mahagaga

1. fijo ( 23/03/2005 05:16)
amin'izao fotoana izao dia resabe tokoa any an tanana any ny momba ity grevy ataon'ny mpitsara sy ny mpampianatra eny amin'ny ambaratonga ambony izay tsy handraisankarama ity.ny mpanao gazety sy ny mpanohitra dia midradradradra fatratra fa tsy rariny sy tsy mifanaraka amin'ny demokrasia izao.ary dia lazaina fa any amin'ny tany mandroso rehetra dia tsy misy ny toa izao.??????????????
vao tamin'ny herinandro ity no nitsahatra ny grevy nataon'ny mpandroaka fako tany montpellier sy ny mpizara taratasy teto marseille.grevy izay naharitra 3 herinandro teo ho eo.ary dia tsy handraisankarama mazava hoazy satria tsy niasana.tsy nisy resaka izany taty.
moa ve tsy fantatry ny mpanohitra sy ny mpanao gazety izany?
nahita koa aho tamin'ny gazety tribune omaly fa ny lalana vita dia "zavabita tsy dia mampandroso mivantana na tsy misy hifandraisany mivantana amin'ny fampandrosoana"?????????????????????????????nahagaga ahy io satria mba nianatra momba ny fitanterana aho taty ,ary tamin'izany dia nianaranay fa ny antokin'ny fandrosoana voalohany sy anisan'ny nampandroso ny tany manankarena rehetra dia ny fisian'ny lalana ahafahana mamoaka ny vokatra sy hifaneraserana.
tsy fantatry ny mpanao gazety koa va izany.
"ny filazako ireo tsy midika akory fa tsy hitako koa ireo fandikana lalana ataon'ny mpitondra izay mibaribary,fa mba tiako tsindrina fotsiny hoe dia samy milaza izay tiany aby ve ny any?"
2. kitjo ( 23/03/2005 05:34)
za koa mba miharagaga @fijo.
Nddray tokoa aloha ny mpanao gazety dia tena miteny2 foana...asa tsy misy mahay koa angamba ny mpanaramaso ka samy milaza izay lazainy na atao fanahy iniana hanakorontanana ve?

Marina aloha fa misy araka io voalaza io ny zavatra tsy mety ataon fanjakana kanefa ny mpanao gazety koa dia manitatra

Raha ireny fitoriana ataon' ny olon-tsotra na orinasa tsy miankina ny mpanao gazety ireny ve dia misy idiran' ny fanjakana fa tsy aferan zraeo?
Kanefa ny fanjakana no omena tsiny ka samy te hilaza zay tiany holazaina aby zany n atsy misy dikany aza nefa ny lazain gazety no miantefa voalohany any @sian vahoaka sy heveriny ho marina satria ofisialy
3. naritsimba ( 23/03/2005 06:16)
Salama daholo!

Ny tena zava-misy marina eto Madagasikara dia izao:
1-Ny mpitondra fanjakana dia manao lalana hifanaraka @ toetsain'izy mpitondra ka hampaharitra azy eo @ fitondrana.
2-Misy lalana eto izay efa nolaniana teny @ Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona fa saingy manelingelina ireo mpitondra dia tsy avoaka ny didy fampiharana(decret d'application.
Ohatra:
-Lalàna mifehy ny fanaovan-gazety.
-Lalàna mifehy ny varotra sy ny fifaninanana ara-barotra.
-Lalàna mifehy ny mpiasam-panjakana.
-Lalàna mametraka ny fahafahana mitory ny mpitondra, "Conseil de la Magistrature"
3-Ny sasantsasany ihany ireo fa raha ho tanisaina eto daholo dia angamba tsy ho ampy ny fotoana hamakiana azy.

Tsy misy sahy mametraka eto ny lalàna momba ny fitokonana satria t@ alalan'ny fitokonana daholo no niakaran'ny mpitondra rehetra nifandimby teto hatramin'izay.

Koa dia anjarantsika no mandinika ny zava-misy.

