Andriamanjato Richard

1. bendrina ( 14/04/2005 16:33)
hono woa ry zalahy tsy tokony efa histro ronono ve i
Andramanjato Richard io tsy hitako tsony izay ilana azy @ pôlitika fa to vavany tsy mahazo toerana ve sa malahelo ny zanany Hasina ? tô miteniteny fôna ny fahitako azy ny hevitrareo?
2. iartistika ( 14/04/2005 16:37)
zafy albert ary zokiny! mbôla jereo ty ataony koa!
3. bendrina ( 14/04/2005 16:40)
ka zany nge woa é! teo reo tsita zay atony ka zao vao makatsy makaroa tokony efa mihinana ny azony 45 taona lasa
4. welie ( 14/04/2005 17:27)
Ka ireny le dinosaure kou..... hihihih.....
5. fijo ( 14/04/2005 19:47)
tsy misotro ronono fa tokony efa vita mihintsy ireny e.
6. Veloo ( 14/04/2005 20:56)
Misy lakoly ry reto ny seza a :lol: =))
7. maditra ( 14/04/2005 21:34)
Fa samy mbola ho antitra ihany anie atsika ireto ry namana. Aza dia mankahala loatra an'ireny zokintsika na ray aman-drenintsika ireny! Avelao ry zareo hanao izay azony atao fa rehefa mbola tsy nalain'Atra izy dia mbola ilaina dikan'izay. Mbola tdy nahavita ny zavatra rehetra tokony ho vitany!
Maditra forever!
8. xxx ( 15/04/2005 08:07)
Tena marina fa tokony hipetrapetraka @izay ê! na d tsy nanao inona teo @ firenena aza,matoa nomen'ilay Nahary fotoana lava ohatran'izay tokony mba efa tonga saina kanefa...mampalahelo!
9. mandrindra ( 15/04/2005 09:50)
Tokony hasiana taona fetrany ihany sahala amin'ny mpiasa mandeha misotro ronono.
Fa io aloa dia asakasak'izay te hihaino azy ihany.
10. Tanala ( 15/04/2005 15:25)
Ny marina dia tandindinin-doza ny fitadiavam-bola ny mpanao politika @ zao fotoana zao. Raha ty marina tokoa moa ka afaka 2 taona misy ny fandrosoana ny gasy dia inona no hoavin'i Ny hasina kely.
Ny fidiran-Ra8 teo @ fitondrana fotsiny dia efa midika fa leo mpanao politika toy an-dry Andriamanjato ny gasy.
Raha hendry naninona raha nihetsika t@ 2002 sa nanantena hoe merina no mpitondra de hiakatra moramora fotsiny.

Fehiny: Mampalahelo fa tsy vitsy ny gasy no milaza hoe "mampalahelo ny vahoaka mahantra" nefa ny ataony midika hoe "maty ny fitadiavam-bolako raha mandroso ny gasy fa haleo hotran'ny hatramin'izay ihany"
11. Rojoukel ( 20/04/2005 07:49)
Mahamenatra mitsy iny Rangahy iny ry zalahy a !
Raha ireny no sahy hitonona we ray amandreny de tsy haiko intsony ze hilazana azy. Mbola heveriny fa mbola mahomby foana ngamba ny savony vava hatramin'izao.
12. ravatorano ( 20/04/2005 08:05)
izy aloah d izay mahay miteny iny ah ary ny tenako izao dia efa babon ilay ranamana iny na dia efa napoakan dry zalahy aza tamin ireny grevy b teny ankatso ireny momba ny fiche rose sy ny forongony.
ze lazainy eo lazainy fa aza d mihaino azy loatra fa io resaky ny pitati rà kena eh.
Aza mbola lazaina hoe vizana lery fa mbola te hihinana satria ny politika eto amitsika mampidi bola ka mihevera ihany tsika
13. Veloo ( 20/04/2005 20:26)
Dia ahona zany babo doly nareo? de ahona ndray ny fihetsiny @ izao rotakan'ny universite ao Tana zao?
14. Rainiboto ( 20/04/2005 23:31)
"...'ty tantara ity dia tantaran'i Ndrema
Ny atao hoe Lendrema dia ilay matin'ny ditra
Rehefa maty i Ndrema ho elavelona ny zanany
Zanaky Ndrema zanaka jomaka.."

Mahaleo
15. xxx ( 21/04/2005 02:43)
zanak'alika tsy misy mpitia e
zanak'andevo tsy maha te ho tia e
Jomaka, jomaka, jomaka!...
16. maditra ( 21/04/2005 05:22)
Inona ary ity resaka jomaka ity le? toa samy mijomaka sy mirary ny hahafatesan'olona doly ry takaka! Zany ve mba toe-tsaina gasy e!
Izah aloha tsy misy benefice azoko avy amin'ireo mpanao politika ireo ary maro amin'ireo no tsy dia azoazoko fa ny hirary azy ho faty indray tsy dia azoazoko loatra izay. Ilaina anie ireny sahy mitsikera ireny, na dia mivoana aza indraindray ny zavatra ataony. Tsy ny zavatra rehetra ataony koa anie no mivoana e! Ohatra izao, tamin'ny vaovao hoe: " Nanao pacte tamin'ny satana ravalo e", pasitera Atoa Ndrema fa noraisiny politique-ment mihitsy ilay izy, ary tiako ilay tsoa-kevitra nataony hoe: "Tsy dia misy tokony hidirantsika amin'izay inoan'ny filoha hoy izy, fanjakana laika ny eto Madagasikara"
Toetra tsara falaina tahaka izany, mba tsy hampifangaroana ny resaka finoana sy ny fitondram-panjakana!
Zah aloha mba mahita zavatra ilana an'ireny goaik'antitra raky ny fitenenana ireny e!
17. xxx ( 21/04/2005 07:00)
Mpandefa : Rainiboto 21-04-2005 03:31:46
Lohateny : Re : Andriamanjato Richard

"...'ty tantara ity dia tantaran'i Ndrema
Ny atao hoe Lendrema dia ilay matin'ny ditra
Rehefa maty i Ndrema ho elavelona ny zanany
Zanaky Ndrema zanaka jomaka.."

Mahaleo


Mpandefa : xxx 21-04-2005 06:43:24
Lohateny : Re : Andriamanjato Richard

zanak'alika tsy misy mpitia e
zanak'andevo tsy maha te ho tia e
Jomaka, jomaka, jomaka!...
18. Rainiboto ( 23/04/2005 20:45)
Tsia. Tsy maniry azy ny ho faty aho sanatria. Tononkira io.
Fa maniry ny zanany ho elavelona ary aho.
19. isambilokely ( 24/04/2005 04:06)
Ireny no atao hoe VOROMBE TSY FIHINANA e .. ka asakasak'izay mbola miompy azy. FA sady lany andro no lany vola

:lol:
Mbilo

take time to be friendly, it's the road to happiness
20. maditra ( 25/04/2005 16:33)
hah! hafa indray izany toe-tsaina izany mbilo an! Raiso ho toy ny ray aman-dreny ireny (mety tsy handray ireny ho toy ray aman-dreny ianao fa hevero fa mbola maro ny olona manaiky ireny ho ray aman-dreny.) Dia raha ny ray aman-drenin'la izany efa antitra dia lazain'la fa vorom-be tsy fihinana? Hinana inona aminy koa moa ela? haha, mety cannibal ity mbilo ity raha izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0519