TENA MATY VE NY MATY ?

21. sahary ( 13/04/2005 04:04)
yonika : raha toa ka miakatra any an-danitra ny fanahy na midina any @ afobe;dia inona izany no ilana ny fitsanganan-ko velona na fitsanganana @ maty;io le lazaiko hoe misy zavatra tsy mi-colle mintsy ao.
T@ famoronana koa dia vovoka + fofonaina no nanamboaran'Atra ny olona izany hoe
VOVOKA + FOFONAINA = OLONA VELONA
VOVOKA - FOFONAINA = OLONA MATY
FOFONAINA = SOUFFLE DE VIE (FA TSY HOE FANAHY)
dia avy aiza no nahatongavan'izany resaka fanahy tsy mety maty izany;tsy hitanareo hoe bizzare zany ve.
22. zzorro ( 13/04/2005 11:33)
Fa zao aloha e :

1) - Raha tsy tena "maty" ny maty fa na miakatra any andanitra, na mankany amin'ny afobe, dia inona no hitranga amin'ny fitsanganana amin'ny maty ? Ny any andanitra sy ny any amin'ny afobe ve haverina aty antany indray, satria miverina "velona" indray ry zareo ? Mba misy dikany ve zany hoe efa any andanitra ndry haverina eto antany satria tonga ny fitsanganana ?

2) - Tamin'i Lazara (na Lazarosy) maty nandritra ny efatra andro, taiza moa izy nandritra ireo efatra andro ireo ? Tany andanitra ve ? Sa tany amin'ny afobe ?

3) - Jesosy Kristy maty nandritra ny telo andro, taiza ? Tany an-danitra ? Sa tany amin'ny afobe ? Mariho fa tao aorian'ny nitsanganany tamin'ny maty izy vao resahin'ny Baiboly hoe niakatra tany an-danitra....

23. ndrena ( 13/04/2005 13:51)
Ny fitsanganana @ maty dia misy karazany roa:ny voalohany dia ny olona maty ara-panahy rehefa mandray ny famonjen'A/tra dia lasa velona ara-panahy,ny faharoa kosa dia ireo izay maty anaty fahotana ka ao @ helo na afobe dia atsangana rehefa tonga ny fitsarana farany ka atsipy any anaty farihy afo.Izo ny valim-panontanian'i yonikafopl:
1)Fahafatesana voalohany :ilay hita ao @ genesisy toko faha 2 sy faha 3:fisarahan'ny vatana sy fanahy ka ny vatana lasa vovoka fa ny fanahy na any am-paradisa na any @ helo miandry fitsarana farany
2)Fahafatesana faharoa:hita ao @ Apokalypsy toko 20 andininy 14-15 miampy ny Apok 21:8 io ilay fisarahana mandrakizay @ A/tra. :!:
24. annie ( 13/04/2005 20:49)
Mahafinaritra be ny adi-hevitra!
Ny hoe TENA MATY VE NY MATY!
Fa izao aloha,ho antsika rehetra izay miady hevitra eto de miangavy aho tsy hisafoaka satria ny baiboly no hiadin-tsika hevitra,ary ny fahamarinana ao anatiny no hambara!
Manaiky angamba isika fa tsy namorona lehilahy afa tsy 2 Jehovah Aa,de i ADAMA sy Jesosy,hekentsika fa asa-tanan\'Aa mivantana ireo.Ny maha samy hafa azy de navahany tsara mihintsy ao @ baiboly.i Adama noforoniny t@ fotaka novolavolainy,ary i Jesosy notorotoronina t@ Fanahy Masina tao @ kibon\'i maria.Ary voaporofo io ao @ baiboly.Samy maty ireo olona 2 ireo nefa ny iray ihany no nitsangana t@ maty.Naninn no iray ihany no nitsangana? satria mbola voalaza fa natao t@ alalan\'ny vovoka izy ary, vovoka de hiverina ho vovoka indray,fa Jesosy kosa de natao t@ alalan\'ny FM.IKorintianina 15:47-50 \"Ilay lehilahyvoalohany dia avy amin\'ny tany sady natao tamin\'ny vovoka,fa ilay lehilahy faharoa kosa avy any an-danitra.Tahaka ilay natao t@ vovoka ireo natao tmin\'ny vovoka, ary tahaka ilay any an-danitra ireo any an-danitra.... Izao anefa no lazaiko ry rahalahy: Tsy afaka mandova ny fanjakan\'Aa ny nofo amandra,ary izay mety lo tsy mandova ny tsy mety lo.Tsy misy teny mihintsy ao @ Baiboly hoe rehefa maty isika de ny fanahintsika ho any andanitra fa ny vatantsika any ampasana.Raha mitombona izany de tsy misy intsony ny fitsarana ny velona sy ny maty aorina kely ao.
