Apôkalipsy sy ny fanalana devoly

21. eisy ( 03/03/2005 08:44)
Amiko aloha de FIKAMBANANA io fa tsy antokom-pivavahana izany e! ohatran'ny Temoin de ... sy ny JESOSY MAMONJY ihany
22. ravatorano ( 03/03/2005 11:59)
apokalipsy d resaka matematika no ao resaka kajy sy fikajiana ny izao sy izao d aviteo manaratsy ny vatican sy ny pasitera fotsiny ho mpanafina ny marina rehetra ao amin ny baiboly.Mba mahazo tele ao amin ny tv+ lery d mbo manararaotra fa ireny v ho lasa filoham pirenena izany eh ntssss
ny fanalana devoly na demony . ka efa voalaza fa ny olombelona anie ka be fahotana izay avy amin ny fanahy ratsy eh (demony izay) izany we isika rehetra ka maninn raha ny anazy aloha no alainy vao manala ny an ny hafa izy.
Mpitari bato vilam bava ihany izy ireo amiko
23. intelligenzia ( 03/03/2005 13:01)
ravatorano:

fa ireny v ho lasa filoham pirenena izany eh ntssss
Mpitari bato vilam bava ihany izy ireo amiko
reny vilam-bava reny ravatorano no toa lasa lavitra aminy politika gasy a! tsy hitan-dravatorano angaha ohatra i Ndrema sy Zafy?:-D
jereo koa ohatra ny fampanantenana natao antsika hatramin'ny nazahoana fahaleovantena. sady manararaotra manangona ampahafolon-karena ihany mailhol anaovana fampielezan-[size=9]dainga[/size] :-D
24. Lallah ( 04/03/2005 07:50)
[quote]... Il n'est pas necessaire d'esperer pour entreprendre, ni de reussir pour persévérer.[/quote]

... Vous devriez savoir que :

LE POUVOIR REVIENT TOUJOURS À UN HOMME ÉLOQUENTAbraham L.


Et il faut l'accepter ...
25. hokanchec ( 04/03/2005 12:22)
IZAO NO IZY RY LERETSY AN! ANJARANAO NO MINO NA TSY
MINO FA AZA BE RESAKA FA IO NO ATAO HOE FANAMBARANA
FARANY AMIN'NY BAIBOLY KA NA INONA FINOANAO NA INONA
DIA IO NY FARANY KOA MBA INOHY IHANY FA SAO DIA ANENENAO AMIN'NY ANDRO FARANY KA IZAY NO MAHA CODE
SECRET IO APOKALIPSY IO ARY IRENY FANALANA DEVOLY IRENY DIA TENA IZY FA TSY CINEMA AKORY FA MANANDRAMA
IHANAO BE BLA BLA IO DIA HO HITANAO NY VOKANY
ARY MAHEREZA SY MBA MIVAVAHA FA AZA BE CRTITIQUE
FOTSINY AMIN'NY FIAINANA MAMAKIA NY BOKY FANAMBARANA
NA APOKALIPSY
26. Lallah ( 05/03/2005 00:16)


Marina zany ry lereto anh ...

Io ry Hokanchec dia ny feno tapany ihany no mikobana hoy ny fiteny. Izy ihany koa no maha-forum ny eto afaka maneho hevitra izay te haneho hevitra na dia misy aza ny mpiasan'ny voirie.

Ny fivavahana dia sahala amin'ny sekoly ary sekolim-pinoana moa no tena iantsoana azy na dia misy aza ny mandika vilana. Ka raha miasa amin'ny alalan'i Kristy handroaka devoly izy dia efa zava-dehibe eo amin'ny fiaraha-monina izay. Tsy mahita manam-pahaizana manondrana izany ianao. Ny mitonona ho manam-pahaizana ihany no manondrana matetika. Jereo anie ny SECES e. Ny SMM e ? Na ireny olona manana vocation économique ireny. Sa ahoana hoy ianareo ?

