ny maha-kristianina ny finoana katolika?

41. hery ( 08/04/2005 13:37)
I Lotera ve tena mahalala ny atao hoe tromba? :-) efa nahita ny olona voan'ny tromba tokoa ve? Dia hoy indray aho hoe aza maika ny hiteny raha tsy nahita na tsy mahalala. Sady tsy mahalala ny fomba firesako amin'i Maria i Lotera no tsy mahalala ny fomba firesaky ny olona amin'ny tromba... donc tsisy solution :-)

Manaova fanadihadiana kely aloha. dia sokafy ny fo hoe ahoana marina no ataon'ny Katolika... dia mba mivelatra ny saina hoe mba misy olona hafa tsy donto koa... fa tsy hoe Lotera no vao nitsikera ny katolika dia haharesy lahatra eo :-)

Izaho tsy afaka mitsikera ny ataon'ny Protestanta, indrindra raha izay foana no nahitany fiadanam-po sy fahasoavana hatramin'izay. Izaho indray ve no hiteny hoe aza mankao... kanefa izy aza tsy mijaly ao? Dia toa izany koa aho... amin'ny finoako.

Izaho dia matoky sy miaraka mivavaka amin'i Maria. Hitako ny vokany amiko sy amin'ny olona hafa toa ahy ihany koa... dia i Lotera indray ve no hiteny hoe ratsy izany kanefa i Lotera aza tsy manao an'ilay expérience akory? :-) dia aleo ho ahy ihany ny ahy fa za aza tsy taitra.

:-)
42. annie ( 08/04/2005 13:42)
hery!
Aza miakatra ise fa adi-hevitra ny antsika!za efa nahita olona mihetsika tromba lol
:-* :-* :-* :-*
43. pissoa ( 08/04/2005 14:13)
hery> =D =D
annie> Marina mihitsy ny voalazanao hoe iray ihany ny baiboly. Mitovy amin'ny tany ampiandohana. Fa lazao ahy hoe inona ilay tany ampiandohana... tsy katolika? Tao daholo no niala raha mbola Kristianina. Tsy mitsara aho fa manao conclusion tsotsotra fotsiny hoe raha misy fandikana vilany ny Baiboly, dia ny an'ny Katolika no azoko antoka indrindra hoe tsy dika vilana. Dia hoy ianao hoe Maty ve mbola hivavaka. Ianao mahalala baiboly io, mino ve ianao fa misy fiainana ao aorin'ny fahafatesana?
Dia ny resaka miankohoka amin'i Maria ... miankina amin'ny sainao miankohoka io. Raha misy manao hoe "O ry, Maria ry Andriamanitro" ... dia hoy aho hoe na milaza ho katolika aza izy ahitsio fa diso. Fa raha manaja, toy ny hanajanao ny rainao na ny reninao fa ambony kokoa satria ekenao hoe Renin'ny Zanak'Andriamanitra izy, inona no olana.
Dia ianao miteny hoe "Zana'Andriamanitra" i Jesoa fa tsy "Andriamanitra", raha tsy diso aho, na tsy Katolika aza misy ny antsoina hoe "Telo izay Iray" ... (na farafaharatsiny ny FJKM)
Ooops, i hery aza tsy tezitsa akory ko! :-*
44. ari.malala ( 08/04/2005 14:34)
Misaotra an'i Pissoa fa efa nainka hiteny an'io Telo izay Iray io aho, fa mbola misy koa any Tenin'i Jesoa manao hoe "Izaho sy ny Ray dia iray ihany", koa tsy Andriamanitra Izy fa inona?

Fa inona mihintsy aloha ny tsy aritrareo hafa finoana @ Fanajanay Katôlika ny Renin'Andriamanitra ê! Koa ny ray aman-dRenintsika aza olombelona mitovy amintsika hajaintsika fatratra, rehefa maty anaovana famadihana sy angatahana hoe mba mitahia koa mainka ve fa ny Renin'Andriamanitra, @ tenenin'i ery any @ sujet hafa hoe na tsy angatahana aza izy hoe mivavaha ho anay dia efa nivavaka sy mbola mivavaka ho antsika tokoa! sady raha izay voalaza ao anatin'iny Baiboly iny no hororitina sy hotsongaina @ izay mampetimety ny fiainana tsy hisy zava-banona eo!

