ny maha-kristianina ny finoana katolika?

61. Mifenty ( 11/04/2005 10:31)


ke le oe jesoa na i jesosy na tsy aiko kou zé iantsoana azy anie ry lery tsy nampiasa toko sy andininy sy ny sisa eh.

Izy aza v lesy no lehiben'ny mpampianatra de ampiasa versé aona ndray le.

tsy otrany manindraindra tena ve lesy izy raha miteny am oul hoe, araka ny teniko ao am zao sy zao toko zao sy andininy zao tam zaho teny antendrombohitra sns..;


malatsaka kou zany kle.
62. ravatorano ( 11/04/2005 11:15)
mahafinaritra ilay adi hevitra sy fanaratsiana ny katolika hihihihihi.Izaho aloha mahita fa matetika ny manana ny marina ihany no kotabaina eo amin ny fiainana.
Amiko i Maria dia renin i Jeso , ny olo masina sy olo malaza eo amin ny fiangonana amiko dia entiko hampivoarana ny toetrako angalako tahaka ny fiainanany nefa izaho tsy hitovy amin ireny mihitsy fa mba miezaka ny hanakaiky azy izany we tsy mivavaka amin ireny aho.
Ny fahitako azy eto dia samy nihezaka mitondra ny fijeriny avy ary dia samy tsy mikoso maso , izahay katolika alaoha tsy hivadika toy ny namana sasany katolika fahiny ka tsy nahatanty ny fiainana tao dia niala ka minia mitsikera amin izao.Tsisy olana fa io samy manana ny fijeriny fa ny irariako fotsiny dia aleo kosa andeha ao anatin ny firalahiana araky ny tenin i dadabe fa aza d misendoatra eh
Misaotra eh
63. maditra ( 11/04/2005 16:19)
annie> Ilay nampidiranao hoe:" fa efa nomeko anao ny andininy" io anie no nahatonga zah niteny an'io e! Fa marina ny anao natao hovakiana ny Baiboly, fa ny tiako tsindriny fotsiny dia hoe, natao hodinihana amin'ny ankapobeny fa tsy itsomponana toko sy andiniy tsy akory. (zah tsy dia maditra be fa antonontonony :)

Mifenty> Ny tiako tenenina dia hoe, tsy dia niraikitra firy tamin'ireo lalana(lalanan'i Moizy na testamenta taloha no fiantsoana azy amin'izao) i Jesoa rehefa nampianatra, fa tamin'ny fiainana andavan'andro. Somary nampitandrina aza izy ny amin'ireo izay nilaza ho mpahay lalana nefa tsy nampiatra izany teo amin'ny fiainany fa juste ni-geste toko sy andininy fotsiny no sady nihatsara velatsihy.

ravatorano> bravo
64. annie ( 11/04/2005 16:44)
maditra!
@ ankapobeany an?nenà aloha de tena ny toko sy andininy mihintsy no tiko e!tsy sanatrai akory hoe roman amiko ny baiboly ka ho vakiko @ ankapobeany!
Ny olona tia fahamarinana r'se tsy tezitra @ zany an! matahotra ny hilaza ny fahamarinana matoa mora tezitra,baiboly no hiadin-kevitra eto
65. maditra ( 11/04/2005 16:51)
annie!
Zah raha tena fahamarinana sy amin'ny fo Krsitianina no anaovana resaka dia mazoto zah. Fa raha mbola hoe, 666 ny fiangonan'itsy eh, mpivavaka ami-tromba e, manompo devoly e, ihany no asesika eto, aiza moa tsy hisendaotra kely, amin'ny maha-olona.
Mazotoa amin'ny fandalinana Baiboly ry annie ary ny Tompo anie hitahy antsika!
maditra forever
66. sonwin ( 11/04/2005 17:35)
maditra> ok leisy mec
67. Mifenty ( 11/04/2005 17:37)


