny, fampianarana,...) dia enao no mandray izay tsapanao fa tandrify anao ary mampihatra azy eo @ fiainanao ; miezaka tsy mijery ny maha-olona ilay mpitondra fivavahana fa ny raha zarainy avy @ J. no raisina. Zay klou ny anà.

6. pika ( 06/05/2005 06:01)
aza dia variana mijery loatra ny harina eny an-tavan'ny rahalahinao fa mba jereo koa ny harina eo an-tavanao. raha te ho tafita hono dia tsy lany andro mitsikera. mialatsiny raha mahery loatra ny teniko ry bonia ny hevitra no miady a!
7. booboo ( 06/05/2005 06:03)
8. booboo ( 06/05/2005 06:06)
azafady fa tapaka. Amiko ilaina ny tsikera hanova ny tsy mety na hanatsarana bebe kokoa ny efa eo, fa mba ilay tsikera positif koa fa tsy ilay tsy hita hoe mitondra mankaiza.
9. sipagasy ( 06/05/2005 06:15)
mitovy hevitra @ i pika koa aho, inona moa isika ety ambonin'ny tany???? "olombelona daholo" samy manana ny kilemany ihany koa, ary hainao ve aloha ny nandehanany tany @ BAR sao dia nankahery olona nila fanampiana izy??, sao dia avy niresaka t@ olona ihany koa, sa tazanao nampiakatra "bota kely" am-bava i masera????ary tsy hainao angaha fa any Madagasikara dia ry mompera no mitana ny lazan'ny divay tsara???
Izay fa ny mpanenjika tsy aloha hananatra mihintsy akory e! avy afara fôana irey "handefona" anao hihihi :-*
10. hery ( 06/05/2005 06:27)
booboo> kou raha tsy ny mpitondra fivavahana no andehanana any ampiangonana kou :-)
11. booboo ( 06/05/2005 06:53)
hery>zà ange manaiky an'izany fa tsy izay no andehanana any. Na misy maha-tezitra sy mahasorena aza ny ataon'ny sasany dia ouz zà oe miezaka tsy mijery ny maha olona an-dreo fa ny hafatra avy @ J. no raisina et bla bla bla. Aza tapahina ilay raha nolazaiko fa tohizo hatr@ farany fa manova beee ny raha nolazaiko. :wink:
12. xxx ( 06/05/2005 06:59)
Aza mitsara mba tsy ho tsaraina!
13. sasa ( 06/05/2005 07:31)
pika :-* za manohana ny hevitrao
bonia olombelona toa anao ireny mba mety manana ny kilemany, kanefa raha dinihina dia mba mahavita zavatra mihoatra noho isika olon-tsotra izy ireny, mba jereo ny tsara vitany sy ny soa azo avy aminy, dia le fanenjehana mopera sy masera film efa mandeha io kan
14. Chuan ( 06/05/2005 07:45)
Ngamba kosa rehefa mety ho olombelona tsy maintsy manana ny fahalemeny daholo e ! Tsy misy zay iray tsy mpanota ! Na izany na tsy zany , io tsy resaka owe antokom-pivavahana inona na inona fa ny atao ihany e ! Rehefa tsara atao de tsara rehefa ratsy de zay ! Hadalàn`ny olona foana ny miteny hoe ny anay no tsara fa ny an`ny hafa tsy milay !
15. pika ( 06/05/2005 07:59)
ny saonjo 1lohasaha anie tsy mety ilaozan'izay hamarara (izany moa no fiteny?)Atra no aleha any ampiangonana fa tsy hoe mompera na pastera. zay lay mbola mahavoa antsika e.
ary isika koa moa aza tonga dia maika ny hitsara foana e
16. Mandamina ( 06/05/2005 08:43)
marina fa mety manana ny fahalemeny ny olona,na iza na iza, fa raha ny resaka ara-pivavahana alo de zao hoe, amin'ny maha-mahasera na mopera na pasitera dia tokony manana toetra raka'izay ko, satria fitaratra ho an'ny hafa, raha manafitohana anao anefa ny ataony ka mitarika anao tsy hiditra am-piangonana dia tsy mety ihany satria tsy iny olona iny anie no hivavahana fa Atra e! vao maika ho very miaraka aminy mantsy enao amizay fotoana zay :)
17. Mandamina ( 06/05/2005 08:49)
marina fa mety manana ny fahalemeny ny olona,na iza na iza, fa raha ny resaka ara-pivavahana alo de zao hoe, amin'ny maha-mahasera na mopera na pasitera dia tokony manana toetra raka'izay ko, satria fitaratra ho an'ny hafa, raha manafitohana anao anefa ny ataony ka mitarika anao tsy hiditra am-piangonana dia tsy mety ihany satria tsy iny olona iny anie no hivavahana fa Atra e! vao maika ho very miaraka aminy mantsy enao amizay fotoana zay :)
18. sonwin ( 06/05/2005 09:36)
Izaho zao mpiofana ho mopera, za miditra bar? d in blem nao io amizany? sa raha makany ny mpitondra fivavahana dia voasakana ny varavaran'ny lanitra?
Ny ataoko an Bar..mba hisarika an-dry zalahy mpisotro toaka ao hivavaka..ireo isan'alahady ireo efa eo foana dia ireo ihany ve no omena moral? non..tsy maintsy katsahina amin'ny toerana misy azy rehetra any ny ondry izay nania.Sotroiko ny toaka miaraka aminy ka..fa sotoniko tsikelikely izy hitodika any amin'ilay nahary azy...any am boite koa efficace izay methode izay :wink: Ny an'i Jesoa aza mbola toerana lalina lavitra noho izany no nidirany..mba hitory ny Vaovao Mahafaly
19. ari.malala ( 06/05/2005 09:38)
aiza ary ilay toerana ry bonia, asio precision kely. Fa tsy lany hevitra hanaratsiana ny mpitondra fivavahana na ny finoana Katolika mintsy ve ny sasany ê!

20. booboo ( 06/05/2005 10:10)
Ny fahazoako ny tian'i Boina hahatongavana dé zao : ino raha tokony atao raha misy mpitondra fivavahana manao mpitari-bato vilambava ? izany angamba no itadiavany témoignages :roll:
Aza raisina ho fanaratsiana ilay sujet fa ezaho valiana tsara hanamafisana ny finoan'izay sendra mametraka fanontaniana ôtra zao (ataoko fa tsy izy irery no mety ho sendra izany) na maladroit aza ny nanehoany ny heviny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1182