azo ametrahana fitokisana ve ny Masera na Mompera, pasitera

41. Narilala ( 08/05/2005 06:27)
pitchou: ny firoboroboan'ny Fiangonana na ny sekoly dia tsy afa-misaraka na oviana na oviana @ mpitondra ao. R Marina fa tsy miankina aminy irery akory izany, saingy ianao milaza fa tsy noho i mompera na i pastera na ny tale. Na dia tsara sy havanana aza ny mpampianatra rehefa ny Talen'ny sekoly no manao tsirambina ka tsy mahay miara-miasa @ mpampianatra dia tsy handroso ny sekoly; toy izany koa ny Fiangonana. Ka ny iankinan'ny fampandrosoana voalohany dia tsy maintsy ny mpitarika foana. Matoa mandroso sy ifanotofan'ny olona ny fampianarana any @ sekoly katolika dia noho ireo mpitantana ny sekoly mahay sy havanana @ asany.
Ny fahitako ny hevitrao dia toa fitiavana te hanohitra na hanankiana izay voalazako fotsiny
42. Narilala ( 08/05/2005 06:28)
pitchou: ny firoboroboan'ny Fiangonana na ny sekoly dia tsy afa-misaraka na oviana na oviana @ mpitondra ao. R Marina fa tsy miankina aminy irery akory izany, saingy ianao milaza fa tsy noho i mompera na i pastera na ny tale. Na dia tsara sy havanana aza ny mpampianatra rehefa ny Talen'ny sekoly no manao tsirambina ka tsy mahay miara-miasa @ mpampianatra dia tsy handroso ny sekoly; toy izany koa ny Fiangonana. Ka ny iankinan'ny fampandrosoana voalohany dia tsy maintsy ny mpitarika foana. Matoa mandroso sy ifanotofan'ny olona ny fampianarana any @ sekoly katolika dia noho ireo mpitantana ny sekoly mahay sy havanana @ asany.
Ny fahitako ny hevitrao dia toa fitiavana te hanohitra na hanankiana izay voalazako fotsiny
43. dadabe ( 08/05/2005 10:01)
hmmm :^)
44. marozevo ( 08/05/2005 23:50)
Azo ametrahana fitokisana ve ...? Hiezaka tsy hasiaka aho eto. Ny fitokisana kosa aloha tsy misy standard fa arakaraka ny tsirairay e. Misy anie ny olona na ny zanany naterany aza tsy itokisany eh... dia homena tsiny ve izy ? safidy io. Ny mampalahelo fotsiny dia ny fanaovana prejugé indraindray. Nisy Masera iray na roa na telo na folo niditra bar, dia ny Masera aman'arivony no ao anaty sobika. Misy Mompera iray nanao sipa, niaraka fotsiny aza izany, dia ny Mompera an'aliny no ao anaty kitapo. Ka hoy aho hoe, tsy misy terena hatoky eo. Rehefa tsy hatoky ianao dia anao irery iny fa aza ny olona no terena na ampirisihina na rangitina tsy hatoky. Fa izaho aloha na iza na iza hiteny sy hanaratsy, tsy misy olona ankoatra ny mamako sy ny iray tam-po aniko itokisako noho ireo Pretra sy Relijozy ireo.
45. yonikafopl ( 09/05/2005 00:03)
de izay zany kou, raha matoky ianao dia matokisa matokisa fona, raha tsy matoky de aza matoky ka inn tsony mou
marina aloha ilay hoe ny iray ve no manao ny ataony dia ny daholo be no atao iray kotapo ao, nefa tsy niteniteny foana ny ntaolo raha nilaza hoe : ny fandoto iray mahaloto ny rano iray siny..., ary koa raha maditra ny zaza, ny anarandrainy no voatonona foana hoe maditra iny zana'i anona iny an.
46. dadabe ( 09/05/2005 04:50)
"fia ray laka,iray lo ,iaby mantsy"fomba fiteny sakalava io an,izany hoe trondro ao anty lakana iray ,raha misy iray lou,dia ny rehetra masiso daholo
hihihihih :D de ampy a
47. pitchou ( 09/05/2005 20:09)
narilala> Angaha moa tokony hoe tsy maintsy mitovy hevitra aminao daholo ny olona? sa ianao tsy mba tokony hanana zo hanana ny hevitrao manokana koa? ko maninona izao ianao tsy mitovy hevitra amiko tsy nataoko hoe fitia te-hanohitra fotsiny ny anao? sa ianao tsy tia ady hevitra angamba no mahatonga anao miteny hoe i tale ihany? l'idée vient d'en haut!
Fa ianao ve izany raha hampianatra ny zanakao d ny fanontanianao hoe iza no tale ohatra fa tsy hoe sahala @ ahoana ny mpampianatra ao? d tsy mampaninona anao na tsy mahay na inona na inona aza ny mpampianatra fa d ny talen'ny sekoly no aoka ho tsara? amiko ny tale natao hitantana ny sekoly fa na vendrana izy na tsara rehefa azoko antoka ny mpampianatra ao dia izay no zava-dehibe amiko, satria izay no ain'ny sekoly fa tsy olona iray! ny fahaizana miara-miasa, azon'ny tsy mahavoa na tsy maoty saina koa ny mahay miara-miasa d miara-mifampitarika mivarina an-kady! zavatra efa nitranga izany!
asaivo ataon'i mompera na i pasitera irery ange izany fampandrosoana ny fiangonana izany, fa aza kaontina ny fisian'ny mpiangona e! amiko tsy ny mpitondra no maha-vahoaka fa ny vahoaka no maha-pitondra!

tsy maninona na tsy mitovy hevitra amin'io aza narilala fa lazao ihany e! zon'i narilala izany! tsy ataoko mihitsy hoe fitia te-hanohitra sy hanakina fotsiny izay nolazaiko!
48. isambilokely ( 10/05/2005 05:32)
Marina izany Pitchou>
Akanga aloha vao reniakoho hoy ny fiteny. Ny vahoaka no maha-pitondra. Ireny sekoly ireny anie no mandroso dia na eo aza ny mpitondra ao dia ao dia ao ny balise ataon'ny entina e.

filozofia ihany koa io hoe : Catholique = conforme à la loi ! Efa izay ilay fitaizana hatramin'izay, ary betsaka ny mila fa mora entina ny vahoaka katolika ary mora arahana ny filozofia catholique.