CLiquer ici pour la traduction libre.
27. Lallah ( 05/03/2005 03:32)
DIABLE NE PERSONNE - Version 5.00

Il a dit qu’il connaît très bien mon Dieu qui n’est pas le sien;
Il a dit qu’il avait fait 11 années, 11 mois, 11 semaines, 11 jours, 11 heures, 11 minutes et 11 secondes de vie religieuse;
Il a dit que la vie religieuse n’est pas fait pour lui;
Il a dit qu’il connaît bien la mission réligieuse;
On lui a attribué une aide, mais une fois sur place il a chiffonné ses parents;
Il est gauchement malade car il mange avec un seul bout de doigt;
Il peut rester debout avec une tête qui voyage toujours dans le vide;
Il a une cervelle de même poids que ses deux oreilles;
Il a des cheveux mais aussi trois cornes visiblement mal placées : deux tendues vers le ciel, et l’autre se penche devant;
Il essaye de suivre que ce j’écris comme dans la bible;
Il fait la quête au ciel et collecte l’argent d’autrui sur la terre;
Il est selon lui-même nomade;
Il a osé dire à un p’tit gars très mignon qui agit intelligiblement que lui de faire un Bizna quand la vie n’est pas facile là bas;


Qui est-il exactement ?


Réponse :
DIABLE EN PERSONNE

28. dadabe ( 05/03/2005 08:25)
Ny SECES sy ny SMM aloha dia tokony hoesorina DEVOLY. Asa raha misy mazoto manala ny devolin'ireny ianareo. Sady DEVLOLY tia vola be fa tsy mitaky raha tsy vola.

Ary mba ankamantatra taiza ary ity hitan'i ramatoakely Lallah ity ?

I mumu sy Maditra ihany koa hono tokony hoesorina devoly. Ny ato am serasera vitsivitsy ihany koa hono hoy ny mpanao tatitra dia tokony ho esorina devoly. Fa misy devoly lava tandroka be.
:evil: :?
29. routa ( 09/03/2005 13:42)
tezitra be ange ianao zany ry hokanchec e! dadabe a! zany mihitsy aleoko mahita mpanala devoly toy izay mampiditra aleo hoaho mivavaka e! toy zay manompo sampy Ny mpitondra manompo sampy ndray tsy hitako zany ka sarotra ny manondro olona eto fa zaho nipetraka tany amorotsiraka tany no nahitako ny olona makeny @ la doany manao fanompoany io ,amiko raha fivavahana mitory ny tenin Andriamanitra de tiako tokoa tsy hitako ny maharatsy azy. Ny ahalasa filoha azy indray avelao ny tantara no hitsara e! raha tena izy io tsy afaka isika fa raha sandika sss de tratra eo izy :D
30. dadabe ( 10/03/2005 11:19)
routa>tena marina ,io tahaka ny faminaniana rehetra izay azon'ireo mpaminany tany aloha ihany e,@fotoana hitenenany dia vitsy ny mino fa rehefa tanteraka ilay izy izay vao be ny tolagaga(ohatra t@ fahatongavan'i Kristy tety an-tany,vitsy ny nino nadia efa notoriana izao aza fa hoe io Ilay hanafaka an'izao tontolo izao ...eny fa na dia i Joany mpanao batemy aza nilaza hoe ity ilay zanak'A/tra ,nefa mbola nohombohana ihany izy t@hazofijaliana)
manaraka izany :ny bokin'ny apokalipsy dia mbola fanambaran'io olona io ihany (Jesosy Kristy )fa izay olona manambara an'io dia manatanteraka ny voalazan'ny faminaniana hoe "SAMBATRA IZAY MAMAKY SY NY MIHAINO ARY MANKATOA NY TENIN'ITY FANAMBARANA ITY .."na iza izy na iza (na temoin na daoud na katolika na protestanta na advantista na apokalipsy na.... tsy haiko e,de ho sambatra daholo raha mitory an'io boky io .
(l) (l) (l) :-* melsii ah
31. Lejim ( 10/03/2005 18:58)
Tsy resaka faminaniana io raha azoko tsara fa fanaovana fausse interpretation ny Baiboly ihany. Maro ny fiangonana tratran'izany fa ny Apokalipsa no hitako fa efa tsy ao mihitsy!
32. dadabe ( 11/03/2005 16:39)
aza manaraka olona hoa fa ny soratra masina arahana! :) de ampy e
33. Mifenty ( 12/03/2005 14:27)
Aza kitikitiana lty ny ladoany ah. Refa tsy hay de aza resahana fa manjary miteniteny foana ah?

Ary lisany zany mino anle oe Andriananahary ? na le oe Andriamanitra Andriananahary na koa ilay hoe Zanahary, na le oe Zanahary sy ny Razana?

