Andriamanjato Richard

21. bendrina ( 26/04/2005 15:59)
tsy misy tia tanindrazana tahaka ny monja nefa nony vola dia nampalahelo ny niafarany i deba azany tsy dia niraika taminy akory ,ny mantsy niahiako dia ho fahavalony vahoaka mandrakizay ka izany no hilazako hoe voan'i fiverenantsaina @politika ve? sa dia ataony vola mirediredy? tsy ra8 akory za fa mamenatra ahy mihitsy ny fihetsiny natenai-kanirina vô nampivandravandra ,zao mantsy i ndrema zao efa tsy tian'olona eny Ambohimanarina intsony leben'i fokotany aza tsy azony saleo mipetraka @zay :-D :evil:
22. bendrina ( 26/04/2005 16:02)
sa te hanao rakaka be dia laniny daholo izay mpitondra eo tsiranana,ramanatsoa radidy ,zafy le raikalahy 8 io no tsy levony sady tsy nisy na de leben'i fokotany azany knou =)) :@
23. maditra ( 26/04/2005 21:13)
bendrina>Inona porofo aroson'la fa izy doly nihinana an'ireny olona ireny. ? tsy azoko mihitsy, sa mpanohana be an-dRavalomanana ela ao ka dia tena matahotra be mihitsy sao ho afaka eo koa io dia tian'la esorina doly ny olona sahy miteny rehetra?
Ela toa milaza fa efa tsy lany president fokontany izy nefa mbola atahorana ihany. En tant que mbola citoyens Malagasy manana zo feno izy dia tsy zonao mihitsy ny hanakombona ny vavany.
Averiko koa, zah hoy aho tsy misy zavatra haiko firy momba ireo mpanao politika, ary tena mirary ny hisian'ny onja politika vaovao sy madio eny amin'ny tanana zah, fa tsy any amin'ny fanampenam-bava no hitako hiaingan'izany. Mbola tetika teloha sy efa antitra izany tampim-bava izany. Zavatra hafa jerena fa tsy izany intsony!!!
maditra
24. ravatorano ( 29/04/2005 13:22)
fantaro aloha dia Atoa Andriamanjato Richard dia nandray andraikitra lehibe tamin ny nandrodanana ny repôblika faharoa raha nanaiky niaraka tamin dry Manandafy sy ny MFM izy izay nikotrika voalohany ny fitokonana nianga tamin ny volohan ny volana mai teny amin ny coum 67 Ha .Nony nisy ny Herivelonqa diq izy no tompoin ny fanambarana pôlitika sy ny fipasohana ny vahoaka teny amin ny kianjan ny 13 mai.Raha niakatra ny fitondrana ny ray aman dreny Zafy dia izy no napetraka teo amin ny filohan ny antenimieram pirenena.Raikitra ny fanaovana ny empechement teny amin ny Antenimieram pirenena iop dia tsy taitra Ingahy Andriamanjato fa nandray anjara ankolaka ihany koa tamin ny fanalana ny filoha Zafy tamin izany andro izany.
25. ravatorano ( 29/04/2005 13:42)
d andeha ihany ny tantara tonga teo amin ny fitondran indray ilay iraikalahy iry ratsy Iraka dia anilatsaka deputé teny Ambohimanarina Ingahy Andriamanjato saingy nifanena tamin ilay mpanao gazety Gilbert Raharizatovo izay mpikatroka arema dia tavela teo fa tsy nahahovoka firy hany heriny dia nanohana sy nihetsiketsika ny hametrahany ny zanany teo amin ny governemanta.
Tsy niala tao amin io gov ratsy iraka io io zanany io raha tsy efa nisy ireny fihetsiketsehana ireny ary nisy aza moa filazana fa nisy nanampoizina izy.
Tamin ireny fotoana ireny ihany koa no efa nisy fifanolanana teo amin ny birao politikan ny akfm fanavoazana tamin ny fisalasalana nataon dry zareo teo amin ny fandraisana fanapaha kevitra raha hifangaro amin ny pitokona na hijanona haohana ny fitondran i ratsy iraka.Teoizany no niova ny donne politika momba an Ingahy Andriamanjato satria na i Lila Ratsifandrihamanana aza dia nanolotra hevitra manokana ary niray tamin ny vahoaka nanohana an dravalo.
Taty aoriana moa dia hitatsika ny toerana misy azy io fa dia ireny nilaza fa nanao pacte tamin ny satana hono i ravalo eh sns... Teo izany dia niharihary fa lasa any amin ny fanoherana izy saingy efa nahazo fahaterana , nahazo taoan ka efa nihanalefaka ilay fahavitrihana fahiny sy ny fahaizana manao analyse fahiny.
Ny tenako manokana dia manaiky ny fahaizan INgahy Andriamanjato mandaha teny sy mametraka ny heviny.
Amin izao fotoa izao aloha dia miaraka amlin ny mpanohitra izy ary dia mamolavola izao conference nationale izao.
Mirary azy ho lava andro iainana fa mba nisy zavatra nataony ihany teto amin ity tanana ity ary koa manatena fa hijanona haka nyu fisotroan drononony amin izay izy amin ny maha mpnao politika azy.
26. maditra ( 29/04/2005 14:37)
ravatorano> misaotra nandroso hevitra fa fanamarihana tiako hatao oftsiny dia hoe: tsara ny fandrosoan-kevitrao amin'ny ankampobeny fa aza dia asiana opinion subjective be otrin'izao. Oh i Ratsy Iraka sy ilay resaka poison (zavatra saro-porofoina izany satria tsy maty alory ingahy Hasina Andriamanjato ary toa mbola tsy niresaka momba izany ny tenany raha tsy diso aho).
Fa rehefa mahatsapa tena tokony hiala moa Andriamatoa Andriamajato Richard any ho any, safidy ho azy izay fa tsy tokony ho olona na fanjakana mihitsy no tokony hiteny hoe: "MIALA ELA satria efa antitra" aminy. Didi-jadona izany amiko.
maditra
27. mandrindra ( 29/04/2005 15:53)
Aza mihaino izay lazainy rehefa leo ny naheno azy e. Fahaizana miresaka anie no betsaka e.
28. Rainimaharavo ( 03/05/2005 00:21)
Marina raha toa ka efa tokony hipetrapetraka hisotro ronono ny SASANY.
Izao no mba hevitro :
Amin'ny lalam-panorenana manaraka dia hatao hoe :

