Ahoana indray ary ity!

1. xxx ( 12/04/2005 05:00)
Efa maro ny dinidinika momba ny Katolika ato ka saika mba hanontany momba ny Fiangonana hafa indray zah!
ho an'ny
FJKM sy Loterana: Raha tsy diso zah dia misy an'izay hoe:"mino ny fiombonan'Olo Masina" izay ny fiekem-pinoana fanaonareo. Inona no tena tianareo holazaina amin'izany? Dia raha misy volontaire koa dia isaorana lehibe izy raha mba manoratra ny fiekem-pinoana Protestanta eto.
Misy koa ao amin'ny Baiboly ao, milaza momba ny tokony hisian'ny Mpanompon'Aa, hanokan-tena ho an'Aa, izany hoe tsy manambady. Ahoana ny rafitra mifehy ny fiangonana Protestanta eo amin'ny fanatanterahana izany?
Dia raha azo atao dia ataovy milamina mendrika ny maha-kristianina ny fanazavana ataontsika.
novalian'i xxx ny 23/04/2005 07:53
2. yonikafopl ( 12/04/2005 08:05)
Isaorana i xxx na de xxx aza.
Manana fanekempinoana karazany 4 ny FFPM(Fiombonan\'ny FiangonanaProtestanta eto Madagasikara)
1-Fanekempinoana Apostolika
2-Symbole des Apotres
3-4- Symbole de Nicee-Constantinopole.
Ilay 1- no adikako eto.

Mino an\'Andriamanitra Ray Tsitoha , Mpanao ny lanitra sy ny tany aho, ary mino an\'i Jesosy Kristy zananilahy Tokana Tompontsika. Izay notorotoronina tamin\'ny Fanahy Masina, nateraky Maria Virjiny, nijaly raha nanapaka Pontio Pilato, nohomboana tamin\'ny hazo fijaliana,maty ka nalevina,nidina tany amin\'ny fiainan-tsu hita,nitsangana tamin\'ny maty tamin\'ny andro fahatelo,niakatra ho any an-danitra, mipetraka eo an-kavanan\'Andriamanitra Ray Tsitoha, avy any no ihaviany hitsara ny velona sy ny maty. Mino ny Fanahy Masina aho, ny Fiangonana masina manerana izao tontolo izao, ny fiombonan\'ny olona masina, ny famelan-keloka, ny fitsanganan\'ny tena amin\'ny maty, ary ny fiainana mandrakizay. Amen!

\"...mino...ny fiombonan\'ny olona masina...\" jereo fa tsy en majuscule no nanoratako ny 1ere lettre, noho izany voalohany tsy mavesa danja toy ny Olo Masina an\'ny katolika akory ny olona masina lazaina eto.Ny tiana ho lazaina amin\'io olona masina io dia ireo olona izay nanaiky ny Fanahy masina, izany hoe raha atao faobe dia ny kristiana. Raha adika amin\'ny teny tsotra io dia \" ny fiombonan\'ny kristiana rehetra\" izany.

