mahagaga

21. iartistika ( 28/03/2005 15:41)
yonika> :wink:
dadabe>efa hoe aza mikorapaka hono f'efa poin's :wink:
22. fijo ( 29/03/2005 21:46)
yonik aleo aho hangina ary e
23. yonikafopl ( 29/03/2005 22:27)
fijo mahagaga ilay fahanginana hihihihhi
24. iartistika ( 30/03/2005 16:25)
fijo> efa poin's ny bebe antsika ah!ny mariazy sisa :-D
25. fijo ( 30/03/2005 21:43)
izay marina ry iartist an.tairo bebe an
26. felampaiso ( 31/03/2005 10:28)
moi:

Ianareo tsy eto Madagasikara dia tsy mahita fa mandre fotsiny ny zava-misy eto, nefa dia tsorina fa ny làlana hono tsy azo hohanina ! (tsy hevitro io fa izaho mpitantara fotsiny)
Izay no teny mahafehy ny fijerin'ny vahoaka !
Fa mahagaga hoa fa mitombo ny vokatra vary isan-hekitara no vao maika mihalafo ny vidiny, vita ny làlana fa tsy midina mihitsy ny vidim-bokatra, betsaka ny tsy manaraka lojika ekonomika mihitsy raha ny zava-misy eto e !