Misaotra e!
4. ravatorano ( 23/03/2005 07:20)
fijo>kitjo>io ilay we aza ifanarahana eh d ento milamina ihany .Isika mbola varaiana amin ny moramora sy ny we aleo hisy ny marimaritra hihavanana fa ny any ampita na ny firenana hafa tsy manao an izany fa rehefa lalana dia izay tokoa no ampiharina.
Marina voalazanao naritsimba fa araky ny efa mba nolazaiko ombieny2 dia mbola ny fomba fahiny ihany matetika no miverina hany ka tsy hita taratra eo amin ilay fitondrana ny fanavaozana na ny fiovam penitra vao2 entiny fa matin izay toetra ratsy ifandovana izay hany ka na mba misy zavatra maro vitan ilay fitondrana aza dia maty momoka amin ilay tsy fanarahana ny lalana sy fanaovana an ity marimaritra iraisana lava ity.
Izany no mbola maha tany andalam pandrosoan ny firenena malagasy ,marina fa ny lalana dia andry iray iankinan ny famoaham bokatra fa raha tsisy vokatra avoaka kosa anefa nohon ny cataclysme naturel ny tsy fisian ny fandraisana anjaran ny fanjakana eo amin ny fanamafisana ny fanapariahana ny tekinolozia moderina amin ny fambolena sy fiompiana dia natao ho an izay zanaka ampielezana manana fiara hamangiany ny havany ireny lalana vita tsara ireny , nefa tsarovy fa efa mba zava dehibe koa izay manana lalana tsara izay fa tsy ho simba ny fiara ianao tsy mikentrona intsony midina any ambanivohitra nohon ny haratsian ny lalana.
5. moi ( 23/03/2005 11:56)
Ianareo tsy eto Madagasikara dia tsy mahita fa mandre fotsiny ny zava-misy eto, nefa dia tsorina fa ny làlana hono tsy azo hohanina ! (tsy hevitro io fa izaho mpitantara fotsiny)
Izay no teny mahafehy ny fijerin'ny vahoaka !
Fa mahagaga hoa fa mitombo ny vokatra vary isan-hekitara no vao maika mihalafo ny vidiny, vita ny làlana fa tsy midina mihitsy ny vidim-bokatra, betsaka ny tsy manaraka lojika ekonomika mihitsy raha ny zava-misy eto e !
6. iartistika ( 23/03/2005 16:54)
ny an'sasany lalana no resahina ,ne an'ny sasany lalàna,tsy azoko tsony lé :roll: :?:
7. pitchou ( 23/03/2005 18:56)
iartistika> araka zay fomba anononanao azy d mety fona e!
ny hitsarana na hanombanana hoe tsara ny nahavitana ny lalana dia arakaraka ny tsirairay sy ny zavatra andrasany @ lalana. raha mitafa @ ireny olona mipetraka @ toerana tena lavitra ireny izahay dia ny lalana ombieny ombieny no tiany hisokatra, ary tena manao tokoa rizalahy rehefa mahazo fanampiana, maika fa raha atao goudron d asa fotsiny!!!! ho an'ny sasany te-hihinam-bary be indray ka mahita lalana izany d tezitra izy hoe io midadasika be nefa tsy azo hoanina (marihina fotsiny fa tsy misy miteny hoe io fahadiovan'ny tanana io, na io lava-piringa atao eny an-tsekoly io, na io sekoly io handaniam-bola nefa tsy azo hoanina!!!!)
Fa ny fahatsapako azy aloha d gazety te ho gazety à scandale daholo no misy eto fa tsy mbola misy tena matianina @ filazam-baovao! na fantany aza fa tsy mitombona le zavatra d satria mety hanaitra d atao mibaribary (aleoko tsy miteny hoe tsy ampy fandalinana na fahaizana rizareo fa sao tsy marina izany!). Ny resaka ethique koa dia tsy mbola ao anaty voambolana, ary dia manampy trotraka daholo izay eo @ ftondrana sy miady ny hiverina eo na mba te-hiakatra eo ....
8. fijo ( 23/03/2005 21:37)
aleo aloha hiaraha mahalala fa ny lalana "loi" dia natao hiarovana toerana.hoan'izay mitondra.io na aiza na aiza dia hita foana.
za koa dia mahita fa raha ity resaka lalana "loi" ity dia tsy ao mihintsy ity fitondrana vaovao ity.
izany anefa tsy tokony anampian'ny gazety hampitomboana izay tsy marina.ny gazety dia natao hitatitra ny zavamisy,ka raha amin'izay izy no voasazy dia laviko.fa raha amin'ny filazana ny tsy marina kosa amiko dia ekeko ilay sazy.
9. Ramaso ( 24/03/2005 06:28)
za OLP- "Olona Leo Polifika"
10. yonikafopl ( 24/03/2005 17:31)
za kou hiaraka amin-dramaso
11. iartistika ( 24/03/2005 17:56)
ho aiza nareo sy ramaso?
12. pitchou ( 24/03/2005 18:36)
ao ramaso fa tohanany enao fa milatsaha @ taona ho avy a!
13. fijo ( 24/03/2005 23:15)
yonik,vao tonga ramaso avy dia hoe tsy avelako intsony ity fa arahako foana an.hummmmmm bedin'i dadabe eo an.
14. iartistika ( 25/03/2005 09:02)
ie,ataovy tsara eo! :roll:
15. routa ( 25/03/2005 14:32)
olona leo politika angamba no tiandramaso fa mba diso izyka tsy hitako ny maharatsy an io aleo hilatsaka tohanana @ fifidianana
16. pitchou ( 25/03/2005 18:29)
izay ange wa e! zany ramaso an!
17. iartistika ( 26/03/2005 08:23)
tonga de tairo ny propagandy eh!
18. dadabe ( 26/03/2005 12:50)
eh eh eh attention iza indray izany mitady haka an'i yonika izany ????????????? :?: elah a! hhmm :twisted:
hehehe :D de ampy a
19. iartistika ( 27/03/2005 08:53)
tsy tain enao bedada fa tsy lasan'reo zany ny bebe anay ah...
20. yonikafopl ( 27/03/2005 20:36)
=))
iartistika fijo :-$
dadabe aza de mikoropaka wa hihiih
iartistika hihiihi efa hatokisan'ise anga??
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2219