Ny lohahevitra dia hoe ny maha kristianina ny finoana Katôlika, fa ilay hoe kristianina moa mifototra @ iza*? Mifototra @ i Kristy izay ekenay ho Lohasy Filoha ambony indrindra @ Eglizy, nefa ny tsikerainareo dia ny momba an'i MLasina Maria; tsy azoko...... 8O :roll: :?:
45. xxx ( 08/04/2005 16:41)
Ary ny katolika izany no atao hoe finoana fototra an! dia ny sisa rehetra sampana...mmhhh
46. xxx ( 08/04/2005 17:54)
annie> Sao dia mbola tsy ampy ny famakianao Baiboly na nodianao tsy ho hita izay tena important ao! Ampanatren-tena lehibe ny hanampiako anao! Vakio joany1:1, dia raha mbola mazoto ianao dia vakio koa ny andininy 14! Lalino tsara fa mety hanampy anao hahafantatra fa Atra i Kristy! Tena amin'ny mahasamy Kristianina no ilazako io anao satria toa very lavitra be ianao izany! Niniako tsy notenenina ny Trinite Masina fa tsy dia maharesy lahatra izany! Sa tsy izany?
Mino kosa zah fa ho fantatrao tsara na Atra i Kristy na tsia raha avy namaky an'io ianao!
xxx> Izay mihitsy!
47. pissoa ( 08/04/2005 18:04)
Ampiako kely ny tenin'i xxx (ilay vao nanoratra namaly an'i annie io): aza ny katolika no tenenina matetika hoe tsy mamaky na tsy mampiasa baiboly ... Ny katolika miezaka miaina izay voasoratra ao rehefa avy ifampiresahana sy nohalalinina miaraka amin'ny Pretra na ny fianakaviana na ny olona hafa. Tsy toy ny sasany (izaho tsy miteny hoe tsy katolika, fa hoy aho hoe ny sasany an!) tsy manao afa-tsy ny mitadidiy ny toko sy andininy mampetipety ny fiainany sy hanamarinany ny tenany fotsiny.
48. pitchou ( 08/04/2005 18:40)
soso-kevitra: izay kristiana mahita fa tsy kristiana ilay finoana d aoka izy hiova finoana fa manjary otra'ny manota!
ary izay tsy kritsiana mianara sy mandiniha aloha an'ilay finona vao mitsara azy
49. annie ( 08/04/2005 21:23)
Pissoa!aza miakatra fa za tsy niteny hoe tsy mamaky sy tsy mampiasa baiboly? vakio tsara izay nolazaiko fa sao afangaronao @ ny hafa ny lazaiko!tsy hoe misy tsy haritra sy hoe manenjika fa izay voalaza ao @ baiboly no hiadintsika hevitra!Na izaho na enao samy mihezaka mankatoa ny baiboly,za tsy miteny hoe tena marina sy tsy misy tsiny aho fa kosa tiko ho lazaina @ tsika izay mahafantatra ny làlana ao @ baiboly fa mbola betsaka ny mandray antendrony sy manimbazimba an\'Aa!
xxx!haiko tsara io andinin-teny voaazanao io manao hoe\"tany amboalohany ny Teny, ary ny Teny dia niaraka t@ Aa and:1\' Tonga nofo ary ny Teny,ary ny nonina teo amintsika,ary hitanay ny voninahiny,dia voninahitra tahaka ny an\'ny ZANAKA LAHITOKAN\'NY RAY
Mazava tsara angamba hoe zanaka izy fa tsy RAY,manaiky aho fa afaka mivavaka@ jesosy isika ary efa baiko hazontsika nomenan\'Aa RAY.Enao ihany no nanome an\'io andininy io an?Manaiky @ zay enao fa tsy Aa i jesosy fa zanak\'Aa?
namana
50. xxx ( 08/04/2005 22:07)
Salut annie> Tena gaga zah amin'io valiny nomenao io! Tsy haiko na ny version nalainao no tsy ampy na ny ahy no nampiana fa izao ny zavatra misoratra ao anatin'ny Baiboly vakiako! Amin'ny teny angilisy izy ity fa adikako aminao amin'ny teny Gasy rehefa avy eo sao dia tsy mazava tsara aminao ny Angilisy. Marihiko fa tsy Baiboly Katolika akory izy ity fa irony ataon'izy ireo hoe: NIV( New International Version) ireny!
"In the beginning was the Word, and the Word was with God, and the Word was God. He was with God in the beginning" John 1:1
The word became flesh (verse14)
Izany hoe: "Tany amboalohany ny Teny, ary ny Teny dia dia niaraka tamin'Atra, ary ny Teny dia Atra.Niraka tamin'Atra nanomboka tany amboalohany Izy"(joany1:1)
Ary ny Teny dia tonga nofo(Joany 1:14)
Naninona no dinganinao io andalana iray io?(ary ny Teny dia Andriamanitra) Raha tsy nondinganinao fa ny Baibolinao no nanome io anao, mividiana hafa satria tsy ampy izany Baibolinao izany na koa namboamboarina mba hamitahana ny vahoaka!