manamafy izay voalazan'i moi aho fa ny zavatra mahamaika ny olona ange voalohany indrindra dia hoe ampy sakafo mahasalama ny aoan-tokantrano é ! Ny tanjona nokendrena t@ izay fametrahana mpitondra teto dia ny hoe hiadana sy ho voky ny vahoaka, nefa dia izao no hita: mihamahantra ny gasy efa nahantra ary mihavondraka ny efa mpanana, mifanambaka eto isika mianakavy kaizay olona tena nitolona ho an'ny madinika rehefa tafita dia manadino fa izay hampatavy azy no ataony izany foana no eto amintsika, ka disi ve ny olona raha milaza hoe :" na be dia be aza ny làlana ( route ) tsara moa azo hohanina ve izany " , entina ilazana fotsiny fa mandringa ny fomba fitondrana eto fatsy misy projet mirazotra hoe : amboarina ny lalana SADY inty koa ny hanina mahavoky ny vavanareo, tsy afa-misaraka ireo nefa dia sarahina satria rehefa mahantra ny vahoaka dia NOANA dia tsy afaka manohitra an-dra8 intsony, hanongana indray ve , ka raha miverina eo indray ilay iraika lahy taloha dia ahoana ....,? DRAY !!!
27. annie ( 01/04/2005 07:56)
Ahoana moa no hiadanan'ny vahoaka sy ny havokisany raha tsy miakatra ny vokatra?Hiakatra ahoana moa ny vokatra raha tsy vita ny làlana?
Raha mivarotra zvt iray ve enao tsy tokony ho hitanao ve hoe hoatrinona ny masokarenanao mba hanaovanao ny vidiny ka ahazahoanao ny tombony?
De mazava ho azy fa izany no mahalafo ny fiainana aloha hatramin'izao!
Tsy aleo ve ry reto mba ao amintsika ihany ny vokatra rehetra no tohazana na de lafo aza? Toa izay hanafatra any ivelany foana?
Tsy aleo ve ao @ tsika ihany ny vola no miodina toy izay hindrana @ firenena hafa foana? De ny taranakitsika fahafiry mbola hanefa trosa foana?
Raha azoko tsara ny tetika enti-miasa @ zao fotoana zao de lafo aloha ny fiainana mba hampidi-bola ho an'ny fanjakana ahazahoana manarina zavatra maro
Zaingy isika malagasy moa tsy mety hafa-po,fa na iza na iza tonga eo tsy maintsy misy foana ny menomenona ambadika
28. mandrindra ( 01/04/2005 08:58)
Rehefa vita anie ny lalana dia tokony hihena ny masonkarena satria midina ny sarampitanterana ko ahoana no tokony hampiakatra ny vidimpiaianana?
Marina hoe aleo ao antanàna ihany ny vola no mihodina satria izay ihany no mety ahitana vokany bebe kokoa eo amin'ny fiainana andavanandro (io ilay atondry zalahy ekonomista hoe facteur endogène). Misy fomba maro ny azo anaovana izany.
Hoy i Annie hoe isika malagasy moa tsy mety hafa-po, mety ho marina izany satria izay ny mahaolombelona, mitady ny tsy ananana foana. Fa ny any Madagasikara kosa ankehitriny ny kely teo antanana ve mbola nanimbinana indray dia tokony hitehaka izany? Sa izay ilay filamatry ny baiboly hoe raha misy mamelaka ny takolakao havia dia tolory ko ny havanana? :?
29. RaMC ( 01/04/2005 09:48)
Ndao rangahy handeha "dia an-tongotra" indray ah. Tsy mila làlana goavana handaniam-bola amin'izay. Satria marina ny an'i Mandrindra. Sa ahoana ? Ny làlana vita nefa ny vidim-piainana miha lafo.
Ary angaha tsy misy hevitra mihitsy ny hampidinana ny vidim-bary ohatra ? Naheno aho mantsy fa raha hihidina aza ny vidim-bary dia tsy ho latsaky ny fitonjato. Dia ahoana ? Sa atao andrana indray io prix io ka rehefa hita fa zakan'ny olona dia hidangana hatrany ny vidim-bary ka na hifanerana amin'ny vidin'ny solika aza tsy maninona ???? Dia tsy hay aloha izay ho tohiny eh !!!!!
30. pitchou ( 01/04/2005 18:50)
euh! hum hum hum! otran'ny tsy mety @ fisainako mipetraka eo @ toeran'ny tantsaha izany hevitry Mandrindra sy raMC izany ko! nareo ve d hanaiky ohatra hoe mba hampidinana ny vola mivoaka @ fanjakana (raha mpiasam-panjakana nareo!) na ny vola alohan'ny société raha mpiasa privé nareo dia ampidinina ny karamanareo? misy zara tiana atao mitongilana ny fahitako an'izany! :?
31. fijo ( 01/04/2005 21:27)
le halafosan'ny vidinjavatra aloha dia eo ny lasantsy e.izay tena antony iray lehibe amin'izoa manondrotra ny vidin'nyzavatra rehetra erantany.
ny vidimbary ,eto misy olana tokony amboarina kely,satria ny tantsaha anie ka faly amin'izao vidimbary izao e.saingy izay tombony amin'ny tantsaha izay kosa dia tokony ahitana lalana mba tsy hampisondrotra azy aty amin'ny mpihinana.
32. pitchou ( 02/04/2005 16:33)
fijo> tedavinao ho subventionner-na indray ve izany ny vary? toa aleoko indray mampianatra ny gasy hanamaro ny karazan-tsakafo hoaniny toy izay hanohana an'izay ka!
33. fijo ( 05/04/2005 21:34)
le hoe subventionnena aloha tsy ekeko e.fa mety misy hevitra hafa azo hatao ao.
34. mandrindra ( 06/04/2005 14:49)
pitchou, aiza ao anatin'izay nolazaiko no milaza hoe ahenao ny volan'ny tantsaha?
Ny fanamarihana napetrako dia misy tsy mazava ny antony nahatonga ny vidin'ny vary nihalafo. Ireto misy fanontaniana apetrako dia mety ho hitanao ao ny valiny.
Nitombo ve ny vidin'ny "grain" ambolena?
Nitombo ve ny karaman'ny mpiasa nikarakarakara ny tanimbary ?
Nitombo ve ny sarampitanterana nitondrana azy tany antanandehibe?
Nitombo ohatrinona ny vidin'ny vary?
35. pitchou ( 06/04/2005 17:55)
mandrindra> valiny: ianao mba mitady ny hanondrotana ny vola miditra aminao, dia mba toy izay koa ny tantsaha. Ny vidin'ny vary dia hatrany ampotony no nitombo, ary araka ny filazan'ny tantsaha dia nahafaly be azy izay! fa satria mitombo koa ny vidin'ny solika dia nahoana no tedavina hiditra pertekosa ny mpanangona? d bla bla bla d tonga eo @ vidin'ny vary vidinay aty. Azo tsikeraina ny isan'ny mpanelanelna saingy asa koa io ho azy, sa iza no hamelon azy ireo?ka aza mitady ny hampidinanana ny an'ny hafa raha tsy te-hampidinina ny anao! (aleoko maka izay position izay sao lasa mpanangom-bary ny tena any aoriana any!)
36. fijo ( 06/04/2005 22:22)
mandrindra:
nitombo ve ny vidin'ny masomboly?ie nitombo io.
nitombo ve ny karaman'ny mpiasa tany ,io tsy haiko ka tsy hiteny aho
nitombo ve ny sarany mitondra azy eny an tanandehibe ie nitombo io.satria manaraka ny vidintsolitany.ary farany dia io efa voalazan'i pitchou io.any ampotony dia efa mitombo ny vidimbary ary mahafaly ny tantsaha izany.
37. mandrindra ( 07/04/2005 07:51)
Nitombo ve ny sarany, niakatra ny solika dia niakatra ny sarany marina izany. Raha vita ny lalana tokony ho mora kokoa ny fandehanana mankany amin\'ny toerana mpamokatra dia tokony hiehna izany ny sarany. Raha hatao ny kajy aloha dia tsy haiko hoe inona izany ny tokony ho izy, niakatra sa nidina sa tsy nhetsika.
Ny fitombon\'ny vidin\'ny masomboly sy ny solika ve dia manamarina ny fitombon\'ny vidin\'ny vary izay hita eny antsena ?
Raha ny hevitrareo dia tehaka mirefodrefotra ho an\'ny mpamboly vary (firy isanjaton\'ny malagasy?) satria nitombo ny fahefamividiny. Dia ahoana kosa izany ny ho an\'ny malagasy mihinanambary (firy isanajaton\'ny mponina ao Madagasikara?). Izany ve tsy ohatran\'ny mitongilana ry pitchou? :D
38. fijo ( 07/04/2005 21:18)
mandrindra ;
ny fitombon'ny masomboly sy ny solika ary ny fitanterana sy ny mpanelanelana dia mitarika fisondrotana tokoa amin'ny vidimbary.
mpampboly 80% ny mpihinana izany 20% tsy efa zavatra lehibe ve raha ny 80% aloha no tadiavina ny hisondrotany
39. mandrindra ( 08/04/2005 09:29)
Ny fahavitan'ny lalana izany dia tsy misy fiatraikany mihitsy eo amin'ny sarampitaterana?
mpamboly vary daholo ve ilay 80%?
20% ny malagasy ihany ve no mitaraina amin'ny fisondrotry ny vidin'ny vary?
40. sonwin ( 08/04/2005 16:15)
mandrindra> mande tsikelikely io fa tsy misy miracle. Fa ny olona iray ve ohatra raha nahery nisakafo be de natavy teo no ho eo???tsia ny valiny..miandry andro vitsivitsy..ny socialiste ve raha nivadika ho capitaliste de nahita fiovana ny ampitson'iny ihany?tsia koa ny valiny..maro no mbola azo ambara. fa raha ny lalana no asiana resaka an, tsy hoe vita androany ny lalana dia hisy miracle rapitso, mande tsikelikely ohatran'ny processus rehetra io ry namana an...misy firindrany araka ilay anaranao io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9137