azo ametrahana fitokisana ve ny Masera na Mompera, pasitera

21. dadabe ( 06/05/2005 12:12)
dezao age zany no tokony hataontsika e,na iza na iza mpitondra fivavahana ka hitanao manao ny tsy mety de tokony hasahy hiteny azy ianao ,fa tsy avela andeha amizao fotsiny izy .

Ohatra akaiky no omeko anao ,zaho sy ny rahalahiko sonwin :wink: zao samy mpianatra ho mopera ne fa zahay mifrera mandeha any @boaty ,bar,miteny (tsara)eto @serasera,fa misy namana sasany (isaorana izy )manitsy anay mirahalahy hoe "tandremo fa nareo anie ka hiofana ho mopera e,i welie aza anie nahasahy niteny nivantana anay mitsam hoe "manao sipa izahay e",de zay koa no tokony ataontsika fa tsy avelantsika hanaonao foana izay mpitondra fivavahana fantatsika

mety tsy mety angamba ny filazako azy fa eo frera hanampy azy ka
22. bichette ( 06/05/2005 12:16)
ka io arakaraky ny fandresandahatry ny tsirairay e !
23. sasa ( 06/05/2005 13:01)
sonwin sy dadabe aleo fa apetrako am nareo frera mirahalahy ireo ny fitokisako ary e
24. ari.malala ( 06/05/2005 13:59)
Hay ve tena frera i sonwin sy dadabe ê! :) neveriko fa anihany le resaka hatr'izay! :)

25. yonikafopl ( 06/05/2005 16:08)
Jeremia 9 - 3 : ... aza misy matoky olona na dia ny rahalahiny aza, ...

ary koa indramiko ilay tenin'i Jesosy

Jaona 8 - 7b : ... Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitorabato azy(ireo) voalohany.

:)
26. ludovic ( 06/05/2005 17:17)
Ny ahy aloha ry zareo dia tsy minjery izay ataony any aho fa iKristy ilay naniraka azy no banjiniko ,sady tsy tonga lafatra koa isika ka mila mikatsaka ny fanjak'Andriamanitra . sa ve tsy izany ?

27. marozevo ( 06/05/2005 22:22)
Izaho mahita hevitra iray, ka asa na miombona amiko ianareo na tsia? Izao no ndao hatao. hangonina daholo ireny Mompera sy Masera manafintohina olona ireny, dia voriana etsy Mahamasina na etsy Alarobia mba ho torahana vato. Eo daholo izany isika rehetra amin'io, ka izay mbola tsy nanota amintsika no mitora-bato azy ireo voalohany.
Dia avy eo vita eo ny amin'iny.
28. iartistika ( 06/05/2005 22:50)
de raha maty ao ry masera sy ry môpera,de iza no tompon'andraikitra?? :roll: :roll:
29. marozevo ( 06/05/2005 23:11)
Rehefa maty toraham-bato izy ireo dia ireto avy no tompon'andraikitra :
1 - Izy ireo ihany satria nanota izy.
2 - Ilay nanipy ny vato voalohany. Tsy izaho aloha io anh.
3 - Ilay nanokatra an'ity loha hevitra ity.
30. ndrena ( 07/05/2005 05:16)
Tsorina aloha fa tsy ny mompera na masera ihany no manao fitondran-tena ratsy fa na dia ireo izay heverina ho toy ny tsy manantsiny @ fiangonana hafa aza.Voaozona izay matoky olona hoy ny baiboly noho izany tsy tokony hiantehitra @ olombelona ihany koa isika.Natao ho mpitarika anefa ireny olona ireny ary raha mitohy dia tanteraka ilay tenin'i Jesosy hoe:jamba mitarika jamba ka any an-kady no hiafarany.Noho izany samia mamonjy ny ainy ary aza miantehitra @ hafa.
31. dadabe ( 07/05/2005 06:28)
izay mihitsy marina ny tenin'i ndrena ,inona moa no atokisanareo anay mirahalahy??nefa anie izahay koa mba olona tahaka anareo e,mety manota izahay ,fa tsy fantatray indraindray hoe nanota izahay satria tsy misy mpiara-mivavaka manitsy anay.mba ilazao ihany izahay r'ireto raha toa ka hitanareo tsy mety fa aza fosafosainareo eto @serasera fotsiny a.
asa ahoana lesy frera a? :wink:
32. yonikafopl ( 07/05/2005 06:57)
:roll: :)
33. dadabe ( 07/05/2005 07:01)
:roll: :D
34. methode ( 07/05/2005 09:33)
Mila ahitsy aloha ny famakiana Baiboly e! Tsy hoe izay partie tiana ho raisina dia raisina fa hoe inona marina no tian'ny Baiboly lazaina!!! Afaka ka milaza mantsy aho hoe: Voasoratra ao amin'ny Baiboly fa ...tsy misy Andriamanitra Tsy misy afaka milaza fa tsy voasoratra ao io!!! Izany marina ve anefa no tian'ny Baiboly lazaina!
Hoy yonika: ... aza matoky olona na dia ny rahalahiny aza! Nampian'i ndrema hoe: Voaozona izay matoky olona... Mino aho fa samy manaiky izy ireo hoe Tenin'Andriamanitra no ao amin'ny Baiboly, ka moa ve fifankahalana no tian'Andriamanitra
Za aloha matoky an'i yonikafopl na izany aza e!!! :lol:
35. Narilala ( 07/05/2005 10:53)
Ny fanontaniana mipetraka moa dia hoe: "azo ametrahana fitokisana ve ny Masera na Mompera, pasitera?
Ny pasitera tsy fantatro fa raha ho ahy @ maha Katolika ahy dia tsy misy tokony hisalasalako mihitsy ny fahatokisako ny masera sy ny mompera. Raha tsy azo ametrahana fitokisana ireo tsy efa ela ve no rava ny Fiangonana sy ny asa ataony. Fa matoa miroborobo sy velona ny Fiangonana katolika dia noho ny fahatokisan'ny kristianina azy ireo.
Matoa mihazakazaka mampianatra ny zanany any @ sekoly katolika ny olona (izay ny protestanta aza no tena loha laharana raha ny ao Antananarivo)dia noho ny fahatokisany ny fanabeazana sy ny fahaizana omen-dry masera na ry frera sy mompera azy.
Jereo fotsiny ny firohatry ny olona mitady vonjy any amin-dry mompera sy masera rehefa sendra ny ady sarotra na ara-pivelomana na ara-panahy. Haninona fotsiny any ireny raha tsy matoky an-dry mompera sy masera.
36. yonikafopl ( 07/05/2005 12:15)
methode hihih marina ve?? :) :-*