Ny SOLOMBAVAMBAHOAKA te hilatsaka dia tsy mihoatran'ny 45 taona.
Ny LOHOLONA te hilatsaka dia tsy mihoatry ny 50 taona.
Ny ho FILOHAM-PIRENENA dia eo anelanelan'ny 45 ka hatramin'ny 50 taona.
Ireo izay voafidy SOLOMBAVAMBAHOAKA na LOHOLONA na FILOHAM-PIRENENA dia tsy mahazo milatsaka indroa misesy.

Hevitra iray ny ahy io fa harosoy ny hevitrareo. Aleo dia lazaiko fa izaho dia efa mihoatra lavitra ireo taona ireo. Noho izany tsy MITADY TOERANA AHO.Aleo hoan'ny TANORA MISONDROTRA NY FITONDRANA.Ireo no HINOAKO fa hanana "intégrité" amin'ny hitondrana ny FIRENENA, ireo GOAIKA ANTITRA (izaho anisany raha eo amin'ny taona) dia aleo hampiseho toe-tsaina hendry hoan'ny TANORA fa tsy hiady toerana sy hifanaratsy hoatran'ny mpirafy isan'andro eo.
Ka hoy aho hoe : IANAREO TANORA MISONDROTRA, MIANARA TSARA DIA HOENTO ITY FIRENENA ITY FA NY GOAIKA ANTITRA EFA TSY MAHAVITA AZY INTSONY FA MIADY AN-TRANO HOATRAN'NY VALALA AN-KARONA.
Hoy Rainimaharavo.
29. sonwin ( 05/05/2005 09:42)
Marina izany zokibe! mamita zavatra kely dia ho avy haka fahefana hampandroso ny firenena.Aleo mihitsy haka aina amin'izay ny zokiny fa ts dia nahomby loatra matoa ny firenena mahantra.
30. maditra ( 06/05/2005 23:30)
:roll:
31. yonikafopl ( 07/05/2005 11:43)
32. maditra ( 07/05/2005 21:29)
Tsy marina amiko izany. Zah koa mbola jeune an! sao misy milaza fa te hibodo toerana eo ingahy antitra io! :-D
Tsy manaiky izany zah satria, ireo zokiolona ireo dia olom-pirenena ary manana ny fahaizany koa.
Ary tsy vao androany ity resaka fanavakavahana ara-taona ity. I Ratsiraka ohatra, jeune be izy t@ izy voafidy voaloha ary nilaza mafy fa ny "tanora" no afaka manarina an'i Madagasikara. i Zafy koa, na dia efa zokinjokiny aza izy ara-taona, tsy dia faheno firy izy raha ny resaka Politika no resahina dia nofidina satria hono hitondra rivotra vaovao.
i Ravalo koa, sady bogosy hono no mpanana. Nefa toa tsy mampino ahy ihany ny zavatra apoakany. "Hampanana ny tsy manana ary tsy haka ny an'ny mpanana" ny azy ihany no hitako fa makatra eto.
Ny tiako tenenina dia izao, satria efa tetika nisy hatry ny ela io nefa tsy mitondra antsika ho aiza. Amiko, ny tetika tsara hitantanana ny fanjakana dia miainga avy @ fandraisan'ny tsirairay andraikitra, fihainoana an'ireny zokiolona ireny. (ny maha tonga an'ireny hanohitra amiko dia satria izy tsy omena ny haja tokony hananany). Tsarovy ny lanjan'izany zokiolona izany teo @ Malagasy, ary fantaro fa ireo no mahalala sy manana experience bebe kokoa noho izay mbola minatra handeha.
Maditra
33. isambilokely ( 08/05/2005 00:36)
Raiamandreny ireny ry Maditra fa tsy dia manaja tena. Tsy mahay mametraka ny tenany eo amin'ny fiaraha-monina.