Tiko ahitsy angamba ny tenin\'i ndrema hoe:vatana sy fanahy ny olona ka ny vatana no levona sy lasa vovoka, fa ny fanahy tsy mba maty,fa na izy mijaly any @ farihy afo mandrakizay na izy miara-monina amin\'Aa mandrakizay ampifalina!
De te hametraka fanontaniana aminao ary aho hoe:inn ary zany no antony hanambarana ao @ baiboly hoe: Apokalipsy 20:13,14 \" Ary NY RANOMASINA dia mamoaka NY MATY AO AMINY,ary ny fahafatesana sy NY FASANA mamoaka NY MATY AO AMINY?ka samy ho tsaraina araka izay nataony avy izy ireo.\"Tsy ny ranomasina sy ny fasana akory no hanao fahagagana hanangana azy ireo fa Jehovah Aa sy Jesosy,Koa raha efa any andanitra ary ve ny fanahintsika maninn no mbola hatsangana ny efa maty fa tsy tonga de le fanahintsika any no tsaraina de vita?
ari.malala! tsy ho an\'ny rehetra ny toerana nomanina fa ho an\'izay voafidin\'Aa ihany Matio 7:21-23:\" Tsy izay rehetra miantso hoe Tompo ô! Tompo ô!,no hiditra @fanjakanny lanitra,fa izay manao ny sitrapon\'i Raiko izay any andanitra.Ary ny paradisa resahana de tsy any andanitra mihintsy fa tany vaovao.Izany hoe tontolo vaovao,2Petera 3:13\" Misy anefa lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran\'ny fahamarinana,ary izany no andrasantsika,araka ny fampanantenana.
Hisy hilaza indray zao eo hoe kou io misy hoe lanitra vaovao kou!Araky ny efa voalaza tany aloha fa isika de tsy afaka miakatra any andanitra velively!
Misy mametraka fanontaniana hoe efa voahavaka ve ilay toerana sa miandry ilay fanavahana na ny farany angamba no tiany lazaina;de hamaly anao aho hoe ENY
ary 144.000 personnes no voatendry hanampy an\'Aa hanampy azy hitsara ny velona sy ny maty.
vakio tsara ao @ apokalipsy fa voalaza ao io Apok 7:4. Rehefa feno ireo isa ireo de tonga ny fiafaran\'izao tontolo izao ary efa kely sisa.
Koa ny teny farany angamba de ny hoe:tsy manenjika ny fivavahana hafa aho na inn io na inn fa ny tiko ho lazaina amintsika de ny hoehilaina ny mandinika io Baiboly io mba ahalalana ny marina,tsy ampy ny andehanana any ampiangonana fotsiny sy manao routing be @ ilay fivavahana,ny tena hitako sy tsapako de fahazarana fotsiny @ tsika ilay hoe mpivavaka sy ande hivavaka,fa tsy ampy fianarana baiboly,any ka lasa tsianjery be daholo zay hatao ao ampiangonana.