Ny momba ny tokony hisian\'ny Mpanompon\'Atra, hanokantena ho an\'Atra, izany hoe tsy manambady. Ahoana ny rafitra mifehy ny fiangonana Protestanta eo @ fanatanterahana izany. I Paoly Apostoly no tena nanoratra betsaka momba ny fitiavana sy ny fanambadiana ao amin\'ny filazantsara ao.Tsy misy misy teny ao na kely aza milaza sy mandidy fa hoe izay manokan-tena dia tsy tokony hanambady,azonao vakiana ny I Koritiana 7, hoy i Paoly ao amin.ny andininy faha 7 :\"fa tiako ho tahaka ahy ny olona rehetra( tsy manambady io), kanefa samy manana ny fanomezam-pahasoavana nomena\'Atra azy avy...\" dia aleo tohizana kely ihany ny famakiana azy 8, \" Fa hoy izaho @ tsy manambady,tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy izy, nefa raha tsy maharitra izy dia aoka hanambady ihany.fa tsara ny manambady noho ny ho maimay.\"(asosoko kely eto ny hoe ho an\'ireo mopera izay manao sipa, tsy fahotana ho azy ireo raha manambady araka io voalaza io fa aleo manana toy izay ho maimay ao fotsiny hihihihh :) )
Ny olona natsoina na nanokantena ho an\'Atra, izany hoe hanompo Azy, hitondra sy hiandry ny vahoakany Mpitandrina=Pasteur=Pretre, dia ny I Timoty 3 no milaza tsara ny tokony ho toetrany: \"Koa ny
Mpitandrina dia TSY MAINTSY ( izany hoe didy io)ho tsy manan-tsiny,MANAMBADY TOKANA,( izany hoe manam-bady)......... manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin\'ny fahamaontinana tsara,FA RAHA MISY OLONA TSY MAHAY MITONDRA NY ANKOHONANY ATAONY AHOANA NO FITANDRINA NY FIANGONAN\'ATRA? ( dia afaka hazavaina toy izao koa hoe raha misy olona mbola tsy nitondra ankohonana, ataony ahoana no hahay hitondra ny fiangonan\'Atra izay ankohonana iray? :wink: )
Teny atsipy ho an\'ny manam-panahy, ary ny Tompo no hanala ny asan\'ny Satana rehetra raha misy teny izay manohitra ny Fahamasinany nolazaiko, Izy Tompony anie hanome ny teniny sy ny Fanahiny ho antsika tsirairay avy. Amen!

Misaotra :)
3. dadabe ( 12/04/2005 08:49)
yonika>ekena tanteraka ,zah vao saika hanoratra kay efa vita :D
4. booboo ( 12/04/2005 09:38)
amen !
5. haingo23 ( 12/04/2005 10:06)
Dia ahoana ireny sampana fifohazana ireny ?
6. booboo ( 12/04/2005 10:07)
maninn ny sampana fifohazana ?
7. xxx ( 12/04/2005 12:45)
Yonikafopl> Misaotra betsaka!
yonikafopl:
"...mino...ny fiombonan'ny olona masina..."


Fa mbola misy zavatra manitikitika ahy ity. Azonareo hazavaina ve hoe, satria misaratsaraka be ny Kristianina ankehitriny, nefa milaza ianreo hoe fiombonany. Tena tsy hitako mihitsy izany fiombonan'ny Kristianina izany. Sao dia mba manana fanazana plus precis kokoa noho io ianareo.

yonikafopl:
MANAMBADY TOKANA,( izany hoe manam-bady)....

Dia tsy maintsy notapatapahiko ohatran'io izy satria lasa lava be raha averiko doly izy rehetra dia evy eo koa dia ilaiko ireny fanaratsiana Pretra ireny. Ekeko fa tsy nisy fanerena ny mpitondra hanambady tao, kanefa raha dinihiko ny hoe 'tsy maintsy manambady tokana', juste fampitandremana amin'ny resaka polygamie fotsiny ny fandraisako an'io. Mbola tiako halalinina ny hoe, maninona raha mba nasiana rafitra iray, na tsy dia idirana lalina toa ny an'ny Katolika aza ao amin'ny Fiangonanareo mba ahafahan'izay olona te hanatanteraka an'io tenin'ny Soratra Masina io. Sa efa tena kaopy ianareo fa na dia hatsangana aza izy io, tsy misy ho tonga ao satria samy maimay doly? Raha jereno io IKorintianina7 io dia tena maniry izany ny Apostoly Paoly na dia ny lehilahy rehetra aza manahaka azy.
8. xxx ( 12/04/2005 18:03)
Misy zavatra diso fanoratra kely izay mila ahitsy. Fa mbola misy zavatra manitikitika ahy ity. Azonareo hazavaina ve hoe, satria misaratsaraka be ihany ny Kristianina ankehitriny, nefa ianareo milaza fiombonany. Tena tsy mahita izany fiombonan'ny Kristianina izany mihitsy zah izao. Sao dia mba misy fanazavana plus precis kokoa.