samy manao belazao doly kou le kil ato kle

maita oe zao ndray e, toko tapaka eh, vilany mitongilana e.
68. sonwin ( 11/04/2005 17:46)
izay tsy mety arenina e
69. sonwin ( 11/04/2005 17:47)
izay tsy mety arenina e
70. pitchou ( 11/04/2005 19:16)
aleo arenina sao very le ao anatiny e!
71. annie ( 13/04/2005 22:24)
tena zay tsy mety mihintsy no harenina ary zay no tanjona eto!Za kosa aloha tsy niteny hoe 666,tromba sns zany e!Ary tsy manaratsy koa fa milaza ny fahamarinana ao @ baiboly,za anie mivavaka any ampiangonana na katôlika io na inn fa kosa zay fantatro fa tsy mifanaraka @ baiboly de tsy hataoko,tsy voatery hanao ny fomban'ny fiangonana aho vao hatao hoe mivavaka.
Ento ampilaminana ny adi-hevitra de aoka samy hanokatra ny baiboliny de mandinika izay tokony hatao sy ny tsy tokony hatao fa tsy le mandahatra be fotsiny hoe tsy marina izany fa zao ny anay no efa nahazatra anay,ilay fahazaran-diso mihintsy no tokony hialana.Raha oh ve ka feno hao ny lohanao de sahy hilaza enao hoe tsy maninn io rangah na tsy hesoriko aza fa olombelona ve tsy hisy hao a!
De tsy misy hafa an'izany ny fahamarinana ao @ baiboly,tsy maintsy midio enao mba hialan'ny ratsy na ny maloto
Isika koa anefa tsy ahalala ny fahamarinana mihintsy raha tsy manokatra an'io baiboly io ka mamaky ny toko sy ny andininy,de mampiantra azy eo @ fiainantsika
Aoka tsy ho tezitra e! namana
72. yonikafopl ( 14/04/2005 22:06)
za koa mitovy amin'i annie we le baiboly tsy atao haingontrano na vakiana de akombona , fa natao hiainana ny voasoratra ao,Bokin'ny fahendrena ny baiboly, bokin'ny fahalalana ambonin'ny fahalalana rehetra, ka raisiko ho fiainana hiainako isanandro mihintsy raha azoko atao.
Iza ianareo no hilaza fa ireo Apostoly ireo dia katolika na protestanta na silamo. Ny voasoratra ao izao dia misy ny Jiosy sy ny Jentilisa, fa nony tonga Kristy dia nanaraka azy ny vahoaka , ka nahatonga ny hoe Kristiana.

Ka ilay loha hevitra we ny maha kristiana ny finoana katolika, raha manara dia an'i Kristy ny katolika dia kristiana

ari malala tsetsatsetsa tsy aritra kely, ao amin'ilay Jaona 19. 25-37, le we nanoloran'i Jesosy an'i Maria ho renin'ny olombelona rehetra. Tsy mahita izany aho ao kou, mpianatra iray ihany no nilazany hoe indro ny reninao.
73. ari.malala ( 15/04/2005 07:25)
yonikafopl, fa ilay mpianatra angaha tsy olombelona? Tsy manao interpretation aho akory, fa ny fahazoako an'iny dia solon-tenan'ny olombelona rehetra iny mpianatra iny (izay rahateo no nampianarina anay tany @ fandalinam-pinoana )

Efa voalazako ao ambinimbony ao koa fa i Kristy dia ekenay ho Filoha ambony indrindra @ Eglizy izany hoe mpanara-dia Azy izahay. Ary ny hoe Katôlika na Protestant anie anaram-piangonana ê! tsy izany no tokony hifamaliana sy hifampiderana fa ny tena Finoana sy fanarahan-dia an'i Kristy.

Marina fa fiainana ny Baiboly saingy tsy tsara kosa ny fitsongatsongana toko sy andininy entina hanamarinan-tena na hanaratsiana ny hafa. Tsy roman iny ka hovakiana fotsiny fa mila fandinihana sy ny Herin'ny Fanahy Masina hanazava ny saina hahazoana izay tiany hambara.

74. yonikafopl ( 15/04/2005 08:56)
ari.malala, olombelona ny mpianatra fa tsy we ny olombelona rehetra akory, fa raha izay moa no nampianarina anareo, anareo zany

izzay mihintsy, Atra tsy mijery na jiosy na jentilisa na protestanta na katolika, fa ny fonao sy ny fanaovanao ny sitrapony no ankasitrahany na tsia.

raha manome toko sy andininy ange ao amin'ny baiboly tsy midika fa we manamarin-tena na manaratsy ny hafa e, fa manamafy sy manome fanazavana bebe kokoa izay tiana ho lazaina sy hambara ilay teny. Ka tsy ny tena no hamarinina fa ny teny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2315