Izay no mahatonga ahy miteny hoe lasa VOROM-BE TSY FIHINANA. Raha hendry izy dia mba mikarakara ny relève politique fa tsy manakiana ny fitondra amin'izao satria efa teo ireny no tsy nahavoa.

Hany ka lasa toy ny hoe : Raha mbola ompiana dia mandany vola nefa tsy azo jerevana fotsiny amin'zao fa mba vorom-be ihany. Tena kitapo iray izy sy Lezafy : Ce sont des BONS À RIEN !

Mbilo
:lol:
34. sonwin ( 08/05/2005 09:49)
IANAREO TANORA MISONDROTRA, MIANARA TSARA DIA HOENTO ITY FIRENENA ITY FA NY GOAIKA ANTITRA EFA TSY MAHAVITA AZY INTSONY FA MIADY AN-TRANO HOATRAN'NY VALALA AN-KARONA.
hoy i Zokibe izay
35. Rainimaharavo ( 08/05/2005 22:43)
Izaho anie raha milaza hoe tokony hipetrapetraka ny ZOKIOLONA dia tsy milaza izany fa manao fanavakavahana ara-taona ê!
Tsy any ny resaKO fa hoy aho hoe : Tokony hampiseho toe-tsaina hendry IZAHAY fa tsy hitsikera be fahatany fotsiny amin'izao. Ireo ZOKINY nanao politika hatramin'izay anie no tokony hanome endrika tsara ny TANORA amin'izao fotoana izao hitondrana ny FIRENENA. Raha ny marina dia tokony hanoratra boky izireo tamin'ny asa sy ny zava-bitany teo aloha. Izany no hahitan'ny TANORA hoe hay va re ka nisy an'izany tamin'ireny andro ireny nefa dia tsy mba nohazavaina taminay hitsinjovanay ny hoavin'ity FIRENENA ity.
Raha araky ny fahitako azy dia tsy mba misy mihitsy tamin'ireo olona nitondra taloha ireo hoe nametraka antsoratra politika izay nataony na traikefa teo amin'izireo.
Tsy miafina amintsika ireny boky madinidinika nosoratan'ny SASANY ireny nefa tsy misy vokany amin'izao toetr'andro iainantsika izao.
Misy ao amin'ny fianakaviaKO aza nampirehetany afom-patapera ireny boky ireny!
Tsy mba mety ve raha toa ka misy lovam-pisainana hoentin'ny TANORA amin'izao fotoana izao? Raha ny fahitako azy dia tsy misy voatana an-tsain'ny TANORA hafa tsy ny fifanenjehan'ny SAMY BEANTITRA hahazo toerana etsy sy eroa. Milaza izany fa izay hotonga eo amin'izireo dia tsy hisy zavatra ho vanona eo fa ny hoe : 'ZANY 'ZAHAY RAHA TONGA AMIN'NY FAHEFANA...
Asa aloha izay hevitrareo fa izany no hitako sy tsapako hatramin'izao.
Misaotranareo naharitra namaky ary misaotra mialoha izay afaka hamaly.
Rainimaharavo.
36. maditra ( 10/05/2005 03:45)
Mazava ny tianao tenenina raiamandreny, dia mety misy marina ihany ny lazainao, fa ny zavatra tiako tsindrina fotsiny dia hoe, tokony hajaina ireny olo-maventy ireny. Teny atsipiko amin'ny tanora izany. Zah matetika mahita fa efa trop indraindray ny tsy fanajana, miendrika fametavetana mahazo an'ireny zokiolona ireny. Tsy omeko tsiny izy raha hidradradra. Ny fitiavany tanindrazana no tena mahatonga azy hiteny ireny. Andriamanjato Richard moa no tenenina, tsarovy fa tsy nilatsaka ho filoha izy tamin'ny farany teo iny, noho izany efa tsy izany filoham-pirenena izany intsony no ao an-dohany ao, efa tsy izany fitondrana sy seza izany intsony, fa mba haja sy voninahitra sahaza azy amin'ny maha olon-dehibe azy.
(Mba hendry kely anie zah indraindray) hihi
37. isambilokely ( 10/05/2005 04:07)
Matahotra ireo olona ireo fa mety haharitra eo amin'ny fitondrana i Ravalo dia manao izay hanonganana azy.

