mahagaga

41. pitchou ( 08/04/2005 18:09)
mandrindra> tsy hoe satria te-hihinam-bary kosa enao d tedavinao ny tantsaha no hiantoka anao, hiditra perte hihinananao vary mora (sady izany ve tsy fanandevozana kle!). Aza d mitsentsitra ny hatsembohan'ny hafa re! raha tsy izany mbola malalaka i mada, mambole re! d amidio mora!
42. sonwin ( 09/04/2005 10:15)
pitchou :-* milay ka
43. pitchou ( 10/04/2005 14:48)
tsy hoe milay fa mitsinjo sao lasa mpamboly vary any aoriana e!
44. mandrindra ( 11/04/2005 09:29)
=D manja e, aleo tsy ho perte ny mpamboly vary. Tsy hihinana izay takatry ny volany ve ny olona, fa angaha manatsafidy. Inona no anjara asna'ny fanjakana amin'izany? Tsy hoe mitady ny tombotsoan'ny daholobe, sa ho an'ny mpamboly vary?
45. pitchou ( 11/04/2005 18:19)
mitady ny tombotsoan'ny daholobe aloha tsy midika hoe ny daholobe mipetra-potsiny sy mitsikera d miandry fahanana gratos! raha hitanao wa fa tsotra tsy mandreraka ny mamboly vary d ialao ze asanao any fa mambole vary! d amidio morabe! @zay enao mba mahatsiaro mahazo tombontsoa koa e! tena manana safidy mihitsy tokoa moa izany enao io: hirotsaka hamboly vary mba hidinan'ny vidim-bary na hividy ny vary novokarin'ny hafa @ vidiny sahaza azy!
ny lalana amoahanao ny vokatra varinao efa ezahan'ny fanjakana vitaina rahateo
46. mandrindra ( 12/04/2005 10:00)
Ity misy lahatsoratry ny tribune izay sendra nivoaka anio.

Làlana 5000 km no vita nefa…

Ny làlana no hery lehibe, ahafahana mampihodina ny toe-karena, ary ahafahana miady amin’ny fahantrana ka io no dingan-davan’ny fampandrosoana nihazakazahan’ny fitondrana natao. Telo taona izay no niakaran-dRavalomanana teo amin’ny fitondrana, izay nahitana ny ezaka lehibe nataony tamin’ny fanamboaran-dàlana, izay nampirara-kivy ny hafa ny fahitana ny bainga voavadika, satria làlana aman-taonany no nampitondra faisana ny vahoaka kanefa vita ankehitriny. Raha ny tatitra nataon’ny fanjakana tamin’ny 2004 dia voalaza fa nahatratra 5000 km hono no vita tao anatin’izay 3 taona izay, ary teo ihany koa no nahateraka ny vavan’ny hafa hoe làlana ve azo ho hanina ? Tsy nahakivy ny mpitondra izany fanakiviana izany ka niroso ary mbola mitohy ny asa ataon’izy ireo satria io làlana io no làlan-drà mamelona ny toe-karena noho ny fahafahan’ny vokatra mifamezivezy eran’ny nosy, ka hihena ny vidin’ny vokatra noho ny tsy fisian’ny mpanararaotra intsony. Ankehitriny anefa, dia ny mifanohitra amin’izany no mahazo ny vahoaka, satria toa làlan’ny vidim-piainana, ary amin’ny toerana hafa aza dia voafehy ny famoahana ny vokatra ao an-toerana, nefa ny làlana hamoahana ny vokatry ny tany misy.
Vola tsy toko tsy forohana ny nanaovana ny asa eran’ny nosy, izay nahatonga ny fiafiana ho an’ny vahoaka, nefa toa ny firosoana amin’ny fahantrana no hita. Iza no tsy miaiky fa nampihafiana ny sarababem-bahoaka teo amin’ny sehatry ny sosialy mba hirosoana amin’ny asa goavana toy ny làlana, kanefa izao hiaraha-mahita izao ny zava-misy. Inona no tena tetika maty paika hitan’ny fanjakana hialana amin’izao fiakaran’ny vidim-piainana isan’andro izao ? Sao dia ny famadihana ny ampaham-bola amin’ny fanaovan-dàlana ho any amin’ny sehatra hafa no làlan’ny famonjena ? Azo fantarina ihany koa ve ilay làlana 5000 km vita , ary firy kilaometatra marina ny làlam-pirenena eto amintsika ? Mila mahafantatra ny marina ny vahoaka, satria mety hiteny ny hafa hoe tsy naleonay ilay làlana ratsy teo mora ny fiainana, toy izay 5000 km no vita nefa milomano amin’ny ranon’ny kizofara ny Malagasy ?

