Izany ve rehefa tia

1. josi ( 21/04/2005 12:59)
Manontany anareo namana tsy tapaka ato aho rehefa tia ve dia ampifilafilaina ilay olona iray tsy izany manko nitia olona iray aho tato à serasera nisy nahazo ahy tampoka anefa dia tsy afaka nihaona izahay dia lazaina ve avy eo fa mpandainga mpamitaka izany ve no ataonareo lehilahy rehefa tsy mifanaraka @ sitraponareo ilay izy diso hevitra anefa ianareo fa mba diniho sy lanjalanjao aloha ny teny vao avoaka sao lahy anenenana ianareo manko milaza tsy manenina ka asa .ka mila sosokevitra aho mbola mety hitohy ve ny anay sa mifarana hatreo mindry valiny avy aty aminareo aho .
novalian'i fijo ny 30/06/2005 21:29
2. kally ( 21/04/2005 13:34)
Io miankina amin'ny fahaizanareo mifanazava ihany no hitohizany na tsia,nefa raha tsy misy fifampitokisana hatraty am-boalohany tsy aleo samy miala??
Mahaiza mifandefitra aloha,aza mora tezitra dia hazavao tsara aminy ny zavatra nitranga,teneno azy mazava fa mbola tia azy ianao,asa!!rehefa tsy hamaly moa izy,tsy mahafaty antoka ny nilaza hoe tia,tsy tia anao akory izy ny dikany matoa tsy mamaly anao.Zaranao aza tsy tafiditra lalina,raha milamina kosa dia tsara be fa tohizo.Mirary soa e!
3. sonwin ( 21/04/2005 14:46)
Hazavao azy ny antony tsy nahafaka anao...raha mibaribary be nefa ny tsy fahatokisany anao, ts aleo ve sa? ianao ihany aloha e..fa vao indray mande aza ianao no ts afaka dia izay sahady no mitranga dia ahona izany refa any aoriana any?
Ny hoe hitohizany sy tsia dia miankina aminareo roa ihany ka...fa diniho tsara fotsiny ireo nolazaiko ireo .Bonne chance
4. sonwin ( 21/04/2005 14:50)
Hazavao azy ny antony tsy nahafaka anao...raha mibaribary be nefa ny tsy fahatokisany anao, ts aleo ve sa? ianao ihany aloha e..fa vao indray mande aza ianao no ts afaka dia izay sahady no mitranga dia ahona izany refa any aoriana any?
Ny hoe hitohizany sy tsia dia miankina aminareo roa ihany ka...fa diniho tsara fotsiny ireo nolazaiko ireo .Bonne chance
5. booboo ( 21/04/2005 15:22)
tsy misy ohatra ny mifanaza am-pitoniana ihany e ! efa voalazan'i kally sy sonwin ireo ihany fa hamafisiko fanin-telony fotsiny hihihihi
6. sechat ( 21/04/2005 15:48)
Mitovy hevitra @ kally, sonwin, booboo. Maihaiza mifanazava. 8)
7. iartistika ( 21/04/2005 18:12)
aza miala raha tsy mazava...
8. fijo ( 21/04/2005 21:19)
raha mbola mifankatia dia miresaha aloha e
9. pika ( 22/04/2005 04:53)
raha tena mifankatia ianareo tsy zavatra kely azo lazaina hoe tsy misy dikany izany no hampisaraka.
10. ravatorano ( 22/04/2005 05:34)
mifanazava marina fa rehefa tena tsy mazava dia maizina izany ka tsy aleo v mitady hazavana tsaratsara kokoa eh sady toa resaka tsy d manao ahaoana koriny ilay izy nefa toa lasa blem kelybe
11. dadabe ( 22/04/2005 06:38)
ny fitiavana tanteraka maharaoka ny tahotra ,ndana mifanazava
12. iarryrral ( 22/04/2005 06:57)
Manamafy ny zavatra lazain'i pika aho, raha tiany ihanao tsy ho sahala @ izany ny fihetsiny
13. yonikafopl ( 22/04/2005 07:02)
asa rey olona hihihihihih
14. majakely ( 22/04/2005 08:00)
aza tonga de mitsara haingana loatra kosa e! mety olona efa voadona kosa ilay bandy!!!!!!! de mety tsy sahy mi-insiste fa mety nihevitra izy izao hoe': vita ny aminareo ka nopheveriny hoe miala bala injy raha tsy tonga tamilay fotoana!, hazavao fotsiny aminy akia ah!!!de ho hitanjy eo izay mba lazainy!injy anie tia azye ! de omeo seconde chance izy ! izay klo mba hevitro e!
15. haingo23 ( 22/04/2005 08:12)
Mitadiava fanazavana. Tadiavo izy
16. sonwin ( 22/04/2005 11:22)
majakely> tsy bandy voadona no manao fihetsika sahala amin'izany fa bandy tsy zatra manana sipa
17. dezaka ( 22/04/2005 11:31)
dadabe:

ny fitiavana tanteraka maharaoka ny tahotra ,ndana mifanazava



marna izany dadabe a :lol: :lol: refa tia tsy matahotsa izany fa voaraoka doly ny taotsa na de mapatahotsa be aza le oul hihiihi
:°) :°) :evil: :evil:
18. tranokely ( 22/04/2005 14:25)
Tsle aza atao anaty trousse iray daholo nama ny bandy a! misy ange ny tena romantique sentimental be ka mba tsy sendrany ianao izany nefa andana marina mifanazava fa mety hiova ihany izy
19. tranokely ( 22/04/2005 14:33)
Tsle aza atao anaty trousse iray daholo nama ny bandy a! misy ange ny tena romantique sentimental be ka mba tsy sendrany ianao izany nefa andana marina mifanazava fa mety hiova ihany izy
20. stephane197 ( 22/04/2005 16:44)
Ataovy mazava ny resaka fa rehefa ti ka mazava tsy misy blème. Fa raha tsy izany dia kilalao ihany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1624