Le Zanahary sy ny Razana mantsy dia i Andriamanitra nahary izao tontolo izao sy ny Razana izany hoe i Jesoa Kristy maty (razana hoy isika gasy) teo am lakroa.
34. dadabe ( 12/03/2005 15:56)
mifenty >hazavao tsara fa misy zavatra tiako hambara aorian'ny fanazavan'ialahy,
@ ise ve izany dia RAZANA i kristy? de ahoana ilay hoe "...efa resy izao na dia ny fasana aza...."
miandry aho fa hisy ady hevitra eto androany le :wink:
35. Mifenty ( 12/03/2005 17:05)
Ka tsy efa razana aza ve izy eh.

Efa maty Kristy Paska ho antsika?????

maty = razana sa inn ndray

ko aoka isika hanao andro firavoravoana ho azy.
36. sonwin ( 12/03/2005 19:26)
I Jesoa dia tena Olombelona ary tena Andriamanitra. Raha raisina amin lafiny maha-olombelona dia razana tokoa izy, zao anefa ts azo sarahina aminy ny maha-Andriamanitra azy ka noho izany izy an, tsy mitovy lenta sy saranga amin razana fa izy no antsoina hoe Ilay Zanaky ny Avo indrindra...Olona faharoa ao amin'ny trinité masina. Ny teny hoe razana dia natokana ho an'ireo loharano nipoirana ka efa nodimandry.Raha ny fahendrena malagasy no resahina dia ao aloha Andriananahary (Jehovah io), dia ao ny Zanahary (fototeny: zanaka..)ny ntaolo anefa tsy nahalala an Kristy ka ny fanahin'ireo mpanjaka no antsoiny hoe Zanahary..dia manaraka avy eo ny razana izay mitahy . Ankehitriny , efa mahafantatra ny fisian Zanak'Andriamanitra ny fiaraha-monina mpandala ny maha-malagasy, dia i Andriananahary Jehovah ihany, dia eo i Jesosy Kristy zanany sy ny Fanahy Masina(ts antsoina hoe razana Jesoa amin maha-Andriamanitra azy), dia manaraka ny Olomasina sy ny Zanahary (fanahin'ireo mpanjaka) , ary avy eo ny razana izay mitahy.Ankoatr'ireo dia mbola betsaka ny zava-manakasina noforon'Andriananahary tany amin fiandohana fa izay olona voaantso sy voafidy ihany no afaka hanaiky sy mahalala ny fisian'izy ireo fa ts natao ho an'ny sarababem-bahoaka.....akoatr'izay ilay Andriamanitra nahary izao tontolo izao dia Andriamanirta be fitiavana fa tsy mpampihorohoro. Apolakipsy zany tsy misy atahorana, manaova ny marina hatrany dia milamina ny zava-drehetra.
37. routa ( 13/03/2005 10:42)
dadabe a! zaho ange tsy manda ny faminaniana e! ary tsy manohitra an izany ko ! sady mba tena mazava be koa aloha ny fanazavan ny dadabe koooo mahafaly anay kilonga . Ory Mifenty a! ny olona miteny fivavahana tsy tezitra fa nahoana no tezitra be iseee? aza masiaka tahak io! fa raha miteny hoe doany ve de halanao tsy nanompa anie aho e! ary zao JESOSY efa nitsangana fa tsy razana tsonyyyyy mazava @ seeee zay de aza masika fa fianarana sy fifanakaalozan -kevitra eto
38. dadabe ( 13/03/2005 13:11)
mifenty >tsara aloha rehefa mino ise fa paska=fahafatesan\'i Kristy fa tsy ny fitsanganany velivaly akory
2-routa>tsy tezitra izy fa maneho ny heviny @feo mahery,dia haneho ny hevitro ihany koa aho @feo mahery :D
3-sonwin>marina ny voalazan\'ise fa ampiako kely \"...ny olona voaantso sy voafidy ary mahatoky...\"apokalypsy 14:12 :D
io fahafatesan\'i Kristy io no tena atahoran\'ny devoly satria io no marika fa resin\'iKristy ny heriny,de eo no tena mipetraka ny tetik\'i satana,atony mihitsy izay tsy ahalalan\'ny zanak\'olombelona ny herin\'ny ran\'ny Kristy ,ny andro nahafatesany ary ny nitsanganany izay efa voalaza sy voalahatra ara-tsoratra masina avokoa.
ohatra:
-ny soratra masina dia milaza fa maty Kristy PASKA ho antsika fa satana milaza fa PASKA =nitsanganan\'i Kristy t@maty.tena mifanohitra e
-ny soratra masina dia milaza fa
\"...tsy ,maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo @lalan\'i Mosesy sy ny Mpaminany ary ny Salamo...\"lioka 24:44,izao ary no voalazan\'ny mpaminany :\"....fa tahaka ny nitoeran\'iJona 3 andro sy 3 alina tao ankibon\'ny tany no hitoeran\'i zanak\'olona ao ankibon\'ny tany...\"vakio matio12:38-42,izany hoe i Kristy zany tsy maitsy mahazo 3 andro sy 3 alina ao ankibon\'ny tany izay vao mitsangana @maty ,,farany ny Mpaminany Daniela dia efa naminany ny andro ahafatesan\'i Mesia hoy izy \"...ary hanorina fanekena ho herin\'andro @maro izy sy hampitsahatra ny fanatitra alatsadra sy ny fanatitra hafa hatramin\'ny antsasaky ny herinandro...\"vakio Daniela 9:24-27,inona anefa ny zava-miseho @zao fotoana izao,novain\'i satana ny zavatra rehetra manjary misy Kristy (sandoka)tsy nahazo 3 andro sy 3 alina tao ankibon\'ny tany ,manjary lasa paska= nitsanganany,manjary mino ny fitahian\'ny razana ny zanak\'olombelona,eny fa na dia ny olona izay mamoaka devoly aza dia manjary hankahalain\'ny olombelona sasany.
Amiko ny fanalana devoly dia misy isankarazany ohatra :ny katolika dia mihevitra fa @alalan\'ny konfesy no amoahany devoly =>izay zany no style hitany ,ny mpiandry protestantamanao akanjo fotsy ary mametra-tanana=>izay zany ny style hitany ,ny apokalypsy manondro dia manafaka devoly =>izay zany no style hitany ,fa ny zavadehibe de ny famoahana ny herin;ny maizina ao @zanak\'olombelona.
fehiny:mba jereo ihany lehiretsy ny lalana izoranareo,de alalino ny soratra masina sao lahy ka hisasatra fotsiny isika ka tanteraka ilay tenin\'i Kristy manao hoe :\"...Tsy izay rehetra manao amiko hoe Tompoko2 no hiditra ny fanjakan\'ny.....miala amiko ianareo mpanao meloka..\"matio7:21-23.
Misaotra antsika rehetra nanaraka ny fanazavana :D :D (l) de ampy e , misaotra HERY a
39. dadabe ( 13/03/2005 13:56)
mbola ampiako kely i Kristy anie izany de tsy razana velively e,efa nandresy nynherin'ny fahafatesana izy misaotra e (l) :D de ampy e
40. Mifenty ( 13/03/2005 15:14)
1) Efa maty Kristy = Razana izy.
2) Nitsangana tam maty Kristy = hafa koa io,

