ny maha-kristianina ny finoana katolika?

1. Lotera ( 07/04/2005 05:27)
Tsy anao polemika be aho. Tsy handrodana ny andry napetraky ny fanjakana Romana no tanjoko, fa hitory sy hizara ny Vaovao Mahafaly. Mety hanafintohina angamba ny fomba filazako azy, kanefa amim-pitiavana no anoratako fa tsy fankahalana. Tsy nofo aman-dra ny fahavalontsika, fa fanahy manana fahefana lehibe ary mamitaka. "Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava." 2 Kor 11:14

Hevitra telo no tiako ampitaina. Omeko eto aloha ny voalohany ho dinihintsika.
1) Ho an'ny Kristianina, dia Kristy irery ihany no mpiandry ondry tsara sy mpanelanelana azy amin'Andriamanitra. Tsy misy mpanelanelana hafa toy i Maria, ny olo-masina, ary ny pretra.
" Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanelalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany no avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao." I Timoty 2, 5-6
2. hery ( 07/04/2005 07:46)
1) Ho an'ny Katolika dia Kritsy irery ih any no mpiandry ondry tsara. I Kristy irery ihany no mpanelanelana azy amin'Andriamanitra.

Ao anaty Baiboly (Katolika) koa misy hoe " Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanelalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany no avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao." I Timoty 2, 5-6
3. hery ( 07/04/2005 12:00)
lasa hoe hery vs. lotera ilay izy :-)

En tout cas, izaho hatr@ voalohany dia contre an'i Lotera (Ilay tena izy) ary manana ny andinindininy manokana momba izany... fa sao mivoaka ny vala ny resaka... azo anaovana lohahevitra vaovao iny.
4. welie ( 07/04/2005 12:08)
Dain ooooo!!!

hery> Ary nefa ny nianarako sy henoko dia hoe ny an'ny Katolika dia ny Pape no manelanelana an'Andriamanitra sy ny Olombelona...

Io no antony iray hafa nahatonga ny Protestantisme...

Dia raha diso indray io dia ahitsio ary aloha e!


Very be manko zà zany... :-p
5. welie ( 07/04/2005 12:10)
Sa ve hoe mpanelanelana an'i Kristy (Zanaka) sy ny olombelona indray? :lol: Tsy aiko trop...
6. ari.malala ( 07/04/2005 12:27)
Lotera:

Tsy anao polemika be aho. Tsy handrodana ny andry napetraky ny fanjakana Romana no tanjoko, fa hitory sy hizara ny Vaovao Mahafaly. Mety hanafintohina angamba ny fomba filazako azy, kanefa amim-pitiavana no anoratako fa tsy fankahalana. Tsy nofo aman-dra ny fahavalontsika, fa fanahy manana fahefana lehibe ary mamitaka. "Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava." 2 Kor 11:14

Hevitra telo no tiako ampitaina. Omeko eto aloha ny voalohany ho dinihintsika.
1) Ho an'ny Kristianina, dia Kristy irery ihany no mpiandry ondry tsara sy mpanelanelana azy amin'Andriamanitra.

Jereo ary Joany 20. 15 - 17 momba an'i Piera izay nasain'i Jesoa namahana ny Reniondriny sy ny zanak'ondriny. Raha tsy mpiandry ondry tsara izy, nahoana no nanankinan'ny Tompo ny andian'ondriny? Ny reference tsy tadidiko, fa misy koa any ny nanomezan'i Jesoa azy ny Fanalahidin'ny Fanjakan'ny Lanitra, ka izay rehetra hovahanao ety an-tany dia hovoavaha koa any an-danitrahoy Izy, ary izay hotananao ety an-tany dia hovoatana koa any an-danitra.


Tsy misy mpanelanelana hafa toy i Maria, ny olo-masina, ary , ny pretra.

Jereo Joany 20, 22 - 23 (Momba ny pretra io) Momba an'i Masina Maria, jereo Joany 19. 25 - 27, ny nanoloran'ny Tompo ny Reniny ho Ranin'ny olombelona.

" Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanelalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany no avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao." I Timoty 2, 5-6



7. dadabe ( 07/04/2005 13:02)
arimalala>aiza ny hevitra???
:roll: :roll: hisy ady hevitra indray ve????nefa mazava===>lotera hhmm
8. ari.malala ( 07/04/2005 13:12)
dadabe, tsy mahay an'ilay répondre en citant angambany aho dia lasa mitambatra ao! ndraso fa handefa post vaovao misy ny hevitro ary aho ê! azafady ê! :-)
9. ari.malala ( 07/04/2005 13:16)
Hevitra telo no tiako ampitaina. Omeko eto aloha ny voalohany ho dinihintsika.
1) Ho an'ny Kristianina, dia Kristy irery ihany no mpiandry ondry tsara sy mpanelanelana azy amin'Andriamanitra.

>>Jereo ary Joany 20. 15 - 17 momba an'i Piera izay nasain'i Jesoa namahana ny Reniondriny sy ny zanak'ondriny. Raha tsy mpiandry ondry tsara izy, nahoana no nanankinan'ny Tompo ny andian'ondriny? Ny reference tsy tadidiko, fa misy koa any ny nanomezan'i Jesoa azy (i Piera ihany) ny Fanalahidin'ny Fanjakan'ny Lanitra, ka "izay rehetra hovahanao ety an-tany dia hovoavaha koa any an-danitra hoy Izy, ary izay hotananao ety an-tany dia hovoatana koa any an-danitra."


Tsy misy mpanelanelana hafa toy i Maria, ny olo-masina, ary , ny pretra.

>>Jereo Joany 20, 22 - 23 (Momba ny pretra io)

Momba an'i Masina Maria, jereo Joany 19. 25 - 27, ny nanoloran'ny Tompo ny Reniny ho Renin'ny olombelona.

10. dadabe ( 07/04/2005 13:43)
arimalala>mahafinaritra be ise rehefa mampiasa andinitsoratra masina :D merci e,befa misy tsy mahazaka an'ireny ao ambadika ao???????????
11. annie ( 07/04/2005 15:38)
ari.malala
Jesosy mihintsy no nilaza t@ Maria hoe"inoko mou enao ravehivavy?"
Tsy misy teny mihintsy ao @Baiboly milaza hoe olo-masina i maria fa fitaovana nametrahan'Aa an'i Jesoa izy.
Mazava be ny didy nomena ao @ Baiboly manao hoe" aza manompo Andriamani-kafa afa tsy zaho rery ihany
Genese 34:13,14 3Fa ravao ny alitarany,ary torotoroy ny tsangambaton-tsampiny, ary njinjao ny Aserahany(anaran'andriamani-tsi izy,na ny sariny).Fa tsy hiankohoka eo anatrehan'izay andriamani-kafahianao;fa Jehovah dia Aa saro-piaroIzy
tsy mitsara anao aho fa mba tiko ho fantatrao io teny ao @ baiboly io
namana
12. pissoa ( 07/04/2005 16:40)
annie> Ny katolika tsy miteny hoe andriamanitra ireny olo-malaza ireny e. Singaniko manokana i Maria satria moa tian'ny olona mihitsy io hoe 'mivavaka amin'i Masina Maria' ony izahay manao ny "Arahaba ry Maria ..." http://lakroa.free.fr/index.php?rub=vavaka.php
ny teny ao dia hoe "Mivavaha ho anay" fa tsy "Mivavaka aminao izahay". Tsy miankohoka eo anatrehan'ny andriamanitra hafa izahay fa kosa manaja ny maha-Renin'Andriamanitra an'i Maria. Mino aho fa ekenareo hoe nisy vehivavy niteraka an'i Jesoa. Dia izay no hajainay.
13. pissoa ( 07/04/2005 16:42)
Ooops, tsy nety ilay link lety e! :roll: :-D
14. sonwin ( 07/04/2005 17:00)
aleo aloha tsy miteny fa...
15. cutie ( 07/04/2005 17:17)
masin;i maria ve renin'Atra pissoa??
16. hery ( 07/04/2005 17:25)
cutie> jesoa ve Andriamanitra cutie? :-)

Ilay resaka mpanelanelana :
misy teny maro midika hoe mpanelanelana. Intermediaire, Intercesseur...