Samy manaiky an\'izay angamba isika rehetra!
de mazotoa mivavaka sy mandalina baiboly daholo e!
namana
25. Veloo ( 13/04/2005 21:16)
Ny maty dia maty ao am-pasana ary tsy mbola misy lasa any an-danitra, ny fofonaina no lasa niverina any @ Andriamanitra, ny fanahin'ilay olona maty dia mbola ao am-pasana ko. Devoly no manimba ny sain'olombelona oe tsy maty, na oe lasa ny fanahy mba tsy ahanaran-tsika an'i Jesosy, mba ho very isika tadiavin'ny daolo izay rehetra azo ataony mba tsy hanaraka an'i jesosy isika, ka marina mila mamaky tsara ny baiboly isika satria io irery ihany no ahafana-tsika miady amin'ny devoly. Ary ny momban'ny fitsanganana dia marina fa misy roa. Ny voalohany dia rehefa tonga i Jesosy (izay tsy ho ela intsony) dia hitsangana ireo nino sy nanaraka ny didiny (fitsanganana voalohany)dia ny velona dia ovaina iry mipy maso dia hiakatra any an-danitra. Ary ireo velona tsy nanaraka ny didiny dia tonga dia maty satria tsy ahatanty ny hazavan'ny voninahitr'i Jesosy. Mandritran'ny arivo taona i Devoly dia ho irery eto an-tany tsy hisy hamitahiny intsony. rehefa vita ny arivo taona dia hitsangana ny maty ratsy rehetra (fitsanganana faharoa) dia hanfika ireo sy ny devoly ary ny anjeliny ny tananan'i Jerosalema izay namboaran'i Jesosy ho antsika izay nankato sy nino ary nanaraka ny didiny (didy-folo io) kay zay ry zareo ny dikany... Ny fanahy masina anie hirotsaka ho anareo izay mamaky rehetra :lol:
26. sahary ( 14/04/2005 04:34)
annie : za aloha tsy notorotorana t@ vovoka izany fa tany an-kibon'ny mamanay,de jesosy koa notorotoronina tao an-kibon'i maria,de za ve zany mety tonga de hitsangana @ maty koa raha arahako tsara ilay fanazavanao.
27. dadabe ( 14/04/2005 09:52)
ary nilaza tsy nanana hevitra i annie teo ,nefa tena degany be a hhmm :?:
annie>le olona miditra ao @ilay jerosalema vao2izany de izay olona voaantso sy voafidy ary mahatoky apokalipsy14:12 +"ireo izay tsy niankohoka teo anoloan'ny bibidia sy ny sariny ..."apokalipsy 14:6-de mazotoa marina handalina ny soratra masina fa ao no tena fiainana,aza afangaro @filozofian'olombelona :D de ampy e
28. yonikafopl ( 14/04/2005 10:32)
hummm
mahafinaritra, fa tsy dia ao hiadiana hevitra loatra ny tenin'Atra, fa raha io no tsongolohina an, de hatrany amin'ny Genesisy dia efa misy bedabe ao iadiana hevitra.Mino ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty ve ianao? mijanona amin'izay finoanao izay. minop fa mbola ho avy Jesosy hitsara ny velona sy ny maty? manaova ny sitrapony ary.za le be fanontaniana we de mankaiza le fanahy na fofonaina tsy haiko hihihih , fa ho inonko moa ny hahalala izany?
Tsy manana hambara tsony :?
29. haingo23 ( 14/04/2005 10:47)
Marina ny voalazan'i Annie, raha tehandalina dia mila mamky tsara ny baiboly. MBola ny tapany ihany no lazainy teo fa raha mamaky ny I Kor. 15 manontolo, ny II tes sy ny Apok. dia angamba ho mazava aminareo ilay izy.
30. routa ( 14/04/2005 12:44)
efa tara ve za aloha sa ahoana e!
sahary misy zavatra tiako ambara kely ity tsy haiko raha afaka anampy anao . mba vakio ireto toko omeko anao ireto raha afaka ianao :mpitoriteny toko:9 andininy 4,5,6.
- mba jereo koa i joba :toko faha7 ny andininy faha 9 sy faha 10.
-ity koa misy deotornomia toko faha:18 ny andininy faha 11 ery @ tapany farany ery eeee!
de zay fa tsy hiteny maro aho
de dinio tsara avadibadio tsra atramin ny vialohany ny baiboly de itantsika ao ny marina e! mila mianatra ny soratra masina isiska .