51. sonwin ( 09/04/2005 10:42)
xxx> fa maninona aza no miafina manome soso-kevitra nefa zavatra tena marina tanteraka 100% no lazainao.

Ny teny tonga nofo, ny nofo zary mofo, ny mofo nozaraina dia tonga aina mahavelona mandrakizay
52. pissoa ( 09/04/2005 12:33)
annie> tena azafady e! Izaho tsy niteny hoe ianao ... tsy nojereko tsara hoe ho an'i annie ilay nataon'i xxx, le nataoko hoe an'i xxx. Marina ny anao, tsy ianao no niteny io. Cool :wink:
fa izao, ianao tsy mety manaiky hoe Andriamanitra i Jesoa, nefa ianao milaza fa hoe efa baiko azontsika avy amin'Andriamanitra ny hivavaka aminy (ahitsio aho raha diso ny fandraisako ny lazainao eo ambony an :wink: ) ... dia tsy azko, ianao ihany koa anefa no nanome ilay andalan-tsoratra hoe saro-piaro Andriamanitra. De le Andriamanitra malaza saro-piaro izany mibaiko antsika hoe mivavaha amin'io Jesoa io na tsy andriamanitra toa ahy aza io!!!
Dia manaraka izay, inona izany no mahasamihafa anao sy ny hoe "mivavaka amin'i Maria" raha tsy Andriamanitra i Jesoa. Hazavaiko kely ... tsy misy ny mivavaka amin'i Maria, fa mampitaha ihany aho hoe raha samy tsy andriamanitra dia maninona no tsy tantinao ny fanajana an'i Maria, nefa ataonao ny mivavaka amin'i Jesoa. Tsy tokony hajaina fotsiny koa izany i Jesoa farafahatsarany?
Farany kely ... azafady indray tamin'ilay teny diso tao ambony tao. :-*
53. cutie ( 10/04/2005 03:33)
Ny azoko hambara fotsiny de zao, tano mafy zay finoana anananao.
Rehfa miaina ao anatin'ny fahatsorana sy ny fitiavana sy ny fahamarinana de zay, na kristiana io na tsia.
Mazotoa ze mbola hiady hevitra momba an'i masina maria. lollllllllll
54. xxx ( 10/04/2005 03:48)
cutie> Izay mihitsy, tsara be ny conclusion arosonao, tsy hanampy antsika mihitsy ny fiadian-kevitra ohatran'io satria samy efa vonona hiaro ny azy doly ny tsirairay!
sonwin>kamo be zah satria tsikaritro fa tsy misy manao hoe marina izany na zah manaiky an'i maditra raha vao hitany fa i maditra miady hevitra!
maditra forever
55. sonwin ( 10/04/2005 13:31)
maditra> :lol:
cutie> :-*
annie> Andriamanitra Ray, Andriamanitra Zanaka, Andriamanitra Fanahy Masina= Andriamanitra tokana olona telo > misterin'ny trinité Masina.
zanak'omby= omby
zanak'olona= olona
zana-kisoa= kisoa
zanaka parasy = pirasy
..dia...