Notapatapahiko hoy aho ilay izy satria lasa lava be raha averiko doly sady tsy dia ilaiko firy ireny fanaratsiana Pretra (mompera) ireny. Ekeko fa tsy nisy fanerena mpitondra fivavahana tsy hanambady tao, kanefa raha dinihiko ny hoe 'tsy maintsy manambady tokana', juste fampitandremana amin'ny resaka polygamie fotsiny ny fandraisako an'io. Mbola tiako halalinina ny hoe, maninona raha mba nasiana rafitra iray, na tsy dia idirana lalina toa ny an'ny Katolika aza ao amin'ny Fiangonanareo mba ahafahan'izay olona te hanatanteraka an'io tenin'ny Soratra Masina io. Sa efa tena kaopy ianareo fa na dia hatsangana aza izany, tsy misy olona ho tonga ao satria samy maimay doly? Raha jereno io IKorintianina 7 io dia tena maniry izany ny Apostoly Paoly na dia ny lehilahy rehetra aza manahaka azy, ka hitako tsy dia rariny loatra ihany raha toa ka odian'ny fiangonana ho tsy fantatra ny zavatra toa an'izany.
9. yonikafopl ( 12/04/2005 21:02)
xxx nga ianao mbola tsy mahalala fa misy ange ny masera protestanta e! eny Ambohijatovo Avaratra no misy azy ireo.Ka nitsangana ilay izy io ary nisy olona tonga tao ihany ka, fa aleo ange manambady toy izay ho maimay eee, hiatsara velatsihy eo we tsy hanambady nefa hafa ny atao ambadika ao.
misaratsaraka ahoana mou ry XXX ny kristiana ankehitriny?Tsy hainao nga ny tena dikan\'ny hoe kristiana? izay rehetra manara dia an\'i Kristy, fianankaviana iray Aminy satria mitondra ny anarany, ka na katolika na loterana na protestanta na batista, na Jesosy Mamonjy sns..., dia antsoina hoe Kristiana, iray no nihaviana sy hiantefana, iray ny Tompo dia i Kristy, ka na zarazarain\'ny antokony avy aza dia iray ihany ireo.Ohatran\'ny fianankaviana iray ihany io, zarazarain\'ny heviny sy ny sainy ary ny tranony fa tsy manakana ny maha fianankaviana iray azy izany.Ka le we fiombonan\'ny olona masina, dia ny fiombonan\'ireo mino an\'i Kristy, na mizarazara aza izy ireo araka ny lazainao, dia misy iombonany ao, dia ny finoany an\'i Kristy.
Faniriana ny ho toa an\'i Apostoly Paoly, ka raha misy olona tena mahavita toy ny nataony, tena tsara,nefa raha mbola mora taitran\'ny fitiavana ho aho, dia aleo tonga dia manambady.
Inona moa ny atao hoe manaratsy e, ny milaza ny zava-misy marina ve??, raha ohatra fotsiny izao ilay resaka pretra pedophile tany amerika iny, na izy aza efa niaiky fa nanao izany.zavatra nataony ilay izy fa tsy fanaratsiana akory, izany hoe filazana ny zavatra ratsy nataony, raha milaza we manao sipa ny pretra, tsy fanaratsiana izany fa filazana ny zava misy, ary tsy misy maharatsy ny fanaovana sipa koa ange e, fa le we ny mopera manokantena ho an\'Atra dia tsy manambady, nefa mangalapihinana izay no maha ratsy azy.Ka raha ny filazana izany zava misy marina izany no lazaina fa manaratsy, inona tsony zany, satria halan\'Atra ny manao vavolombelona mandainga milaza fa tsy misy izany nefa zava misy .Ka aleo milaza ny marina dia hahazo sitraka amin\'Atra na dia ho halan\'ny olona, ny katolika sy ny mopera aza amin\'ny filazana ny zava misy.Noho izany ry xxx tsy manaratsy mopera fa milaza ny marina hita hiainan\'ireo mopera.Tsy hoe mitsikera be ny fiainany, fa kosa talaky maso loatra ny misy azy ireo, satria jiro natao hanazava, hany ka raha vao misy pentina tonga dia hita be we io misy maintimainty amin\'ilay jiro dia tsy dia mazava tsara
:) :wink:
10. xxx ( 12/04/2005 21:26)
haha, mahafinaritra be ny fanazavan'i Yonikafopl, marina ny anao fa iray (zah milaza tokony ho iray) ny Kristianina. Tokony satria araka izay voalazanao teo izay. Fa tsy izay ny zava-misy, lasa miady sy mifanaratsy ny fiangonana ankehitriny, milaza ny atsy ho ratsy sy ny aroa ho mpanompo satana. Raha ohatra ka fianakaviana resahinao io miady ohatry ny Kristianina(fiangonana) ankehitriny, marina ny anao hoe mbola fianakaviana no iantsoana azy nefa tsy miaraka ny dikan'izay. Raha ny zanaka ohatra mandeha manaratsy ny ray ary dia ny ray manaratsy ny reny na zavatra toy izany, dia midika izany amiko fa misaraka ilay fianakaviana. Toy izany ihany ny Kristianina. Miady, mifanaratsy, tsy mifanaja. Koa tsy mampino ahy ny fiombonany. Toa iray ihany ny tanjona fa sady tsy miara-dia izy ireo no mbola mifandavo eny andalana.
Ny resaka mompera indray, marina fa tsy tonga lafatra ireo, satria olombelona tahaka ahy sy ianao ihany. Na i Paoly koa ange mety tsy tonga lafatra e. Ary mino an'izany zah na tsy voalaza ao anaty Baiboly aza izany satria olombelona izy. Koa raha misolafaka ireo mompera ireo, tsy midika izany fa tsy tokony nanao mompera izy amiko fa mila mibebaka sy miaiky ny hadisoany fotsiny dia miezaka ny hanarina. Na manambady na tsy manambady anie samy manao hadisoana doly e! Sa mino ianao fa perfect ireo pasitera ireo. Zah tsy mino ary efa nahita sy niara-niaina tamin'ny sasany amin'ireo ka haiko izay lazaiko. Tsy midika izany fa tokony niditra ho mpitondra fiangonana izy.
Fa ny tena tiako anontaniana fotsiny dia hoe, misy izany rafitra izany ve aminareo sa tsy nisy, namaly ianao fa misy masera vehivavy. Ekeko izany (raha tsy manambady) fa nahavaly ny fanontaniako amin'ilay iray, fa ahoana ny lehilahy? :)
11. xxx ( 12/04/2005 22:54)
hono ho aho ry xxx?
1) raha nananatra sy nampitandrina ny fiangonana i Paoly tamin'ireo tsy-fahamendrehana isankarazany, fanaratsiana ve ny fandraisanao azy sa fitiavana?