Mbilo
:lol: Youpiiiiiiiiiiiiie
www.amontana.com
49. fijo ( 10/05/2005 21:37)
le hoe hatoky azy ireo aloha amiko,arakaraky ny ataony io e.misy azo hitokisana misy tsy azo.
50. marozevo ( 11/05/2005 01:00)
Hoy i Pitchou :
(...)
amiko ny tale natao hitantana ny sekoly fa na vendrana izy na tsara rehefa azoko antoka ny mpampianatra ao dia izay no zava-dehibe amiko.
(...)
asaivo ataon'i mompera na i pasitera irery ange izany fampandrosoana ny fiangonana izany, fa aza kaontina ny fisian'ny mpiangona e!
(...)

Dia hoy aho manontany azy :
Dia ahoana kosa izany ilay fahendrena Malagasy hoe : "Biby tsy manan-doha tsy mandeha"? tsy mampitovy na iza na iza amin'ny biby akory sanatria fa fomba fiteny io.
Jereo ireny nanjo antsika Malagasy tamin'ny 2001 sy 2002 ireny e... Ny mpitondra no nanao ny nataony, dia ny vahoaka no ...
51. fijo ( 11/05/2005 22:03)
maroozevo marina
52. stanzy ( 12/05/2005 14:45)
Hatramin'izay ka hatramin'izao, eny fa voalazanao
Fa môpera dia tsy mba mijangajanga
Fa mijoro ho olona manga.
Dia mino koa ny kely saina,
Ireo mapanaraka am-bokony ihany
Lasa mandohalika mitaraina
Ndrao mba afaka ny fahotany

Môpera anie aoka ho fantatrao
Fa toy ny olona rehetra
Nahavita izay ratsy efa vitanao
Saingy indrisy manafina toetra
Vao mahita ny akanjony lava ianao
Vaky vava fa izy hono masina
Nefa lainga sy opa ny anatiny ao
Teo vao tratra izay tena nihafina

Alahady manao akanjo lavabe
Porofo fa izy môpera
Fa ankoatran'izay dia mandehandeha
Mamangivangy mamera
Fa tsy vitan'ny hoe famangiana anie
Na mitsidika fotsiny ihany
Fa sady mamoaka ilay biby be
No manao fiainan'ny tany

Hiran'i Jeneraly io, fakafafao sy tsikerao :) :) :D :P :roll: 8) :wink: 8O :oops: :D 8-) :-P :-P :evil: :twisted: :-*
53. dadabe ( 12/05/2005 15:01)
stanzy>manao fiditra deba anie toi zany e :{ :{
54. sonwin ( 12/05/2005 15:17)
stanzy> anarany aza hoe tononkira.Tsy midika inon'inona io fa mba revin-ndratompokolahy Jeneraly fony izy mamon-drongony..dia io ny haingam-panahy nivoaka.Normal be satria ny rongony dia manohitra ny fivavahana.
55. dadabe ( 12/05/2005 15:26)
hihihhihih de ahoana i RANAIVO le t@TV plus le ,izy nilaza fa ny rongony hono ara-tsoratra masina de zay tsy mifoka =very ??? 8O
56. sonwin ( 12/05/2005 15:30)
Ranaivo adala ve izany e? refa adalan-drongony dia mahita hevitra taingina sahala amin'ireny.
57. dadabe ( 12/05/2005 17:03)
=)) =)) =)) =))
58. fijo ( 12/05/2005 21:25)
ra sonwin izany koa tapina maso ao mihintsy an.marina io tononkira io
59. ari.malala ( 13/05/2005 10:43)
inona ary no porofo entin'i fijo anamarinana ny hoe fahamarinan'io tonon-kira io ê!

dia i dadabe zany mifoka satria tsy te ho very? matahotra aho marina fa ho lasa hevitr'olona mifoka rongony sisa no ho vakiana eto! :? :? :? :roll: :roll:

60. pitchou ( 13/05/2005 22:04)
marozevo> nisy latsaka kely le nolazainao: ny vahaoka no maha-mpitondra fa tsy ny mpitondra velively no maha vahoaka! raha io fanoharana raisinao io dia manamarina ny hoe \"ny vahoaka no maha mpitondra azy teo\" fa rehefa tapa-kevitra ny vahoaka hoe tsy ho mpitondra (intsony) io, d afaka mitsipatsipaka eo izy fa tsy mpitondra intsony akory!
\"biby tsy misy lohany ...\" hoy enao! raha zay no fijerinao azy dia tsy voatery ho ny tale no lohany sy mampandroso ny sekoly! azonao raisina le ohatra momba ny fitondrana firenena raha izay no mety hahamora ny fazahoana ny tiako lazaina: matoa tafavoaka na ikoizana ny mpitondra firenena iray dia noho ny fahaizan\'ny olona manodidina azy sy akaiky azy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1493