Ny fitiavan-kely no ao an-tsain'izy ireo fa tsy fitiavan-tanindrana izany. Resaka tia atao izay fa fialonana no be satria betsaka ireo vola mitobaka ao Dago dia mitetika ny hirohotra eo amin'ny fitondrana ry zareo

Mbilo
:lol: Youpiiiiiiiiiiiiie
www.amontana.com
38. maditra ( 10/05/2005 22:32)
Sao dia mba tsy fandinihana lalindalina kokoa ny zava-misy no mahatonga an'la miteny izany ry mbilo. Ireo ary no mba isan'olona nanohana an-dRavalo nefa toa tsy raharahaina na kely aza amin'izao. Tsy misy raison izany ireo aminao afa tsy vola. pfffff, aza mitsipaka ny lakana nitana hoy ny fitenin-drazana izay.
39. sonwin ( 11/05/2005 09:22)
maditra> Ireo olona ireo kosa ny fahitako azy dia faly manohitra izay mpitondra foana refa tsy mahazo seza.Sao dia ry zareo ireo kosa aza no blocage tsy mampandroso ny firenena?hevitry taingina sendra mba lasa ny ahy iny
40. Rainimaharavo ( 11/05/2005 21:59)
Miarahaba ny rehetra indray
mamaly ny resak'i "maditra" aho tsy ity farany akory fe iry ambony iry : ny fanajana ny efa zokiolona teo amin'ny fitondrana anie dia ataon'ny Tanora izay mijery isan'andro ny ataony ê!
ity resaka ity moa dia tsy amin'ingahy Andriamanjato manokana fa amin'ny ankapoben'ny nanao sy mpanao ary hihevitra hanao politika.
Raha mandinika mantsy isika dia izay ataon'ireo mifamely an-toerana ihany no hitan'ny Tanora dia hoe : toy izany angamba no tena atao hoe POLITIKA. Na dia tsy mifanompa mivantana aza anie ny SASANY dia fantatra ihany ny tena tiany ho lazaina ê! diniho tsara anie izany ê! araho maso sy tsikerao tsara ny kabary ataon-dry zareo dia ho hitanareo fa be ny zava-miafina ao (non-dit) hoy ny filazan'ny manampahaizana azy izay.Izany no ilazako hoe tokony hipetrapetraka ry ZAREO mba hahazahoanareo TANORA mitondra ity FIRENENA ity. Maninona raha toa ka mba mampita hevitra amin'ny soratra mipetraka...Jereo fotsiny amin'izao fotoana izao ilay atao hoe : FAMPAHALALAM-PANANANA...moa va tsy ny efa lohandohan'ny mpisorona ihany izay efa za-draharaha tamin'izany andro izany no TSY METY MANAO IZANY TOMBAM-PANANANA izany? Ny TANORA 40-45 taona ve hatahotra ny hanao izany "déclaration de patrimoine" izany? Ny hanodonan'ny SASANY an'ilay resaka mantsy dia hoe : i Ra8 no tokony hanao voalohany.Raha amiko tsy any ny tena marina fa dia "esprit de contradiction" faha-tany fotsiny satria tsy nisy teo amin'ny fitondrana taloha...ary na nisy aza tsy nisy nanao izany hatramin'ny farany.IZANY VE NO TOE-TSAINA HOENTIN'IZIREO HANOME OHATRA NY TANORA?
Asa!!!izaho angamba no vendrana.
Rainimaharavo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1193