2) fantatr'i xxx ve ny hevitra fonosin'ito tenin'i Kristy ito?
"Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin'ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana. Fa hatramin'izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo. Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zanani-lahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zanani-vavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozambavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy." Lioka 12, 51-53
12. xxx ( 13/04/2005 00:28)
xxx>hahaha, tsy hitako izay hidirako amin'io fanontanianao voalohany io. Azavao tsara ny zavatra tiana tenenina fa tsy rehefa saofy avy any iny dia manoratsoratra izay tsapany any. Toa tsy nilaza zah teo hoe, nanaratsy fiangonana i Paoly, ary toa tsy nisy hifandraisan'izany akory aza. Fa hazavao aloha ny tianao ahatongavana dia mamaly zah.
Mbola toa mitovy amin'izay noresahiko teo ihany. Fantatro io. Hoe mamporisika antsika hitazona mafy ny finoantsika izy eo na inona aza ny zavatra ataon'ny manodidina antsika. Kanefa aoka hazava aminao fa tsy mamporisika antsika hiady no tena dikan'io fa mampianatra antsika hanandratra ny finoana eo ambonin'ny zava-drehetra. Fa tsy haiko mihitsy hoe, inona no tena idirako amin'io. Ilay hoe "mino ny fiombonan'ny olo masina? ve na koa Kristianina? Tsy zah mihitsy no nilaza an'izany teo. Olona hafa nilaza fa nino an'io fa tsy zah. Zah ary mino ny fisarahan'ny Kristianina, raha izao fiainan'ny Kristianina ankehitriny izao no resahina.
Fa raha avy namaky an'io ohatra ianao dia milaza hoe, hay nomen'ny Tompo andeha hanohitra an-drabainina zah, na zahay, mino zah fa tena naka ny ilany izay voalazan'ny Soratra Masina ianao. Tsarovy fa misy "hajao ny rainao sy ny reninao mba ho ela velona ianao" ao amin'ny Baiboly(didy folo) ao.
13. xxx ( 13/04/2005 01:49)
ho an'i xxx