31. annie ( 14/04/2005 13:49)
sahary! zay anie le mandray antendrony e! ny lehilahy roa namboarin'Aa wa! fa tsy nanonina sahary aho!ary na notorotoronina t@ inn enao na t@ inn de tadidio fa hiverina ho vovoka ihany koa;efa Aa no nandahatra izay ka tsy afaka misafidy ianao,si non mivavaha mafy ka mihirena tsara de ho azonao ny famonjena!Tsy misy hoe tara izany,tsy misy taona ny baiboly,ary efa voalaza ao zany!na izao anio zao aza ianao no vonona de miandry anao foana jesosy.
dadabe!tsy hoe tsy manana hevitra akory fa mila mandalina ny ao @ baiboly aloha vao mihady hevitra,tiko hambara eto hoe voalaza ao daholo ny fiainatsika manontolo!
32. zzorro ( 14/04/2005 14:11)
Ka hono ho'aho ry annie, de inona zany le hoe "fahafatesana voalohany" sy ilay hoe "fahafatesana faharoa" ?
33. zzorro ( 14/04/2005 14:13)
Ka hono ho'aho ry annie, de inona zany le hoe "fahafatesana voalohany" sy ilay hoe "fahafatesana faharoa" ?
34. zzorro ( 14/04/2005 14:14)
Ka hono ho'aho ry annie, de inona zany le hoe "fahafatesana voalohany" sy ilay hoe "fahafatesana faharoa" ?
35. zzorro ( 14/04/2005 14:14)
Ka hono ho'aho ry annie, de inona zany le hoe "fahafatesana voalohany" sy ilay hoe "fahafatesana faharoa" ?
36. zzorro ( 14/04/2005 14:17)
Ka hono ho'aho ry annie, de inona zany le hoe "fahafatesana voalohany" sy ilay hoe "fahafatesana faharoa" ?
37. dadabe ( 14/04/2005 15:13)
zzorro>afaka mamaly ve zah na dia ho an'i annie aza le kestio? :(
38. sahary ( 15/04/2005 04:18)
routa : ny ahy dia tsotra ihany,raha toa ka ny fanahin'i jesoa fotsiny ihany no nitsangana t@ maty dia marina ny filazanareo,kanefa tsy izay no nitranga fa ny tenany mintsy no nitsangana t@ maty,dia toy izany koa isika rehefa hitsangana @ maty tsy ny fanahy izany fotsiny fa ny tena rehetra;ary tsy misy izany hoe fanahy midina na miakatra izany fa rehefa ho avy ny tompo izay vao samy handray ny valin'ny nataony ny tsirairay avy.
39. ndrena ( 15/04/2005 07:10)
Mazava avokoa ny fanazavana teo aloha.Izao anefa no tsara marihina.Ny fanambaran'ny baiboly dia zava-dalina ka tsy vita @ fahaizana amam-pahalalana fotsiny fa tsy maintsy misy ny fanazavan'ny Fanahy Masina izany izay vao azo tsara ny tiany holazaina.Misy ny voalaza ao anaty baiboly efa an'arivony taona maro lasa nefa @ izao fotoana izao vao manomboka asehon'A/tra ny heviny.Noho izany tsy dia azo alaina ara-bakiteny loatra ny baiboly na dia misy aza ny ara-bakiteny fa ekena araka izay hampianarin'A/tra antsika.Ny tiako holazaina dia izao:mbola misy teny nambaran'A/tra ao @ Apokalypsy nefa mbola tsy tonga ny fotoana hanehoan'A/tra izany amintsika na dia efa manomboka mampiseho izany aza Izy.Noho izany vakio anie 1Tesal 4:16-18 sy Apok 20:14-15 dia hohita ao fa na ny olona efa nadray famonjena aza ka efa any an-danitra ny fanahiny,@ fotoana hiverenan'i Jesosy eny @ rahon'ny lanitra dia voalaza ao @ 1Tesal 4:16-17 io fa hatsangana ireo hitafy ny tenan'ny lanitra,toy toy izany koa ilay ao @ Apok20:14-15 fa ireo maty miandry fitsarana ao @ helo dia hatsangana koa hotsarain'A/tra @ fitsarana farany.Noho izany dia tsara ny fianarana ny tenin'A/tra na ny baiboly indrindra raha ilay tena mpampianatra dia ny Fanahy Masina no mandray ny fampianarana. (l)
40. haingo23 ( 15/04/2005 08:06)
dia izay zany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2618