fa zao methode an, raha miteny hoe aza matoky, tsy midika akory io hoe mankahala an!
Za manokana dia miezaka ny mamaky ny baiboly, ary miezaka ny mamantatra marina izay tian'Atra ambara amiko, ary miezaka koa mampihatra izany eo amin'ny fiainako.
Ny lohahevitra eto dia ny hoe azo ametrahana fitokisana ve ny MAsera na Mopera na Pasitera sns, tsy ireo olona ireo no atokisako fa ilay Andriamanitra naniraka sy nifidy azy ireo.
37. sonwin ( 07/05/2005 16:33)
Misy lafiny maro azo andraisana ny teny hoe fahatokisana....
OK frera an! :wink:
38. marozevo ( 08/05/2005 00:08)
Ka ilay fanontaniana sy ny exemple à l'appui tsy compatible eh. Ny fanontaniana dia mazava tsara : Azo ametrahana fitokisana ve ??... Avy eo ny exemple tena miharo fanaratsiana mba tsy hilazana hoe fanaratsiana ranoray.
Io indrindra no ilazako hoe ianao ilay tsy nanota io, raiso ny vato toraho izy fa tsy olana izany. Rehefa maty izy aza taitra ianao fa hanampy isa ny Martiry olomasin'Andriamanitra, satria maty noenjehina.
39. isambilokely ( 08/05/2005 01:34)
Marina be izany ry marozevo>
Raha mahay miaina amin'ny toerana tokony hisy azy aloha ireo masera na mopera na pasitera dia azo itokisana foana fa raha sadasada toy ny sasany izay efa iarahana mahalala ohatra dia mendrika azy ny KIANA satria efa mahalala ny lalana sy ny zavatra miandry azy izy ireo nefa mbola minia mikipy.

sipagasy>
Raha ny fiaraha-monina no voakitika dia manana ZO ny HANAKIANA ny mpitazana. Toy ny hoe raha mi-pipi ao anaty vilany ve ny zanakao dia tsy hiteny ianao ? :roll: sa hoe zanako tiako be io dia voa maika atao hoe mety io fa tohizo. Mino anefa aho fa na dia mi-pipi eo am-pandriana ny zanakao na dia efa 5 taona be izao dia mety hasiaka sy hivonto orona mihintsy aza ianao.

Io ilay hoy ilay namako be izay hoe : On juge le fait mais non pas l'intention.

Mbilo
:lol:
www.amontana.com
40. pitchou ( 08/05/2005 03:25)
narilala> izaho anefa mahita fa matoa miroborobo ny fiangonana dia noho ny mpiangona sy Andriamanitra fa tsy noho i mompera na masera na i pasitera! matoa alefa any an-tsekoly ny zaza, na katolika, na protestanta, na tsy miankina, na an'ny fannjakana, tsy noho izay tale ao, tsy noho i mompera na noho i masera fa noho ny mpampianatra na ny fitaizana na ny ambiance ao.
Fa raha noho i mompera na noho i masera na noho i pasitera no nandehanana tany dia miala tao tsy mandeha mivavaka intsony le olona rehefa tsy eo intsony izay nalehany tany!
hevero fotsiny hoe firifiry ny olona tafitohina @ ireny atao hoe mompera na masera na pasitera na presbitera na izay rehetra iantsoana azy ireny nefa tsy mahasakana azy tsy hivavaka na ho any am-piangonana izany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1037