zanak'Andriamanitra= Andriamanitra mazava be..nefa tonga Olombelona ny zanak'Andriamanitra hanandratra ny olombelona ho zanak'Andriamanitra.
Jesoa= Tena Andriamanitra ary tena olombelona

Hatreo aloha fa sao fanina i annie dia hanao valy boraingina be indray.
Hery> tsara ity serasera ity fa sehatra iray hitoriana ny Vaovao Mahafaly :wink:
56. sonwin ( 10/04/2005 13:39)
maditra> :lol:
cutie> :-*
annie> Andriamanitra Ray, Andriamanitra Zanaka, Andriamanitra Fanahy Masina= Andriamanitra tokana olona telo > misterin'ny trinité Masina.
zanak'omby= omby
zanak'olona= olona
zana-kisoa= kisoa
zanaka parasy = pirasy
..dia...

zanak'Andriamanitra= Andriamanitra mazava be..nefa tonga Olombelona ny zanak'Andriamanitra hanandratra ny olombelona ho zanak'Andriamanitra.
Jesoa= Tena Andriamanitra ary tena olombelona

Hatreo aloha fa sao fanina i annie dia hanao valy boraingina be indray.
Hery> tsara ity serasera ity fa sehatra iray hitoriana ny Vaovao Mahafaly :wink:
57. annie ( 10/04/2005 19:52)
Pissoa! vakio sy halalino ny baiboly fa efa nomeko anao ny andininy de ho fantatrao hoe iza jehovah Aa ary iza jesosy,fa aza mandray antendrony fotsiny.
xxx!efa namaly anao aho kay tsy lasa ato ilay izy fa de ho valiko indray @ manaraka
58. maditra ( 11/04/2005 02:55)
annie> Izay mihitsy ny probleme-nao sy ny forongonao! Tsy ny Baiboly iray manontolo no hakana hevitra fa ny andininy. Dia tena mihevitra izany ianao ao fa ampy ahalalana Baiboly iray manontolo ireo toko sy andininy izay mba narosonao ireo. Misy ary mbola disonao koa. Tsoriko aminao fa tsy dia zavatra ffataoko io mandresy lahatra amin'ny toko sy andininy io satria i Jesoa nampianatra tsy dia niainga firy tamin'ny toko sy andininy fa ny fiainana andavan'andro no tena nakany ireo lesona nampianarany antsika. Fa satria mitady toko sy andininy ianareo dia izay no nanomezako ireo ho anareo fa tsy hoe tena zava-dehibe aoka izany ny fahaizana toko sy andininy!
59. annie ( 11/04/2005 08:37)
maditra!tena zany mihintsy
fa aminao hatao inn ny baiboly? hatao zesta eny @ tanana hoe iny eny ray olona fa tena mpivavaka mafana fo izahay?
Amiko de fiainana ny baiboly,ary halaliniko tsara hoe inn no voalaza ao,inn no azoko hatao ary inn no tsy azoko hatao izay raran'Aa!
Isika milaza ho kristianina mantsy de rehefa ampianarina tsianjery maimbo tany ampiangonana sy mba mahalala kely ny antoko sy nadinina ao @ baiboly de kristianina zay!
Ary havereno vakina tsara ny nosoratako eo mabony
VAKIO SY HALALINO NY BAIBOLY fa tsy niteny aho hoe ny toko sy andininy voalazako akory!aza raisina antendrony ilay izy fa mba mandinia aloha!
Ary milaza enao hoe zaho sy ny forongoko? baiboly no hiadiana hevitra eto,tsy maninn mihintsy zay filazanao azy fa fiainako ny baiboly,ary vatolampiko io,nitondra famonjenaho anay io baibolyio,ary mbola te hilaza aminao aho hoe halalino sy vakio io fa fiainana ho anao
60. dadabe ( 11/04/2005 09:38)
E!E! misaotra an'i annie,fa aza de misaofy r'izalahy a,de aza excitevana be koussa klou annie e,mba ataovy amimpirahalahiana le resaka fa manjary i Satana anie no hibaiko antsika ny farany e,ataovy am-pahendrena ihany fa tenin'Aa anie ny baiboly zal;ahy e :roll: (l) de ampy e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1638