TENA MATY VE NY MATY ?

1. sahary ( 11/04/2005 04:31)
araka ny resaka mandeha atsy ambadika atsy,dia mandeha ny resaka hoe mivavaka amin'ny maty,ny maty no atao mpanelanelana ...sns.Mikasika izay dia manontany tena aho hoe "tena maty marina ve ny maty "sa ahoana,miakatra any an-danitra ve izy sa midina any ambanin'ny tany,tena tsy azoko intsony izay tena marina ka angatahako izay mba hevi-tsika manoloana izany rehetra izany.
Dia misaotra mialoha amin'ny fandraisana anjara.
novalian'i sahary ny 19/04/2005 12:15
2. Lejim ( 11/04/2005 04:46)
samy isany ny finoana sahary, samy isany koa ny fomba fisainana.
-Raha mandinika ny firain-kevitra Kristianina ianao dia tokony hahafantatra fa tsy tena maty ny maty fa miakatra any an-danitra na amin-toeran-kafa.
-Raha ny finoana Malagasy no dinihinao dia tsy tena maty koa ny maty fa lasa razana na tsiny.
-Izay ny momba ny zavatra haiko fa tsy haiko ny an'ny hafa!
Fa isika ity samy tsy nisy avy tany izany tsy dia misy zavatra betsaka fantantsika momba an'io.
3. Manon ( 11/04/2005 05:20)
salut.
lejim: c'est vrais ce que tu dis là mais à chacun son interpretation , chacun sa croyance , la personne dite morte est juste partie vers le Père notre Dieu d'où elle continue à veiller sur nous. Son corps reste dans la tombe mais son âme reste vivante.
4. pika ( 11/04/2005 05:55)
marina ny tenin'i Lejim fa ny vatana no maty fa ny fanahy na ho any @ afo be aza tsy maty. fa mba azon'i sahary hazavaina ve ilay hoe mivavaka @ maty sy atao ho mpanelenenana?
5. xxx ( 11/04/2005 10:24)
Za alo mbola tsy maty de tsy fantatro e!
6. dadabe ( 11/04/2005 10:30)
zah kounkou :cry:
7. andriary ( 11/04/2005 10:39)
sahary!Fanontaniana miteraka ady hevitra be ny fanontanianao , ena maty ve ny maty!Mahavoakasika resaka antokom-pinoana mantsy ilay izy!Misy milaza fa ny maty tena maty araka ny ao @ baibolyamin'ny genesisy hoe: "ho faty tokoa ianao" ary hamafisin'ny andininy hafa hoe:ny maty tsy mahavita n'inon'inona ary foana ny fikasany sy ny faniriany sns...
Misy indray anefa finoana sasany mihlaza fa ny maty dia miakatra any an-danitra ny fanahy...(tsy mitovy ny interpretation biblique).na izany na tsy izany dia izao...ny itoviana ao amin'ny baiboly dia ny hoe:hisy fitsanganana amin'ny maty amin'ny fihavian'i Kristy indray , izay hiafaran'ny tantaran'ny faharatsiana sy ny forongony:ny fahafatesana, ny fahotana sns , ka samy hahazo ny anjarany ny rehetra: na ho velona mandrakizay na fahafatesana mandrakizay.ny baiboly no milaza an'io an!misaotra an'i sahary nanontany!
8. dadabe ( 11/04/2005 10:59)
de mbola :roll:
9. haingo23 ( 11/04/2005 11:17)
Ny tena no maty fa ny fanahy tsy maty
10. lilbon ( 11/04/2005 14:25)
sahary> maty sa tsy maty?
Iza no efa tany ka nahita?
manahoana ny an-paradisa?
manahoana ny any @afobe?

inona no finoanao? tano mafy izay anananao sao ho robain'ny sasany.
izaho kristianina anefa curieux.raha ny fisainako dé hoé:MATY =tsy mihetsika intsony .lasa ny fanahy miala tao @vatana .Ho an'kristianina dé mankany am-paradisa ny fanahin'ny tsara fanahy,ary any @afobe kosa ny an'ny ratsy fanahy.ny manitikitika de hoe @fomba ahoana no andehanany any?ary aiza no misy izany?
11. kally ( 11/04/2005 14:36)
Ny havanay akaiky tena akaiky efa nisy maty fa na dia akaiky sy mpifananihany aza tsy niverina mihitsy zareo mba nilaza hoe ohatr'izao ny any na ahoana,ny fantatro dia nony maty izy dia tsy teo intsony,tsy haiko lasa aiza angaha.Ny vatany hitako nihasimba raha elaela vao nalevina,ny fanahiny na fony fahavelony aza moa tsy voatsapako tanana ka mainka fa maty...ary izaho Mino ny fitsanganan'ny tena @ maty.Izany hoe tena maty ny maty fa misy fahavelomana aorian'ny fahafatesana.
12. ari.malala ( 11/04/2005 14:50)
lilbon:

Ho an'kristianina dé mankany am-paradisa ny fanahin'ny tsara fanahy,ary any @afobe kosa ny an'ny ratsy fanahy.ny manitikitika de hoe @fomba ahoana no andehanany any?ary aiza no misy izany?


