farandro sy andro farany?

1. dadabe ( 27/04/2005 13:54)
Mba fantatrao ve ny zavatra hiseho mandritra ny farandro,sy ny androfarany araka izay voalazan'ny baiboly?
eto dia miezaka ny hanao resaka matomatotra isika namana satria resaka mbola ho avy izy ity,ary mahakasika ny fiainako sy ny fiainanao.Raha azo atao dia mba ampiaraho versee ny hevitra arosona,dia farito tsara aloha ny atao hoe andro farany sy ny hoe farandro .
Misaotra mialoha
novalian'i dadabe ny 20/05/2005 15:45
2. fijo ( 27/04/2005 20:11)
amiko aloha dia tsotra ary efa haiko ny momba ahy.rehefa maty aho dia izay no farany amiko,fa ny andro mitohy ihany
3. ndrena ( 28/04/2005 04:44)
Ny andro farany dia niatomboka t@ nilatsahan'ny Fanahy Masina t@ apostoly vakio asa 2:17-18 ary mbola mitohy h@ izao fotoana iainantsika izao vakio hebreo 1:3,ny fara andro(farandro)kosa dia mitombina ihany ny teny voalazan'i fijo raha ny @ vatana fa raha ny fanahy kosa dia tantara mitohy tsy manam-pahataperana satria natao ho mandrakizay ny fanahy(na izy mijaly mandrakizayna very na izy miaraka @ A/tra mandrakizay)vakio apok 14:9-14.
4. xxx ( 28/04/2005 05:14)
ny farandro dia araky ny voalazan'ny baiboly dia izao hiainan-tsika izao , satria efa manomboka hita ny famantarana sasantsasany voalaza ao , ohatra handre ady sy filazan'ady ianareo araka ny voasoratra ao @ apokalypsy, nefa koa ny tsi1/1 dia samy manana ny farandrony ohatra rehefa miala amminy ny ainy dia tapitra zay ny androny , misy koa ny sasany izy no manapitra ny androny rehefa mamono ny tenany izy
5. ndrena ( 28/04/2005 07:04)
Raha ny baiboly no jerena dia mbola ho lava ny tantara ary tsy manam-pahataperana.Mbola hisy izany fanjakana arivo taona izany aorian'ny fihavian'i Jesosy eny @ rahon'ny lanitra,aorian'izay ilay fiainana tsy manam-pahataperana.Koa raha jerena izany dia andro farany izao mialohan'ireo taona mandrakizay izay hiainan'ny fanahy tsy mety maty
6. dadabe ( 28/04/2005 07:59)
ndrena>eto dia mety tsy hitovy ny fomba fijerintsika mirahalahy
raha miteny amin'i ndrena ve aho hoe rahoviana ny volana farany ?? sy ny hoe rahoviana ny faran'ny volana??de ahoana no hamalian'i ndrena azy?

ekenao ve fa raha miteny hoe volana farany =anakiray ihany izany
fa raha miteny hope faran'ny volana dia mety manomboka ny 25-30 izany izany hoe mety tsy ho andro iray fa fitambarana andro maromaro =faran'ny volana
mbola tohizako @verssee amizay refaveo
7. rakotobe ( 28/04/2005 09:32)
tsy marina ny hoe refa maty dia tapitra ny andronao izay,ao @ Apokalipsy dia voasoratra hoe sambatra izay maty dia izay maty ao @ Tompo,hitsahatra @ izay nisasarany izy fa ny asany manaraka azy ihany.Io dia milaza fa mbola hotsaraina avokoa na ny maty na ny velona @ andro farany.Ary izao andro izao dia manambara ny zava misy erantany fa efa ao anaty ny andro farany tanteraka sika izao.
8. dadabe ( 28/04/2005 10:43)
rakotobe>tsy mbola ao anatin'ny andro farany isika fa ao anatin'ny farandro araka io voalazan'i xxx io
zao ary ny fanazavana : raha ny soratra masina no jerena dia ireto no manambara ny farandro
Joela 3:1-5
dia tohizo ao @Joela 4:1-13 Matio 24 :9-18 ny zavatra voalaza ao dia presk efa iainantsika amin'izao fotoana izao "handre ady sy filazana ady ,....

ity kosa misy ohatra azo raisina momba ny andro farany (izany hoe tsy misy andro intsony aorianany )

Joela 4:15- (ny nasoandro hampodiana ho aizina ,ny kintana hiraraka sns....)tsy mbola tonga io ary mbola voalaza ary fa io andro farany io dia sady lehibe no mahatsiravina ary tsy misy tahaka azy na tany aloha na any aoariana,fa andri iray ihany no hisehoan'io

Jaona 5 :27-29 ny maty rehetra dia hitsangana (tsy mbola tonga ihany koa io )
fa na olombelona iza na olombelona iza dia tsy misy afa-miala amin'io andro farany io (eny fa na dia efa maty aza dia fohazina) vakio ny Joela 2:12-17 sy ny Amosa 9 :2-4 Amosa 9:5-9

ny hany azontsika atao dia ny miambina
mbola tohiziko @manaraka
9. routa ( 28/04/2005 12:27)
De izy fona no toa mamaly azy fa maninona raha avela hamaly zahay aloha ka :?
10. dadabe ( 28/04/2005 14:44)
hihihihihih ela be tsinona nareo nefa efa atomotra ny andro :wink:
11. sonwin ( 28/04/2005 15:10)
ary mahay tsianjery ny baiboly ity frera ity kalé..miandry top za io fa mbola hikoz ts ho ela ka
12. routa ( 28/04/2005 15:35)
eny e! fa na de zany aza mba manampy anay mamadibadika baiboly anie zay tsinona kou.
13. dadabe ( 29/04/2005 12:34)
eny ary e :wink:
14. sonwin ( 29/04/2005 13:53)
eny o
15. mandrindra ( 29/04/2005 14:16)
miombonkevitra tanteraka amin'i fijo
16. dadabe ( 29/04/2005 14:27)
miandry oo
17. cutie ( 30/04/2005 04:19)
mitovy hevitra @ fijo za. :wink:
18. ndrena ( 30/04/2005 05:29)
ô ry dadabe ah!ao anatin'ny herintaona dia 12 ny isan'ny volana,decembre ny volana farany fa ny faran'ny volana kosa dia 31 décembre,dia mitovy tsy misy valaka amin'izay izao hiainantsika izao:andro farany izao(raiso hoe volana farany décembre)ary ny fara andro (31 déc)dia dia mbola ho avy fa saingy tantara vaovao no hiseho tsy misy alina intsony.....
19. jentilisa ( 30/04/2005 06:11)
Ny teny hoe andro farany dia fitenin'ny baiboly ny tenim-bahoaka (Malagasy) hoe farandro ihany. Toy ny teny hoe Kalisy na Kapoaka amin'ny teny hoe kaopy ihany.
20. ndrena ( 30/04/2005 07:43)
tsy mitovy kosa ny hoe volofotsy sy ny fotsy volo e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2994