1) raha nananatra sy nampitandrina ny fiangonana i Paoly tamin'ireo tsy-fahamendrehana isankarazany, fanaratsiana ve ny fandraisanao azy sa fitiavana?

Fanazavana: raha misy mananatra anao na ny fiangonana ve, na i Paoly na i Koto na i Bema, fanaratsiana ny andraisanao azy sa fitiavana? Misy an'ilay ohabolana izay miteny fa "ny adalan'ny tena no anarina".

Amin'ny fijery hafa: raha mahita olona manao ny tsy mendrika ianao, ary fantatrao fa azo anarina sy tokony ho voavonjy ilay olona, hanarina azy ianao sa tsia? Fitiavana ve ny hanarenanao azy sa fanaratsiana?
14. cutie ( 13/04/2005 03:59)
xxx, tsy misy mopera zany @ fiangonana protestante.
Tsy haiko ny fiangonana sasany .
15. routa ( 13/04/2005 11:03)
fa misy xxx firy aloha ato e!
ny tiako anontaniana de izao to misy xxx mifamaly anakiroa sa zaho no diso.
16. haingo23 ( 13/04/2005 11:08)
Taiza no nisy mopera @ fiangonana protestanta. Pastora na mpitandrina hoe !
routa> na izaho koa aza mba gaga. Ny tsy hitanao dia samy hafa ilay izy : ny iray "xxx" ny iray "xxx ". fa tsy hita ilay blanc @ farany.
17. welie ( 13/04/2005 12:28)
yonika> Merci be anjy zà an! :-* Ary ilay mopüera manao sipa io marina aloha dia aleho hamorona sizé indray zà we.... hihihi.....
18. xxx ( 13/04/2005 14:53)
Ay ve izay no tianao tenenina ry xxx(tsy zah lol). Ekeko hoe fitiavana no notenenan'i Paoly an'ilay izy. Fa tsy izay rehetra mananatra(raha mba azo lazaina mananatra moa izany) akory no manao izany vokatry ny fitiavana. Misy mba handatsa, misy mba hitsikera, fa tsy koi izany. Ny valiny tiako omena anao angamba dia hoe: Raha mitsikera mompera ianao dia ataonao ankampobeny ilay izy fa tsy juste amin'izay manao azy ihany, tsy vokatry ny fitiavana izany fa vokatry ny zavatra hafa. Tsy ny mompera rehetra akory no manao sipa. Fa tsara aloha ny nanaovan'i welie an'ilay lohahevitra vaovao oe, any indray miady hevitra.
19. dadabe ( 13/04/2005 15:14)
zao ry zareo a,tsy sanatria akory hoe hamaly braingona fa ny ahy de mazava,zah tsy katolika ,zah nefa tia mandala soratra masina,ary tia mizara sy mampianatra soratra masina ,fa zah ko aloha tia sipa e,zah mano sipa ary zah mampiasa ny zozo ko aho,fa zah tia mitory :roll: ka hoy aho hoe ,efa tokony hovain'ny katolika angamba ilay doctrine hoe tsy manambady ny mopera satria manjary mandainga izy,izy tokony hampianatra ny olona tsy handainga no mandainga de manjary mitaribato vilam-b...
farany >iza marina klou le xxx e,sao de tokony hialana aza ato fa miasa be le xxx? posons x=6==>ca fait xxx=666
ialao fa ho ratsy kle :^)
20. welie ( 13/04/2005 15:31)
dadabe> ahahahah..... raikitra njay ny cours de x ato... xxx maths io resahako io an!

Tohizo laoha ny resaka fa zà mitsaingoka eny ihany e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3464