Jn 14, 2 - 3 "Misy fitoerana maro ao an-tranon'ny raiko, ka handeha aho ary hanomana toerana ho anareo, ary rehefa lasa aho ka voaomana ny toerana ho anareo dia hoavy indray aho haka anareo ho ANY AMIKO, ka IZAY HITOERAKO NO HITOERANAREO KOA", izay ny làlana hoan'ireo izay ho any @Paradisa.

13. yonikafopl ( 11/04/2005 22:18)
ity tenantsika ity dia vovoka ka mbola hiverina ho vovoka fa ilay fanahy izay avy amin 'Atra sy namboariny tahaka ny endriny dia hiverina any aminy ihany.izany hoe ny vatany no maty fa ny fanahiny tsy mety maty.
Fa misy kely tsy azoko koa aloha ity e!, izany hoe misy toerana iray ho an'ny rehetra ve any sa tonga de le we any amin'ny helo sy ny paradisa? de awona ilay fitsarana amin'ny andro farany izany?, ilay amin'ny Andro ihavian'i Jesosy Kristy??raha toa ka efa mizara roa ny lalana? loha hevitra hafa njay ngamba io ooo,
14. sahary ( 12/04/2005 04:35)
araho tsara fa misy zavatra tsy mi-colle mintsy ao,misy milaza fa refa maty de miakatra any an-danitra(@ faire part ara moa misy hoe nantsoin'ny ray hody any aminy)koa zany ve any an-danitra tsy ho vahoaka be mintsy,ary raha izay maty rehetra de hiakatra any ,koa tsy lasa fitoeran'ny matotoa ve zany any an-danitra satria ny vatana ao am-pasana,de ny fanahy no miakatra any,tena tsy mahatamana any raha izany klé.
Raha araka ny filazan'i lilbon ndray de we ny ratsy fanahy any @ afo-be,de ahoana zany le didim-pitsarana hivoaka refa ho avy jesosy le hanao hoe ny ondry eo enkavanany dia ny osy eo an-kaviany;ka raha olona efa may tany @ afobe ve de mbola afaka ho eo ankaviany ihany sa tsy mety may koa le fanahy(raha izany no miseho de tsy mijaly zany ntsika na any @ afobe aza)
15. ari.malala ( 12/04/2005 05:46)
yonikafopl:

ity tenantsika ity dia vovoka ka mbola hiverina ho vovoka fa ilay fanahy izay avy amin 'Atra sy namboariny tahaka ny endriny dia hiverina any aminy ihany.izany hoe ny vatany no maty fa ny fanahiny tsy mety maty.
Fa misy kely tsy azoko koa aloha ity e!, izany hoe misy toerana iray ho an'ny rehetra ve any sa tonga de le we any amin'ny helo sy ny paradisa? de awona ilay fitsarana amin'ny andro farany izany?, ilay amin'ny Andro ihavian'i Jesosy Kristy??raha toa ka efa mizara roa ny lalana? loha hevitra hafa njay ngamba io ooo,



Jereo Matio 25; 31 - 46 misy ny tantaran'ny fitsarana farany ao sy izay halehan'ny olona rehefa vita izay fitsarana izay.

16. yonikafopl ( 12/04/2005 08:27)
ari.malala ok, azoko sy hinoako ny voalaza ao ka, fa voalaza ao wa we amin'ny andro izay hihavian'ny Zanak'Olona, izay Izy vao hanavaka ny ondry sy ny osy, fa le rehefa maty ny olona ve zany wa de ilay fanahy ve aiza?efa voahavaka ve sa miandry ilay fanavahana?de ahoana? fanontaniana adaladala ngamba fa mba manontany zany fona za fa tsy hitako ny valiny.
17. dadabe ( 12/04/2005 08:57)
yonika>te hanazava aho fa ho lava be ny fanazavako(sady zah miafy tsy miteny atsy ambadika atsy),fa aleo aho haka aina kely aloha
18. ndrena ( 12/04/2005 14:10)
Ny baiboly dia manambara fa misy fahafatesana roa:
1°)Fahafatesana voalohany ny fisarahan'ny nofo sy ny fanahy:rehefa maty ny olona dia araka ny fanazavana rehetra teo ny tsara fanahy dia mankany an-danitra fa ny ratsy fanahy kosa dia mbola miandry ny fitsrana ao @ helo(aorian'ny fandevenana io an)
2°)Fahafatesana faharoa ny fisarahana mandrakizay @ A/tra ka ireofanahy tao @ helo no hotsaraina ary hatsipy hijaly mandrakizay any @ farihy afo.
Vatana sy fanahy ny olona ka ny vatana no levona lasa vovoka fa ny fanahy tsy mba maty fa na izy mijaly any @ farihy afo mandrakizay na izy miara-monina @ A/tra mandrakizay am-pifaliana.Miala tsiny raha somary lavalava ny fanazavana
19. annie ( 12/04/2005 17:28)
tsy de manakambara loatra satria mbola tsy maty za de tsy haiko hoe mitombona ve io resaka io. :lol: :lol: :lol:
20. yonikafopl ( 12/04/2005 21:09)
dadabe hihihihihihihih
annie :)
tena maty ve ny maty, dadanay efa 3 taona zay no nolazaina hoe maty, nefa izy mbola velona be ato am-ponay, noho izany tsy tena maty izy fa mody maty hihihihihhihihih :wink:
ndrena, aiza ho aiza ao amin'ny baiboly kay no misy ireo fa tena tsy haiko, mba tena tiako ho fantatra manko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1657