Asa ianareo raha mivavaka ho an'ny fianakavianareo. Dia inona izany ianareo? Tsy mpanelanelana ny fianakavianareo amin'Andriamanitra ve? Intercesseur io.

Toa izany daholo ny olona rehetra. Afaka manelanelana (manampy tosika amin'ny vavaka atao)

I Maria dia tsy ivavahana fa iarahana mivavaka. Inoana izy fa akaikin'Andriamanitra ka angatahana mba hanampy amin'ny fivavahana. Mivavaha ho anay. Miaraha mivavaka aminay.

Koa ho an'ny Katolika dia i Kristy irery no mpanelanelana (mitovy @ fanaon'ny mpino hafa rehetra) fa ny tombony ho an'ny Katolika dia tsy privée (chat pv) ny vavaka fa communautaire. Rehefa mivavaka ianao dia miaraka mivavaka amin'ny olona velona sy ny olomasina na dia ianao irery aza no mivavaka.

Tombony io fa tsy voatery hanao an'io daholo kah :-)
17. maditra ( 07/04/2005 18:01)
Efa mandreraka ny mahita ny fanaratsiana ataon' i lotera amin'ny Katolika! Tsy misy olo mivavaka amin'i Masina Maria eo ary ambarako anao fa na inona ny hevitrao na ino ny tsikeranao, masina i Maria aminay! Ataoko hoe aminay satria tsy raharahako aby ino ny zavatra inoan'i lotera! Ary tiako ianao raha tsy hitsabatsabaka amin'ny finoanay satria tsy manelingelina ny anao! Mbola averiko koa fa jaloux ianao, jaloux pour l'originalite de l'Eglize Catholique! Jereo Lioka 1:42-43!
Diniho io ary io koa anehoako anao fa mba mamaky Baiboly izaho ity fa tsy ianao no andeha hanome sopapa eo!
Aza manenjika an'i Maria koa fa manana hatsaram-panahy sy fahatsoram-po tahaka ny azy!
Catholic forever!
18. chipie1 ( 07/04/2005 18:52)
hery > tsy azoko le oe "Rehefa mivavaka ianao dia miaraka mivavaka amin'ny olona velona sy ny olomasina na dia ianao irery aza no mivavaka ?
hazavao oe azafady , :-D
19. pitchou ( 07/04/2005 19:33)
euh ... sao dia mety mora kokoa ny fanazavana raha atao ohatra @ fanao andavan'andro?
raha misy olona handeha hiangona nefa ny tena tsy handeha dia miangavy an'iny hivavaka ho an'ny tena! raha hivavaka na ao an-trano aza, dia mivavaka koa ho an'ny hafa! dia manao an'izay daholo ny kristiana. Fiombonam-bavaka izay. Dia tsy hoe rehefa maty d vita ny aminy ho an'ny kristiana, fa mbola misy ny fiainana any ankoatra, ka ny kristiana rehetra efa lasa any izany dia mivavaka koa, ho an'ny rehetra!
Fa ny fazahoako azy diaireny olo-masina ireny koa ataon'ny olona ho filamatra sy tsara faka-tahaka ny fiainany ka izay no mahatonga ny tsirairay hoe i Msd Piera na i Ms Maria no matetika solliciter-na hiara-mivavaka?
20. xxx ( 07/04/2005 21:30)
samihafa ny velona sy ny maty
samihafa ny nitsangan-ko velona sy ny razana

====> miresaka amin'ny maty = tromba

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7309