Trafokena ome-mahery io koa ambava omana ampo mieritra.
47. pitchou ( 12/04/2005 14:18)
mandrindra> sao mba ho lasa mpitondra ianao indray andro any d aleoko omena ity info ity! rehefa misy famatsiam-bola azo, dia efa fantatra mazava hoe inona no hanaovana an'iny! misy ny mpamatsy vola sasany tsy mamatsy afatsy karazana tetikasa efa voafaritra. Raha lalana no efa nifanarahana t@ iny, tandremo d tandremo ny manodina azy ho lasa provision mankany anaty ny frigo-nao, satria izany dia voasokajy ho isan'ny fanodikodinam-bola!
Ny fifampiraharahana mikasika famatsiam-bola iray dia mitarazoka foana, mety haharitra 5 taona aza ny sasany, fa tsy eny am-pisidinana koa d we an an an! ireo vola efa natomboka ny fifampiraharahana hanaovana lalana d aleo hividianana 4L ho an'ny gasy satria fampanantenana izay! afera hafa izany fa tsy ilay fifampiraharahana teo, raha efa raikitra le izy d fanodikodinana!
fa miverena we enao aty d mirotsaha ho fidiana ho prezida @ 2006 d ataovy vary mitafotafo be ny ao am-bilianay gasy rehetra aty e! ny lalana wa efa vita @zay hanamora ny famokaram-barinao!
48. mandrindra ( 14/04/2005 10:29)
"ny lalana wa efa vita @zay hanamora ny famokaram-barinao! ". Tena marina izany fa efa vita ny lalana, tena marina ko fa nihamora ny vary :lol: .
Marina mihitsy ny anao hoe rehefa izay no nifanarahana tamin'ny mpampidrambola dia izay no atao. Ankehitriny mba manotany anao aho hoe tsy tokony natao ho isantsokajiny ve ny fanamboarana ny lalana. Izy io tsinona vola nindramina dia tsy main tsy mbola averina, tsy maintsy manokana vola ihany koa mba hikojakojana azy. Koa mba omeo ahy ary hoe inona marina ny fiaitrakan'ilay lalana vita, mba omeo tarehimarika aho hoe fa aza atao fotsiny hoe mivoaka ny vokatra. Nitombo ve ny habetsahananovakarin'ny tantsaha. Ny tantsaha anie tsy hoe mamboly vary fotsiny ihany e, misy mro samihafa izy ireo. Jereo fotsiny ohatra ny olan'ireo tsntsaha mpiompy omby mamokatra ronono, tohizo fa tsara e, ataovy fotsiny ny lalana dia ampy izay fa mandeha ho azy ny ambony.
49. pitchou ( 14/04/2005 18:09)
:-D :-D :-D tsy vazivazy ! fa angaha tsy fantatrao fa efa nihenatokoa ny vidim-bary?
ny fikojakojana mandrindra tsy voatery tsy maintsyho tao @vola nindramina an! enao ve sady efa toklorana no mbola hiteny hoe fahano? izay no mahavoa ny gasy sasany!hitanao ve ny misy ny instat? mba aleo ianao mianatra mikaroka ny hoe ahoana no hanombanana izany rehetra izany dia manatona any dia asaivo azavainy aminao!
Fa raha isainao hoe misy fiara an'arivony maro fotsiny eto iarivo, ka noho ny lalana tsara dia maharitra kokoa ny fiara sy ny kojakojany d efa hitanao ny vokany tsotsotra @ lafiny iray! aza zatra mamatam-bonona hoy aho fa mba manaova ezaka na d @ io kajy io fotsiny aza!
Raha ny resaka momba ny ronono, dia sahiko indray ny miteny aminao fa noho ny fihatsaran'ny lalana dia nanjary mora kokoa ho an'ny mpamokatra ronono ny mamoaka ny vokatra! tsy hiditra détails aho fa sao fanina eto! fa raha niezaka kely ianao nijery dia nitombo ny mpamokatra ronono madinika, ary ny efa mamokatra manatsara ny vokatra satria fantatra fa mora kokoa ny famoahana azy!Lazao fa amidy @ tiko indray! :-D
50. pitchou ( 14/04/2005 18:11)
:miam: :-w lasa dialogue -ntsika sy enao le resaka sisa!
51. mandrindra ( 20/04/2005 16:18)
io fa efa misy mandray anjara atsy ambadika dia ho hita eo ny tohiny eto :D
Dia nihena ohatrinona hono ny vidimbary, efa latsiky ny fitonjato ar ve?
Tsy nazava angamaba ny nolazaiko ny mikasika ny fikojakojana, tsy niteny aho hoe tokony ho tao anatin \'ny vola nindramina izy io. Fa ny hevitra tiako haposaka dia ny hoe ireo lalana rehetra vita ve dia hiteraka harena noho izany hampitombo ny kitapombolampanjakana izay ampy hikojakojana ny lalana.
Satria aho tsy any antoerana dia ireto ny vokatra avoakan\'ny instat, tamin\'ny taona 2004 hoy izy dia nitombo 5,3% ny harikarena malagasy. Tarehimarika mahafatrapo izany fa nahavita tsara kokoa noho ny salanisan\'izao tontolo izao isika (FMI : croissance moyenne mondiale en 2004 5,1%). Dia toy izao ihany koa hoy ny instat : ny vidimpiainana dia nisondrotra 30,3% tao anelanelan\'ny febroary 2004 sy febroary 2005, ary nisondrotra 1,3% tao anelanelan\'ny janoary sy febroary 2005. Dia soa ihany fa io nolazainao hoe efa nihena ny vidimbary amin\'izao isika volana aprily.
Ny amin\'ilay resaka fiara dia tena tsara sy marina io fanazavanao io. Fa ho tohizako kely satria hoy ianao hoe mba mahaiza mikaroka ary aza mamantambonona. Dia marina izany fa efa mihamora kokoa ny kojakojan\'ny fiara. Koa rehefa mihamora ny kojakojan\'ny fiara dia mihena izany ny asan\'ny mpiavoratra pièces auto sy ny garage. Dia rehefa mihena ny asany dia mihena koa ny mpiasany, dia efa mba nadray andraikitra ve isika hoe alefa aiza ireo olona ireo. Sa dia araka ilay nolazainao hoe aza zatra mamantambonona fa mba mikaroha. Raha ohatra ilay rangahy efa 30 nanaovana mécanicien dia inona no asa tokony hataony avy eo. Eny e, azy ny fadisoana raha tsy mahita asa izy fa tsy ho andraikitry ny mpitondra fanjakana mihitsy ny mitantana izany.
Dia miverina amin\'ilay lazaiko atsy ambadika hoe alefaso tsikelikely araka izay mety ho zakan\'ny aina fa aza manoa bve tsy handraofana akory.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2653