Ny interprétation samy manana ny azy.

Ny azo antoka dia ity, rehefa tsy mahalala ianao = tsy manana fahalalana dia mora mino ireo bobards rehetra tantarain'izay miseho mahalala rehetra ("aty aminay i Kristy " hoy ny sasany, "ny anareo tsy izy hoy ny sasany", "izahay no manana ny fanambarana" hoy ny sasany, "nareo 666" hoy ny hafa)


"Ringana ny oloko nohon'ny tsy fahalalana" hoy ny baiboly.

Voaporofo io izany fa rehefa tsy mahalala ianao dia mora tarihina sy resen-dahatra amin'ny zavatra iray.


Hany solution, raiso ny baiboly dia diniho tsara, alalino tsara, manomboka any amin'ny voalohany ka hatrany amin'ny farany. Alalino fa aza raisina ami'nizay mahfinaritra fotsiny ka hoe angalako passage kely Daniela fa misy faminaniana, de aveo raisiko kely ndray Matio 24 fa somary mety hampatahotra ny olona de aveo ampiako apokalypsa kely.

Rehefa manana fahalalana ianao avy eo dia tsy ho mora ampiesonin'ny olona fotsiny hoe i papa no 666 e, i radidy no 666 e, i bosy (bush) no 666. farany enao ndray no ho 666 aveo. hihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4697